Ranomasom-pifaliana no nameno ny endriky ny rehetra teo ampitsenana azy mirahalahy, Didier Ravoahangiarison sy Lolot Ratsimba, nivoaka ny fonja, « namaly vavaka ny Tompo » hoy Talen’ny Radio Fahazavana raha vao tafavoaka izy, rariny loatra raha tonga dia namonjy fotoam-bavaka teo amin’ny FJKM Ambohijatovo ireto mahery fo ireto niaraka tamin’ny havana aman-tsakaiza.
« Aoka mba ho izahay mirahalahy no mpanao higadra farany » hoy Lolot Ratsimba raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety izy .Nitsangana ho vavolom-belona ihany koa I Didier Ravoahangiarison fa nisy iraka nampanaovin’i Tompo azy tao amin’ny Fonja nadritra izay 40 andro sy 40 alina nitazonana azy mirahalahy ireto izay, mahay zavatra tsy hay tohaina Andriamanitra hoy izy. Izahay eto amin’ny MyDago.com dia miarahaba azy mirahalahy tafavoaka soamantsara na dia fahafahana vonjy maika ihany aza.
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:

40 andro, 40 alina… Arahabaina izy mirahalahy ary deraina Andriamanitra fa izaho koa dia nihevitra hatreny amboalohany toa an’i Didier hoe iraka no nampanaovina azy ireo tany am-ponja!…
Dia faly miarahaba anareo mirahalahy tafavoaka soa aman-tsara ny fonja. Nisy dikany tokoa izany 40 andro sy 40 alina izany. Enga anie mba hitondra fankaherezana sy fahazavan-tsaina ary fanantenana ho an’ireo rehetra mbola mihidy ao amin’ny maizina ny nijanonanareo tany.
Dia mamporisika anareo lalandava amin’ny asa izay ataonareo. Ho rava anie ny fanjakan’ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana !
Fa inona loatra no nampidirana am-ponja an’i Didier sy Lolot ? Satria milaza ny marina ?
Efa be anie izao ny olona no tsy mihaino ny RNM na mijery ny TVM intsony ê !
Toa tsy hita be ihany izay fandehan’ilay fiainana ê!!
Miarahaba anareo mirahalahy ny firenena malagasy tsy vaky volo .
HIBALIAKA HATRANY ANIE NY FAHAZAVÀNA manerana ny NOSINTSIKA.
dia arabaina zany ianareo mirahalahy fa tafovoaka soamantsara,mahafinaritra rehefa mahatsapa ianareo fa Andriamanitra dia manana fihevitra ho antsika rehetra ,na heverintsika ho ratsy aza ny fonja nefa indraindray misy hiraka su adidy apetrak’izy Ray aminao ny aho,ary haoka tsy hokotroka valifaty lava aoka mba hadio fo ary mibebaha miverena amin’Andriamanitra,FAHOTANA NY MANAO AN »ANDRIAMANITRA FITAOVANA<INDRINDRA KRISTIANINA MAMONO OLONA VERY@FARIHY MIREHITRAFO
Misaotra an’Andriamanitra lehibe ary miarahaba an’i Lôlô Ratsimba sy ny Tale Didier Ravoahangiarison.
« Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah » (Isaia 55:8)
VIta izany izay ny karemin’izy mirahalahy. Alarobian’ny lavenona anio ho an’ny katolika. Fanombohan’ny karemy ihany koa. Mifandraika amin’ilay fotoana nitsà pana ny Tompo tany an’efitra. Dia arahabaina izy mirahalahy tafavoaka soa aman-tsara.
Tsara kosa anefa ny manamarika sy manamafy fa tsy ekena raha misy olona mihevitra ny tenany ho ambonin’ny lalà na ary tsy tokony hisy ny atao hoe « immunité journalistique », izany hoe rehefa tsy manara-dalà na ny mpanao gazety dia tsy maintsy ahiditra am-ponja.
Eto izahay, dia efa mieritreritra izay sazy, tena mendrika ho an’i NG !
MDR !!
Mampihetsi-po ny mahita azy mianaka kely mifamihina . Mahay ny zavatra rehetra ny Andriamanitsika ao amin’i Jesosy Kristy koa Minoa AZY dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao . Minoa fa ho AFAKA i Madagasikara ! Minoa fa handresy isika mba ho voninahitr’Andriamanitra ; ka amin’izay fotoana izay dia samy hiteny tahaka ani Didier hoe :Nisy iraka namapanovin’i Jesosy antsika tao anatin’ireny Krizy ireny dia ny hilaza amain’izao tontolo izao fa Kristy an’i Madagasikara ary Madagasikara an’iKristy satria mahay zavatra tsy hay tohaina Andriamanitra . Mba naman’i Didier aho amin’izay !Ho tonga anie ny Fahafahana ary mahereza daholo fa Momba antsika Andriamanitra !
arabaina ianareo mirahalahy e!
tena mamaly vavaka Andriamanitra e!
misaora azy e!
aza mamaly faty ny ratsy,mivava ho azy misaotra e!
mamal vavak tokoa ny tompo ka dia maerez mndrkrv sad nis tokoa ny irak manokana nataonareo roalahy tany k’az mataotr fa mino ftsn ian…MZT DE MAEREZ AN
misaotra an’Andriamanitra lehibe, mamaly vavaka ny Tompo,fianakavian’i Bakoly aty antany lavitra,feno ny fo latsaka ny ranomaso,Andriamanitra tsy andrin’ireo foza ireo andrintsika hatrany,ny zavatra atao rahetra dia misy valiny,araka ny tenin’ny soratra masina hoe, IANAREO HANGINA FA ZA NO HIADY HO ANAREO,Tsy mitahiry fahatezerana isika,fa misaotra azy ary misaotra ireo zay nampiditra amponja,mivavaka ho an’i Didier 3 mianaka sy Lolot, homba anreo ny Tompo.Minoa fa kely sisa de FANDRESENA
Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana fa Tompon’ny fiadanana,ontsa tokoa ny tena ra mahita azy mianaka kely mifamihina,tsy mahazaka demokrasia ve reo FAT reo,mbola zaza vao mianamande ianao ny tsara de manaja tena mialà ampanajana fa na na ivadika ambony ambany aza ny tany na inona alanenina ataonao de tsy hiodina aminao zany ntsony ny fon’ny Malagasy, za mipetraka aty France (jamais)
zany ankasitraka io FATn’ny tsy haiko io.Hafa ihany Dada. avoahy ndray ny vola anambazana ny CAPSAT, Razanamahasoa ary efa mibaradaka any Genève, tsy mahavita ny asany fa miala andraikitra amin’ny miaramila, de ny Tena ro menatsa
manao Karemy angaha igasy be?i Kintana tsy nipoitra androany Tontolo,jereo hiany iMYdago fa misy vaovao mahasoa
Didier Ravoahangiarison et Lolot Ratsimba, dia tonga soa tompoko, arabaina eto @ Mydago.
Loué soit notre Dieu qui vous a gardé et qui vous a protégé ! que Dieu vous bénisse et vous aide à continuer à exercer votre métier de journaliste.
Dieu est souverain , Il règne sur les règnes des hommes.Amen.