
Mon ami le traître
Iza no mpamadika ?
Lasa mifampiahiahy daholo ny samy mpitolona, na eo amin’ny samy vahoaka, na eo amin’ny samy mpitarika, na amin’ny mpitarika sy ny vahoaka. Tamin’iny herinandro lasa iny aza dia samy mifanebaka imasom-bahoaka mihitsy ny samy mpikabary. Tsy sanatria akory hoe manasa lamba maloto imasom-bahoaka raha miteny izany, fa ny isavasavana ny raviny, hono, ahitana ny fotony : ny isavorovoron-kilatoana. Tsy misy mahazo tombotsoa amin’ny fikorontanana eto, ny tanjona iray rahateo.
Lojika ihany aloha raha misy ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ity tolona ity. Ny sasany « mafana » te hanao « action » lava izao, ny hafa havanana amin’ny « diplomasia » ka mieritreritra zavatra lavitra tsy taka-maso. Ny sasany indray tsy mahita afa-tsy izay miseho eo ambany masony. Ny maro an’isa toy ny faty entin’alina ka miandry izay hitondrana azy fotsiny. Tsy ny eto an-toerana ihany no ahitana izany tsy fitoviam-pijery izany fa na eo anivon’ny « diaspora » koa aza. I Dada rahateo efa nandefa hafatra momba izany tamin’ny Sabotsy lasa teo, « mifanaraha » ianareo.
Avondrony ny hery!
Mahavelombolo aloha ny fahitana, omaly (mbola mitohy androany ny fivoriana mahakasika io) fa efa toa miravona ihany io disadisa anatiny io. « Ny zanak’i Dada rahateo hendry mora hanarina ». Ny irariany dia ny hitambaran’ny hery, « izay mitambatra vato fa ny misaraka fasika ». Tokony samy mieritreritra ny tsirairay fa efa be no lavo tamin’ity tolona ity, am-polony maro no mbola any am-ponja.
Ny tanjona iray ihany !
« Ny fiverenan’ny Filoha Ravalomanana an-tanindrazana ka ny hahazoany mirotsaka hofidiana indray amin’ny fifidianana manaraka » io no tanjona lehibe kendren’ny mpitolona. Koa alaho hery, fa « ny tondro tokana tsy mahazo hao, ny hazo tokana tsy mba ala, ny mitabe tsy lanin’ny foza… »
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:

zavatra iray no misy :matahotra ny hokaikerin’ny foza ry sisiano sy ralouis misely dia tsy nipoitra intsony ;very zany ny volaben’i dada de johannesbourg
NY foza no matahotra andreo olona ireo fa ianao no tsy misaina lalina !
FA AIZA IHANY ARY TY SAZY HO AN IRE to FOZAMPANOGAMPANJAKANA IRETO ?
Mahazo sazy ireo dia miala faty any fa tsy tokony handany fotaoana lava @izao sy izao ,misy fotoana ny zavadrehetra ,ampiharina aloha ny sazy vaoa manomboka ny asa rahha tsy izany dia lalaoviny @basy eo ,inona moa ny tanjony raha tys ny hijanona elabe eo miaraka a]basy !
Leo ny vahoka fa hapiharo ny sazy!!!sanction individuelle!
raha ny amiko aleo atao ankety izy roalahy ireo , fa manahirana , misy ny atao hoe ankety INTRNATIONALE avoaka @ televisiona eran’ ny izao tontolo izao , hita eo ny marina na ny tsy marina, fa raha eto @MYDAGO tsy hita ny atao .
teraka ny ramevan’i dada de johannesbourg ao tsimbazaza;sao dia omen’ireo foza poizina ao fa alaivo haingana ;sa matahotra capsat ndray ?
Misaotra @ i mydago amin’ity lahatstoratra ity.Marina fa tsy maintsy misy ny disadisa na eo amin’ny samy mpivady aza fa voaravina ihany izany rehefa avy eo.Noho izany dia tokony hiray hina hatrany isika ary ny tanjona iombonana dia ny hiverenan’ny ara-dalana ary ny hiverenan’i Marc mba hilatsaka hofidina indray izy.
manomboka very namana angah ny magro ka miantso fampitambaran-kery? mijanona foana ao d ho hita eo ny fihenana an-toerana ohatran’ny fen’antitra e! zahay izao no vahoaka vato! ianareo no fasika kely ao amin’ny magro ao! rehefa tsy ahita ho hanina ve tsy ihinam-pasika ao nareo????? ha!ha!ha!
PRESIDENT DECHU , MORT DE RIRE ON VIE COMME LE SOURIS
Ireo fa miady an-trano!
Ireo fa miady an-trano!
Ireo fa miady an-trano!
Ireo fa miady an-trano!
Ireo fa miady an-trano!
Ireo fa miady an-trano!
Ireo fa miady an-trano!
Ireo fa miady an-trano!
bien vu mydago.
Nous les tontoïstes et la mouvance légaliste donneront le top à Madagascar dès que la diaspora en europe aura bien compris ce message de mydago et le que tonton Ambroise de la Mouvance Légaliste à fait passer, ainsi que le message du Président Marc RAVALOMANANA. Nous sommes ouvert à toutes discussions pours mener jusqu’au bout notre lutte pour le retour à l’ordre constitutionnel, à la Légalité, à la Démocratie.
mouvance.legaliste@gmail.com
MASINA NY TANINDRAZANA
Manontany tena ihany indraindray hoe firy ny âge mental ny Malagasy sasantsasany eto ?
Mafonja anie iny ny tenin’ny FILOHA RAVALOMANANA farany iny e!
Asa angaha ho tenenina amin’ny teny inona vao ho tonga saina.
Marina fa efa voazarazara ny vahoaka ka tsy mifampatoky intsony fa na dia izany aza; FANONTANIANA 1 dia 1 no mipetraka ka MIANDRY VALINY :
HANDEHA HO AIZA MOA ITY FIRENENA ITY ?
Tsy misy afatsy ny fiverenan’ny démocratie no tanjona voalohany satria io no fitaratry ny fahandrena. Ka hendry ve ny Malagasy ? Vonona ny hifanaja ve ny samy Malagasy ???
Izao fotsiny ry vendrasaonina isany.Na ianareo samy tim aza dia miady maika fa hoe miaraka amin’ny arema sy i Zafy.Dia ho voafitaka lava ianareo fa tsy manana saina maranitra ka dia voaozona hitsahana sy resy sy fandrihana.Ny lehibenareo koa tsy ao an-toerana ka efa tsy misy fantany intsony izay tena zava-miseho.
Veloma ry tim fa tsy ho tafarina intsony ianareo.SOA IHANY LAHY!
Ka sarotra kosa aloha ilay fizarana saosy tsinona koa! ka io no miteraka ady e! Ny sasany koa mba te hahazo misimisy fa tsy dia hoe hozaraina mitovy foana izao! An!an!an! kosa ka!
saosy sy letchi ihany ny resaka takatry ity foza ritra Na
saosy sy letchi ihany ny resaka takatry ny sainy ity FOZA RITRA Nadia ity !!!!
Misy fitenenana hoe: RAHA TSY MIADY TSY MIFANKATIA!
Hitantsika daholo izany amin’ny toerana rehetra na any an-tokantrano aza! Tsy dia mampiraika antsika izany, satria samy manana ny fomba fijeriny, fa ny tanjona dia tokana ihany: NY FIVERENAN’I FILOHA RAVALOMANANA KA AHAFAHANY MIROTSAKA INDRAY!
Tsy ireo foza orana izay manararao-paty ireo akory no ahakivy antsika amin’ny fomba fiteniny sy ny fihetsiny (hainy mihitsy mantsy ny misisik’ila raha vao misy idirana).
Amiko manokana dia vao mainka aza ahafahantsika manatsara ny ho avy izao, noho isika manana an’ilay fitenena hoe: mihemotra kely ahafahana mitsambikina lavitra (prendre du recul pour mieux sauter) sy ny hoe fitsikerana ahafahana manatsara zavatra (critiques constructives). Ny an’ny foza moa dia ny mihodinkodina ihany fa mitady hihemotra kanefa ny eo ihany ny eo (faire du surplace hoy ny vazaha). Sa tsy izany ry Acado, Denise, Shhhhh, Lucas,…? Ny eo ihany no averimberina fa lany fika sy eritreritra!
Resy tanteraka ry GTT ankehitriny an!
ino kao rediredy i nada/denise/acado
Ô ry radio viva :
solohy ity mpiasanareo ity fa tena diska ninila rovitra….
ampiasao olona mba manantsaina kokoa…