Madagascar First Lady

Madagascar First Lady

Voary anio 8 marsta

Kabarin-dramatoa Lalao Ravalomanana

fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy

8 MARSA 2010

Ry Vehivavy Malagasy Mpiray Tanindrazana,

Ny voalohan-teny dia fisaorana an’Andriamanitra. Tsy diso anjara tamin’ny fanomezam-pahasoavan’ilay Nahary isika, ka tratr’izao vaninandro izao.

Amin’izao andron’ny 8 marsa 2010 fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy izao, dia raisiko ho fifaliana sy voninahitra ny miarahaba ny Vehivavy malagasy rehetra tsy an-kanavaka eran’ny Nosy, nahatratra ity andro anio ity. “Ny tiana tsy mahalavi-tany” hoy ny fitenenana, ary “ny elanelan-tany manamafy ny herim-pitiavana”, ka izany arahaba izany dia sady atolotra am-pitiavana noho ny firaisan-kinantsika samy vehivavy, ary ho mariky ny firaisan-kina sy ny Fihavanana amin’ny Vahaoka Malagasy iray manontolo.

Izany arahaba izany koa, dia ombanay firarian-tsoa sy fanandratana ny vehivavy aty an-tanindrazana, satria miharihary toy ny vay an-kandrina ny fahasahiranana mianjady amin’ny Vahoaka Malagasy, noho ny fotoan-tsarotra lalovan’ny Firenena ankehitriny. Ary amin’izany, na dia anisan’ireo tra-pahavoazana mafy indrindra aza isika vehivavy amin’izao fotoana izao, dia hita fa sahy mijoro mandray andraikitra amin’ny fomba maro samihafa, mba ahitàna vaha-olana araka ny tokony ho izy, satria ny Reny Malagasy dia tia ny menaky ny ainy, ka mitsinjo mandrakariva ny taranaka fara-mandimby.

Jery todika momba izay vitan’ny firenena tsirairay avy, tato anatin’ny 15 taona, momba ny fampandrosoana ny anjara-toeran’ny vehivavy, ho hery mpamokatra feno, mitovy amin’ny lehilahy, izany no loha-hevitra isarihan’ny FIRENENA MIKAMBANA ny sain’izao tontolo izao, amin’ny fankalazana ity Andron’ny 8 marsa 2010 ity . Mankalaza ny “Beijing + 15” tokoa mantsy isika, amin’ity taona ity, satria feno 15 taona ilay FIHAONAMBE IRAISAIM-PIRENENA MOMBA NY VEHIVAVY NATAO TANY BEIJING, tamin’ny volana septambra 1995, izay nametrahan’izao tontolo izao ny Soridalana sy Soritrasa, ary ny Praograman’asa maharitra tokony ho tanterahina, na ny “Programme d’Action de Beijing”.

Raha ny momba antsika Vehivavy Malagasy manokana no asiana teny, dia hizara amintsika ny ato am-poko aho, ary hindrana ny Tenin’ny Soratra Masina:

“ Mahareta amin’ny fivavahana” (KOLOSIANA 4:2), fa ny vavaka no manova zavatra.

Na eo aza ny fahasahiranana sy ny olana mianjady, dia tsy hanariana ny finoana izany. Ny finoana sy ny fanantenana no mampitraka antsika, satria Jeso tompo sy mpamonjy no niteny hoe:

“ Antsoy aho, dia ho valiako ianao”. (Jeremia 33:3)

Ny tantaran’ny firenentsika dia ahitana Vehivavy mendrika sy mahery fo, sahy nijoro tamin’ny finoany: ry RASALAMA, maritiora voalohany, teo amin’ny Fianakaviamben’ny mpino protestanta sy Victoire RASOAMANARIVO, teo amin’ny Fianakaviamben’ny mpino katolika.

Koa raha mankalaza ny Andron’ny 8 marsa isika androany, dia mahatsiaro ny Vehivavy toy ireny, izay mpialoha lalana antsika, nitolona sy nanokana ny fiainany manontolo, ary nahafoy ny ainy mihitsy hamonjena ny Firenena.

Raha mankalaza ny Andron’ny 8 marsa koa isika androany, dia maneho sady manamafy indray ny fahavononantsika hatrany, hiezaka sy hikiry manoloana ny herisetra sy ny velikibay, ary ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona sy ny zon’ny vehivavy, manoloana ireo olana sy sakatsakana, ary fanilikilihana, mivantana sy an-kolaka, mbola mihatra amintsika, ka tsy ahafahantsika mandray anjara feno eo amin’ny sehatry ny fitantanana sy ny fampandrosoana.

Ary raha mankalaza ny Andron’ny 8 marsa isika androany, dia sady maneho ny firaisankinantsika amin’ny vehivavy eran-tany no maneho amino, sy manao antso avo aminy, mba hanohana hatrany ny ezaka sy ny tolona ataon’ny vehivavy malagasy, indrindra amin’izao fotoan-tsarotra diavin’ny Firenena izao.

Noho ny zava-misy iainantsika, dia miharihary fa tena mpandimby marina ireo vehivavy modely teo aloha tokoa isika vehivavy malagasy ankehitriny.“Tena vato namelan-kafatra sy kolokolo dimbin’ny vary, ary solofo dimbin’ny ala”.

Koa dia mankahery antsika vehivavy rehetra aho amin’izany fahavononana sy fahasahiana mandray andraikitra izany, ka ny fijoroantsika eo anivon’ny Fokontany, ny Kaominina, ary ny Faritra misy antsika tsirairay avy, dia hampisongadina ny Firenena Malagasy.

Homba antsika mandrakariva Andriamanitra!



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Fetin’ny Baiboly
  2. « Nody ventiny ny rano natsakaina », hoy ny président Ravalomanana
  3. Lalao madio no andrasana
  4. Banque Mondiale et Madagascar
  5. Ravalomanana irery ihany no tsy nivadi-dela

63 Comments

  • fandresena tena izy dit :

    Tsara fa tohizo ry Neny o ! Ikalakely mampidera fe iny aza sahy misolantsolana etsy sy eroa ka ianao indray ve hanao tompony mangatak’atiny e! Tarito izahay mba ho sahy hanindrona amin’ny elo tahaka ireo vehivavy tany Ambatomanga fa izany izao no ilaina .

  • kristelle dit :

    ka mitovy r’ise ny lamodiny tanora sy bofy?samy manao ny reviny

  • kristelle dit :

    oviana io sarin’ny Neninareo io?efa ela ve?

  • Mao dit :

    Ho an’ny olona vadina Filoha izany ry Kristely mila maontina sy fitaratra ho an’ny vahoaka entiny fa tsy mampisaho fe eran’ny tanana a.
    Tsy ny hatsaran-tarehy no zava dehibe fa ny fandraisana andraikitra sy ny fahamaontinana.

  • Mao dit :

    Miarahaba anao Ramatoa Filoha dia mirary ny soa sy ny fitahian’Andriamanitra ho anao dia tahaka izay koa ho an’ny vehivavy rehetra e, toraka vonikazo bobaka be. Indrindra ho an’ny vehivavy eto @ Mydago.

  • kristelle dit :

    zany ka mba olonkendry,fa ily Kintana tsy mamely

  • gasy dit :

    « …Jeso tompo sy mpamonjy no niteny hoe:
    “ Antsoy aho, dia ho valiako ianao”. (Jeremia 33:3) »
    Samy Je aky ry zareo fa Jeremia mpaminany niaina 626-587 talohan’i Jesoa a!
    Atao hoe diso tsipelina angaha fa ny voasoratra dia hoe « 2 Izao no lazain’i Jehovah, Mpanao izany, Dia Jehovah izay namorona izany mba hampitoetra azy; Jehovah no anarany;

    3 Antsoy Aho, dia hovaliako hianao Ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao. »

    Fa tsy midika akory hoe hidera an’ilay Ramatoa kely milaza ho « première dame » sy hoe be « Fitia » aho, mbola nampikifi-doha lavitra ny namaky ny « resaka @ fo misokatra » nataony t@ mpanao gazety mpandrindrarindra azy…
    Matoky aho fa ny vehivavy malagasy na gisitra eo @ fiaraha-monina aza voalohany kosa @ faha-mendrehina, araka ny ao @ Ohabolana 31, 30 hoe: « Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah ihany no hoderaina. « 

  • GBD dit :

    misaotra Mao !
    Araky ny ma vehivavy ao dia manimpy fahantsiarovana betsaka sy alahelo rehefa miheritreritra ireny ankizy eny aminy ilay atao hoe « ZAZA MADITRA  »
    Tena mivoto ny fo………momba ireo ankizy very ampahantrana saina sy fanay.
    Any andro , any volana raha « misy projet » social atao momba izy reo : dia milatsaka vonona aohikarakara.
    NE RIEN LAISSER SUR LA ROUTE …..
    NE PAS LAISSER L’AVENIR FERME AUX ENFANTS souvent oubliés en tant qu’enfants…
    Les adultes sauront mieux se débrouiller .

  • revolition orange dit :

    Tena marina ny voalazanao ry MAO
    Izany vadina filoha izany mba olona maotiina mendrika ohatry ny Lalao R8 fa angaha moa ka mba mendrika ho vadina filoha izany rony Mialy rony
    aleo ihany vadina DJ mendrika azy tsy maninona na mitondra je m’en fou fa izany ny mahazatra azy ao @ trano fampandihizana

  • kristelle dit :

    driiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiiii! ny olona tanora ka ho terena hitovy fitafy @ antitra?mawola sa mialona ny hatsarany jamais de la vis anao akanjo malaalaka tsy hampivoaka bika izahay

  • revolition orange dit :

    Tsy ianao ve ro mialona an’i Lalao R8 ,sady tsy ho madama kelin’i R8 no mbola tsy ho madama kelin’i Foza
    hihihi

  • revolition orange dit :

    tena
    fokafoka

  • beby Randriamanantena dit :

    Tsy azo ampitoviana mahintsy izy roa mianaka, aiza ho aiza ny fahamendrehany Rtoa Lalao Ravalomanana, Rtoa kely Mialy Rajoelina anié tena mbola ao anatiny fahatanorana tia mampidera bika, ary lasa hiany ny saiko amin’inty haingony,mety vé ireny amin’ireto vahoaka vangianao,izay olon-tsotra, mba ampianaro kely izy fa na dia handalo hiany azy ny fipetrahany eo sa ahoana hoy ianareo

  • revolition orange dit :

    Sarotra ry beby Randriamanantena ny hanarina ny tanana efa zatra nitsotra
    izy olona vadina DJ ka tsy dia omena tsiny loatra
    ny lamaodiny cliente ny ao @ tranompandihizana no mba alainy tahaka sao dia azon’olonkafa ny toerany ka tena sarotra mihitsy ee

  • kristelle dit :

    ary iMalahelo ve tonga e!

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    Tena sarotra ve ny tsymiteny ,tsy miresaka rajoelina eto amin’ity tranokala ity na inona lazaina na inona tantaraina..!
    Kabarin’ny Ramatoa RAVALOMANANA LALAO ny resaka ,dia misy tsy manan-kolazaina maro dia mampiditra an-rajoelina sy ny vadiny !
    Raha tena tsy afa-manohitra maninona ire tsy mahasaraka azy no tsy manokatra chapitre momba azy ireo..!
    Tena mankaleo ity fahitana fa be ny milaza  » fa am-bava tsy mila an-drajoelina ,fa am-po taralila ,raha ny fitiavan’izy ireo iteny rajoelina na inona na inona lazaina,na inona tantaraina eto..!
    Sady mandoto ny tranokala izany no tsy mampandroso ny resaka mahaliana sy mahasoa ny Malagasy..!
    rajoelina ihany ,rajoelina foana no tsy afaka am-bava ,dray tsy afaka an-tsoratra !
    Raha tsy eo intsony rajoelina dia inona no ho resak’ireto tsy mahafoy azy ireto ?

  • Mankasitraka dit :

    Miarahaba an’i Ramataa Lalao Ravalomanana !
    Mankahery tokoa ny kabarinao !

    Misaotra tompoko

  • mandresy dit :

    mbola hafa ny olon*kendry, manaja anao izahay rtoa Lalao Ravalomanana.

  • zora dit :

    FFiara tsy latsakin 200, fiara madinika, 4×4, fiara madinika no nanao cortege nandeha tany Ambatomanga omaly. Tsy fahita laotra, goavana be!
    Mikopakopa tanana ny namana rehetra erakiny lalana . Ny foza dia manao V ihany va vitsy no ny mankasitraka.

    Tsy mahagaga raha tapaka tampoka teo ny Radiofahazavana. Tena tsy tantiny foza ireny !SAdy tsy noresahina taminy Télé mihitsy. Hooo herim-po very maina: ny vahoaka nanemotra ny arabe dia nahita daholo , resaka be eto Tana sy ny manondina iny androany sy ny andro rehetra mbola ho avy.

    Na dia nogafiany Hat aza tonga tany Ambatomanga.
    Ary hita fa mbola mamim-bahoaka i Dada.

    Misaotra Ramatoa Lalao Ravalomanana . Manana modely ny vehiva malagasy manana anao.

  • fandresena tena izy dit :

    ka ny an-dry mialy kely anie ka i carla Bruny no fitaratra e! Ary noho izay toe-tsaina izya mihints no tsy mahamety ny niarahantsika tamin’ny frantsay hatramin’izay . Ny firenena iray dia tsy afaka hivelatra lavitra ny kolon-tsainy . Tsy kolontsaintsika mihintsy ny miboridandridana ny vehivavy ; kanefa dia nanjary lasa fomba fanao ilay izy rehefa niaraka tamin’ireo mpamelatra sary miboridana eran’ny tanàna ireo . Tsy midika akory izany fa hiverina amin’ny fomba fitafin’ny Ntaolo isika fa azo atao tsara ny manaraka ny toetr’ andro araka ny kolontsain’ny tena . Ka raha Ikalakely mpampidera fe rahavavin’ny Carla Bruny no tonga eo dia asa fotsiny izay faharavna hiseho satria hoy ity mpanratra iray : NY Firenena rava Kolontsaina dia firenena efa rava !

  • joeyA dit :

    Ny zavatra hita aloha ho an’ny fanabeazana amin’izao andro ny foza izao dia latsaka ambany mihintsy ny fisainana ireny foza kely ireny!
    nisy Fiara be an »ny Tiako Madagasikara avy namboly hazo nandalo tery amin’ny Jesosy Mamonjy tery dia nanao oe » ôôôôôô » ireo foza kely vehivavy nilalao teo amin le rano tsy mande intsony io! voataiza sahady ho aiza ?!
    Fa ho An’ny GBD dia izaho ,ko dia malahelo mihintsy ireo « zaza maditra  » fa efa nahita izaho teny Ambohidratrimo fa tsy rariny mihintsy fa mila fikarakarana izy ireny ee!Za vonona koa

  • Mao dit :

    Salama daholo e!
    tena Milay kosa izy zany Zora a, mankasitraka antsika rehetra dia manakahery antsika hatrany @ izay mbola hatao rehetra e. Ilaina foana ny fifanohanan-tsika rehetra.

  • nanah! dit :

    salut!
    TENA MARINA MITSY NY ANAO RY MAO §
    Zany vadina filoha zany tompoko dia olona mihaja fa tsy manao fitafy na……… aleo tsy tohizany
    1ere dame ngé zany ry kristelle e! sao dia tsy fatatrao ary zany ?
    Fa tsy sanatria akory vadina DJ , dia ankajo hoentina anyy @ boite de nuit no hanaovana

  • vololona dit :

    marina ny anao ry Dokotera, tsy mila ampitahaina akory fa efa samy mahalala isika

    Misaotra anao ry Neny a!! ho ela velona anie ianao hiaraka hiriaria indray isika e!! miarahaba ny vehivavy rehetra eto @ MyDago koa

  • GBD dit :

    Joey
    misaotra mihantra ireo zaza ory…
    Nadia/kristelle
    ô ry tsipoy ,
    hajanony ity redirediny toi ity…
    momba ny politika , sy araky ny fananantsaina ,tsy rarahany ny olona izany bika izany ê ! (apparence , paraitre ne valent pas l’ »ETRE »! )
    Hillary Clinton , Angela Merkel , Bernadette Chirac, Joan Baez be mpankasitraka lavitra noho i Carla Bruni , bien qu’elle ait une jolie  » croupe « .

  • Babyfoot dit :

    Mbola tsy nahita maso an’i Ramatoa Lalao Ravalomanana direct izaho ary tena mitampim-bava mahita ny sariny etsy ambony sy niheno ny kabariny.

    SADY KLASY NO MANJA BE
    Afaka mirehareha isika malagasy manana 1ère DAME toa azy.
    Ilay tailleur MANGA BE tany Mapotu TSY LASA !

  • Fred dit :

    GBD>>>
    Jolie croupe ve i Carla ? MDR aho ! Mbola tsy nahita azy akaiky aho aloha, fa raha hitako akaky toa handositra aho fa ny sourire aloha dia tsy kaoziko loatra e !
    Cette fausse apparence de Sainte nitouche me degoute ! Ny croupe indray anie ilaina ihany ny mahafinaritra jerevana, ny tarehy koa, fa ny ahy dia ny maha olona mihitsy no jerevako voalohany : Sympa, gentille, conviviale, tsy miavona, tsy misehoseho. Le reste….bof
    Momba ny ankizy indray, asa raha efa nandray anjara tamin’Association ianao, fa lavitr’ezaka be anie izany e, sady mazana. Fa mbola ho avy ny hihaonana e. Efa manao izany aho, fa amin’ny fomba hafa indray :TENA ENJANA ny manantanteraka azy.
    Aoka re izay ny resaka Mme Ravalomanana e ! mialona izahay fa tena tsara tarehy tokoa izy !Tsara deraina, fa asio fetrany ihany sao be doka loatra ! Tena marina e! Izahay tsy mba be saosy sy tsy beau bosse,tsy klasy koa, eeeeeindrisy e ! dia ahoana ny aminay izany ???!Ny vitsika hitsahinay aza tsy maty !!!Bouuuuuuhhhh !
    Fa ho ela velona ianareo Mr et Mme RAVALOMANANA !

  • HoAiza dit :

    Lalao Ravalomanana? ny tarehiny tsy miova, jamais froncer le sourcil – d’humeur égale et détendue, prête à sourire. C’est ce côté que j’aime quand je la regarde.
    Misy olona tsy manana SAVOIR faire & vivre eto. Io angaha no niveau mitovy avy @ eny an-dalambe?!
    Tsy fantany fa tsy mitovy ny fitafy eny amin’ny plage sy eny an’arabe, tsy mitovy ny tenue raha mandeha soirée dansante toerana Carlton sy ny bal (danse) toerana boîte de nuit, … exetra

  • nanah! dit :

    mendrika ny alaina-tahka ho an’ny vehivavy mihitsy I madame Lala RAVALOMANANA e!

  • revolition orange dit :

    Ka na i Mamabe Therese aza tsy resiny akory vao maika fa Lalao R8

  • GASIKELY MALAHELO dit :

    TSARA FA TOHIZO RY ZANAK’I DADA A!
    MBOLA TSY PROPAGANDE DE EFA IRENY ISIKA IRENY, VAO MAIKA FA PROPAGANDE.

  • kristelle dit :

    non non non aza idina i mydago e!

  • GBD dit :

    « hikatona mydago »
    Anja,
    peut on continuer à utiliser les coordonnés que tu avais transmis?????????????,

  • kristelle dit :

    aiza indray no alehan’ny zanak’i dada?zahay tsy zanak’i Dada kou anefa mila anareo ,non non non non non non non

  • kristelle dit :

    teneno ravalomanana aza idina i Mydago non non non non non non non

  • Zanatany dit :

    Madame la Présidente,

    Si la vie était meilleure à DAGO, moins d’homme
    se mettrait à boire et battre leur femme -les
    kits écoliers, tout vient *par l’ éducation* j’étais tellement contente pour « notre pays natal. Je me suis dit enfin ! du changement dans LE BON SENS. Revenez-nous vite -que Madagascar soit Malgache ET reste INDEPENDANTE toujours – Votre sourire et votre gentillesse et votre constance nous manque.Après les femmes, filles, il faudrait aussi penser aux enfants prostitués CAR nous sommes tombés bien bas avec « LE JEUNE INCONSCIENT » *POUR ETRE CORRECTE.* Il y a du
    travail qui vous attend !
    Mes respects à vous Madame la Présidente.

  • HoAiza dit :

    Vakio hatrany @ farany ny voalaza:
    « … dia hisokatra indray ny zoma 12 mars.
    … pour réouvrir le vendredi 12 mars. »
    Aiza ary izany!

  • HoAiza dit :

    Isaorana ianao ry ZANATANY!

  • Babyfoot dit :

    Isaorana ianao Ramatoa Lalao Ravalomanana.
    Reny toa anao no ilain’ny malagasy fa tsy zaza, tsy ampy taona sy tsy ampy saina.
    Andriaminitra anie homba anao sy ny ankohonanao.

    MASINA NY TANINDRAZANA

  • kristelle dit :

    driiiiiiiiiiiiiiiiiii! ny Tanora ny tompon;ny taona 2000 bofy mila misotro ronono tsy ilaina

  • Tsilo dit :

    Misy sabotazy indray ao, tsy tantin’i jejovoatavo ny mijery ny sarin’i Madame Ravalomanana. Marary ny fony mamaky ny mpidera sy mpankasitraka ny 1ère Dame n’i Madagasikara.
    Izany foana ny fomban’izy ireo, rehefa resy lahatra dia atsangana ny basy aman-tafondro.
    Nakatony Top Mada, izao indray Mydago. Tsy takatry ny cervelle-ny fa mitohy ny tolona na inon-kidona na inon-kitranga.
    Mila mandalina fianarana no fahitako azy rehetra

  • Dera dit :

    Miarahaba

    Aoka tsy ho taitra ny mpanohana ny ara-dalàna na hakaton’i DJ aza i Mydago. Mampandihy no asany fa mitondra firenena tsy arak’i Lery

    Mampalahelo

  • GBD dit :

    Tsilo â !
    rehefa mahivana ny atidoha ny vaotavo, na ampianao « plomb » aza dia tsy miova ny neurones ao anatiny…………

  • VOLA dit :

    mbola hafa ihany neny eh! toy izay ity mialy makorelikely mampidera lamody ity …..sahalany pupleuls ireny ary miteniteny fona sy manaonao fona izy mivady tena tsy misy valeurany mihintsy fa tena hita fa DJ no tena antonasany izy mivady tena jiolahy mivady tsy mila fanajana fa tena tsy matahotody ary ho ratsy fiafara h@ taranaka faramandimbiny izy mivady iTGV SY NY FORONGONY SNS….. mbola hafa hoy aho i neny sy dada Ravalomanana eh! tena hita olonkendry no sady taviny no volony no mahay manaja tena aleonay Ray amandreny efa antitra no anay fa mbola eo ananatra anay raha maditra izahay sns…..no misy hanoro hevitra @ atao sy ny hieritreritra ny hoavinay vahoka fa tsy matikambo hotrany DJ mivady e!tsara neny e! ratsy ilay jiolambavy mivady

  • tess dit :

    Ianao ndray aloa ry Kristelle na haninona na hilaza inona dia sans qualité foana , i Mme LALAO RAVALOMANANA dia vadina filoham-panjakàna voafidy ara dalàna fa tsy vadina mpanongam-panjakàna toa an’i MiALY ka raha makorely vadim-bazaha, isaoranay ianao Ramatoa LALAO RAVALOMANANA satria dia fitaratra ho an’ny vehivavy malagasy misaina, ary aza matahotra isika eto @ mydago fa na hakatony faty n’alika aza eto, afaka maneho hevitra foana isika, efa manao tsipaky ny miala aina sisa reo faty reo fa efa mananontanona ny sazy hihantra @ izy mianakavy, dia mirary soa ho antsika rehetra mpandala ny ara-dalàna ary dia mankasitraka feno ny filoha Marc RAVALOMANANA mivady, samy ho tahiana’Andriamanitra e!

  • Fred dit :

    GBD>>>

    Attention, nous devons penser qu’il faut faire UNE RESERVATION pour Pentecote, pour ne pas diner dehors !!!;o) !!!
    Tu peux ecrire a MyDago, pour mettre tout ça au point rapidement ? Babyfoot a raison, il faut tout bien preparer à l’avance !Please an answer !!!:o)

  • kristelle dit :

    ka heveriko panongam-panjakana daholo raha vao eny @ 13 may no misoratena kou ahy ve?za nga nahalala
    teo @ 13 may manko na nahenoko azy nilaza fa Filoham-pirenena izy ,mampimeh

  • General Gallieni dit :

    Elle est TOUT a FAIT Baisable !!!!

  • GBD dit :

    OK FRED
    na tsy misy mot de passe aza dia tsy sarotra no manao « QUIZ » refa eo antoherana.
    Kanefa mety manome « mot de passe  » any Anja et QU’ELLE CONTROLE SURTOUT LES ADRESSES – MAIL ET PSEUDOS CORRESPONDANTS !
    Mety ve ry Anja ???
    valio azafady

  • anja dit :

    Salut daholo,
    C’est quoi le binz à propos ny my dago hikatona?Miala tsiny aho fa tsy salama kely dia tsy nijery anareo.Ataovy à la page hoe za ry GDB na i Fred fa tena tara be za.Valio haingana

  • AFAKA dit :

    Miarahaba an’i Mme Lalao Ravalomanana koa nahatratra ny 08 martsa ary maniry ny tena soa indrindra ho azy sy ny fianakaviany. Tena faly be naharay ny hafatrany, izany ka tena vehivavy lehibe mahalala ny ataony! et quelle classe! Mba nisy tsara ihany nataon’izy mivady teto @ity tanindrazana ity ary MINO sy MAHATOKY ny tenanay fa Andriamanitra tsy manary ny olony. Ary tadidio ry Malagasy havako fa tsy anjely akory ange izy ireny é! fa mba jereo ihany ny zavatra nataony ho fampandrosoana ity Madagasikara ity.

  • GASIKELY MALAHELO dit :

    DADA IHANY OA NO MAVITA NY GASIKARA
    I LAVASANGA TSY ALEANY. FOZA!

  • GBD dit :

    Anja
    mydago hikatona aminy 11 mars fontsiny…
    Ho avy ve indry aminy asabotsy 22 mai any aminy « la charette »? (resto)
    Izay angamba no tsitra indrindra.
    Nandefa mail aminy mydago ao ho anao omaly(10mars) tsy mivaly :
    URGENT AUJOURD’HUI STP
    Inona ny « mot de passe » ny Fred ???

  • GBD dit :

    NB : FERMETURE CETTE NUIT et réouverture demain.

  • GBD dit :

    ANJA

    LAISSE TOUT TOMBER !!!
    les foza ont déjà piraté mon pseudo
    On se débrouillera autrement….
    Merci

  • Mao dit :

    tena misy mahasahy koa zany ry GBD a, aleo ankinina @ mydago ny fandrindrana sy fanivanana ilay contact e, hisy intrus mantsy raha izany no mitohy.

  • Fred dit :

    GBD>>>

    Bjr !
    Par RESPECT vis a vis de Mydago et la personne que GBD semble connaitre, je ne peux me permettre de donner ici l’adresse a laquelle vous devriez ecrire :GBD-Verohanitra-HoAiza – Bab’s – et KM. l’adresse est pourtant marquée sur le site du forum Mydago ! Pardonnez moi, mais JE VAIS LEUR ECRIRE TOUT de SUITE de ce post pour leur dire.
    J’espere qu’ils ne m’en voudront pas, et pourvu surtout qu’ils lisent ce post ! Il NE FAUT PAS QUE L’ON ATTENDE jusqu’à MAI, pour pouvoir nous contacter.

  • anja dit :

    Salut daholo,
    Contente de vous revoir.En fait, j’ai déjà donné mes coordonnés à mydago pour vous.Efa fantany ny azo omena azy.GDB, Fred,Bab’s,KM â izay mahalala sy izay mifanakaiky dia afaka manao ê.Izaho aloha dia tsy dia tena mahalala an’ilay restau, ary raha ao @région parse ilay izy dia tsara tokoa raha goupiller na aloha satria izaho mbola anao resa (train, avion).Raha vao ok dia mikarakara koa izaho.Izay ry reto no izy fa mivavaka hifankahita sy handresen’ny tolona.Biz à bientôt

  • kristelle dit :

    eo dia manendrikendrika anay eo?zahay aza mba andeha hijery anareo any kou inona hivkianay aloha hangalatra izay anaranao any

  • anja dit :

    Nadia / Kristelle â,
    Tsisy ilaina anareo fa, raha te hifankahita @ namanareo foza dia manaova r-v koa ianareo.Mazàva?
    Raha ny tenako aloha dia tsy misy andaniako andro @ olona hoatranareo ê.Ny miresak @ areo angamba dia ataoko tena hoe punition mihintsy.Mahavità betsaka @ areo samy foza ê!

  • Ty vava e dit :

    Tena FOZA be marina ry ‘reto, Fanjakàna sy fanana’olona aza sahiny angalarina ka maika ve fa speudos n’olona. Izany no loha nefa mbola mahasahy miteny fa olo-marina iany. Mampalahelo tanteraka

  • Fred dit :

    GBD-ANJA, et les autres !>>>

    Fotoana kely fotsiny no angatahiko anareo. Mahareta kely, fa efa mikarakara ny namana e ! Ho afaka hifanoratra isika tsy ho ela akory ! Izany an ?!
    Dans la semaine qui vient, nous serons fixés ! C’est sur !!!
    perso, ce que vont faire les « soi disant » Politiques ne me font pas sourciller. Essayons a notre niveau de faire autre chose qui concernera plus particulierement, LE PEUPLE ET NOUS !

    Tsy maika tsy taitra nefa tsy tara isika e !

  • anja dit :

    Salut daholo,
    Ok Fred, de toute façon fantatro fa ho azonareo ny momba ahy dia après on discutera de nos projets en privé.Biz à bientôt

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site