Magro 17/07/2010

Magro 17/07/2010

HO ANTSIKA REHETRA DIA SEDRA SY FITSAPAN – TOETRA IZAO FOTOAN-TSAROTRA IZAO !

Izao fanonganam-panjakana sy ny vokany eo amin’ny Fiainan’ny Malagasy dia mampiseho ireo fomba niainantsika atrizay ary mamboraka eo imasontsika ny ireo fihatsaran’ibelatsihy ny sasany, ny fiovan-toetra, fiovan-kevitra eo anoloan’ny fahasahiranana :

  • misy niova satria lasa saoferana ministra ny vadiny
  • lasa sekretaerana minisitra rahavehivavy
  • lasa any tranona olona miara-miasa amin’ny minisitra i ramatoa..
  • satria mivarotra akoho ho an’ireo mpiasan’ny minisitra izy ireo
  • satria ny entana amidiny an-tsokosoko dia alaina any amin’ny olona manana toerana ambony (mpamelona ny marché noir izany)

Dia misy tokoa moa no sahy miteny hoe : « Ravalomanana ve ? Ireto aloha no manome entana amidy dia izy no tompoina ! »

Misy koa anefa tsy niova, tsy novaion’izao sedra izao. Sady mahantra izy na manefoefo fa dia tsy niova ny fifandraisany amin’ny mpiara-monina : mizara zay azony zaraina, manampy ary tsy manadino ireo beantitra ao an-tanana ! Manome mofo ny ankizy amin’ny tolak’andro…
Manaja ny rehetra ary hajain’ny rehetra…

Miara-mahita ireny sehon-javatra ireny isika ary izao toerana misy ny Firenentsika izao dia fitsapana na sedra ho antsika…
Maro be ireo tsy nimenomnona, tsy nikiakiaka fa nitondra sy nizaka am-pahanginana ny vestra aterak’izao fahasahiranana izao.
Mba tsikaritrareo ve eo amin’ireo sary mampiseho ireo olona mivory eny amin’ny kianajan’ny Magro : tsotra sy madio akanjo ireny olona ireny. Tsy mampiseho ny fahasahiranana iainany izy ireo !

Ny sarotra sy ny vesatra misy teo amin’ny fotoana isankarazany teo amin’ny tantarantsika no nahatonga ny Malagasy tamin’izany fotoana izany niteny hoe : « Izay maharitra vadin’andriana, izay tsy maharitr dia ho vadin’kotokely ! »

Ny dikan’izany dia

  • raha maharitra sy mahatanty ny sarotra ianao dia ho sambatra rehefa mihena ny sarotra ,ho sambatra toa ny vadina olona lehibe sy manana !
  • Raha toa kosa ianao kivy sy tsy mahatanty ny sarotra ,dia tsy ho lasa lavitra ianao fa ho very eny an-dallana eny ,dia hiara-iaina amin’ny olona tsy manana fidiram-bola ,tsy mana asa..fa mitambezo etsy sy eroa..

Koa izao fotoan-tsarotra iainantsika izao dia fotoana koa hananjariana sy hanafisana ny toetra tsara ao amitsika tsirairay… ka manan-javatra azontsika tamin’ny fitaizain’ireo ray amandrentsika, noraisina tany an-tsekoly ary notovozina any am-piangonana… Tsy misy olona hafaka haka izany fanam-panahy ao amintsika izany ary izay no anatra nomen’i Jaona ao amin’ny apokalypsia manao hoe :
« TANO MAFY IZAY ANANANAO (IZAY VOARAINAO) MBA TSY HISY HAKA NY SATROBONINAHITRAO ! »

Sarotra sy mavesatrany vokatra nateraky ny fanonganam-pahefana..!
ANDRIAMANITRA dia miantso ANTSIKA HOE : « AVIA ETO AMIKO NY ETANA MAVESATRAO ! »
IO ANDRIAMANITRA IO DIA TSY MANOME ENTANA MAVESATRA NO IZAY ZAKANTSIKA !

KOA AZA KIVY NA MAMOY FO hoy ny hira, FA MIJOROA SY MAHEREZA SY MIFAMPAHEREZA DAHOLO..



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Tano ny azo fa sarotra ny mila !
  2. Ireo mpanongam-panjakana no matahotra antsika vahoaka
  3. Tsaho sa tena izy ?
  4. Herisetra eto Diego
  5. Mba mangataka Tompoko ô !

14 Comments

  • mino dit :

    zay fananana faharetana,sy tsy miovaova izay no harena tsy voavidimbola ka samia mitazona izay ananany ….masina ny tanindrazana ka tsy ho sandaina fitiavantena

  • Lesabotsy dit :

    Ny zava – misy anefa dia ity : ny olona miovaova hevitra ireny no tena mahazo andraikitra ambony sy fanapahana eto Madagasikara.Ohatra i andriamatoa Ratsirahonana Norbert izay nametraka an’ andriamatoa Ravalomanana Marc teo amin’ny fitondrana tamin’ny taona 2002, dia mbola izy ihany no mitantana ny TETEZAMITATRA ankehitriny miaraka amin’ andriamatoa Zazah olona nitokisan’i Ravalomanana.Izany ve no mahay politika aminy.Andriamatoa Lahiniriko nitantana ny canal 6,tao amin’ny AREMA,lasa minisitra sy lehiben’ny assemblée tamin’ny andron’i Ravalomanana, raha vao niala tamin’io toerana io dia mpanohana ny Tetezamitatra amin’ny fotoana izao.Tena mahavariana.

  • bako dit :

    Tsy misy tia tanindrazana izany hatreto ny Malagasy milaza ho,mpitondra nifandimby teto Mcar ,ny hahazo toerana sy hameno paosy no mahafaty dia raha vao hita fa mitady hianjera ny mpitondra na dia membre ao @goverenement aza dia mivadika palitao hainagana soa very seza sy fihinana sy mitomany vononahitra ANY KA NY NIAFARANY DIA hianjadian’ny coup d’état,dia miafanedrikendriaka sy mifanabaraka refa very seza ,tsy misy af tsy RAvalomanana no mba azo hiafina teo nefa dia nahongana nohon’ny fitaivantsena ,ty ratsirahonana ty dia lehilahy lehibe tokony mba hanaja tena,le ramino paul ary no tena loza fa di manohana ny mpanogampanjakana teny mahamasina ,dia tsy tahotra tsy henatra fa ray amandreny mijoro indray hono izy !!!,mba menatra re tompoko ;olona pasitera ve enao dia hanao politika fa mody hoe mandray andraikitra ,Andriamanitra ange mahalala hatramin’ny isan’ny volondohanao ary mamaly ny ratsy @taranaka fara mandimby é! IZY no hatahory!!!

  • Ziry Onésime dit :

    Tena tsara be ilay « article » nalefa ka misaotra betsaka ny namolavola sy nanoratra azy. Misy hisaintsainann’y rehetra io.
    Ny ahy manokana dia fampisahoana zavatra lehibe roa izy io:
    1- tsy ny vahoaka madinika irery no mitolona fa na ny olona manan-kaja sy manamboninahitra aza, dia sahy miseho satria FANTANY TSARA FA TOLONA HIOMBONANA NY ETO MADAGASIKARA ITY!.. Izany dia tsapa tsara raha mankeny amin’ny MAGRO isika!
    2- ny vahoaka majinika dia efa leo tanteraka an’ireo mihitsy; miresaha fotsiny ianareo amin’ny olona dimy na enina mivarotra eny rehetra eny, fa ny ankamaroany dia milaza mihitsy hoe ALEO LAVITRA TAMIN’NY ANDRON’I RAVALOMANANA NOHO IZAY IZAO…. TENA MANENINA MIHITSY IZAHAY NANONGANA AZY!

  • IZAHO IHANY dit :

    Ireny pasitera miaraka amin’ny foza maimbo ireny anie ka pasitera tsy am-perin’asa intsony dia manomboka kely finoana. Rehefa izany dia tsy misy asa intsony ka entin’ny devoly mandeha halavitra ny fisainany ka tonga eny amin’ny toerana maloto sy maizina dia faly ery milalao eo satria tratry ny poizin’ilay ratsy, ka tsy mahalala intsony ny zavatra ataony

  • Babyfoot dit :

    Avelao hanenina be ireo nanonganana an’i Président Ravalomanana, nisary adala teo @ 13 mai, nandray ny volan’i Renimalala, nanao marchands ambulants teo Soarano nefa nandefasan’i DJ miaramila 3 camions nandroaka azy mianakavy 2 mois après.
    Bien fait pour leur g… !
    Izao dia mitazana ny lasa bekibo tampoka sy ny Limousine ny chefs sisa. Mai-molotra, mitelin-drora.
    Mafy anie zany ajalahy !
    Ny nenina tokoa tsy aloha hananatra fa aoriana handatsa !!!

  • Ziry Onésime dit :

    Tena miombon-kevitra amin’i BABYFOOT sy IZAHO IHANY mihitsy aho!.. Izay ilay hoe NY NENINA TSY EO ALOHA HANANATRA FA AORIANA MANDATSA E!
    Dia ho hita eo koa ireo Pasteurs milaza ho Ray aman-dreny mijoro ireo: mbola ho kaikerin’ny amboakelitiany ireo fa ho hita eo anie e!

  • Babyfoot dit :

    Ireo Pasteurs, tsy amperin’asa intony voalazan’i IZAHO IHANY miaraka @ Foza maimbo ireo dia nialan’ny fanahy masina ka nidiran’ny DEVOLY sy nandihizany ny tenany, nahohany ambany ny lohany nisolo ny tongony ! Rehefa voadaka ambava-fo any aoriana, toy ireo sasany vao hoe hay zaho somnambule taloha !

  • miaro dit :

    tokony handinika tsara isika @ zao fotoana izao, hoe inona no tena antony nanaovako ity tolona ity? ho an’i tanoindrazana marina ve? ho an’ny fiarovana ny fahaleovantena ny tanindrazako marina ve? ho an’ny fampnadrosoana marina ny tanindrazako ve? mampalahelo mantsy ny mahita fa adihevitra extremiste, unilateraliste, tsy mitady vahaolana fa hevitra mampizarazara ny samy malagasy, ny samy kristianina malagasy, ny mpiara-monina, ny fianankaviana? nohony inona? fitiavan-tanindrazana ve izany???tsia tsy izany no antony nanaovako ny tolona!iza no faly sy hahazo aina raha tsy hiray hina isika? iza no hanjaka raha ny vola avy any ivelany foana no handrasantsika eto? 50 taona izay, 50 taona niankinan-doha, 50 taona nampahantraina isika! mifohaza re ry malagasy namako! tsy akoho isika na alika ka ho hampiadiana! miandry ny fiovam-po hataontsika Andriamanitra, ny fifamelan-keloka, ny fifanantonana, fa tsy mbola tonga teto ny vahiny, ny banque mondiale, ny FMi dia efa nanana ny fihariankarena antsika isika, izay niorina t@ fahamarinana, « aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao antampon’ny loha », na inona na inona no zavatra natao na ratsy na tsara, ny malagasy dia natahotra an’Anriamanitra hatramin’izay. Nahoana ankehitriny efa 2010 , nahoana isika no mihemotra? manaiky ho viravirain’ny fomba vahiny, fisainana vahiny materialista, mpanao ny zarazarao hanjakana? mifohaza ry malagasy, mifohaza, ny tanindrazana jerena, ny ho avin’ny zanakao ny mpiray tanindrazana aminao jerena fa tsy tombontsoan’olona na ny fiarovana ny sitrapon’olon-tokana na antokotokon’olona.
    Izay no dikan’ilay teny hoe :MASINA NY TANINDRAZANA fa tsy hoe MASINA I RA…ANONA…NA I RA..ANONA.

  • Rabezavana Rakotogena dit :

    Ny Pasitera manao politika miaraka amin’ny mpanongam-panjakana dia toy ireo Mopera mpivetaveta amin’ny ankizy tsy ampy taona ka tokony ho voasazy koa.
    Afabaraka ny anaran’ny Tompo

  • Jakobo Mahaseky dit :

    Ny resaka hoatra io fampidirana io dia mahatonga ny malagasy hiraviravy tanana satria toa karazan’ny lahatra nge zany, na anjara izao zavatra izao eh, matoa ianao miteny hoe sedra : Tsia tsy sedra zany io fa asan-jiolahimboto tsotra izao izay tsy nalahatrANDRIAMANITRA fa itsika Malagasy no malemy loha tsy mahalala manohitra ny tsy rariny fa midonanaka eo fotsiny na dia tsy rariny aza de andriamanitra foana no omena tsiny @ fahavendranana sy ny fidonanahampoana de hoe sedra ah sedra sy hoe fitsapana ah fitsapana . Tsia raha izany ary andraso eo ny sedralava reny fa matoa io misy roa taona latsaka de mety ho afaka hisy dimy na folo taona koa . MBA SAINO ary aza mandemy saimbahoaka. REHEFA JIOLAHIMBOTO DE JIOLAHIMBOTO.

  • Tsilany Faingo dit :

    Marina mitsy zany zay no tsy nampandroso antsika . Na de tsy intelligent aza ianao de rehefa fantatra fa tsy mety de tokony ho toerina na anaovana bagara aza , izay toetra tsotra zay ny an’ny Afrikana , hany ka na ambany noho sika aza ny capacite n’ny sasany aminy de mandroso foana izy noho sika.

  • Tsilany Faingo dit :

    Ampahafin’iza amin’izao tontolo izao isika no miseho mivavaka lava io nefa tsy s vokany akory. Izao asain’ny olona ho ao anaty fefy ao de mamitsaka tokoa. Zaran’ny sasany aza ange ; mody ataony hoe misy ny demokrasia de izay tokoa de ao.
    Raha tsy mampiseho hery mitsy isika de tsy ho avotra .

  • Babyfoot dit :

    Marina mihintsy ny voalazanareo roa eo ambony. Le « Fihavanana, Moramora » etc. tokony hisy fetra fa tsy hanaiky lembenana lava izao.
    Ary raha alefa ny fijery dia ny Afrikana (mainty) sy ny Gasy iany no sahin’ny Renimalala adalaina satria fantany fa malemy. Jereo ange ny nanaovan’ny Gitans sy ny Arabo azy ta@ ity semaine ity e ! Nampahalalàny ny anarany mihitsy i Horita fé, nanimpy gans mbakan’ny Pire fé ny Girenobila.
    Tokony asiana fiheverana mihintsy ny fiarovana ny Tanindrazana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site