Atrikasa kitoatoa

Nipingapinga ery nampiasa ilay efitrano fivoriana tsara tarehy namboarin’ny filoha Ravalomanana, izay efa tafiditra tao anatin’ny lisitry ny trano ho dorana tamin’ny taon-dasa ny TGV, ankehitriny izy indray no miliba ao.
« Teny ifampierana » no nolazaina kay « teny midina » no nitranga, nanambara ren- tany ren -danitra mantsy fa dia i Rajoelina ihany no tompon’ny teny farany.Resabe fotsiny kay.

Lasa fiara 308 ilay fiara haingam-pandeha TGV

Ny nanaitra ny mpanara-baovao dia nolazaina fa 1.800 ireo mpizaika namonjy ny fivoriana, kanefa rehefa natao ny latsa-bato dia 308 no nandany ilay hevitra hampanao fifidianana ny « antenimieran-dalampanorenana ».Izany hoe : 17 % isan-jaton’ny mpizaika ».Tsy mahasolo tena ny vahoaka Malagasy velively ireo fokonolona 308 ireo. Iza no nifidy fa ireo olona ireo no mahatapaka izay hitondrana ny firenena? Tsia ! Tsia ! Tsia! Tsy tokony hatao kilalaon-jaza toy izany ny fiainan’ny malagasy 20 tapitrisa.Lasa fiara 308 ilay lamasinina haingampandeha TGV.

Tsy fahaiza-mitarika

Fimenomenomana eran’ny trano, izay no tsikaritra raha teny ivato ianao. Misy tamin’ireo mpizaika manko mba te haneho malalaka ny heviny kanefa dia voapepo hoe : tsy ao anatin’ny « ordre du jour » izany. Asa na dia mihoampefy daholo ny mpanaraka an’i Andry TGV, na ilay atrikasa mihitsy no kitoatoa fa dia tsy nisy firindrana ny asa teny, tsy nisy izany « travail de commission » fahita amin’ny fihaonam-be ireny, tsy matianina mihitsy e!. Maro ihany koa no nisafidy ny nilala ny hefitrano fivoriana, ao ny nananakantom-baravarana ary nitsikera toan-dRy José Kely, ry Pety Rakotoniaina aza niady mafy amin’ny « amnistia » kanefa toa lany bala rora fotsiny, sns… Fa ny tena nanaitra ihany koa ny filazana sy fametrahana fa i « Andry TGV no filoha ary Vital no praiministra », f’angaha moa fametraha olona indray ilay atrikasa fa tsy fitadiavana lalan-jotra hivoahana amin’ny krizy ?
Kitotoa tanteraka iny atrikasa iny, mahamenatra raha ireny no mba takatry ny sain’i TGV fa hivoahana amin’ny fahantrana lalina mahazo ny Malagasy.
« Tsarao amin’ny voany ny hazo », tsarao amin’ny asa vitany ny mpitondra, fa raha ity indray mitoraka ity tena zéro.

Centre International Ivato

Centre International Ivato



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Kilalaon-tsaina
  2. Akon’ny teny Iavoloha
  3. Fanambaran’ny mpitsabo – Mitaky zo izao dia izao
  4. Fandaniana andro ny an’ny ankolafy Rajoelina
  5. Reseo lahatra i Rajoelina ho any Addis Abeba

38 Comments

  • Bemafohy dit :

    Tsy mahagaga ary efa nampoizina tokoa ny fehin-kevitra nivoaka tamin’iny atrikasa teny Ivato iny: fanamafisana ny toerana azo sy ny fanaovana tsinontsinona ny fiainam-pirenena ary indrindra indrindra ny fiainam-bahoaka 20 tapitrisa.

    Raha Rajoelina no manan-kevitra toy izany dia tsy mahagaga satria tsy nandia fianarana lavitra izy. Fa raha ny olona mba natao hoe avara-pianarana toa an’Ingahy Ratsirahonana dia tena mahavàka ny saina tokoa. Fa inona ihany no tena ao an-dohan-drizareo ireo e?

    Raha fintinina dia fandanian’andro fotsiny iny atrikasa iny ary na dia izy samy izy aza dia efa hita fa tsy mifanara-kevitra fa mifanimpaka toy ny valala an-karona. Ny vahaolana tokana dia ny fampiharana ny satan’i Maputo sy ny tovana tany Addis-Abeba ihany. Koa na inona na inona no mbola hataon’i FAT entina hamahana olana dia tsy hahomby na oviana na oviana akory. Teny atsipy ao am-pon’ny mahalala sy ny manan-kendry izany!!!

  • Verohanitra dit :

    Dia hanangana governemanta iraisana indray hono ankinina amin’ny praiministra ny fanaovana azy. Ry AVC sy HYPT dia efa nanainga ho any Addis Abeba hitondra ny fehi-kevitra notsoahina tamin’ny teny ifampierana.
    Midingina tokoa ny rambon’izy ireo fa izy no tena solontenan’ny Malagasy iray manontolo. Manahy dia manahy aho fa hamorika toy ireo efa nataony teo aloha indray ity zava-baovao vao nentina ity. Nisy ny feuille de route, sy ny taratasy isa-karazany, namotsotra tsy nahitam-bokany.
    Tsy ho ela ireo dia ho levona ary izy samy izy ihany no hifamingana an-toerana eo satria fitondrana najoro tamin’ny alahelom-bahoaka, tamin’ny fangalarana, tamin’ny tsy rariny sy ny faharatsiana rehetra. Izao ranomasom-bahoaka izao ve dia sanatria ranom-potaka e ka tsy hisy valiny ? Ny Andriamanitra tsy andrinareo FAT andrinay eto ihany. Izay no fehiteninay.

  • SSSSSHH dit :

    Ka naninona aza i Ravalomanana no namela azy hanao izay tiany?Satria ve nibaiko ny firenena vahiny hoe avelao ny demokrasia hanjaka dia navela?Ka iza marina no tena vendrana e?

  • SSSSSHH dit :

    Ka raha tsy tian’ny vahoaka tokoa maninona no mbola mijoro sy mafy orina?

  • Verohanitra dit :

    Mamim-bahoaka tokoa i andry rajolena. Vahoaka 1.800 no tonga nanotrona sy nanindrahindra azy ho filoha hajaina sady mijoro no mafy orona.

  • SSSSSHH dit :

    Ka aiza izay vitan’i Ravalomanana e?Nahoana no miantehatra amin’ny gic sisa?Maninona no tsy miverina jerena raha mamim-bahoaka tokoa?

  • Verohanitra dit :

    Tsy ny vahoaka ihany no mankamamy an’i andry rajolena fa ny gic koa. Lasa namonjy ny fanasan’ny gic ny praiministra sy ny visy praiministra hikaon-doha sady mitondra ny taratasin’ny teny nidina. Raha vao miverina dia manangana ny governementan’ny fikaonan-doha.

  • SSSSSHH dit :

    Verohanitra
    maninona i Ravalomanana no tsy miverina fa vahoaka malagasy be no hanotrona azy?hihihi Tsy misy avaly ve?Sa ny gic no atao hoe vahoaka malagasy?

  • fandresena tena izy dit :

    Aza atao mahataitra fa izany no lohana mpampndihy . Ataoa fotsiny izay mahafalifaly ny olona fa ny poizina ateraky ny rongony sy ny toaka ao amin’ny boatin’ afikasoka mody tsy aseho .

    Tena manambany ny Malagsy andry kely satria izay izao no baiko azony avy any amin-dry renikely e!
    Ity taratasy ity tsy ataon’ialahy vita sonia alon’ny 8 Marsa .

  • kristelle dit :

    inona no mapiavaka ny lohan’ny Mpampandihy sy mpitery ronono?iray tantsaha ny iray Tanandehibe,iza no mivoatra fisainana MDR

  • Maevanilla dit :

    Fa ny Tantsaha no mampihinana ny antanandehibe raha ny eto Gasikara, afatsy ny anadrano angaha !!. Misy manontany ao ambony ao hoe inona no vitandRavalo????. Valiny = Ka io trano notizitiziana nanaovana fivoariana io kay moa ka iza no nanao azy fa tsy Ravalo ary tao anatin’ny trano saika ho doran’i ANDRY MAIVANDOHA. NY mihinana na mifoka zavamaitso no mba hain’ny bitro dia mba asiana carotte orange kely.

  • Fred dit :

    Mamim-bahoaka tokoa Ranjolena fa mihaona amin’ny vahoaka foana kooo !
    Efa teny amin’ny 13 Mai izy izao impiry ? Tsy misy miaramila akory miambona azy rehefa mandeha izy, fa mandray tanana izay mifanena aminy.

  • Babyfoot dit :

    Coucou Véro,

    Misaotra an’isé manome vaovao avy any Antanana aky a ! Zà moa dia eto iany no mba hafantarako ny zava-miseho. Tena manja aloha ilay langage n’i toi (mama pam’s, lava tonelina)
    Fa ny tena mahagaga ahy dia tsy hita intsony i dédé. Sa hitandroky any antsisitsisin-tosy any ?

    BIZ

  • Bemafohy dit :

    Valin-teny ho an’i Kristelle,

    Ny mampiavaka ny mpampandihy sy ny mpitery ronono dia tsotra ihany: Rajoelina dia mpampandihy tsy manana na dia Brevet (mitovy lenta amin’ny BEPC) aza. Noho izany dia tsy afaka misaina lavitra ary mihevitra fa kianja fampandihizana i Madagasikara ka azony kosehina sy lalaovina toy ny kapila mangirana avokoa ny fiainan’ny malagasy 20 tapitrisa. Tsy manana firehana matotra sy tsy afaka misaina lavitra ihany koa izy. Ary ilay mpitery ronono voalazanao indray dia olona nandia fianarana ambony tany suède sy Allemagne ary tsy mba tia misehoseho fa miasa ho an’ny firenena malagasy. Aoka atao fantatrao mazava fa toeram-pianarana anisany tsara indrindra ao Eoropa no nodiaviny ary manana ny mari-pahaizana ambony izy.

    Raha tsy misy ny tantsaha mpamokatra dia tsy mihinan-kanina ny olona any ambonivohitra ary anisan’izany ilay mpampandihy izay voalazanao.

  • Ramalagasy dit :

    Ny zava-dehibe dia ny fisian’ny fivoriana miendrika inclusivité ka izay tsy tonga dia an’azy izay.Amin’ny volana Mars ity dia manomboka hita ny olona na antoka ho faty dia tsy ho hita intsony satria tsy hanankery intsony ny Maputo sy ny boyocottage.C’est le début de la fin pour certains politiciens et bonjour la retraite

  • Babyfoot dit :

    Ie, marina ny tenin’i Bemafohy. Teny anglisy (langue internationale) no fitenin’i Filoha Ravalomanana ka izany no tena nampandroso an’i Madagascar. Raha filoha miteny ny tenin’i renimalala fotsiny dia MALBARRE ny firenena andalapandrosoana. Ary izany no tsy nitiavan’i renimalala sy Nadia ny Filoha hajaina. Tsy tian’izy ireo fo tafita ny gasy kely. Ny tena mahavariana anefa dia ity : I renimalala manankarena ka tsy mahagaga ny ataony. I Nadia kosa, gasy kely nefa tsy tia ny hampandroso ny tanindrazany.
    Tsy mampaninona azy ny tondroin’ny vahiny molotra @ fahantran’ny taniny. Sa angamba mandainga any andafy hoe tsy gasy fa réunionaise, asiatique etc…

  • Arivolahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    Efa nampoizina ny zavatra hiseho aorian’ny fivoariana nataon’ny ekipan’i Andry…fanintelony raha tsy diso aho no nanao fivoriana maivana toy io ry zareo,,,tsy mahagaga noho ny tsy fahaizana ary iaraha mahita izao fa giazany efa ho herintaona ny fitondrana, mitondra baolina irery ny fitondrana nangalarina nefa dia izao tsy tafavoaka izao…n’inon’inona no ataony dia latsaka an-katerena foana ny tanindrazana.

  • SSSSSHH dit :

    Raha mahay sy mamim-bahoaka i Ravalomanana dia efa ela no niala i Rajoel.Rehefa tsy mahay afa-tsy mitaraina any amin’ny gic dia tokony hangina tsy manao politika intsony fa tsy mila olona kanosa ny firenena fa olona matanjaka sy sahy tahaka an’i Rajoel! Tsy mila gic fa ny malagasy no tokony handinika sy hitantana ny atao amin’ny malagasy sy i madagasikara.Na ny hajan’ny miaramila aza tsy hain’ilay Ravalomanana akory ka aiza no tsy nivadiany.Fa angaha vitan’ny manome vola izy ity?Rehefa tsy mahay sy kanosa dia izao no vokany.Tsy misy miraharaha izay sazy kely tsy misy dikany any fa mandroso ihany izao ny dia na inon-kidona na inon-kihantra ka dia mitanjiro sy mitaraina any amin’ny gic sisa atao.

  • Eleonore dit :

    Raha izaho manokana dia fiere mihintsy aho mahita fa malagasy mpivarotra ronono, lasa nanana entreprise agroalimentaire reconnue internationalement, avy eo Maire de la capitale, dia avy eo Prezida noho ny herin’ny tenany ihany, ny instinct sy ny leadership nananany. Raha miezaka toy izany daholo isika tsirairay avy, fa tsy variana manisa ny diplaoma azo fotsiny, tena handroso ity Madgasikarantsika ity.

  • SSSSSHH dit :

    Tsy resaka mamorona entreprise anie ny mitondra firenena e!Mila fahaizana.Na ianao io ve dia hiaiky fa nahay nitondra vahaolana tamin’ny krizy i Ravalomanana ka nanala haingana ny fahasahiranan’ny malagasy?Hita be mpivarotra ronono ka tsy mahay dia kilalaon-jaza ny nanala azy teo ary hatramin’izao dia tsy mahita vahaolana ankoatra ny mitaraina.Mpivarotra ronono e!

  • Arivolahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    Asa na izaho no jamba na i SSSSSHHHH no tena mahita fa lasa lavitra izao Madagasikara ka ny kely nentin’i Ra8 dia nampitomboin’i Andry, afaka mamaly ahy ve ianao amin’ny lafiny rehetra? Mankanesa eny eny Analakely rehetra eny, petite Vitesse, Behoririka dia midira any an-tokatranon’ny olona fantatrao na havanao raha nisy fiovana raha tsy hoe niakatra ny farimpiainanao. Ohatrinona ny vidin’ny vary taloha dia ohatrinona ankehitriny? Ohatrinona ny vidin’ny hena? Ohatrinona ny vidin’ny ronono tsara sy yaourt mihoatra ny taloha? Firy izao no tsy manana asa mihoatra ny taloha? Valio @ ENY na TSIA aho?

  • Lazalazao dit :

    SSSSSSHH,
    Nametraka fanotaniana roa ianao ka aroso eto ny soso-kevitra sao mba maha-liana anao ihany ny lalam-pisainana entina manohana hevitra.
    Hoy ianao : Raha tena mamim-bahoaka i Ravalo dia tokony hiverina ho hita eo.
    Zavatra telo no tsinganiko @ io. 1) Ny antsoinao hoe vahoaka ve dia ireo teny @ 13mai nanao orange ? Tsy nahita mihitsy aho teto Antananarivo toerana hafa nanao hetsika ary ny tany @ faritany aza moa be no tsy nahalala fa ao @ 13 mai « ny vahoaka » 2)Raha eto M/kara ianao, izay tsy hinoako fa resaky ny olona lavitry ny krizy no tsapako aminao, dia nahita ary mbola mahita fa ny miaramila sy ny zandary (ary ny polisy)mpikomy no nanogana ny fanajakana, Tadidio ny fanafihana an’Ambotsorohitra sy Iavoloha, manginy fotsy ny teny @ episcopat Antanimena…. 3) Raha jereko ny manodidina ahy, sy ny faharetan’ny tolona ao @ MAGRO ary ireo fitsapan-kevitra ao @ sobika.com, tananews, mydago sns…. manotany hoe iza no filoha tianao hitondra ny tany, dia mbola i Marc RAVALOMANANA ihany no eo aloha ary miavaka be ny isany. Noho ireo fanamarihiny 3 ireo dia noho izany tsy tokony mandika vilana hoe raha tian’ny Vahoaka ianao dia modia. Fa maninona tsy hampianao ny fanotaniana hoe raha mijanona any an-dakazery daholo ny « mpitandro ny filaminana » (anarany fotsiny io) ka avela maneho hevitra ny olona dia hilaza aminao aho hoe tokony hiverina Ravalo. Tsy kilalaon’ankizy akory izy ity ka nohon’ny fitiavana tsyhandiso anao (sssshhh)dia mijanona any izy (Ravalo). Izay ilay lalam-pisainana lazaiko anao teo. ka efamba voadikao ve izany.
    Ny fanotaniana faharoa (2) dia ny hoe, Raha tsy tsy mety rajoelina koa maninona no mbola tsy miongana fa eo foana. Raha izay kosa dia tena tanteraka aminao ilay tanjona ataon’ny frantsay entina hitazonana @ sangany ny zanataniny taloha satria hainy tsara ny mampiady ny samy Malagasy sy indrindrindra mitady ireo olona miara miasa aminy (collabotrateurs) Ka omeny tombotsoa kanefa mampahantra fadiranovna ny maro. T@andron’ny fanjanaha-tany dia nisy ireo antsoina hoe « citoyen francais » izay tena vitsy an’isa sy miara miasa @ frantsay, ary ny ankamaroan’ny Mlagasy dia natao hoe « indigene » sy mijaly, manao asa an-terivozona (smotig), voadaroka raha va tsy miarahaba frantsay sns…. Ka aoka ny tantara hanazava aminao fa miverina indray izany izao.nympiziriziry an’i andry dia satria mbola tohanan’ny frantsay izy ao aorinany ao, ka raha tena matsilo saina sy tia tanindrazana ianao dia mba diniho ihany fa ity no tanidrazantsika fa tsy i lafratsa reny malalan’ny HAT.

  • Mankasitraka dit :

    I Ravalmanana no filoha nahavita be indrindra teto MAdagasikara.
    I Rajoelina no nahapotika be indrindra tamin’ireo ntondra teto tao anatin’ny fotoana fohy, tena amin’ny vitessen’ny tgv mihintsy ny fahapotehina, ara-toetsaina, toekarena, foto-dragitr’asa, fahefa-mividin’ny vahoaka

  • ralezoka dit :

    Tsy tokony hitarazoka amin’ny ady hevitra eto isika mianakavy fa raha tsy romotry ny fialonana ny mpanongam-panjakana sy ny forogony dia efa tobaky ny RONONO miaro TANTELY mamin’ny fiainana ny vahoaka malagasy manerana ny nosy, fa tsy mati-kanoanana sy mihorohoro lava amin’izao fitondràna fat izao .
    Apetrao amin’ny toerana mendrika, mihaja tokony hitoerana ny hery mpiaro ara-drariny ny vahoaka, sahala amin’ny firenena milamina eran-tany, fa tsy atao herim-pamoretana, herim-pampihorohoro sy mpampijaly izy ireo, dia hitohy indray ny fiadanam-pitondràn’ny FILOHA RAVALOMANANA MARC .
    Efa miadrandra mafy ny fiverenan’i Dada Ra8 mafy dia mafy anie ny firenena malagasy tompoko ô ,satria efa fadiranovana loatra; herin-taona mahery izao tsy hita izay mangirana .

  • ralezoka dit :

    Ho anao ra- SSSSSH mpiray tanindrazana ,mba lazao ny vahoaka malagasy trotraky ny fahoriana eto hoe ny tombon-tsoa manokana mitobak’aminao amin’izao fitondràna  » Tgv + miaramila » araka ny filazanao azy izao ?
    Tohàno mafy izany io fitondràna io raha mahasoa anao irery sy ny ankohonanao ; tandremo anefa mba tsy ho tratry ny haloka satria boribory anie ity tany misy antsika ity ê ! Ny ambony mety lasa ambany ……..! Mba diniho tsara izany azafady ê!

  • Bemafohy dit :

    Ho anao ra-SSSSSH raha mipetraka tsara daholo ireo mpitandro ny filaminana mitana ny arsenal sy ny fiadiana isan-karazany dia afaka mody tsara i Ravalomanana hilatsaka ho fidina.Ary lasany io raha milatsaka ho fidina izy.Tsotra fontsiny.

  • Verohanitra dit :

    SSSSHHH !
    Miantso ahy ianao dia valiako amin’ny fomba iray. Mamim-baôka sady vôfidim-baôka ny filou andry rajolena. Feno hipoka ny tranobe fivoriana ao Ivato izay izy no tena vizana nanorina azy sy nitokana azy. Vaôaka tsy hita avanavana no tonga tao. Ze niseho télé sady bogôsy no manja no vedety. Fikatrohan-dou zao tao zao.
    Hafaliana ny an’ny vaôka nanaraka drekita ny teny midina nifamperàna tamin’ny télé. Sady mahay hatsikana mapme be ny akitera.
    Ka inona no blema-nao amin-dRavalomanana ? Ngâ izy voantso tao ? Atôko izy efa lasa any Afrika. Malaelo azy ngâ no mitomany ny hiverenany. Tsy tin fa minou fotsiny ihany.

  • Verohanitra dit :

    Coucou Bab’s !
    Manao ahoana aky indry ? Ie ! Maromaro mintsy ry zareo tao anaty listry ny vehivavin-dRajoela, mpanara-dia sy mpanohana azy an, omena felam-bonikazo rampitso ! Arakaraka ny zava-bitany no nandaharana azy. Ao kou hono Migaly Rajou-hell !
    Toa hamboly foto-paiso ry zareo sa foton-goavy. Refa vokatra de samy minana izay namboleny.

  • GBD dit :

    Vero â
    raha mankany antimo aho aminy septembre , na octobre : aiza no ahitako anao moramora kokoa?
    Tuléar , sa Fort Dauphin , sa Morondava ?
    jerijereo eto aminy site fa homeko any mydago ny coordonné-ko ( any ANJA )

  • GBD dit :

    bab’s tonga indry aminy asabotsy 22 mai ariva (ny pentecote) any « restaurant la charette » vers Vavin ?

  • GBD dit :

    Afaka ve i ANJA ???????????

  • SSSSSHH dit :

    Ny fiainana dia tsy vitan’ny mitaraina.Ny mitondra firenena koa toa izany.Raha olona misy saina sy mahay i Ravalomanana dia tsy nitarazoka ny krizy ary hainy tsara ny namaha ny olana.Saingy tsy izany no niseho.Tsy vitan’ny mitanisa hoe izao sy izao ny zavatra ratsy nataon’i Rajoel sy ny frantsay fa raha olona atokisana sy mahery sy misy saina izy dia hainy tsara ny niala tamin’izany.Ka moa ve ianareo tsy mba hiaiky mihintsy fa olona tsy mahay i Ravalomanana?Ny miaro ny firenena tsy ho potehin’ny fahavalo dia heverinareo fa asa azo hamaivanina ka ahilika amin’izy ireo ve ny adisoana rehefa tsy hay ny nanao izany asa izany?Amin’izao fotoana izao dia ny hampiditra fanetry be tahaka an-dRatsiraka no mba tetika hitany fa mahomby.Dia mbola hilaza ve ianareo fa mahay miaro ny firenena io Ravalomanana io?Tsy misy afa-tsy i Rajoel no afaka hanakana izany fa tsy i Ravalomanana akory.Raha nijery ny fahorian’ny vahoaka i Ravalomanana dia tsy nanompa ny fahantrany nividy force one fanindroany, tsy namarotra tanindrazana ary tokony mba nahay niharo ny vahoaka mba tsy ho voan’izao krizy izao.

  • GBD dit :

    SSSSSSSSSSSh /Nadia
    Arrête de gamberger .
    Tu ne comprends que la vie au jour le jour comme la HAT ,
    Après vous le DELUGE .

  • Verohanitra dit :

    OK GBD ! Aty afovoany no misy ahy. Jereko ao @ Mydago ilay izy. Raha afaka aho dia tonga miaraka aminareo amin’ny Pentecôte !
    Bisous !

  • SSSSSHH dit :

    GBD
    Tsy misy lanjany amiko izay zavatra lazainao r’ingahy « françafrique »

  • Verohanitra dit :

    GBD !
    Toa niverina indray ilay nanao M. GBD indray andro iry ? Le injenera e ! Oviana hono ise no vita circoncision hozy Kintana ?

  • GBD dit :

    Vero â
    aza MPM………..
    Ny circoncision dia atao mihadana eny foana…
    I andry no mendrika circoncision fan’droany , izany hoe « raccourcissement » angamba…

  • Babyfoot dit :

    Coucou Véro,

    Firy hono ny foton-goavy voalolin’ny mpam’s tamin’ny 8 teo ? Sa nanao defile demodé, nioso-menaka eran’ny tanety fotsiny ?

    A GBD,

    Ho avy zà @ 22. Montparnasse moa ilay izy ve ?

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site