
Alliance Francaise Ambatondrazaka
« Tonga masiaka » mihitsy Rajoielina tany Ambatondrazaka omaly, tamin’ny fanaovany fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana, toy ny mahazatra azy. Malaza misy aretina hafahafa atao hoe : « ambalavelona » moa iny faritra iny ka sao dia… « hajanona daholo ny fanamboaran-dalana hafa fa ny RN 44 aloha no hatao faran’izay haingana ka ao anatin’ny iray volana ny fanombohan’ny asa », « tapitra hatreo ny kobaka am-bava » hoy ny dehaky Rajoelina.
.
Niova tokoa angaha ny hevitry ny teny hoe: « kobaka am-bava », « kabary ambony vavahady », moa tsy Andry Nirina Rajoelina no niteny ireto : ahena 500 Ar ny kilaon’ny vary, 2500 Ar ny litatry ny menaka, mahazo maneho hevitra daholo eo amin’ny kianjan’ny demokrasia ny vahoaka, tsy hanakatona radio izany aho rehefa eo amin’ny fitondrana, tsy hisy gadra politika intsony eto Madagasikara, sns… tsy nisy tanteraka ireo.
.
Raha azo ambara tokoa aloha dia tsy kobaka am-bava ireo fa « lainga tsotra izao e » ! Raha izao no mitohy dia izy no hanana « record » amin’ny mpitondra teto Madagasikara « nandainga tamin’ny vahoaka ». bla-bla-bla…
.
Tsy hilatsaka ho fidiana aho fa manao fampielezan-kevitra mialoha, ny vadiko manao pi-maso amin’ny raiamandrenin’ireo mpianatra, sns… ny tantara no hitsara hoy ny Ntaolo, ny vava no tsy hatao be dia ny mamerina azy no sarotra, ny lainga marivo-tototra ka hezin’ny akoho tokan’anaka e!
.
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:

dadany izy aloha eh! tena recor du monde @ lainga sy ny kobaka ambava fa ny teniny anio tsy teniny rahampitso tena miovaova hotrany tanalahy hoy ny hirany Mahaleo…..
sady mpandainga be fa miovaova hevitra isakiny iray minitra sady izay teneniny tsy misy tanteraka zany ve! no hitokina tsy miatehitra @ hazo boboka ny malagasy no sady simba ny firenena sy ny toetsainy taranaka malagasy eh! tena i kotofetsy i TGV sy ny forongony eh!
tratra teny ihany ny sarotavany sy ny laigany kay izy io ambodiha mitafy odijanakondry indrisy mantsy ry foza sy ry mpamadika mpalitaorehetra sy ny namany TGV sy ny forongony……
lozanareo fa mpotikareo ny firenena sy ny fihainany malagasy iray manotolo na fanahy na toetsaina sns…….
A/TRA tsy handrinareo andrasanay malagasy kamboty eh!
Efa resin’io rangahy tgv io ny record amin’ny lainga teto eh !
Tsy misy fanefitra intsony io !
tena marina izany ry zava-misy!
tsy misy anampina na analana intsony eh! soa ihany ny vahoka fa tsy nifidy azy ary tsy ekeny izao tontolo iza io zaza baby boite de nuit io eh!
Mbola eo foana ve ireny alliance vozongo ireny ?
ireny nos atao hoe « agents de propagande culturelle »
« cheval de troie » , « trojan » ,
mpanao « conditionnement » sy « lavage de cerveau « !
Mba aleo vidianana boky anglisy ny ankizy…
Ny vietnamiana tanora tsy miteny vozongo intsony !
tena marina izany ry GBD ah! fa na ny @ tany frantsay aza izao efa miazakazaka @ teny anglisy sy espagnole ary allemand sns…… ny gasy mbola pepona ao ihany ve?
rehefa Rajoelina no tezitezitra miresaka toy ireny dia MISY RAHA AO!!!!!!kely sisa dia ho faty ny foza e!!!
f’angaha moa azo ohanina indray ny lalana?
aoka re ry tonton ah! raha izy dia voromailala fa raha i DADA Ravalomanana sy ny 3 mouvmence de vorondolo raha misioka eh!
hitanao izao ny ataony TGV sy ny forongony dia mbola sahy manamarintena ry zareo ry foza tsy ampy saina moa mihomba ihany kou …..
narary fo mihitsy aho nihaino radio viva anikeo, tsy hifanena amiko angaha tenisany???,
- Misy mpangalatr’olona ao Vodiala ao! (Vente d’organes humains?!)
Tsy alina dia andrenesan’olona miantso vonjeo fa HO-vonoina, fa na atoandro ny mpivarotra eny amoron-dalana aza hono misy mibata atao anaty 4×4 tsotr’izao. (Mponina any maka vakansy eto no andrenesana izany)
VODIALA DIA TANANA ANISAN’NY ANJAKAN’IRETO TASK FORCE & FIS, any Ambato any.
- O ry tonton an: ny ahy aza MaTv hany sisa qualité azo enoina, TSY asiana son rehefa mipotra ry Vit’alina, sy ny akoho amam-boron’ny HAT, koa vao maika itony Viva mpanolana saim-bahoaka!!
Matesa any haingana io ray poza io e !
efa ela no niandry an’izany eto.
Efa vonona daholo ny ho entina hanaovana fety be
Tsy ho ela e !
Efa mifandromatra, miady antrano ny mpamantsy azy re e ! Raha mbola manan’aina hanotra an’i DJ @ reto aditsaina be mandifotra azy ireto dia avelao hanao krizy kardiaka
Marina tokoa, tonga tsindraindray ao an-tsaina ny hoe: rahoviana re? Tsy maintsy atao ny FETY BE (what a relief) fa vita ny 1er round!
Ny Rounds moa dia mbola tohy-vakana, arak’ilay voalazan’ny parlementaire TIM iray nalaina ambavany tao @ télé hoe: tanteraho ny consensuel/inclusif – apetraho ny ordre constitutionnel eto @ tany sy ny fanjakana – miroso any @ izay fifidianana isika!
REHEFA IZANY, DIA HO HITANTSIKA EO NY TOHINY!
Mbola haveriko eto ihany tompoko o , aza mandany andro amin’ny resaka tsy misy diklany ianare e , manana namana , havana akaiky sy mpiray tanindrazana ao anaty fijaliana , fahantrana sy hanohanana isika e , inona no fomba ivoahantsika amin’zao krizy zao , iarahantsika mitady izany rehefa tsy mahita ala-olana ny mpanao polotika a@ andaniny sy ankilany , tsy mandà ny tenako itazonana any TGV hitondra ny tetezamita fa kosa olona vao2 daholo ( technicien , étudiant , paysan , universitaire , commerçants …) et les militaires au caserne ,hevitra iray io koa asa zay hafa harosontsika e , ny hevitry ny maro mataka-davitra e
RAKOTO!raha izao no mitoy dia hiaza LAMBO! isika mianakavy(Fifidianana malaky ihany, izay fomba ivoahana amin’izao krizy izao). Ny olana dia ny ankilany mitady ny tsy misy sanandro izao!,zaran’ny sasany ary tetezamita FOLO taona …Ny marina na ny andaniny na ny ankilany samy manao politika VORETRA avokoa ,ny vahoaka no atao sorona na fitaovana.Dikany ny fanaovana politika mila ovana amin’ny fomba rehetra…(maro loatra).Ny fahefana mila zaraina(amparitaka samy manana),ohatra omena fahefana sy lanjany ny FKT sy ny FARITRA .Ny vahoaka no masi-mandidy sy tompo-kevitra amin’ny taniny…
Jacta, Fa inona marina no tian’ny TGV lazaina amin’ity « Ny vahoaka no masi-mandidy sy tompo-kevitra amin’ny taniny… », raha ny fahalalan’ny mpomba ny Filoha Marc Ravalomanana dia toa midika fanjakan’ny devoly no tian’ireo TGV ahatongavana sy hanjaka eto madagasikara satria asan-devoly tanteraka no nangalaran’izy ireo ny fitondrana izay misy eto ankehitriny.
Iza moa no manana tombotsoa amin’izao tetezamita misy izao tsy ny TGV irery ihany ve?, raha izany ho ampy ny TGV ve ny tetezamita 10 taona ? ASA RE FA MBA DINIHO IHANY!!!
Tsarovy koa fa ny FANAJANA SY NY FANARAHANA NY LALAM-PANORENANA NO TENA ZAVA-DEHIBE FA TSY NY FANOVAOVANA AZY ISAKY NY MIHETSIKA IZAO!!!
Tsy azo iadiana hevitra fa ny FIFIDIANANA dia anisan’ny lalana iray hivoahana amin’izao haizina izao, fa mialoha izany aloha MBA LAZAO NY ANTONY TSY ANEKEN’NY TGV NY FITONDRANA HIARAHA-MITANTANA AMIN’NY ANKOLAFY HAFA?(Satria very ny tombotsoan’ny TGV raha zaraina amin’ny hafa ny fitantanana ny tetezamita noho izany ny TGV no mahatonga ny fikatsoana eto amin’ny firenena!
Mahagaga ihany ianao milaza ery aloha hoe: »Ny fahefana mila zaraina(amparitaka samy manana), ohatra omena fahefana sy lanjany ny FKT sy ny FARITRA.Ny vahoaka no masi-mandidy sy tompo-kevitra amin’ny taniny… » KANEFA NY TGV IHANY ANIE NO TSY METY MIZARA NY FAHEFANA E!, MBOLA NY TGV IHANY KOA NO NANIMBAZIMBA NY SAFIDIM-BAHOAKA e! koa asa re ry TGV !!!
Aleo ho tonga ny fifidianana dia ho ita eo ny tena masi-mandidy amin’ity firenana ity…Aleo hilatsaka daholo izay milaza fa tia tanindrazana dia ireo lazaina fa vahoaka no aoka hitsara….Kanefa aleo arahimaso tsara ny hala-bato mety hitranga a!!Olona 1 ihany no andrasana dia tampina ny daomy..I’LL BE BACK !
Anotaniako ianao RAPAULIN « fanajana ny lalam-panorenana no tena zava-dehibe fa tsy ny fanovaovana azy », R8 VE NANAJA AN’IO? TSIA avy hatrany ny valiny.Tsy nanaja izy ,faharoa matoa ovana ny lalam-panorenana misy ny antony maro(miditra repoblika hafa,atsaraina araka ny zava-misy sy ny toetr’andro,…).Dikany tsy maintsy ovaina ny lalana araka ny fandrosoana.Farany aza manantena fa na R8 dia ny tombotsoany no nanaovany SOCIETE(volam- bahoaka,harenam-bahoaka,fananam-bahoaka…).Ary tena farany, matoa nofaizin’iR8 tanteraka i RATSIRAKA dia manahirana azy sady tsy te-hifampizara SEZA amin’ny arema izy,izany rehetra izany no nahatonga ny fanesorana an’iDADA(tadidio koa ny an’i ZAFY sy RATSIRAKA 1991); tantara miverina foana, inona no antony?…..
Aiza ilay FOZA o!
Hay ve efa ao anatin’ny lalam-panorenana ny fanonganam-panjakana e! Ary tsy fantatro an ! HAFA INDRAY IZANY !, Fa iza moa ilay nanongam-panjakana teo iny e?,Andry Rajoel sy ny forongony ireny no nampiantra voalohany iny andininy vaovao (fanonganam-panjakana) iny tao amin’ny lalam-panorenana !
Mandroso mankaiza marina moa i Madagasikara amin’izao fotoana izao e?, TSOTRA FOTSINY NY VALINY: TENA MANDROSO ANY AMIN’NY FAHANTRANA IZY IZAO! efa miady ny laharana voalohany mihitsy!
Amin’ny manaraka izany dia atao fanao ny fanonganam-panjakana fa tena MAMPANDROSO tsy hita velively, rehefa misy tsy zakan’ny eritreritra kely tonga dia aleo manongam-panjakana @’izay mantsy ny lalam-panorenana voahaja tsara no sady mba mahazo seza ny tena e! sitrany ahay vola miditra sy mba afaka manao didy jadona kely( tahaka izao efa misy izao), raha mandeha fifidianana mantsy mety ho 2% na mahery kely no azo !!!.
Mikasika ny fananan’nyFiloha Marc Ravalomanana:AZA MIALONA NY FANANANY MIHITSY FA MBA MIASÃ MAFY DIA TONGA TAHAKA AZY E! Miasa amin’ny FAHAMARINANA no lazaiko eto fa tsy tahaka ny ataon’ny hafa akory, tsarovy fa tsy vao teo amin’ny fitondrana izy no nanan-karena fa efa taloha ela be! Filoha Ravalomanana no atao hoe MITSEMBOKA VAO MIHINANA,olona manana ny MAHA IZY azy izy!, jereo anie ny asa vitany e! KANTO AVOKOA!,harena noariana tamin’ny FAHAMARINANA,tsy afaka ny handa izany ianao Rajacta fa kosa afaka manenjika sy manaratsy azy rehefa tsy tianao izy!
NY MARINA ANEFA MISEHO ENY FOANA!!!
Koa na inona na inona filazanareo TGV mikasika ny Filoha dia izy hatramin’ny farany ny anay!
Tsy maintsy miverina eto DADA fa mba mandrasa tantana, aza maika!Ianareo koa anie tena hita mihitsy fa MATAHOTRA azy e! satria izy mantsy dia LEHILAHY MAHERY!
zay fa mandra-panoratra e!
Tena averiko mihitsy ny tenin’i GBD fa tena Fanjanahana mihitsy ny fampiasà na teny frantsay. Ary marina mihitsy ny moba an’i Viet-Nam
D’accord aminao aho GBD :
===
GBD a dit :
le Lundi 6 septembre 2010 Ã 14 h 13 min
Mbola eo foana ve ireny alliance vozongo ireny ?
ireny nos atao hoe « agents de propagande culturelle »
« cheval de troie » , « trojan » ,
mpanao « conditionnement » sy « lavage de cerveau « !
Mba aleo vidianana boky anglisy ny ankizy…
Ny vietnamiana tanora tsy miteny vozongo intsony !
fangaha ianareo izao vao nahalala io bandy kely tsy afa-taimbody io e! vao nilatsaka maire io dia efa nandainga t@ vahoaka fa tsy handray karama ny maha maire azy nefa ny paosiny no nofenoiny dia io no nataony, nanongam-panjakana sy mamita -bahoaka izay no fiainany .