Saina Malagasy

Saina Malagasy

FANTANTSIKA MARINA VE NY ATAO HOE FAHAFAHANA, FIFIDIANANA, FAHEFANA, FITONDRANA ?

Ireo teny efatra ireo no teny mifehy ny hevitra, ny lalan’ny FIRENENENA !
Ary ny fahalalana azy ireo dia miteraka fahalemena ao ami’ny mponina izay ho mora fetsifetsena, mora rebirebena, mora atoroina lvoina, mora amidy sy ahodikodina..

Misy tokoa ny olona tsy mihevitra afa-tsy ny manao izany ary dia mandany ny androny mijery, mandinika ireo olona azony ho volosana..!

Koa ny resaka entiko etoana amin’izao fotoana tsy misy lalàna velona izao ,eo amin’izao fotoana tsy mist fanjakana (état) mifehy ny Firenena sy ny olona, amin’izao fotoana ireharehana, isetrasetrana, iambohan’ireo ireo jiolahy ireo no mitondra sy mitantana ny Firenena !

Satria ve nanongana ny Fanjkana velona, voafidin’ny Vahoaka ve izy ireo dia mihambo ho tompon’ny fahefana ?

Sao isika nifidy kosa no manaiky tsy zaroko izany fahefana nangalarina, nobodoina izany…

Tany amin’ny Firenena hafa dia be ireo Vahoaka ho tsy nanaiky ny Fahefana nangalarina !

NY FAHAFAHANA dia zon’ny olombelona miteny, mieritreritra, mivory, mifampita vaovao, manoratra, manely ny hevitra am-bava (exprimer) na an-tsoratra (publier). Zontsika izay ary lehibe amin’ny Fahafahana dia ZO MIFIDY IZAY HO SOLOMBAVANBAHOAKA, IZAY HO BEN’NY TANANA, IZAY HO FILOHAN’NY FIRENENA ! Tsy misy teritery na fandrahonana

NY FIFIDIANANA dia andraikitry ny olom-pirenena iray hanondro am-PAHALALAHANA izay ho SOLOMBAVANBAHOKA, IZAY HO FILOHA-PIRENENA, IZAY HO BEN’NY TANANA araka ny heviny (ilay olona mifidy) araka ny fisainana, araka ny feon’ny « conscience »-ny. Izy irery no misafidy ary tsy ambara amin’ny hafa izany safidy izany !!

Ny safidin’ny maro mitovy dia raha hatambatra dia lasa HERY raha mihaotra ny atsasa manila ny lanjany isan-jato…

IO HERY NATERAKY NY FIFIDIHANANA MALALAKA NANDRAISAN’NY VAHOAKA REHETRA ANJARA NO FOTOTRY NY FAHEFAN’NY FILOHA-PIRENENA (ohatra) NOFIDINA…

NY FAHEFANA DIA NATERAKY NY FIFIDIANANA MALALAKA NANDRAIDAN’NY VAHOAKA REHETRA MAHAZO MIFIDY ANJARA NO NANOME HERY IZAY NOFINIDY RAHA NIHAoITRA NY ATSASA MANILA NY LANJA ISAN-JATO NY FITAMBARAN’ISAN ’IREO SAFIDY (vato) AZONY… ARY IO NO FOTOTRY NY FAHEFAN’ ’ IILAY OLOM-BOAFIDY VOAFIDIN’N’NY VAHOAHAKA REHETRA NAHAHAZO NIFIDY !

NY FITONDRANA…

Araky ny filazako ery am-pihandoana dia ny Fitondrana dia tsy toa ny voankazo latsaka an-tany dia raofina ,dia idongiana fa anao satria noraofinao!
Ny Fitondrana tsy fangalatra na atao bondongerona na fihy mamba avy eo Tsia !

Ny Fitondrana ny Firenena dia vokatry ny teny nifampierana amin’ny alalan’ny FIFIDIANANA izay nifanarahana mialoha ny an-tsipiriany

Vita ny Fifidianana malalaka nifampierana ary nahazo lanja-bato mihaotra ny atsasa manila ny FILOHA-PIRENENA DIA IZY NO VOAFIDY MANGARAHARA, IZY NO SAFIDIN’NY VAHOAKA…

KOA IARAHANTSIKA MAHATSAPA FA TSY MISY FITONDRANA MARINA, VELONA RAHA TSY MISY NY FAHAFAHANA IZAY HAFAHANA MANOMANA FIFIDIANANA MALAKA, IZAY MITERAKA HERY AMIN’NY ALALAN’NY LANJA-BATO ISAN-JATO NIFIDY ILAY OLONA NOFIDIANA ARY IO HERY NO FOTOTRY NY FAHEFANA HAHAZOAN’ILAY OLOMBOAFIDY EO AMIN’NY FITONDRANA NOMEN’NY VAHOAKA AZY…

Eo amin’izao korontana izao dia noheveriko, na dia mazava Amintsika aza ireo no lazaiko ireo ! Dia tsara ny mampahatsiahy ireo teny efatra ireo izay misy manitsaka, misy mody tsy mahalala… ny fisiany ary tsy manaja izany… IREO TSY MANAJA NY FAHAFANA, NY FIFIDIANANA MALALAKA, NY FAHEFANA AVY AMIN’IZANY ARY NY FITONDRANA IZAY MIPETRAKA AMIN’IREO TOKO TELO IREO DIA TSY MANAJA NY VAHOAKA ARY TSY MANAJA NY FIRENENA IOMBONANA !



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Fifidianana hoe ?
  2. Ireo mpanongam-panjakana no matahotra antsika vahoaka
  3. Ny fivavahana kristiana no mitondra fahafahana
  4. Lasa kilalaon-jaza ny fitondrana firenena eto Madagasikara
  5. Valin-kafatra ho an Atoa Andriamanjato

1 Comment

  • Aanika dit :

    I am also commenting to make you sdterunand of the wonderful discovery our child undergone checking yuor web blog. She learned a good number of details, including what it’s like to have a marvelous teaching heart to have the rest effortlessly learn chosen problematic matters. You undoubtedly exceeded my expected results. Thank you for coming up with these priceless, safe, explanatory and fun tips on the topic to Kate.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site