Rwanda - France

Rwanda - France

Hoy Sarkozy : « Tara vao nanao intervention ny Frantsay tany Rwanda ka izany no nahabe ny maty ».

Raha azoko dia tsy niaiky fahadisoana mihintsy izy ary tahaka ahy koa ilay Ramatoa teo amin’ny plateau niaraka tamin’ny mpanao gazety omaly. Ny zava-nisy anefa dia tena tahaka izay niseho taty amintsika : Mompera koa no anisan’ny nanao ny « génocide » tany Rwanda ary mialokaloka eto Frantsa mandrak’ankehitriny. Ary mbola misy 15 no tompon’ andriakitra tamin’izany efa melohin’izao tontolo izao kanefa dia miriaria eto Frantsa.

Ny fahazoako an’io tenin’i Sarko io dia tahaka ny manao hoe : « Raha vao misy endrika fifamonoana any Afrika amin’izao sisa izao dia avy hatrany izahay Frantsay dia hiditra handamina ».
Ary tadidio tsara ny tenin’i Sarko hoe « Afrika dia tsy tena nandray anjara mavitrika tao anati’ny tantara ». Izany hoe tsy hanao tahaka ny taloha intsony ny Frantsay ka hiandry « guerre civile » vao hiditra an-tsehatra fa raha vao mahita sombiny kely fotsiny izy ireo dia hiditra.

Ny sary mety hitranga izany satria tsy nisy ny « guerre civile  » nandritra ny herintaona dia izao :

  1. « provoquer » n’i Alain Ramaroson ny fifamonoana ka ny gros bras hampiadiany amin’ireo vatan-dehilahy any amin’ny fokontany (komity manohana satan’ny Maputo)
  2. tsy maintsy mamono ireo Komity satria izay no lojika
  3. dia hiditra Lafrantsa.

.
Ka inona izany no atao ?

Soso-kevitra ity : Izay tratra tokoa dia aza vonoina fa ndao hamoronana fonja vonjy maika aloha ! Samia mitady hevitra e!



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Troisième intervention de Ravalomanana ce jeudi 25 fév
  2. Nouvelle intervention de Ravalomanana au Magro
  3. Aiza miresaka amin’i Chataigner ry mpitondra fivavahana an!
  4. Fitiavan-tanindrazana
  5. Misy raha ao !

14 Comments

  • zora dit :

    Efa vaoteny teny aminy magro anie ny paika rehetra .

  • hoy dit :

    ny an’ny frantsa tsy tena hiaro no hidirany any @firenena afrika fa hoy ilay patron frantsay izay omaly hoe mitady lalana ahafana mivarotra ny vokatry la france ary hanondrana ny haren’ilay firenena eto france ka ataony izay hampikorotana ny firenena rehetra nozanahina . koa @ko ireo izay mitarika fanakorotanna raha tratra dia tokony ho avy dia homena ny sazy mafy sahaza azy eh ohatra sokafana indray ilay fonja any anosy lava eh fa ny mamono olona aloha tsy mety fa samy malagasy

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ny hoe iza no tompon-andraikitra moa dia efa fantatra !
    Rehefa nanomboka ny famonoana, dia nitazana fotsiny ny miaramila frantsay ; niaro ny terataniny !!

  • kristelle dit :

    o ry reto a! aza mba mifamono izany woa fa ity Tany ity ifandalovana,samy tomponandraikitra daholo
    tsy ny ady akory no hampanankarena an’ny Madagascar tampoka tena samia misaina daholo marinae! bonne nuit daholo

  • Arivolahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    Ny Frantsay hatramin’izay nahafantarako azy dia tsy mba mitondra vahaolana fa fanafintihinana, fanapotehana, fampiadiana olona, fanasoketana…no entiny.
    Efa niteny aho teto fa ny hampiadiana ny samy malagasy no ataon’ny frantsay eto mba ahafahany miditra eto ka hilaza izy fa hiaro ny terataniny sy ampiseho fa izy ilay mesia, nefa dia ny hametraka ny presence eto izy.
    Tsy asian’i Sarkozy resaka ny zava-miseho eto Madagasikara na kely aza, mamono afo eran’i Afrika izy izao…mino aho fa efa tara koa ny fidirany eto ary ny zavatra nataon’ny Frantsa araka ny efa fantantsika dia namono olona maro ankolaka na mivantana teto.
    La France basta!

  • Verohanitra dit :

    Heveriko fa matoa tsy niresaka momba an’i M/car i Sarko dia satria ny Malagasy olona mafy loha, tsy manaiky lembenana ary tsy manaiky atao taingim-bozona fa mijoro hanohitra ny fanjanahana kasain’i Lafrantsa atao eto M/car indray.
    Misy ireo saribakoliny ataony fitaovana hambaboana indray ny harenantsika. Ireo no taranaky ny PADESM, tsy menatra ny hivarotra ny tanindrazana. Mbola tsy tafiditra ao an-tsain’izy ireto ihany hatramin’izao fa izay paik’ady arosony rehetra dia namorika daholo hatramin’izao ary na ny tenan’izy milaza azy ho filoha ambony aza tsy sahy mivoaka na aiza na aiza fa ny vadiny ihany no irahiny mamita iraka ary izay faritra hitany metimety aminy ihany no tsidihany.
    Izao dia fikaonan-doham-pirenena indray no hatao amin’ny 04/05 Marsa. Fahafiry moa izay nefa mbola eo amin’ny fiaingana ihany fa tsy mety miainga mihitsy. Eisy e ! Fandaniam-bola tsy ahitam-bokatsoa akory indray io fa hamorika toy ireo fikaonan-doha hatramin’izay. Rehefa mihevitra mahavita tena, dia hitsingidina ho azy eo.
    Ity alahelom-bahoaka efa mavesan-danja ity ve dia hahafa-maina ireo fototr’izao fahantrana lalina izao ?

  • Toky dit :

    ankoatra ny frantsay izay tena miditra mivantana dia io ary voamarinareo moa ilay izy fa misy mopera nanao ny fifamonoana mahatsiravina tany RWANDA.

    Tsy aiko ny tsy hiteny ary tsy hitsikera antsika Malagasy satria isika olon’ny fo loatra ary tsy mba tia mamaky boky fa ny mihaino fotsiny sy ny honohono no tena iainantsika dia tsy maharaka ny tena zava-misy isika. Efa nolazaiko ary mbola lazaiko fa ireo mopera nanao famonoana tany Rwanda ireo dia ny vatican no mpanome baiko ary

    ny JESUITE dia anisany fikambanana iray ao anatin’ny katolika izay niaro ny sezan’ny pape tamin’ny 1500 tany rehefa raikitra ny adin’ny finoana tany eropa dia izy no niaro satria resy ny katolika tany eropa amin’ny ankapobeny. IO JESUITE no nanao ady ka ilay IGNACE DE LOYOLA izay

    capitaine no namorona io jesuite io ary dia toy ny miaramila sy fikarohana miaramila no ataony. IZAY no ilazako fa ny mpitondra fivavahana katolika dia MAFIA ny ankamaroany fa ny mpino no tsy mahalala. TOY izany koa ny FJKM sy ny sisa fa tsy oe ny katolika irery akory. NY zavatra tokony ho tsapan’ny gasy dia ny oe nahoana hatramin’ny nidiran’ny fivavahana kristianina no lasa

    mifandrafy ny gasy? Tsy ny fivavahana akory no ratsy fa ny nampiasana ny teny ao amin’ny baiboly hitadiavam-bola sy harena ary nandemena ny sain’ny olona no nahatonga ny fivavahana kristianina ho namotika ny fiaraha-monina Malagasy.

  • Babyfoot dit :

    Sarkozy reconnait de « graves erreurs d’appréciation » et « une forme d’aveuglement » de la France et de la communauté internationale lors du génocide au Rwanda dont sur l’opération Turquoise engagée trop tardivement et sans doute trop peu. Ben, voyons ! Une opération lancée 3 mois après le début du génocide et une reconnaissance tardive une fois que le mal est fait.Ce qui leur a dailleurs privé des contrats de reconstruction dans ce pays ravagé après cette sale guerre (tout vainquer insolent à sa perte travaille dit la Fontaine).
    Aujourd’hui, ils sont redescendus sur terre et font preuve de modestie sinon gare à de possible retours de baton.
    Et dans 20 ans, ils comptent prononcer le même discours à Mada ? Ils pourront toujours essayer mais le résultat ne serait pas garantie. je ne sais pas si le peuple malgache aurait le même esprit qu’aujourd’hui, je crains même que le fihavanana avec les traitres serait bani de la langue malgache.

  • Lazalazao dit :

    Avant de m’avance, je condamne al’avance des prejuges que beaucoup de francais ont en particulires ceux qui sont touches par la pensee francafrique, sur Madagascar. On dit: les malgaches sont des hommes de coeur (olon’ny fo)et madagascar est le pays de « moramora » ? Deux prejuges qu’on cultive et qui vehiculent mais a bien des egards c’est tres loin de la realite’. Sans parler la durete’ de la vie actuelle et la violence quotidienne, mais en lisant des (livres)malgaches par-ci par-la et en etant dans les diffrentes reunions politiques economiques sociales…. je ne vois aucunement des malgache homme de coeur et moramora. alors il faut degager ces prejuges.

    Quant a la France, je devons savoir que la plupart des francais ne sont pas au courrant de ce qui se passe a M/car et d’ou cela vient. Mais les esprits bien curieux remarquera que c’est la diplomatie francaise qui provoquetoutes ses destabilisation en Afrique. en un mot le mode de fonctionnement est le suivant: D’un cote’ on renforce en France le discours sur l’identite’ nationale, cela poussera les francais a se sentir superieurs et surtout ne jamais accepter que les problems des anciennes colonies ont une relation quelconques avec eux, et si cette relation existe par hasard c’est simplement pour aider ces pays. De l’autre, avec un lobby politico-economico-indistriel la bras Franceafrique bouge comme si c’etait « la main invisible » pour regler les problemes francais. Dans le cas de Madagascar, je n’ai pas honte de nommer des responsable ici: N Sarkozy, B Kouchner, Gueand, A Joyndet, J-M Chataigner.. avec les presidents africains essentiellement membre de l’OIF et quelques pion tel que khadhafi, Jean Ping…..
    Mais, il faut dire aussi que celane fonctionnera pas si il n’y avait pas des cooperants malgaches qui , dans le cas actuel des chos sont les pro-HAT, Radomelina en tete. La tactique est assez simple. On pousse le pays a etre le plus dependant possible en faisant beaucoup d’humanitaire et de cooperation,mais en bloquant les vrai operateurs malgaches, on pousse la pays a une pauvrete’ extreme et on coopere avec le pouvoir pour mieux ecarter la difference entre les dirigeant et le petit peuple…Le jour venu, on prends l’opposition et tous ceux qui n’aime pas le regime en place, on avance les milliards d’euros que l’armee, l’opposition et surtout lepetit peuple ne pourra jamais refuser vu qu’ils ont etait mis dans une pauvrete’ extreme…. Et voila le schema, simplifie’ (que j’ai simplifie’) du controle des pays ex-colonie par la France..

    Mais depuis toujours M/car est toujours un cas difficile pour la France. Celle-ci la traite comme on traite les probleme africains, mais jusqu’a maintenant ca ne marche pas, la France a interet a ce que M/car s’africanise, cela a un sens bien precis en France….(ceci est un autre sujet) mais depuis l’epoque de Ranavalona I(a partir de 1829 la France n’a pas eu la tache facile avec M/car. En 1883, Rainandriamapandry a battu l’amiral Myot a Farafaty (Toamasina) La surprise pour la France car elle avait l’habitude d’ecraser les pays d’afrique en quelques jours, en 1915 par la VVS et 1947 avec le MDRM, la France se heurtait a l’intelligentsia Malgache, et en 2002 Les Malgaches retrouvent sa dignite’ avec le President Marc Ravalomanana.. Deette petite histoire on remarque que les Merina (et les protestants) ont ete toujours des ennemis redoutables a la France, celle-ci a tout fait pour les ecarter. meme au debut de la colonisation en 1896, il etait deja interdit aus Merina et aux protestants de se former une association… La France avait utilise’ LEUR concept marteau contradictoire: merina-cotier et iray ihany ny malagasy. D’un cote’ on divise pour mieur regner et de l’autre on nie toute difference, qui tend a africaniser M/car. Comme si il n’y avait pas d’autres concept entre les deux ou aude-la. C’est dans cet atmosphere que les Merina grandissent dans la culpabilite’ et que la France les maitrise…. En utilisant andry Radomelina la France a eu le jackpot car c’est Tananarive qui a « ecalte’  » . Heureusement beaucoup de gens se rendent compt de cette anerie, on mettre bientot a la poubelle les Andry Rajoelina et son HAT……

  • fandresena tena izy dit :

    Ny mahavariana dia mboa misy frantsay mitehatehaka ny nataon’ny frantsay tany Rwanda . Isika mihintsy no tokony manentana sy manazava ny sain’ny olona tsy dia mahatkatra fa dia misolelaka amin’ireto vazaha ireto nefa efa tena ataony amabany noho ny « toutou » keliny e!

  • allo dit :

    le manao intervention refa misy guerre civil de izao
    otrany tany cote d’ivoire zao de nisy fifanarahana teo @ cote d’ivoire sy frantsa @ zavatra mitranga otran’ireny ka izay no nahafahan’ny frantsay tonga avy hatrany tsy misy fiherana tany t@ 2002. Fa ny eto Dago ve nisy fifanarahana teo @ malagasy sy frantsay ka afaka mitsofoka eto ny frantsay hiaro ny ressortissants sy vahiny, ny sadc zao de misy fifanarahana oe ny fiantsoan’ny president azy reo no mahatonga azy eto raha ohatra ka, ka zay ko ve ny eto Dago @ frantsay

  • fandresena tena izy dit :

    Ka eo mihintsy no tena mampanahy ry « allo » a! Radama II no heverina fa mety ho nanao izay na taorian’ny Fanjanaha-tany (Tsiranana ; Ratsiraka ) ; tena tsy hay mihintsy izay zavatra izay fa raha ny zava-misy hatrizay no jerena dia mampanahy ny fisian’izay fifanarahana izay . Raha misy anefa izay fifanarahana izay hoy ity mpahay lalàna iray dia tokony efa tapitra ny « délai ». Nisy tenin-dRavalo izay anefa izay nilaza fa ho tapitra asa na 2010 ilay izy na 2012 tena tsy tadidiko fa izay manana fanampim-panazavana azo antoka dia mba lazao ny havana fa tena ilaina . Ka eo no tokony tandremana fatratra fa tena ratsy loha anie ireto frantsay ireto e ! Tena faran’izay olona ratsy loha eto ambonin’ny tany fa tsy hoe mankahala aho akory fa tena izay ry zareo e!Mailo sy mihiratriratra tsara mihintsy isika .Porofo dia izao : Ny zanatany frantsay irery no tsy mandroso eran’izao tontolo izao .

  • fandresena tena izy dit :

    Izay mba nahita izany « Ã©mission « momba an’i Rwanda omaly sabotsy 27/02/10 alina ( tamin’ny 10 alina ) angamba izy izany ; dia mba iangaviana mba hanampy fitantarana fa misy hakàntsika hevitra izy ireny .

  • mafimafy dit :

    Isika vahoaka malagasy no adala manaiky ataon’ny Frantsay fitaovana hanapotika ny firenen-tsika. Marina koa ny filazana fa isika vahoaka Malagasy tsymba tia mamaky boky fa dia mino izay lazain’ny mpanao politika. I TGV nilaza fa hampandroso ny firenena, iny dia tonga dia nino izy nolazain’i TGV ny olona fa tsy mba nanadihady hoe « aiza ny planina entinao hampandrosoana ny firenena? » Olona mora manara-drenirano fotsiny isika malagasy ary izao isika victimes, « nanaiky ataon’ny mpanao politka fitaovana fotsiny ». Tsy mety fay koa iska Malagasy, impiry impiry isika vahoaka no natao fitaovana, dia iny mbola miroboka indray nanaraka an’i TGV satria izy malama vava. Tokony hietretitra lalina isika vahoaka vao manaraka izy lazain’ny mpanao polotika satria isika ihnay no victimes. Io i TGV izao efa herin-taona no teo, tsy raharahiany akory ny fahantran’ny malagasy izy nitomba avy arivo eny hatramin’ny nanonganana an-dR8. Ny miady seza no ataony. Tsy mba mandefitra akory izy ary tsy manaiky hira-hiasa hanao izy hirosoana amin’ny ara-dalana, fa dia io miziriziry midongy seza io. Olona toa an’io ve no hitondra firenena? Dia sarotra ny maminavina ny fahorian’ny gasy oizay efa mandady amin’ny fahantrana raha i TGv no hitondra. Mampalahelo ary mampitomany ny mijery an’i Madgasikara. Aiza ve dia i Maurice tany kely io no lasa tany mandroso indrindra aty Afrika nefa na ny sakafo hohanin’ny maorisiana aza hafarana any am-pita. Isika malagasy manana ny resources rehetra tokony hampandrosoana ny tanin-tsika nefa dia isika no anisan’ny tany mahantra indrindra eran-tany, variana amin’ny ady politika fotsiny ny mpitondra. Mahamenatra sy mampalahelo e!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site