Ravalomanana et les généraux

Ravalomanana et les généraux (photo archives MyDago)

Niditra mivantana tamin’ny antso an-tariby ny filoha Ravalomanana ny
Alatsinainy 30 Aogositra 2010.
.
Toy izao ny dika malalak’izany lahateniny izany :
.
Misaotra an’Andriamanitra fa samy velon’aina isika rehetra. Isika dia mahita fa mandeha any amin’ny tsy izy ny fandehan’ny raharaham-pirenena. Ankehitriny dia mitsanga-menatra isika Malagasy, ireny fitsarana mamoafady ary tsy azo ekena mihitsy.
.
-Voalohany : araka ny lalampanorenana Malagasy, ny filohampirenena am-perinasa dia tsy azo tsaraina toy io nataony io kanefa dia nataony ihany izany.
.
-Faharoa : ireo miaramila izay niambina ny lapa dia tokony ho ny « tribunal miltaire » no nitsarana azy raha meloka izy. Tena mijaly fadiranovana izy ireo, tapaka ny karamany, miafina sy misitrika izy ireo. Miantso sy misintona ny sainareo miaramila aho, jereo ny rahalahinareo, tsy misy hamaly faty izany eo akory, mampalahelo ny namanareo migadra any Antanimora sy any Tsiafahy koa noho izany miantso ny fianakaviam-be iraisam-pirenena aho, ianareo eto Madagasikara, miaramila nanao ny asany izy ireo. Efa niteny aho fa tokony ho ny vaomiera mahaleontena iraisam-pirenena no hanao ny fandihadiana hahalala tsara ny zava-misy miafina rehetra, avy aiza ny nitifity? iza no nitiftra? nisy nitondra teny amin’ny Palais, efa nihoatra ny tsipika mena? miara miory aminareo manana fahoriana, ny hanasoa ny vahoaka malagasy no nitondrako teo fa tsy hamono izany, ireny fitsarana ireny dia tsy misy fiantraikany aty amiko mihitsy..
.
Alaivo sary an-tsaina raha niditra ny lapa ireo olona ireo dia inona no nitranga ? Nisy olona nitondra izy ireo?
.
Hitantsika tsara, fa tsy nanaraka ny lalana velona ny fitsarana, tsy nisy akory ny mpisolovava nanatrika izany. Ho anareo miaramila dia tsy hisy mihitsy ny valifaty sy fanenjehina fa mba vonjeo ny namanareo. Fantatro fa mandeha any amin’ny tsy izy ny fandehan’ny fandehan-javatra.
.
Tsy nisy nitombina daholo ny fanamelohana ahy :
.
-Voalohany : Ny fividianana ny Air force One, f’angaha amin’ny anarako io sa ny fianakaviako? amin’ny fanjakana io?
.
-Faharoa : nivarotra ny tany tamin’ny Daewoo, tsy marina io tena lainga io.
.
-Fahatelo : ny fanotofana ny tany teny Andohatanpenaka sy nanome baiko teny Ambohitsirohitra, tsy izaho no nanome baiko, tao ny Praiministra lehiben’ny OMC ao ny tompon’andraikitra isan-karazany, tsy marina izany ary lainga afafy hanamelohana ahy izany.Fankahalana ankitsirano izao, olombelona ny tena ary mamanana taranaka, ianareo mpitsara tokony hijoro amin’ny fahamarinana hatrany.Mahereza ry vahoaka sy ianareo miady amin’ny fahamarinana sy ny ara-dalana.
.
Tsy hampiova n’inona n’ inona izany didy izany. Malahelo aho amin’ireo miaramila nanao ny asany, ireo vahoaka izay tsy mahalala ny alehany intsony noho ireo mpitondra izay nilaza hanova izy ireo, inona ny novainy teo?
.
Mampirisika anareo hatrany aho hazoto nitaky ny fahamarinana.Veloma indray ary aloha e! Samy tahian’Andriamanitra e!



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Mahereza, mandrosoa hatrany ianareo HMF !
  2. Mamaky ady amin’ny vahoaka ny kolonely Richard Ravalomanana
  3. Ireo mpanongam-panjakana no matahotra antsika vahoaka
  4. Kabarin’ny Filoha Ravalomanana 26 jona 2010
  5. Ry vahoaka malagasy, hihetsika sa tsy hihetsika ?

87 Comments

  • kristelle dit :

    ny tody tsy misy fa ny atao miverina,tena lakalaka lahy ny fiainana,mba tadidin’ilay atao hoe dada ve ny manamboninahitra nogadrainy t@ 2002?tadidinao ve ny olona nitsoaka bedabe,tsy manana fahefana amono olona ianao fa an’Andriamanitra izay tonononio vavanao io ny aina ary aza adino fa babenao ny ra latsaka ka itovy fiafara ianareo sy i Jamba,mampalahelo sesitany ity i Dada tel sisa mba hanentanana zaza kamboty izay fahanany reo @ magro,mahereza dada fa mbola miandry koa fitsarana any Andanitra .,a;lahelo anao aho ary mivavaka ho anao koa

  • kristelle dit :

    modia dada satria lazainao tsy misy fiatraikany aminao iny fitsarana inya! rapitso ve dada tonga tsiafahy ve afaka miantso ho an’izay efa nigadra?raha tsy izany aza mody Dada fa mampalahelo ireto zanakao tsy haheno na feonao intsony

  • zora dit :

    faly ny mpitoloan maheno feon’ i Dada ! mankahery !
    Mitohy ny tolona !

  • marcelino dit :

    lé kristelle toa olona tsy ho azon’ny aloka mihitsy é!ny any vahoaka dy dada ary ny miaramila zakany fa ny anao toa tsy ho zakanao mandrakizay.

  • zava-misy dit :

    Misaotra an’i Dada miditra mivantana !
    Ry krisy efa marary saina !
    Dia hita fa fitsarana mandiika lalàna no sady tsy mari-pototra.
    Ianarzo rehetra nanongampanjakana ireo dia tsy ho ela dia ho avy ny fitsarana anareo tamin’ny fanapotehana ny firenena !

  • Rivo dit :

    Le KKV ange ry marcelino ka Dame pipi e ! Fohy fisainana, ny ao anaty lavabo iany hitan’ny masony, tsy mihoatra ny panier keliny ny fisainany, manisa ny pièces jaunes aza zara raha hainy ka aza atao mahagaga anao !

  • Ragena dit :

    « Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina » hoe ry KKV dame pipi ??
    Andraso ny tour n’ity, hanateranay pièces jaunes tena hivian’ny tena pain bobongolo.

  • mamisoa dit :

    Maneho ny maha ambany saina azy tanteraka ilay tody tsy misy, dia mpisolo vava hono dia tsy hahalala fa terorista no namoaka didy sandoka! Dia tena maneho ny tsy fijoroany fa mpisolo politika, aleo lazainy daholo izayzavatra hihatra aminy, tadidinareo moa? Tsy ho tononina eto intsony izany anarana hoe Ravalomanana hhoy ilay mipety, arakaraky ny nilazany izany vao maika nahalala any Dada izao tontolo izao, araky ny nanapotehiny ny fananany vao maika nanampy azy ny rehetra ary araky ny hanamelohany azy vao maika hamelona azy Jesosy! Io fitsaratsaram-poana io no tena ho fanamelohana azy ireo, hiaraka hahita isika, izaho dia tsy taitra fa ny Jesosy hivavahantsika tsy zakan’ireo, tsy mahatanty mihaino filazantsara madio ireo, koa dia samy hahita azy tsy ho ela isika

  • Rivo dit :

    O ry mamisoa a !
    Romotra ry KKV maheno ny feon’i DADA tsara be. Heveriny fa dondrona toa izy sy le mpampandihy daholo ny olona ka ho lasa saina amin’ny vavany mamondrongony sy maty andrano lava izao. Pfffffffff
    Ratsy be marina ny FAVENDRANA, mety mmahafaty tampoka fa tandremo iany releto a !

  • rakoto faly dit :

    Tena loza tokoa anie no nitranga raha tafiditra tao ireo e,fandrobana,fanapotehana ny lapa …,ialako tsiny ary mbola maneho ny fiaraha-miory @ ireo namoy ny ainy fa fandrobana sy halatra no tao antsain’ireo nialoha lalana, misy porofo izany,(saino ilay alatsinainy mainty izay tsy ary mbola nisy toa azy teto Dago)……….. , ary taddio fa tsy maintsy ho avy ny tena marina mikasika iny raharaha iny

  • kevoka dit :

    « Fahatelo : ny fanotofana ny tany teny Andohatanpenaka sy nanome baiko teny Ambohitsirohitra, tsy izaho no nanome baiko, tao ny Praiministra lehiben’ny OMC ao ny tompon’andraikitra isan-karazany, tsy marina izany ary lainga afafy hanamelohana ahy izany.Fankahalana ankitsirano izao, olombelona ny tena ary mamanana taranaka, ianareo mpitsara tokony hijoro amin’ny fahamarinana hatrany.Mahereza ry vahoaka sy ianareo miady amin’ny fahamarinana sy ny ara-dalana. »

    Mazava izany izao fa dia mpamadika ihany ko i Rabemananjara Charles ary dia marina daholo fa izy no farany ka nahavitana an’iny fanonganana iny ka aza gaga ianao raha tsy nahavita na inona na inona i Pdt Ra8 kay tena izy rehetra tao dia izy daholo

    Ka ny fanontaniana dia iza sisa re no tsy namadika e

  • raisonnable dit :

    i kevoka:ay enao resy lahatra oe ts nahagaga rah ts nahavita ninin n pdt ra8????zay n nanesoran’ol az teo.
    d matoa miala @ny ny ol mis ts mety ao zay,sad ef itany ko fa ts taf tsony e:namono ol,ny harenany miha mtombo,ny ts tia az ef betsk…aleon’ol mial,ny ol v itaingina sovaly maty.NY TODY TSY MISY EH!

  • Alidera A.R. dit :

    Tribunal Militaire? Il aura fallu que ce soit encore Ravalomanana qui l’évoque. Lui, le laitier, qui n’a pas fait de Droits!!! Pety ou Rossy et bien d’autres y sont pourtant bien allés pour ne pas être capables de sortir de choses potables. Pire, le « Corps armée » n’a jamais eu son sens dans l’histoire de Madagascar depuis sa supposée indépendance. A quoi servent-ils ces amiraux et généraux?

  • akamasoa dit :

    Fitondrana sandoka manendry mpitsara sandoka dia mamoaka didim-pitsarana sandoka.

    Ny frantay ihany sisa no mihaino azy.

  • Deba dit :

    A MON AVIS, TOUT A ETE PROGRAMME A L’AVANCE PAR LA H.A.T: LA LETTRE OUVERTE DE ZAZA R. AUX PRESIDENTS RATSIRAKA ET ZAFY EN TEMOIGNE. ILS ONT DELIBEREMENT OMIS D’INVITER RAVALO ALORS QU’ILS PARLENT DE RECONCILIATION.
    A CE MOMENT LA, ILS SAVAIENT DONC DEJA LE VERDICT BIDON.
    LE RETOUR OU L’EXIL DE RAVALO NE CHANGERONT RIEN A MA VIE CAR J’AI DECIDE DE GAGNER MA VIE AUTREMENT MAIS, AU NOMDE LA PATRIE, POUR L’HEURE, JE NE VOIS PAS QUI PEUT LE REMPLACER?
    EN TOUT PAS QUELQU’UN DE LA H.A.T.

  • shhhhhh dit :

    Manaiky ny sadc fa tsy ilaina intsony ireo filoha telo taloha.Potika ny antoko tim feno mpamadika.Tonga ny didim-pitsarana.Raha toa ka manana qi ambony dia mahita fa resy tanteraka KO i ra8 saingy noho ianareo domelina sy tsy mahavita azy dia mbola milaza foana fa tsy vita ny baolina.HIHIHIHIHI

  • marina dit :

    hono oa ry Kristelle,misy porofo @ lay lazainao ireo daolo ve?raha misy porofo fa i ra8 no nanantateraka anireo fanakiananao ireo dia avoahy eto ho hitany rehetra,raha tsy izany dia ny porofo mivaingany tgv aloha zao no tena miharihary fa miteny lava reny fa tsisy tanteraka ny zavatra lazainy,demokrasia hono,nefa ve izy izao mampiantra izany,exemple fotsiny izay lazaiko zay fa ny liste tsy ho vita na 1page aza!h@ izao aloha ny nampanantenaina tsy misy,ny fiainana lafo be.

  • raisonnable dit :

    bye bye dada e!rovina ndr1 on no ho avy e,tsis daty azo tonononina tsony nga????lol

  • Rivo dit :

    Ndana miasa « Dame Pipi » fa aza manao vavan’ny mpanongampanjakàna eto. Shhhhhhhhh pffffffffff !!!!

  • Deba dit :

    TANT PIS S’IL Y A DES MPAMADIKA AU SEIN DU TIM (MOI-MEME, J’AI JAMAIS CONNU LES GENS DU TIM). POUR LES PERSONNES QUI ONT DES PRINCIPES, ELLES LES RESPECTENT. JE CROIS QUE C’EST POUR CELA QUE MADAGASCAR VIT ENCORE: HEUREUSEMENT, IL Y A ENCORE DES GENS QUI REFLECHISSENT MEME S’ILS NE SONT QU’UNE POIGNEE.
    POUR LES AUTRES, JE ME DEMANDE POURQUOI ILS PARLENT DE Q.I. ALORS QU’EUX-MEMES, ILS ONT UN Q.I.<60. RIEN QU'A VOIR COMMENT ILS ECRIVENT/S'EXPRIMENT SUR CE FORUM.
    EST-CE QUE NE SERAIT PAS CE QUE L'ON APPELLE DES FOZAS?

  • Ranja Randria dit :

    Teny matotra sy mahitsy, teny feno fahendrena sy fanajana izay iantefany;izany ka tenin-draiamandreny! Tsy maninona ny teny asetry ny mpanatsatso mitsaontsaona tsy am-piheverana na am-pieritreretana akory; tsy maninona ireny satria maneho mazava hoe tahaka ny ahoana ny haavon’ny sainy sy ny fanajany ny tenany. Mamindrà fo aminy fa izy aza tahaka izany!Samy lavà ny andro fa na ho ela na ho aingana, tsy maintsy miverina ny ara-dalàna.

  • marcelino dit :

    Mazava Ranja Randria a! hita izao ny vary sy ny voatsiparifary toa ndry raisonnable sy ssss, feno fialonana ary ory hava-manana, ny alika aoriana ihany fa tsy misy mpanenjika lasa aloha é , arakaraky ny hanenjehina ny dadanay vao miha mampisandratra azy ny lazany erantany ary manokatra ny mason’izao tontolo izao , koa manaova izay afaka fa tandremo ny avc é! mirary soa anareo foana izahay mba hiala ny kiran-trondro eo @ masonanreo dia mba hahira-tsaina @ manaraka é ! indrisy mantsy!

  • raisonnable dit :

    indrisy mantsy ry dada!iza zao n mpanenjika???ts n 3 mouvances.d n ara-dalana tsy maintsy mverina ref vita fifdianan mazava b zany fa dada lo efa bye bye.

  • shhhhhh dit :

    Rava vita tanteraka ka mbola inona ihany?Ny tim izao tsy misy intsony fa i Ravalomanana irery sisa no ao.Ny sadc tsy manaiky iretsy filoha telo iretsy intsony.I dadanareo voaheloka mafy.Ka inona no mbola lazaina fa tsy manaiky resy amin’izay?Sa rehefa ambany qi dia ambany tanteraka tsy mahay mijery ny zava-misy fa mifikitra amin’ny nofinofy?

  • zava-misy dit :

    Izany ka Filoham-pirenena voafidimbahoaka manampahendrena sy nahavita be !
    Volamena latsaka am-potaka iny ry tgvs isany tsy manjary ah !

  • Hary dit :

    Aza be vava sy mitsara @ lainga ry taranaky ny mpanongam-panjakana a!. Raha manan-kambo ny filohan’ny FATn’alikanareo dia avelao haneho hevitra eny an-kalamanjana fotsiny ny vahoaka. Nahoana no matahotra ny hahita azy ireo marobe hidina an-dalambe ka mody samborina, gadraina, rarafana baomba izay miteny. Matahotra ny hamaroany angaha dia rarana tsy hanao izany. Tsy ireo ao @ Magro iany ange no hitanareo afaka hanao izany fa eran’ny Madagasikara manontolo e!. Jereo fotsiny ireny tany Toliary ireny. Efa leo io Filohanareo tsy mahavita azy izahay. Betsaka ireo te haneho ny tsy hafaliany fa matahotra ny didin’ny be sandrin’ireo tsy mataho-tody. Asio fifidianana mangarahara ange raha tsy 4% ny vahoaka sisa no hifidy io filohan’ny FATn’alikanareo raha misy e!

  • marcelino dit :

    sssss mianara aloha dia toroy hevitra i domelina fa toa manao recitation fotsiny ,ny qi nao tsy mipoaka mitsy fa faible be @ izato fandiniana ambany sy iva dia iva fa sady sankalité no sanservo.

  • kristelle dit :

    tena mahery i Joelina ka! tena nataony nandraingiraingy nitsoaka tao anaty ala i Dada,modia ry dada fa tsy misy nfiantraikany aminao ny fitsarana

  • volaniaina dit :

    hanatanja tsaina izahay ry DADA fa voamaika itiavanay anao sy mampihatsika ny fitiavantanindrazana ny vvitany TGV sy ny forongony sy ny foza e!
    dia ianao sy ny olona tsy manatsiny rehetra no haniliany ny asa ratsy vitany nefa izy no nanao ny heloka dia izy no mitsaratsara fona matokia MR president Ravalomanana fa hianao hiany no filohanay fa tsy mahalala nizaniza afatsy hianao izahay fa i TGV sy ny forongony no tena meloka izao ve no vitany dia ianao sy ny gasy tsy manatsiny no melohany .
    ny meloka dia i TGV sy ny forongony izay efa namolavola ny tetika sns…..i andry TGV mivady sy dolin ary monja roandefo sy i zanaky randremanjato Richard sy ny taranany sy ny forongony TGV foza sns…….ny tafika koa ary ao anatiny Charle sy lily izay tafika nanafika any taninarenina sy ambotsirohitra dia anisany koa ary ny nanampozina ny rano nosotroiny vahoka sns…..t@ io andro io ….zany no meloka synamono ny vahoka nitondra azy handromba sy nanimba ny tanana nantananarivo sy nandoro ny trano sy ny radio….
    viva nakatona fotsiny fa nandika lala i TGV hotrany chirile t@ androny deba @ izao fotoana izao no dorany ny RADIO mpanjakana ary nompotimpotehiny ny akamaroany radio sy tele ao M/CAR dia izy no manjaka ary tsy mahazo manao expression libre ny mpanao gazety sy ny vahoka fa raha vao milaza ny marina dia migadra na ny mpanao politika aza e!
    afatsiny halatra sy ny fandrobana firenena vitany TGV sy ny forongony ary ny tafika sy ny mpanao politika sy ny foza e!

  • Tsootr dit :

    Ny fanontaniana apetrako dia ity,,, na tsy valina aza manaikitra any anaty any ny valiny,,,,,ianareo ireo ve ry Kristelle sy ny namany, mba mandeha tsara ve ny fiainanareo izao??? ny possibilite dia na ianareo tafiditra amin ilay antsoina hoe génération ingrat na nareo mbola tsy mamelona fianakaviana fa mamantam – bonona,,,marina fa n iza n iza filoha nitondra teo dia tsy mitrongo vo homana izahay fa tamin ity kosa izahay tena miafy tsy mihinana mba ahafahan ny zanakay mba mianatra kely,,,ary amin ny tebiteby no iainanay ny andronay noho ny fitadiavana izay tena mafy
    so mandry fotsy ny zanakay ,,,tsy manozona anareo anefa izaho fa misintona fotsiny ny feon ny fieritreretanareo hoe tonga amin ny tanjona tonga lafatra tokoa ve i Madagascar sy ianareo amin izao
    taorian ny fanonganam panjakana ireny…..
    Tsy manakivy antsika aho fa dia POTIKA ary HANDRINGA ela dia ela ity MADAGASCARtsika ity nohon ny tsy fieritreretana,,,satria tsy misy ho afa bela tsika amin toe karena fa fausse stabilite
    economique no mitranga amin izao,,,,le pire est a venir……

  • jacta dit :

    Manaiky ny KRIZY anie ny rehetra e!.ny olana dia ry R8 sy ny tariny mianakavy no sakana hatrany amboaloany aoka hazava tsara izay.Atao ny dinika,izahy tsy hanao raha tsy izao… mila voa-tsiary,manakorotana amin’izay atao mba haitana ny vahaolana no atao(tsy maintsy iDADA no tonga eo vao hanao zavatra!). Nefa i DADA efa mampamangy any alavitra any,mitady ny tsy misy;efa ho ROA TAONA eo amin’ny MAGRO foana no atao raharaha iDADA tsy mety tonga(minoa fotsiny eo e!).Farany na hiala-DILA na hiala-PA ny DADANAREO efa nilatsaka ny SAZY eto amin’nyTANANA fa tongava dia ho hita eo ny anaovana azy.

  • GBD dit :

    inona koa no mba fantatry jacta/nadia/dame pipi , momba ny krisy ???????????
    resaka letchi ihany no fantan-droky !

  • GBD dit :

    i Marina dia i Nadia /dame pipi ihany no mankasitraka ny resaka « DEGANY » ataony lalandava.
    Mankasitraka tena…………
    MPM !

    Couché ! à la niche !

  • volaniaina dit :

    OH! RY GBD ah!
    ny hendry mody viky fa ny adala manesika ihany eh!
    adala hoy aho ireo foza forongony TGV ireo eh!
    sady tsy ampy saina eh!
    loza ireo fa ny afobe no mendrika any ireny eh!

  • GBD dit :

    volaniaina

    miandry ny coordonné ange izahay é…
    tsara mifankahita.

  • Babyfoot dit :

    Tsootr a !
    Tsy mety ny mi pessimiste loatra. Mijaly ny vahoaka, tena marina izany, mandringa ny Tanindrazana, tsy lavina io.
    Mais « du chao naissent les étoiles » (prov. chinois)
    Firy taona moa no nitondran’i Ratsiraka ? Gisitra tamin’ny larana i M/car tamin’ny fahantrana eran-tany, zany hoe, raha nitodika dia tsy nisy olona intsony tao aoriana… !
    Firy taona anefa no nanarenan’i Président Ravalomanana ny toe-karena ? Nitampim-bava daholo ny eran-tany. Ny gasy tany ivelany, menatr’olona taloha ary lasa nandainga fa hoe tsy gasy fa Asiatiques, Réunionais na africains nanjary fiers, tsy menatra intsony satria nandroso ny tanindrazany.
    Ireo KKV nanapotika ny firenena ireo ary mifaly @ fahantran’ny vahoaka tsy mandady harona dia TSY HO AFA-MAINA. Ho sesi-tany toa an’i Ratsiraka, hisotro ny ranomason’y vahoaka ary ny vola izay azony avy @ makarakara dia HIVOAKA @ makarakara !

  • kristelle dit :

    rediredin’ny pivarodronono no betsaka

  • GBD dit :

    marina ry Baby
    le phoenix sait renaitre de ses cendres…
    Notre lutte pour notre pays va dans ce sens.
    Le Vietnam après une longue destruction par la guerre (française , puis américaine)se developpe maintenant avec harmonie , dans la PAIX ET LA DEMOCRAZTIE RETROUVEES !
    Ravalomanana a su en 7 aéns relever le pays de 25 ans de destruction massive de Ratsiraka.
    Nous arriverons à bout de cet avorton.
    Personnellement , et je l’avais écrit sur topmada , je serais prête à AIDER BENEVOLEMENT le gouvernement que j’estimerais pouvoir aider ( comprendre : à l’exclusion des enfants politiques de Ratsiraka)
    (en conseil d’orientation socio-économique et fiscale)

  • mamisoa dit :

    Crise amin’ny ahoanary jacta ndoza an! Fa ireto ve vendrana e! Izao no vokatry ny nataonareo sy ry tgv koa krizy inoa no kirizy? Tsy fahaiza manao sy vokatry ny halatra, sy ny maha terorista anareo izao, tamin’ny andron’i Dadanay tsy nisy kirizy, niasa daholo ny olona, madio maintso mavana ny tanana, ny tafika afaka niankinana sy nianteherana, tsy nisy ny milisy ndry ramarosaona sy ry pety ary ry voninahitsy, izany mandeha mamakivaky ny tanety izany tsy nahitana dahalo izany fa afaka mitsilailay eny amin’ny arabe raha sasatra izao miforidrambo daholo raha mandeha irery ny auto, ny mamono tena mamono tena satria tsy mahazaka ny fahoriany ny olona dia krizy no hilazanareo izany? Olona tsy mahay na inona na inona fa manatavy tena sy manabe hatoka eo ambony fahoiany malagasy fotsiny dia miafina amin’ny hoe krizy? Fa amin’ny fotoana tsy hapoizinareo dia hahita loza ianareo, hahita ianareo fa tadidio tsara fa ireo vahoaka niharitra no hanitsakitsaka anareo voalohany

  • GBD dit :

    Mialà Rajoelina,sy ny fotongony !
    dia vita ny krizy.
    Betsaka sady mahavita azy no vonona anondrotra ny tanin-drazana !!!!!!!!!!!!!
    Couché ! à la niche !

  • jacta dit :

    Veloama any amin’IDADA fa tratry ny krizy matoa lasa nitsoaka.Andraso eo fa anaterany RONONO raha omeny , ny sasany aza efa niova loko. DADA tsy hita izay tena marina, ela izay nandrasana azy izay (aza kivy fa iDADA efa niletika…).

  • ELAS dit :

    mialà joeli poza mitavozavoza dia mangina ho azy ny mpijapy rehetra toy rakrisy mpilelaka koa dia VITA NY KRIZY sy hadio ny firenena ary ny tany tontonlo sy ny rivotra hiainana.
    Izay fotsiny ihany dia VITA NY KRIZY
    99 isanjaton’ny Malagasy dia leo tofoka boboka hoentin’ny foza vendrana mpiandry valala manatody satria tsy misy hafitsoka.
    99 isanjato koa mahita fa ny kely vita dia mampianatra ny vahoaka hametsifetsy sy handainga.

  • ELAS dit :

    voakarama 100 000 ariary isan’andro i kristelle hanasa vangy eto; misimisy ihany mantsy ireo mila vola satria miha vitsy ny asa madio sy mamokatra.Ny PPN efa miha lafo.
    saingy mbola be ny Malagasy manampanahy.

  • bako dit :

    Aza mandany andro ny diniky ry kriso telo DAME PIPI ireny ry reto a! izay olona tsy nianatra ireny sy ry jacta,tsy manana site ohatra izao ange NY MADAGETOTRA é! hanasany VANGY é! OLONA TSISY FOTONY VOAKARAMA IZY SY RAJACTA ,ny dinika olona nianatra tohizana fa ireo olona maloto ,aleo izy hivovo eo fa rehefa reraka izy ireo mangina ho azy !

  • shhhhhh dit :

    HAHAHAHAHA
    Ny olona rehetra mahita fa potika ny tim.Jereo ireny tany ivato ireny.Jereo ny gtt.Vita hoy aho.Ka nahoana no mbola misy milaza fa handresy foana sa efa midelira mahita fahagagana? Tsy hitanareo koa angaha ny frantsay sy ny sadc efa minaraka io fa malagasy malagasy no hamaha ny olana ary tampenana amin’izay iretsy filoha telo rainizabelo iretsy?Dia mody manary dia miresaka zavatra hafa ry donto isany fa tsy sahy miatrika ny zava-marina.Mbola zaza daholo marina ka tia nofinofy.

  • Rivo dit :

    Tena zay zà vo niaky fa tena mivà i KKV alias shhhh/acado/jacta. Tena ni pô-tsatroka zà !
    Navadikin’ny RONGONY ny lohany ary izy io mety tena mitanjaka eny andalambe mihitsy fa zany hoe iska no tsy mahalala.
    -
    Aleo rangitina iany, am’izay tena mivelatra, mitsilaialay eny Ambohijatovo misotro ny….. ah ! (Pardon) ranomasombahoaka hi hi hi hi hi

  • kristelle dit :

    sao mba ianareo no adalasy mitanjaka?satria maita ny zoulo tsy mitafy any dia manao koa

  • raisonnable dit :

    reo mlaz oe malaz era-tany i dada:marna mits zany MALAZA RATSY:president dechu (@ ts fahaizamtatana s fiavnavonana d naongan’ol) dictateur:mugabe malagasy nefa ts mavita az(ze tina atao n atao hany ka zvtr tsis dikany n nialana t@ toerana),isany manambola era-tany (@fangoronakarena sy fampahantrana vahoka,monopolisation,trafic bois d rose TIKO mandrakandriana).tsy omena tsiny lo reo nahazo tombtso ka teztr niaranitsetr n fananambaok t@ androny e.

  • Rivo dit :

    Trandremo zalah sao mifanena @ i KKVB mody « raisonable » eto fa mpanongo-bolo sy mpitolona antsena izy io… !
    Zay mifanena aminy na tsy manino tsy maninona aza dia rarafany !!!!!!!!

  • Rivo dit :

    Ianareo mpitanatana vava manaraka zay alehan’i DJ kou dia mitandrema. Raha vao mihetsika ny androbeny dia miatakataha lavitra be ianareo sao voan’ny vorombavany. Contagieux be mahatsiravina io aretina io.

  • akamasoa dit :

    i Dj no malaza ratsy fa sady mpamono olona no mpangalatra no mbola sans kalité.

    Amiko dia tonga mihitsy ny fotoana andraisana basy fa aoka izay ity resaka be ity

  • Hary dit :

    Zao ry Zalahy a! olona iray iany anie ireo mody manoratra Christelle /Jacta sy ny sisa io mba hampamono lolo antsika maro an’isa mbola manohana an’i Dada eto eto @ ity tranokala ity. Heverin’izy ireo fa ketrina isika hoe mbola maro ny manohana ny foza kanefa efa azo isaina @ rantsan-tanana sisa izy ireo. Koa tohizo hatrany ny tolontsika fa-izy ireo

  • kristelle dit :

    iray koa vaky nandositra i dada?

  • raisonnable dit :

    Hary: Asio MAGRO ndr1 ar e,so mba mahomby iany.5 tona eo @magro v tsy mba isy vokany sady mb miandr n iverenan dada e!tratran’dada eo apanopona azy.lol

  • Raberabe dit :

    i KKV/déraisonnable koa mety voan’ny Androbe, nifindran’i Domelina fa isika no mety tsy mahalala
    Rongony + Androbe= la TOTALE !

  • jacta dit :

    Iza koa no matahotra an’i mpivaro-dronono!IDADA ary lasa nitsoaka koa inona intsony no azo atao aminy raha tsy tonga aty amin’ny tanana izy, ny zanany ary KABOTY irery aty.

  • kristelle dit :

    tssssssssss indraindray efa mankaleo ny vavan’ny pivaro-drononoireto? i Dada no voan’ny sidaka koa ny olon lazaina izao sy izao,atao ahoana fa zany rehefa nilaozan’ny dadany mbola velona e!

  • mamisoa dit :

    Leo koa miditra aminay aty? Mpandainga satria tsy fvava, izany marina no atao hoe domelin’ny zava mahadomelina ny anay na antitra aza vao maika misotro ronono ny anareo inona no fisotronareo? Tena domelina anie ianareo e! Miala amin’ny site nay aty fa izahay tsy mila, miala fa maimbo foza, tsy lavitra anay ny Dadanay fa ao amponay ary tsy hisy hahafafa ny fitiavanay azy ary tsy ahatakalonay izay dj mpananibohitra ary akory fa sady arrogant no sans scrupule tgvendranareoo vendrana tsy alehany

  • kristelle dit :

    izany ny pivarodronono raha maneho hevitra,tssssssssssssssss izay dj kely koa ntsokana tany anaty ala,ary oviana i Dada no ho avy ?

  • mamisoa dit :

    Ny atao hoe Dada dia toky fa tsy hamitaka ary tsy hanary anay izy, izahay anie mahandry na rahoviana na rahoviana fa ianareo no sahirana mijery sy mahalala ny fitiavanay azy e! Fa ny anareo aiza ny reconnaissance? Tsy misy fika fa any amin’i Dada ny lakile! Jokijokina aby ny olon-drehetra fa eh, eh, eh! Indreo eo ihany ny zanaky Dada, na hanao inona na hanao inona izahay no tena mpandova fa zanaky Dada fa ny anareo zaza sary nosandoka tsy mahazo fankatoavaa fa mpisoloky fahefan-dRay e! Ray aman-dReny hono ntsy ny alika enjehina fa tsy hahita akory

  • jacta dit :

    Hita-poko hita-pirenena izao fa narian’I DADANY,mbola be vava eo.Rehefa kaboty mitadiava Ray kely hafa indray, teneno i MAMA eny amin’ny MAGRO!.

  • Raberabe dit :

    Mbola misintona iany nga Rajacta sy krisô na dia efa alina be aza ?

  • mamisoa dit :

    Tsy misy Ray mahafoy ny zanany ry jactavy an! Tsy mahagaga aloha ny raisonnement anareo tgv fa toujours à l’envers e! Ny zaza maditra toy ny djvistes no miala amin’ny Ray aman-dReniny ary mahavita mikasitanana ny Ray aman-dReny na ampanahy io na ara nofo, nibaribary tamin’ny tany aman-danitra ny maha domelina anareo satria nokasainareo novoniona i Dada ary nikasi-tanana ny Prezida ny FJKM ianareo, dia inona ny fihafarany domelina avy eo? Dia izao ianareo maneho ny adalanareo aty aminay izao, miomana fa ho any anjanamasina rehefa kelikely zavatra tsy zakany lohanareo no tadiavinareo atao, boite de nuit ve no atao dia ny firenena no hilingilingina

  • kristelle dit :

    niova Anarana indray angaha i kala Mamisoa?rehefa nilaozan’ny Dadanareo ianareo fa navelany higadra eny tsiafahy nefa izy faly mampirisika anareo dia mangina,amiko ny Dada betsaka zanaka anelakelatrano toy izao dia tsy mendrika asaivo mitady dadakely ny Reninareo

  • raisonnable dit :

    Asio daty kely ndray lo e, rovina dada ny oavy mba hampisy espoir-ndri donaka.

  • shhhhhh dit :

    Bravo!Bravo!Izay vao tena vita!!!Zavatra roa no niseho!Lany filohan’ny tim ilay olona tsy tian’i ra8.Soloina maorisianina ilay chissano.Izany hoe ahilika izany ny ankolafy telo dia omena tsodrano ny efa tapaka teny ivato ary ilay maorisianina no hisahana izany.VITA! RAVA! Mandeha mody amin’izay fa kely loha tsy misy atokona daholo!

  • volaniaina dit :

    oh! ry GBD ah! efa ela aho no ao @ forom my dago e!
    jereo ao ny aanarako fa ao aho re!
    # GBD a dit :
    le Mardi 31 août 2010 à 21 h 20 min

    volaniaina

    miandry ny coordonné ange izahay é…
    tsara mifankahita.

  • GBD dit :

    SHHHHHHHH, Kristelle, Nadia ,Jacta est………….dia tsy afa tsy :
    I DAME PIPI , K.K.V. ihany miova anarana sy manao « autocongratulation « .
    izany hoe :
    rehefa mahita rediredy hoatry makôsa am-bodt pôtô ianareo dia aza gaga
    idame pipi ihany io ééééé!
    COUCHE ! A LA NICHE le kiva !

  • volaniaina dit :

    tsy mataitra intsony ireo eh! efa izao ny toetrany foza orana ao anaty sobika e! mifangaro @ fotaka ny tainy sy ny haniny;lohany no solony vodiny,maimbo fofonetotra be ireo eh!
    aza amakina loha ry legaliste ah!
    araka ny teniny hoe ny mboriky mbola dondrona nohony sovaly…..
    ny mbory mantsy tsy mety mande rahatsy fitahina asina karaoty eo aloha vao mande ary tsy homena hohaniny ny karaoty fa atao jono fotsiny eo @ masony ary tsy havela hohaniny fa homena any bitro lavanify eh!
    ha!ha!ha!

  • kristelle dit :

    haaaaaaaaaaaahooooooooooohiiiiiiiiiiiii
    minaonaona i lalimanga rehefa mahita foza

  • kristelle dit :

    volaniana tony zao vady fahafirin’ny dada ny reniny?haaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaahanaraka an’ny dada any bonga tsara angaha?

  • mamisoa dit :

    Ireto tsy vitany djiste fa isaky ny miteny dia vady kely e, reny kely, dia sain’olona janga tsy mahagaga raha ratsy saina amin’ny fiainanm-pirenena, tsy ny mpampandihy boite izao no mpiova vady lava? Tena ambany saina tanteraka ka tsy manan-kolazaina hafa tsy fahavetavetana ary tsy mahita tenenina hafa tsy Tsiafahy satria tena mibaribary fa ilay kala Mialy ity dia mody kirisitely! Dia miezaka manatsara an’ilay johell, vao rangitina dia tsy mahatanty fa miampanga olona , niaraka tany Tsiafahy angaha isika sa hianareo no mpitsidika tany ka izay no hany sisa hery? Inona no hanovako anarana ato amin’ny siteny Dadako? Fa rehefa tratra fa ry lay domelina dia io no fanao ny ataonareo no lazainareo ataony hafa ka tena confirmer ko fa tsy manakambo ilay domelina dia miafina hoe nadia , izao indray kirisitely, jakta, ve, ve, ve, ve, ve, vendrana

  • Raberabe dit :

    Ka ireo jactatata……… ireo ange ry volaniaina olona mamao pôtô, mpimôly no raharahany. Ny vadikey, renikely, mawala, beurk, amboamaty iany no fantany nianarany isan-kariva eny Isotry.
    Frazy iray iany satria raha mba te hianatra frazy roa na telo dia tamy ny KIL de midaboka !

  • Raberabe dit :

    Tsy mamaly tsony ny mpanao pôtô !!!!
    Lasa niasa sahady nefa mbola mazavabe ny andro !!
    FRRRRRRRRRRRRRR

  • shhhhhh dit :

    Mbola an’i ra8 ihany ve ny tim? Voaroakan’ilay prezida vaovao marina i ra8 ka tsy manana antoko politika intsony.Dia ho aiza intsony moa?

  • Raberabe dit :

    Efa alina be izao ve de mbola mi rouler môly iany ? shhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhhh
    Misatroka pataloha mihintsy k’ty !

  • Rivo dit :

    Bye bye Rajoelina voan’ny Androbe
    Ny olona marary tsy mahazo mitondra firenena ry shhjactnadiakrisô a ! SATRIA SÔ MAMINDRA @ NY PEUPLE !

  • shhhhhh dit :

    Ny frantsay sy ny mauricien izao no handray an-tanana ny vahaolana amin’ny krizy.Rehefa vitan’ny tim sonia izany dia vita tanteraka i Ravalomanana.Kely sisa!

  • Bilao dit :

    Tandremo fa misy ny fitenenana hoe : Namono Biby Tsy Nahafaty Ka Hifoteran’ ny Rambony…MIhevitra ny « mpilelaka » an’i rajohell fa mande tsara ny baolina fa inona moa no tsy vitan’ny vola e..Androany elah no mifaly fa ny todin’ireo vahoaka madinika,sahirana (tsy mba nahazo sosy)tsy ho tantin’elah..Ary hoavy io na ho ela na ho aingana…Izao dia efa hita miavaka ny ampombolahy,tsofina dia misavaona…

  • kristelle dit :

    efa maty ny biby ts mis atahorana,efa ho ringana hatramin’ny atody aza ,vita ny ady resy i dada

  • mamisoa dit :

    Rajohell izao hivadika bibilava
    ary efa vonona ny parc asiana azy

  • kristelle dit :

    haaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaa
    i dada ve zao tsy efa lasa zolou?

  • Rivo dit :

    Nahazo môly bebe ndray i Krisô fa nisinisy ny KIL omaly an !

  • bibilva kely dit :

    Il est parfois dommage de savoir lire…

  • tania dit :

    i dada ve efa tsy hody intsony ; de ho lasa zoulo ve dada tena mitomany any dada aho tiko ange dada , veloma dada

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site