« hanao inona eto Joyandet? »

Lasa ny andro, lasa ny volana, lasa ny taona. Dila indray ity ny volana martsa dia ho aiza i Gasikara?
Herintaona toy izao no efa nampanantena « ronono an-tavy » sy « tantely afa-drakotra » ary « kobaka am-bava » i Andry Rajoelina.
« Sakafo fy hoan’ny Ntaolo Malagasy tokoa mantsy izany hoe : « Ronono tondrahan-tantely » ary ny hoe : « hitoto koba hatavy ». Indrisy isika no tsy nahatakatra ny tian’ny zandry kely hatao, izao vao tonga saina ny rehetra fa hay kay samy manana ny rononony sy ny tanteliny e!

Ho tonga antsokosoko eto Dago hono i Alain Joyandet ? hanao inona ? mibaribary toa ny tafika andrefan-tanana fa mikoropaka indray Lafrantsa tamin’ireny fanambarana navoakan’ny ACP-UE ireny. Hamono afo indray angamba ka hitondra soso-kevitra hoan’ireo mpanongam-panjakana, iaraha-mahalala fa i Rajoelina sy ny forongony no fototra mampihitsoka ny firenena toy izao. Ny mampalahelo ao anatin’izao dia ry zareo Fat miha manan-karena (mikarama hatrany amin’ny 50 millions fmg tsirairay isam-bolana), ankoatra izay manao izay danin’ny kibony, miroborobo izay tsy izy ny orinasa Frantsay eto Dago fa isika vahoaka toy ny « valala voatango », « maty nasesiky ny tananany ».
Ho hitantsika eo ny tohiny fa raha tany aloha manko nilaza ny mpikambana ao amin’ny Fat fa vitan’ny samy malagasy ny mandamina ny raharaham-pireneny koa ho hitantsika eo indray izay mba holazainy amin’izao fahatongavan’ny iraka Frantsay izao.

« Ny vy tsy mikitrana irery »

Araka izany, miady mafy ireo olom-bitsy mitavana ny harenan’ny Malagasy miaro ny sezany. Tsy zakan’Ingahy Vital mihitsy ireny nataon’ny vahoaka tamin’ny 29 martsa ireny, nalaza eran-tany manko, ka manangam-bovona ny lehilahy. « Tsy azo ekena ny fanimbazimbana ny mahery fo » hoy izy.

Kanefa raha ny fahitana azy teny an-toerana

  1. Raha navela nametraka ilay fehezam-bonikazo ny vahoaka dia tsy nitranga ny toy ireny, any amin’ny mpitondra Fat ny fahadisoana, an’i Malagasy rehetra manko ny fankalazana ny 29 martsa fa tsy an’ny mpanongam-panjakana irery ihany.
  2. Matoa tafiditra teo amin’ny tsangam-baton’ny mahery fo ny vahoaka naneho ny heviny dia tsy nanao ny asany izany ny miaramila nirongo basy e! (Jereo ity video ity fa saika hotifirin’ilay miaramila GP ny vahoaka).
  3. Ny « foza » no tena nihantsy tamin’ny fifandonana sy ny fihantsiana, ny nampalahelo aza dia hatrany amin’ny samy mpanao gazety no mifandramatra, nisy mpanao gazety tao amin’ny onjam-peo Antsiva mantsy nivazavaza sy niantsy ady mihitsy tamin’ny mpanao gazety iray tsy mitovy fomba fijery aminy ka sahy nilaza ampahi-bemaso fa « hataoko mahita ny anarako ialahy, maninona ny olon’ialahy isany no manao toy izao » sns… no comment!

Ny vy anefa tsy mikitrana irery hoy ny Ntaolo, koa ariana aiza ary ny fahadisoana, io anie ilay lazaina fa mila « mifamela heloka isika Malagasy » e! Grand pardon, réconciliation nationale, maninona no tsy manaiky izany ny TGV?



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Madagascar n’appartient pas qu’à Andry Rajoelina
  2. TGV, Ping, Joyandet, Chataigner=Francafrique
  3. Fankalazana ny 29 martsa teo Ambohijatovo
  4. Rajoelina eclipse le soleil de Madagascar
  5. Fanambaran’ny mpitsabo – Mitaky zo izao dia izao

53 Comments

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ny fametrahana an’i domelina ho Filohan’ny Transition ve tsy efa famelan-keloka ê ? Lery no voafatotry ny nataony, dia miziriziry eo ! Sa mila manala pataloha sy kilaoty, na ny be antitra aza, vao ho faly i lery ? Sao dia tsy mety kosa ry zareo an !

  • GBD dit :

    Joyandet n’a RIEN A F….. A MADAGASCAR
    Il n’a pas le droit de contacter officiellement un putschiste condamné et sanctionné par un organisme mandaté par l’ONU : la SADEC
    C’est une insulte à la communauté internationale
    C’est une insulte en particulier à tout le peuple malgache
    Pöurquoi ne va t il pas fricoter avec les chefs de gouvernement coréen ou birman ?

  • KintanaMananDrambo dit :

    Iran ! Pakistan ! WoodbayKyste an !

  • GBD dit :

    woodstock…
    les vieilles charues…
    MDR
    haiza hiany ity hianao ê…miandry mydago
    niova ny programa aminy 22 mai…

  • Zo dit :

    Io Joyandet io no tena ao andamosin’izao fahoriana mahazo antsika malagasy izao. Mpanao politika tsy mahavita azy akory io any France. Tsy lany tamin’ny fifidianana farany teo tany France ( mars 2010). Mitovy tsy misy valaka amin’dry Alain Ramaroson, ry Ramakavelo sy ry Andriamanjato ary ry Ratsirahonana sy ny tariny ao amin’ny FAT. Resy amin’ny fifidianana dia mitady fomba hafa hamoretna ny gasy hitazonana ny fitondrana.
    Tsy misy manaiky eo!
    Zo

  • Babyfoot dit :

    Coucou GBD,
    Contente de te revoir dans ce forum masaka be
    Bizzzz

  • GBD dit :

    Coucou BAB’S
    il y a vraiment des « ratés » !!!!!!!!!

  • Kristelle dit :

    coucou BABY<GASY BE j'adore hi hi hi hi hi hi hi mbola lavitra ny lalana vao misasaka

  • GBD dit :

    io indray i tsipoy kely manao  » mouche du coche »…

  • tess dit :

    ny tain’ny vazaha n’i kristelle lelafina fa tsy misy hidiratena zany na lavitra na tsia ny lalana, ny fantatray fotsiny dia voasazy aloa tenisany, afabaràka eran’ny vazan-tany efatra, sady tsy asian’ny olondrehetra dikany fa foza sisa no mba manontohana an’i tena isany eo, 4mis kamo miasa fa mety be aminy zao gaboraraka be zao, t@ andron’i dada mantsy tsy maintsy miasa vao homana fa @ zao mangalatra sy mandroba fotsiny dia manao afera maloto, dia reven’ny foza zao fiainana zao fa mety be aminy, fa saingy raha mbola eto ny légalistes dia tsy hanaiky an’izany mihintsy, zahay tsy mila mpanongam-panjakàna zany fa raha mbola eto zahay dia tsy hahita ravina varatra eo tenisany fa hataonay afa-baràka , rehefa tsy mahatanty rty dia miala fa aza mba zahay no hampiorohoroana a, hanao fanadihadiana hono dia tsy maintsy hisy ny fisamborana, ianareo mianakavy no te ho voasazy any dia mitsingalambongidina aty aminay aty, matesa any

  • Arivolahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    Vanimbazimbana ny hasin’ny Gasy mandala ny marina tsotra izao no ataon’i JOYANDET y ny fanjakana Frantsay. Manitsakitsaka ny hasin’Antananarivo tsotra izao koa.

    Inona marina moa izany no ataon’ny Min Cooperation eto Mada, cooperation @ mpanongana?

    Aleo ho avy e, aleo ho fantatr’izao totntolo izao fa i LaFrantsa ihany no mbola mitsonatsonana izay mampiseho fa fa Madagasikara eo ambany fifehezany ary tsy hamelany efa ho herintaona izay.

    Mila mihetsika isika satria ny FATy dia manambola izao ary avy @ LaFrantsa izy io.

    Ny Arivolahy Tsy Maty Indray Andro

  • GBD dit :

    J’ai honte pour Madagascar de voir parader un tel tocard à Tana !
    comme un gouverneur des colonies et le chef de canton Rajouell :
    ou pied ou à la niche.

  • Arivolahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    On va voir ce qui va se passer. On sait que la France n’a jamais porter du bonheur a ses anciennes colonies et Madagascar reste toujours une casse tete pour la France

  • Kristelle dit :

    i mydago mamafa zavatra soratan’olona

  • tgvphobe dit :

    Vakiontsika tsara ity vaovao tsy ela ity, dia samia mieritreritra lalina ny antony ahatongavan’i ingahy alain joyandet eto MADA: Les 23 et 24 mars, Alain Joyandet a affrété un jet privé à 116.500 euros, pour se rendre à la Conférence internationale des villes et des régions du monde pour Haïti, en Martinique.
    Izany hoe: araka ny resaka efa fantatra ombieny ombieny dia anisan’ireo mpandray sy mpanohana ny fanondranana ny bois de rose malgache avy ao @ faritra SAVA ingahy io, ( momba ny fanamboarana sambokely fitsangatsanganana miaraka amina orin’asa allemand ) ka dia tonga @ fanohanana ny hat izy sao misy zava-miseho tampoka ka tapaka ny saosy ( indrindra fa ratsy be ny fifidianana regionales tany frantsa ), ary dia vonona handany vola aman-karena tsy hita nohonoha izy ahatongavana @ tanjony.
    Tsy mila joyandet sy frantsay, olana gasy no misy dia ny gasy ihany no mamaha azy.
    Iray ny vaha olana: miala i tgv-ody, miverina ny ara-dalana

  • Ziry Onésime dit :

    Tena misaotra betsaka an’i tgvphobe aho momba an’io resaka « bois de roses » io. Tsara ho fantantsika malagay tia tanindrazana ho’aho, fa i Andry RADOMELINA, Camille VITAL, ary Monja ROINDEFO no tena lehiben’io resaka « bois de roses » io. Ry Joyandet dia intermédiaire momba ny fanamoràna ny fandefasana azy any ivelany. Fa ny Ministra rehetra, ny HAT rehetra, ny « opérateurs » efa « corrompus », ny fianakaviana rehetra an’i Andry RADOMELINA dia tafiditra ao daholo. Averiko ihany, fa ny « recettes » azo tamin’ny namoahana ny 273 conteneurs farany teo dia 263.000.000 US$, ka vinavinao amin’izany ny tombotsoan’ny tsirairay ary ny antony hifikirany mafy amin’io fitondrana io. Tsy fitiava-tanindrazana io, fa fiarovana tombontsoa fotsiny…. Ary aza matahotra inareo fa hitsikafina tsy ho ela intsony ny TENA MARINA momba ny resaka « bois de roses » io sy ny olona rehetra nipetsapetsa tao. Ohatra fotsiny i Monja ROINDEFO izay nahazo 60.000.000 US$ fony izy PM tao. Misy porofo io fa tsy teniteny foana ka ho hitanareo eo ny marina!… Fa ho alefantsika amin’ny Blog rehetra na an’ny TGV aza. Aoka tsy ho fitahina intsony ny vahoaka, FA AMPY IZAY!…

  • Babyfoot dit :

    La dette publique française a bondi à 1 489 milliard d’euros. Après 67% du PIB EN 2008, elle s’nvole à 83% en 2010 puis jusqu’à 87% en 2012.
    La limite fixée par les traités européens en la matière est de 60% du PIB.
    Les ministères de l’Economie et du Budget se défendent mettant cet déficit sur le compte de la crise mondiale !!!
    En février, la cour des comptes estimait pourtant que la hausse historique du déficit n’était pas uniquement due à la crise mais aussi à la gestion du gouvernement qui n’a pas maîtrisé suffisamment les dépanses pour compenser les baisses d’impôts et notamment la mutliplication « des riches fiscales »… !!!
    Le gouvernement français tablait jusqu’à présent sur 7,9% du PIB.
    CELA explique-t-il les déplacements de certaines personalités françaises sur le continent Africain qui comptent bien y conserver leurs acquis afin de respecter les traités européens ???

  • Ziry Onésime dit :

    Tena misaotra betsaka an’i tgvphobe aho momba an’io resaka « bois de roses » io. Tsara ho fantantsika malagasy tia tanindrazana ho’aho, fa i Andry RADOMELINA, Camille VITAL, ary Monja ROINDEFO no tena lehiben’io resaka « bois de roses » io. Ry Joyandet dia intermédiaire momba ny fanamoràna ny fandefasana azy any ivelany. Fa ny Ministra rehetra, ny HAT rehetra, ny « opérateurs » efa « corrompus », ny fianakaviana rehetra an’i Andry RADOMELINA dia tafiditra ao daholo. Averiko ihany, fa ny « recettes » azo tamin’ny namoahana ny 273 conteneurs farany teo dia 263.000.000 US$, ka vinavinao amin’izany ny tombotsoan’ny tsirairay ary ny antony hifikirany mafy amin’io fitondrana io. Tsy fitiava-tanindrazana io, fa fiarovana tombontsoa fotsiny…. Ary aza matahotra inareo fa hitsikafina tsy ho ela intsony ny TENA MARINA momba ny resaka « bois de roses » io sy ny olona rehetra nipetsapetsa tao. Ohatra fotsiny i Monja ROINDEFO izay nahazo 60.000.000 US$ fony izy PM tao. Misy porofo io fa tsy teniteny foana ka ho hitanareo eo ny marina!… Fa ho alefantsika amin’ny Blog rehetra na an’ny TGV aza. Aoka tsy ho fitahina intsony ny vahoaka, FA AMPY IZAY!…

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ziry Onésime ! Misaotra koa, fa dia miandry an’izany vaovao izany eh ! Izao koa izany ilay fitenenan’ny Ntaolo hoe, mamerina indroa manana ny ampy ?? SA ???
    MDR !

  • Babyfoot dit :

    Oadray re olona ity marionety kely etsy @ sary ambony ahetsiketsik’i Joyandet @ devant n’ny Kamera.
    Toa ohatrin’ny mampalahelo indray léry, tena efa niova be ny tarehiny. Sady misintona ny tady (eo @ vozony) ny atsy no manao tery vay manta ny aroa (miaramila), satria nozariny nomena Oisiky Jaonia Oalikera no rano fisotro.
    Zà alou soa iany tsy teo @ toerany ary isaorako lehibe Andriamanitra fa tsy manana fianakaviana ao amin’ny HAT ao aho satria ny todin’ny ranomasom-bahoaka tsy ho tantin’ny taranako.

  • GBD dit :

    tocard de Joyandet qui a bien bu la tasse aux élections régionales…
    trotte menu au bonnet d’âne…apporte du picotin au lapin de garenne…

  • Kristelle dit :

    ssssssssssssssssssssssssssssshhhhhhhhhhhhRavalomanana no nanao anio bonne nuit fa mandreraka mirediredy manomboka maraina jusque ariva,azalahy e!!!!!tsy mba rereka lainga be foagna raha zakainareo aketo

  • KintanaMananDrambo dit :

    Fée des coches-marres !!

  • Mao dit :

    Raha vao tonga eto Mada i lery dia tokony atao tahaka ireny t@ 29 MARS IRENY KOA AZA AJANONA INTSONY FA TOHIZO FA LEO HO AZY EO NY FATY NY FARANY E.

  • Mao dit :

    Fa efa tena eto Dago ve Ing. Alain Joyandet sy André PARANT e? lazain’ i Gezetiko fa
    Noraisin’ny Filohan’ny FAT.
    Ity no lahatsoratra tao @ gazetiko mantsy ny 31/03/09

    Tena misoko mangina ry zareo mpitondra Frantsay manoloana ny toe-draharaha politika miseho eto. Tsy resaka intsony fa tena eto an-toerana hatramin’ny afakomaly Ing. Alain Joyandet, Sekreteram-panjakana Frantsay misahana ny fiaraha-miasa sy Ing. André PARANT, mpanolotsain’ ny Filoha Nicolas Sarkozy aty amin’ny faritra Afrika. Nanamafy an’io ny fitondrana tamin’ny fandraisan’ny Filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, azy ireo teny Ambohitsorohitra omaly, nandritra ny adiny roa. Raha ny fampitam-baovao voaray dia nandresy lahatra avy hatrany an’ireto tompon’andraikitra Frantsay ny lala-tokana kasainy hotanterahina ny mpitondra FAT, izay miainga tamin’ilay atrikasa teny ifampierana natao teny Ivato tamin’ny 4 sy 5 marsa. Ary dia hoe fifidianana mangarahara sy ara-demokratika no hotanterahina. Dia nambara fa ilay fifidianana Depiote hatrany no hatao, ary efa tafatsangana ny CENI. Nangataka “expert” avy any ivelany tamin’ireo mpitondra Frantsay mba hanamafy an’ireo CENI ny Filoha.
    Ankoatra izay, dia fantatra fa nihaona tamin’ny Pr. Zafy Albert ireto mpitondra Frantsay ireto ary mety hihaona amin’ireo mpitarika ny Delegasion’ny ankolafy telo koa.
    Ny Tahiry R.

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    Tonga ao Mkara joyandet !
    Dia lasa ny sain’ireo tsy manadiady ny anton’io fahatongavany io !
    Mipetraka ny fanontaniana !
    Fa na iray aza amin’ireo niteny sy nanoratra eto dia dia tsy nisy nahatsiaro ny kabarin’ny
    Filoha RAVALOMANANA MARC tamin’ny 29 mars 2010…!

    Indro averoko eto ny laharan’io kabary io izay mendrika fanadiadiana lalina..:

    … »Antenaina fa’i Frantsa sy ny Vondrona Eropeana, dia hiray hina amin’ny
    Vondrona Afrikana, hampiatra ny sazy amin’ireo mpitondra tsy ara-dalàna ireo.
    Izay ihany no afahana mampanaiky ireo mpitondra tsy ara-dalàna ireo hamela
    ny Vahaoka Malagasy hisafidy ny hoaviny, amin’ny alalan’ny fifidianana
    malalaka sy mangarahara.
    Mandeha ny fotaona, ka arakaraky ny fahanginan’ireo mpitondra ao Paris sy
    ireo mpanapa-kevitra any Bruxelles no mampitarazoka ny fangirifirin’ny
    Vahaoka Malagasy, izay zara raha mahita hanin-ko hanina isan’andro.
    Ny tantaran’ny fihetsiketsehena notarihan’ireo mahery fo tia tanindrazana
    tamin’ny taona 1947, dia mampiseho fa tsy maintsy tonga ny fahafahana, na eo
    aza ny hery mpamoretana sy ny fanenjehena.
    Koa matoky an’i Frantsa isika. Tsy hangina faona eo akory izy, fa hiova ny
    fomba fijeriny. Ka samy hanaja sy handala ny fotokevitra fonoson’ireo teny hoe:
    “Liberté, Égalité, Fraternité”, ary koa ny sata ijoroan’ny Repoblikan’i
    Madagasikara, dia ny “ Tanindrazana, Fahafahana, Fandrosoana”.

    Manana andraikitra lehibe amin’ny zava-misy aty Madagasikara koa i Frantsa,

    indrindra fa ireo mpitondra. Noho izany, dia manantena aho, manantena isika, fa
    hiray hina amin’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena i Président Nicolas Sarkozy
    amin’ny fampiharana ny sazy amin’ireo mpitondra tsy ara-dalàna ireo, na koa
    handray anjara mivantana amin’ny fanerena azy ireo, hanaja izay efa nekena sy
    nosoniaviny tany Maputo sy tany Addis Abeba, ka hanjaka eto Madagasikara
    indray ny soatoavina demokratika….. »

    Toa izao no fijeriko ireo tenin’ny Filoha mikasika ny Frarnsa sy Firaisana européanina !

    NBisy resaka nifanaovan’ny GIC (solontenanan’ny Communauté Internatioale )tamin’ny Vondrona Européanina niaraka tamin’ny Frantsa..!
    Ny GIC dia nangataka na nanery ny Vondrona Européanina sy Frantsa..mba hiray hina amin’ny Vondrona Afrikanina momba ny fampiaranasa ny sazy
    izay miantefa amin ‘ireo nanongam-panjakana !

    Porofon’izany dia

    -1.—namoka fanambarana ny Union Européenne sy ny Firenena A.C.P.

    -2.—io tonga ao M.kara ny ministren’ny coopération ao amin’ny gouvernement français..

    KOA AOKA TSY NY FONTSIKA NO MIJERY SY MITENY FA DINIHO TSARA IZAY RESAKA HISEHO…!

    Ary io « trêve pascale  » io dia mety ho ..santatry nny fisokafan’ny fanantaterahana ny fifanekena nosoniavina tany MAPUTO sy ADDIS ABEBA !

    Isika Malagasy dia tokony ho tony sy malina ka mba handinika tsara sy lalina vao misaotaka !
    Efa olon-dehibe Isika ka aza manao réaction -jaza !
    Ela vao ho tanteraka ny ady ,koa aza misandaotra avy hatrany ,fa misaina aloha..!
    Ho hita avy eo ,raha nisy hadisoana teo amin’ny fanadiadiana !

    !

  • Suppositions dit :

    Tout comme la manière dont M Sarkozy a remis en catimini à Ali Bongo Ondimba la plus haute décoration honorifique française qu’il a dépêché M Joyandet de venir à Madagascar pour remercier M RAJOELINA de ses bons et loyaux services rendus à la France et aux frères illuminés et également pour lui dire de s’écarter momentanément de la scène politique-le lobbying auprès de l’UE ayant apparemment échoué, se présenter maintenant ne lui apporte aucun intérêt – d’autant plus que la situation économique désastreuse sera ingérable pour ses frêles épaules, ceci dit, cela ne lui enlève en rien de son héroïsme, ce qu’il croit être son missi dominici maçon… tout ceci pour être admis dans les loges, s’il voulait marcher dans le sillage des ces grands du continent noir (Ping, Byia, Omar Bongo, Idriss Deby, Bozize tous des frères ayant reçu la lumière….) Faut il rappeler que M Joyandet a pris la place de M Jean Marie Bockel au poste de secrétaire d’état à la Coopération et à la Francophonie après que ce dernier eût lancé la phrase assassine « vouloir signer l’acte de décès de la Françafrique » qui lui a valu le déshonneur total aux yeux du roi. Et faut il rappeler également que sa première sortie officielle depuis sa nomination en 2008 a été au Gabon pour voir feu Omar Bongo, dont nul n’ignore l’allégeance au sein des réseaux maçonniques – figure emblématique de la Françafrique

  • mozatra dit :

    L’idée de m Joyandet? rapportée par Midi de cejour, de favoriser un gouvernement d’union nationale est aussi STUPIDE que la location d’un avion privé pour se rendre à Haïti.
    Dans un pays démocratique, il y a aumoins deux protagonistes: le parti au pouvoir et l’opposition.
    IL Y A ALTERNANCE EN FONCTION DU RESULTAT DES ELECTIONS.
    Un gouvernemnent D’UNION NATIONALE, c’est le mariage mi chair-mi poisson VALABLE UNIQUEMENT CONTRE UNE AGRESSION EXTERIEURE,UN ENNEMI COMMUN.
    Dans le cas sui nous occupe ON PARLE PLUTOT D’un FRONT COMMUN.

  • Arivolahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    Dr Celestin:

    Samy manana ny fomba fijeriny ny zava=miseho eto, fisaka ny marina ary tsy mbola misy manana izany eto fa samy maminavina ny mety hiseho daholo na ianao aza tsy sur @ zavatra teneninao ka hoy ianao hoe « Ary io « trêve pascale » io dia mety ho ..santatry nny fisokafan’ny fanantaterahana ny fifanekena nosoniavina tany MAPUTO sy ADDIS ABEBA ! »
    Teny mety @ fo no navaly fa miampy fahamalinana tokoa satria tokony atao izany.

    Misaotra hatrany @ hevitrao

  • IHATETGV dit :

    Joyandet est l’émissaire du diable , le patron des mafias de la Françafrique, il ne se deplace que quand les marionnettes ne sont à bout de souffle, la France devrait avoir honte de cette politique satanique au coeur le l’Elysée même, elle ne survie qu’à la sueur de ses anciennes colonies et surtout l’Afrique, mais ne nous laissons pas faire, on vient en catimini car on a peur , on se voile la face, en tout cas , la HAT est en mauvaise posture plus que jamais et surtout à Tana , courage à tous les Malagasy.
    Unissons nous contre ces mafias,la communauté internationale n’est pas la France

  • sadic dit :

    « Alain Joyandet a également rencontré l’ancien président Zafy Albert hier…rencontre qui s’est tenue à la Villa La Franchise Ivandry et a duré un peu moins de deux heures…une rencontre entre le Secrétaire d’Etat français à la Coopération, Alain Joyandet et l’ancien président Ravalomanana aura lieu ce jour en Afrique du Sud. »(MIDI M/kara)
    on va voir si votre Dada veut vraiment la paix, l’élection ou…beaucoup de fauteuilles aux ministères seulement sans élection. D’ailleurs,il sait très bien qu’il n’a jamais été réellement sorti vainqueur d’aucune élection sauf celle TRUQUÉE en 2006. Quelle mauvaise foi!!

  • sadic dit :

    dites vous bien les légalistes que la france veut seulement nous éviter la guerre civile, mais si vous êtes vraiment décidé à la faire, elle aura la conscience tranquille. En effet, il n’y a que nous les Malgaches qui pouvons éviter la guerre civile. Alors, ne forcez pas à introniser à nouveau sans élection vos guignols rejetés par les pauvres gens. et sachez que s’il y a envoi des forces GENA ici, les forces Françaises ne manqueront pas de débarquer aussi pour ses ressortissants et ses intérêts économiques, et croyez moi les armées Françaises précèderont celles de vos GENA qui attendront l’aval des occidentaux(y compris la france) contrairement aux forces Françaises qui n’attendront pas l’aval de qui que ce soit (à cause de ses ressortissants et d’un, et de deux, logistiques autonomes). les élections sont les seuls moyens que le peuple dispose. Quant aux guerres civiles, ne soyez pas si confiant que vous êtes les plus forts.ce qui est sur, il y aura des morts, des morts …et des morts.(comme dans vos concitoyens GENA)

  • sadic dit :

    et j’ai failli oublié; vos zanaka vavy(teny ambohijatovo reny) seront violées aussi s’il y a guerre civile, et ce avant même que les GENA s’en régalent à leur tour.

  • Kristelle dit :

    bravo bravo

  • KintanaMananDrambo dit :

    Mirediredy ny foza fa maty paika ! MDR !!
    Brandir le spectre de la guerre civile, quand on est à court d’arguments !
    Efa lamaody ho an’ny sasany ihany no manisy paingotra, vakana, kavina, etsy sy eroa, tonga dia hidio amin’ny rojo sy kadanà ry kristelle ny varavarana â !!
    Tandremo fotsiny fa mety any amin’ny varavaran-kely ry zareo no hitsofoka an !

  • sadic dit :

    agnareo legalista ane ro mitady guerre civile zao fa tsa ny ona.

  • sadic dit :

    agnareo de hikorontagna zao madigna rah tsy apody eo zao dadanareo zao, dadanareo zao tsa tian’ona koa,

  • KintanaMananDrambo dit :

    Mandehana amin’izay hoa manao dinety ry DJ&MH â !

  • rakotoson dit :

    APRES AVOIR VU RAJOELINA ET ZAFY A TANA, JOYANDET EST ALLE VOIR RAVALO EN AFRIQUE DU SUD. PAS DE PROBLEME POUR RATSIRAKA, CELUI – CI IL EST A … PARIS

    Que Paris revienne à la charge en dépêchant, à Antananarivo, Alain Joyandet: il n’ y a rien d’étonnant. Comme d’ aucuns le constatent , le vent de panique souffle du côté de TGV et de la HAT et du gouvernement Vital .Et , la France vient comme toujours à leur chevet. A preuve, à quelques jours de l’ annonce du renforcement des sanctions de la CI, par Bruxelles, le marin Hypolite prend dare dare l’ avion pour New-York via Paris à défaut de … bateau . Paris a envoyé, à Antananarivo, pour une mission de 24 heures ses fins limiers Alain Joyandet ( Coopération ) et André Parant, le  » Monsieur Afrique de l’ Elysée « . Et, sur la route du retour ,ces deux émissaires français sont partis faire un crochet en Afrique du Sud pour y rencontrer Marc Ravalomanana.Voilà le scénario de Paris.

    Mais, ce qu’il y a surtout d’incompréhensible c’ est l’attitude de Marc Ravalomanana d’avoir relancé « personnellement » Nicolas Sarkozy – c’ est Ravalomanana en personne qui l’ a dit publiquement dans une interview –  » afin de raisonner, dit-il, Andry Rajoelina sur les vertus des Accords de Maputo et de l’ Acte Additionnel d’ Addis Abeba ».

    Pas la peine d’ être un fin politicien pour comprendre. Malgré ses stériles gesticulations et autres intempestives déclarations, Andry TGV n’ est pas homme à accepter les pressions d’ où qu’ elles viennent. Il l’ a suffisamment démontré et répété en plus d’ une année de crise.

    Comme ses bras armés – André,Noël, Rasarla, Lylison,Hypolite, Alain Ramaroson, Richard Ravalomanana …. bref, beaucoup de monde – ont eu l’ occasion de le déclarer également à leur manière malgré les sanctions de l’ UA et de la SADC bientôt entérinées par l’ UE et le Conseil de Sécurité des Nations – Unies .Et que dire, de l’entourage civil de TGV au sein du gouvernement et de la HAT et ailleurs ? Tout ce beau monde – tout ou partie – n’ acceptera certainement pas de partir en chômage technique, par simple voie d’ ordonnance,pour les caprices de TGV, Joyandet, Châtaigner & Co

    Dans tout ce marché de dupe, Ravalomanana a tord d’espérer grand chose en cherchant à influer sur le cours des événements. Pendant que tout le monde crie à hue et à dia « Halte à la Françafrique », Ravalomanana n’ aurait pas dû faire appel du pied à Sarko qui non seulement a déjà tant et tant de problèmes à régler aussi bien en France qu’en Afrique francophone. Mais, en plus, pour rien au monde , Paris ne lâchera pas TGV même pour ses beaux yeux.Dans un premier temps, Sarko a demandé à Abdou Diouf ( OIF ) d’ intercéder en faveur d’ une élection  » libre, transparente et neutre  » ( un leitmotiv depuis quelques temps en Françafrique et pas uniquement à Madagascar où elle sera unilatérale quoiqu’ on dise ); dans un second temps, Sarko a dépêché Joyandet et Parant à Antananarivo. Ceci explique cela. La Françafrique reste incontournable si on ne fait pas suffisamment attention.

    Bref, en cette étape de la crise, beaucoup aimeraient savoir s’il existe au sein de la Mouvance Madagascar une réelle volonté commune d’ en découdre une bonne fois pour toute avec la situation plus que délétère délétère qui prévaut . En effet, agir en ordre dispersé – comme le font au cours de ces derniers temps leurs leaders – ne contribuera jamais à la résoudre. On n’ a jamais entendu parler d’ une consultation entre ces leaders C’ est d’autant plus dangereux pour le pays que TGV encourage la résurgence de ce qu’il appelle  » les autres sensibilisées  » pour en arriver à ce qu’il a annoncé  » Il n’ y aura plus de petits et grands partis  » ( C’ est la démocratie façon TGV qui aboutira qu’ on le veuille ou non à l’ anarchie ! ) .

    Que de fois, sur ces forums, leurs partisans s’inquiètent de leur silence!Celui de Didier Ratsiraka en particulier!Ange Andrianarisoa -malgré tout le respect pour son âge – n’ est pas à la hauteur pour la situation actuelle.

    Une chose est certaine. A ce rythme, Andry TGV & Consorts auront tout le monde à l’ usure! L’ opposition mais, surtout, la population malgache qui n’ avait pas besoin de cette crise pour survivre et améliorer son quotidien.

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ma vision des choses, ou analyse de la sitiuation.
    Vu l’entêtement de Rajoelina le putschiste ( dont les causes ne nous sont pas inconnues ), et cette tension, situation explosive qui risque de faire voler en éclat le pays, Ravalomanana avait profité de la date du 29 mars, pour interpeller N. Sarkozy, et mettre la France devant ses responsabilités !
    Trop de concessions ont été faites, par le Président Ravalomanana, et rien n’avait bougé depuis !
    Pour mémoire, la Charte africaine de la Démocratie, de la Gouvernance, et des Elections,
    CHAP VII
    Alinéa 4 : Les auteurs de changement anticonstitutionnel de Gouvernement ne doivent, ni participer aux élections dorganisées pour la restitution de l’ordre démocratique, ni occuper des postes de responsabilité dans les Institutions politiques de l’Etat . Alinéa 6 : La Conférence impose des sanctions à l’encontre de tout Etat partie, qui fomente ou soutient un changement anticonstitutionnel de gouvernement dans un autre Etat, et ce, en vertu des dispositions de l’ar. 23 de l’Acte constitutif. Dans cette affaire, nul n’est dupe ; toute la Communauté internationnale est consciente de l’implication de la France dans cette pénible et triste histoire. Aussi, Ravalomanana a tenté de ramener la France A LA RAISON ! Une manière pour lui de dire : Après moi le déluge ; prenez vos responsabilités et sachez endosser les conséquences de vos actes !

  • Babyfoot dit :

    « La France veut nous éviter la guerre civile » ?
    C’est le nouvel argument qu’elle a trouvé pour justifier la venue de M. Joyandet à Madagascar ?
    Elle peut toujours tout tenter mais les malgaches, devenus plus intelligents qu’en 1947, ne sont pas dupes pour croire une chose pareille.
    Tous les discours venant de la France sont et seront mal perçus et rejetés par le peuple et ne feront que faire surgir l’image du nouvel Ambassadeur et l’épouse du DJ main dans la main dans le même avion puis devant les caméras au lendemain de l’evénement tragique. Inutile donc d’arrondir les angles, ça ne marchera jamais jamais !
    La France devrait se dire que Madagascar appartient aux malgaches et ces derniers se trouvent sur leur propre sol et que toute manipulation de sa part doit être étudiée avec soin car laisser libre, elle pourrait lui jouer
    des tours, ses ressortissants seraient les premiers visés par une geurre civile déjà mise en route par elle-meme en soutenant l’auteur du coup d’état.
    Je vois que la leçon prise en Côte d’Ivoire et au Congo (Braza), entre autres, n’a pas été retenue. C’est bien dommage !!!

  • Zanatany dit :

    PAS de Joyandet pas plus de RATSYRAKA et de
    RAOJELINA- « en FRANCE on aime bien HEBERGER LES
    DICTATEURS qui reçoivent des aides que le peuple
    « Gasy »ne voit pas passer » -qu’ elle les garde avec SADIC et Kristelle- -quelle honte ! DE PLUS faire PEUR aux Malgaches avec vos morts, les Malgaches en ont eu pour leur compte en 1947 et après, MAIS n’oubliez par qu’ en 1959 mes parents des coloniaux ont dûs « courrir vite » pour rentrer en FRANCE.Voulez-vous que cela recommence !
    SADIC au lieu de vous occupez de MADAGASCAR
    occupez-vous de ce qui ce passe en FRANCE puisque
    c’est si c’est si bien, il y a fort à faire écrire à « SARKO » peut-être dérivera-t’il vos angoisses de pauvre « vazahakely » où de Malgache
    se croyant plus blanc que les tous les blancs
    où plus Français que les tous les Francais.

  • HoAiza dit :

    JAMAIS HAT SERA LE GOUVERNEMENT DE TRANSITION, car déjà voyez toutes les barrières qui fusent de partout.
    Je voudrais bien savoir quels propos Joyandet a laissé à l’endroit du Camille.
    Dans tous les cas, cet homme VITAL et combien bien représentatif des Français SE DOIT DE DEGUERPIR DE NOS PALAIS, car quelle souille pour le peuple malagasy aux yeux du monde comme si séquelle d’esclavage historique des européens.
    ALORS QUE CE SONT EUX, membres et putschistes de la HAT QUI DESIRENT SE CONVERTIR DANS CE STATUT!

  • Ny Ala dit :

    Manahoana Rakrisy, efa ela aho ro niandry ny hifoazan-droky.
    Ho avy eo aho fa vona hamelogna afo vetivety

  • Kristelle dit :

    fa iza ro nitarogna androky fa matory aho?

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    à Mr RAKOTOSON..et les autres qui partagent son avis..

    Il est normal ,selon votre analyse ,que rajoelina soit au centre des négociations !

    Depuis un moment ,j’ai insisté sur le fait que rajoelina ne joue aucun rôle dans ces atermoiements qui rretardent la miseen place des accords de MAPUTO et d’ADDIS ABEBA..: c’est un simpefigurant ,un alibi ,qui sert de paravent aux activismes des français et de leurs collaborateurs..!

    Cette comédie est connue de Tus (UA,UE ,USA..ONU.!)

    Et c’est en tenant compte de la^position de ces organismes et fort de leurs soutiens que le Président RAVALOMANANA MARC a interpellé le
    Président SARKOZY..!
    La France semble avoir été convaincu par le Président RAVALOMANANA MARC

    Nous suivons l’évolution ..de ce bras de fer..!

  • Alidera A.R. dit :

    sadic,

    Aza dia manao làlan-kitan-kisoa e! tsara ihany angamba ny mampiasa saina sy milaza ny marina indraindray. Tsy misy an’izany « les armées française izany ». Azon’ny sadic ve? Io tsy « armé »-n’ny olon’adala ka misy hoe izahay salakain’i TGV dia mety. Iray ihany ny tafika frantsay… Ny an’ny malagasy no mivika!

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    I mr joyandet tonga ao Mkara dia mitondra ny hevitry ny governemantany na ny hevitry ny filoha sarkozy…!
    Izay nentiny eo dia halafany koa any amin’ny UA izay misolontena ny Communauté Internationale..!
    Halefany koa any amn’ny Groupe International de Contact…,izay handinika na mifanaraka na tsy mifanaraka amin’ny fifanarahana nosoniavina tany MAPUTO sy ADDIS ABEBA..io hevitra io !
    Porofo koa izao hetsika ataon’ny frantsay izao fa
    tena tompon’antoka tamin’ny fanonganam-panjakana rizareo !
    Midy ireo mifikitra amin’ny frantsa izay hanova na inona na inona izao raha tsy manova ny fijerina sy fihetsiny izy..momba ny M.kara !

    Amin’izao fotoana izao dia Izao Tontolo Izao no mahafantatra fa i frantsa no fosotra manakana atrizay ny fampiharana ny ffifanarahana tany MAPUTO sy ADDIS ABEBA !
    Mitory koa izany fa tapitra teo ny fanampian’ny frantsay ny fat..§

    Tsy hanana fika sy hery hasetry izany Fikambanan’ny Firenena eran’Izao Tontolo iainana izao izy !

    Koa tohizo ny tolona !

  • GBD dit :

    Attention , attention :

    QUE PERSONNE N’OUVRE ce « comment rating , click here to see »" qui sature la toile
    ………….C’EST
    …………….UN PIEGE DE FOZA pour fliquer et capturer vos adresses mail.!!!!!!!!!

  • Arivolahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    GBD:

    Est ce vrai? Que MyDago s’explique car je le fais tout le tps.

    Joyeuses Paques aux Legalistes

    La lutte continue

  • Babyfoot dit :

    Sur la photo ci dessus, on peut mettre un balon de rugby dans les manches de son costume tant il a maigri (DJ io) ou alors c’est son couturier qui est naz hi hi hi

  • GBD dit :

    arivolahy
    Me concernant:
    je n’ai JAMAIS , JAMAIS inscrit  » hidden due to low comment rating etc… »
    et l’on prête cette délicate intention à Baby aussi par exemple,
    puis à kristelle…pour banaliser ou lisser l’intention malicieuse.
    Oui EXPLICATION DE MYDAGO ????

  • Voarayimbecile dit :

    Tena mahalasa saina tokou rey olona ny mijery ny sarin’i Domelina etsy ambony, lasa nahia be, efa tohanana sisa. Te hanao aminy eo kou !!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site