Telo andro nisesy no niresaka tamintsika ny Filoha Ravalomanana Marc nampita tamintsika ny fahavitan’ny savorivory nitadiavana ny marimaritra iraisana, ifanarahana…
Ary tamin’izany fotoana nitenena izany dia niaraha-nahatsapa ny fifaliana, ny hatezerany amin’ireo nanongam-panjakana satria niteraka fahasahiranana be ho an’ny Malagasy izay ary azontsika an-tsaina ny fahamaikan’ny Filoha hanomboka ny asa-panavaozana be tsy maintsy hatao haingana…
Ary nilaza izy fa miasa ho amin’izany amin’ny alalan’ny fifandraisany akaiky amin’ireo firenena lehibe izay tsy nanadino antsika nandritra ny andro sarotra!…
Notsipihna mafy ny tsy maintsy hampiarana ny fifanarahana voasonian’ny ankolafy efa tany Maputo sy ny tovana tany Addis Abeba, izay tsy maintsy hampiarina tanteraka ary tsy misy hampiana na hesorina ! Izao Tontolo izao no mijery sy manampy antsika hoy izy koa tsy maintsy ho tanterahina io!…
Miantso ny vahoaka mivory ao Magro izy mba hanohy ny tolona ary hanetsika ny Malagasy ran’ny Nosy… Nasainy manomboka miasa ireo co-présidents sy ny praimistra efa voatendry hitantana ny tetezamita iraisana sy ifanarahana ary tsy manavaka, mba handinika sy hijery dia eny izao ireo asa tsy maintsy hatao!…
Eny vita ny savorivory hilantoana … Nody ventiny tokoa ny rano natsakaintsika rehetra… Ary eto dia isaorantsika betsaka ny Filoha Ravalomanana Marc tamin’ny fandavany tsy nampiasa hery, basy, tafondro, miaramila tany am-boalohany.. Ny fahendreny, ny fahatakarany sy ny fanajà na ny fihavanana lafo vidy misy eo amin’ny Malagasy tsy vaky volo no nentiny am-po ,am-panahy ,an-tsaina niatrika izany savorivory lavitr’ezaka izany ,izay tanteraka ankehirtriny..noho ny Fitondran’Andriamanitra sy noho ny faharetana, noho ny kirin’ny Vahoaka Malagasy izay tao an-damosin’ny Filoha Ravalomanana Marc nandritry izay fotoana sarotra izay ka atramin’izao!…
Ity misy tonon-kalo entiko isaorana ny Vahoaka Malagasy, ny Filoha Ravalomanana Marc mivady tonon-kalo atolotro ho an’ny Malagasy rehetra am-pitiavana sy am-panetretena, ary ho an’ny filoha Ravalomanana Marc mivady ary ho fanehoana fankasitrahana.
Soà va tsara isika Malagasy tsivakivolo…
Ka ho sahy isika hirehareha eo anivon’izao tontolo izao,
Fa olona manam-panahy sy feno fitiavana ary vory saina!Ka ho sahy Isika hirehareha eo anivon’izao Tontolo,
Fa olona manam-panahy sy feno fitiavana ary vory saina !
Koa na iza na iza hanatsatso sy hanaratsy ny Filoha hajaina,
Dia ho gina sy hihaiky izy ireny,
Fa ny asa vitan’ny Filoha no miteny
Sy manambara fa ny bainga voavadika no mitsara,
Na inona na inona eboebo sy hetraketraka tsy valahara
Ampiasaina handresy lahatra ny Mponin’ny Gasikara…
Izay tsy azo intsony hahodikodina, satria hainy tsara ny Tantara !
Koa Mitsikià , Mifalià , Mandihizà ,
Ary aza matahotra Ianao n’iza n’iza
No mitady haka sy hanodikodina
Ny là lana ,ny ezaka nilofosana sy niadiana.
Ny Vahoaka dia manam-pahendrena,
Sy misaina ary koa manantena
Fa tsy ho raraka na ho adino eny an-dà lana
Ny teny nifanomezana sy teny nierana !
Ny Vahoaka no hiezaka hampandroso
Ny Firenena izay ela nikoroso,
Ary ny Filoha no hanamora ny anjara,
Andraiki-piezahan ‘ny Mponin’ny Gasikara…
Mba ho Tany soa sy hiroborobo,
Ary Isika ho empoka sy hidorobo ka sy hiahy foana ny fiaraha-monina
Izay hitondra ho Antsika Fifankatiavana tsy azo kianina…
Mitsikià ry Malagasy havako…
Ampy izay ratra be nianjady tamintsika
Koa herezo ny diantsika handroso hankany Kanana !
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:


IL ETAIT UNE FOIS UNE STRATEGIE DE DEVELOPPEMENT DURABLE ET HARMONISE A MADAGASCAR
Il était une fois à Madagascar la mise en place d’une très bonne stratégie durable pour l’avenir du peuple Malgache. Une feuille de route a été acceptée par le peuple et mis en œuvre pour qu’enfin le soleil brille sur l’île perdue.
Madagascar n’a jamais connu un tel espoir puisque tous les travaux ont déjà commencé pour reconstruire le pays. La discipline a été instaurée à tous les niveaux de la fonction publique. Le peuple n’a jamais été aussi fier d’être Malgache. Les paysans au fond de la brousse ont été fiers du progrès tangible construit devant leurs yeux chaque jour, si on ne parle que des nouvelles routes. Les maisons de brousse ont eu même d’électricité par des groupes électrogènes. Tous les produits de premières nécessités étaient au porté de tout le monde.
Malgré la dureté de la vie de chaque jour, les Malgaches étaient confiants de leur avenir et étaient patients que demain sera meilleur. Les dirigeants étaient fiables et tenaient leurs promesses coute que coute.
Pressenti grenier de l’Océan Indien et de l’Afrique et modèle de développement en Afrique Sub Saharien, Madagascar était en train de décoller. Mais le risque d’accident est très élevé au décollage de tous ceux qui volent.
L’ile de rêve est devenu l’île aux milles cauchemars et de la honte pour son peuple et ses partenaires. On n’a plus le droit de rêver ni de parler. Si tu allumes ton électricité dans la brousse, on viendra te prendre ton groupe électrogène le lendemain. Quel rêve pour un paysan voulant être moderne, digne de notre époque. Il n’a plus d’essence non plus pour son générateur. Il utilise de nouveau la bougie que son grand père a déjà utilisée avant la colonisation.
Une île ravagée et désertique sera laissé aux enfants Malgaches, déjà condamnés à reconstruire l’impossible dans les décennies à venir. Leurs héritages ont été brulés et volés pour les enfants d’une autre « Chère Mère » (Renimalala) qu’ils n’ont jamais connu. Cette Mère a toujours dit qu’elle les aime en volant ses pains et ses héritages. Cette Mère qui donne un fouet à ses beaux pères pour les frapper de bombe lacrymogène pour qu’ils pleurent et se taisent à jamais.
Est-ce discipline veut dire dictature ? Chaque chose de l’Univers est soumis à des règles précises. Notre développement n’y échappe pas à cette règle. Mais nous Malgaches, que veut dire « discipline » pour notre conscience.
Quel espoir avons-nous maintenant face à cette politique de transition pompier qui n’arrive même pas à éteindre le feu de sa barbe ?
Il était une fois une lueur d’espoir sur Madagascar. Et demain, est ce que les héros « en nous » auront le courage de rêver et réaliser ces rêves de nouveau ?
Rakoto Albert
Antananarivo, 24 Février 2010
mahafinaritra sady mahavelombolo no mahabe fanantenana tokoa ilay fanentanan’ny Filoha marc Ravalomanana . Ary tsapa fa tena mihorohoro ny fat kanefa : Sikino tsara hatrany ny saina , ny fo sy ny fanahy fa mbola mismisy ihany ny lalana hodiavina na dia efa tazana aza ilay tany Kanana . Samia mivavaka sy midera an ‘Andriamanitra hoy ny Filoha . Tena ilaina tokoa ny midera an’Andriamanitra ao anatin’ny ady mafana toy izao . Midera an’ Andriamanitra satria Izy dia MAHERY sady MANDRESY amin’ny zavatra rehetra . Mahereza daholo ary ataovy atrakao ny loha e!
Oui Rakoto
à ce rythme ,
Madagascar la perle , deviendra un caillou stérile comme HAITI avec ces successions de dictatorions , de prédateurs sans scrupule…
L’Afrique du sud est riche mais avait un résistant intellectuel patriote : Nelson Mendala…
L’Inde coloniale avait Ghandi…
La Tanzanie avait eu Nyéréré…
Nous avions eu Tsiranana , « cadeau » de la françafrique , Norbert Zafimahova génant avait été écarté…
Oui que laisser à notre descendance ?
Quel avenir lui préparer ?
Avec qui ?
Plus que l’instruction ou l’éducation , j’accuse le poids des traditions…au fond des campagnes ou des bidonvilles.
« nomen’Adriamanitra » dit on
ou encore « tsy hita fa resy ny mahery » !
Un lavage de cerveau ne serait pas inutile…
Une éducation populaire et CIVIQUE serait bienvenue .
mila fahendrena ny fiainana,tsy ny hery setra izay toy ny afonjozoro no hamahana ny olana eo amin ny firenena.MILA MAHARITRA AMIN NY ZAVATRA REHETRA.fa na andriamanitra aza dia mampianatra antsika hahay hiaritra,mananany planiny izy,mila mpitondra hendry ny firentsika,mila mpitondra mahafoy ny tenany,mitsinjo ny vahoaka alohan ny tombontsoany,l’amour de l’argent est la racine de tous maux koa aoka hiala amintsika ny materialisma,mahereza ravalomanana aminizay misy anao any,miady mafy ny herin ny finoana.ny tompo ao ambony mahalala ny marina rehetra
Ary naniiiiiinona ary ny GTT TENA MAHERY FO SY NIHETSIKA mafy, no tsy mba nahazo fisaorana sy fankatelemana e !!!
Tsy mendrika kosa ve izy, sa adiiiino sahady?
Tonga amin’ilay fiteny hoe : Ny ratsy sarotra adino fa ny tsara vetivety dia tsy tsaroana?
Izaho tsy mbola niditra membre fa vao hiditra mitsy, fa
dia misaotra an’izareo amin’ny hezaka sy tolona ary heri-po anà nany, fa tena mahavita be tokoa sy mendrika !
En son temps, en son temps
Ce que Dieu fait est parfait, en son temps
Seigneur jésus, je te prie
Montre -moi que dans la vie
Tu fais tout ce que tu dis
En TON temps
La prière du juste est d’une grande efficace.
Donne -nous aussi la patience et la force de continuer
Amen
raha izaho manokana dé hitako fa misy fanantenana ilay ho avin’ny madagascar rehefa olona manan-tsaina tahaka an’i Président Ravalomanana no miteny. Isaorako manokana ny GTT any ivelan’ny Madagscar, indrindra ny GTT Paris, fa izaho koa dia anisany tao.
dia aoka ary Andrimanitra lehibe no hitantana ny diantsika malagasy dia samy ho tahiany daholo é!
bonne nuit à tous et à toutes
MISAOTRA MITAFO TAFO ANAO T@ IO TONONKALO NATOLOTRAO IO.MAHA VELOMBOLO TOKOA…
MISAOTRA AN’I ANDRIAMANITRA HATRANY FA NANANA ARY MANANA FILOHA MARC RAVALOMANANA MIVADY IZAY MIVAVAKA SY MAHATOKY AN’I ANDRIAMANITRA ISIKA VAHOAKA MALAGASY. KOA TSY VERY TOKY KOA NY VAHOAKA MALAGASY NOHO IZANY FANANA AZY IREO : ENY « NODY VENTINY TOKOA NY RANO NAHATSAKANA « .
MAHEREZA DAHOLO FA MISY TOKOA ANDRIAMANITRA MARINA SY BE FITIAVANA. HO DERANA LALANDAVA ANIE NY ANARANY SY LAZANY. AMENA.
Merci à rakoto lesquels passages complètent les vers en Malagasy ci-dessus cité.
Pendant le gouvernement Ravalo, je n’avais presque plus appréhension de la corruption, j’avais confiance au cours de justice d’Anosy, et la notion de discipline bien que confuse à certains esprits fut installée ici et là , une chose tangible est la finition de cette route qui lie mon quartier du centre ville – minimisant mon galère. ..
De nos points de vue de simple citoyen, tout ça entretenait nos esprits et facilitait nos vies.
Il nous reste l’éducation de nos enfants. Eux-mêmes qui ont vu, vécu et réalisé l’impensable telle la notion de « coup d’état », qque fois bravant le danger du Sakoroka, appris à objectivement distinguer le bien du mal, ont acquis d’expériences…
Et l’estimation de différentes pertes sera encore plus cruelle, lorsque la nation revient dans l’état de droit, bâties sur de fortes constitutions!
Voaota fady angamba i Dago. De tsy hisy intsony tokoa ve ny Miaramila mahery fo? Fa dia olona « lâche » no manamboninahitra rehetra? Iza no tsy nahatsiaro ny zava-nitranga teny amin’ny falda tamin’ny fotoana namiravirana an’i Pasteur Rasendrahasina… Nilaza ny Tafika fa tsy hanaiky izany Directoire militaire izany, kanefa izao dia manaiky fa nandray fahefana…Tsy ho vanona i Dago raha mbola olona kanosa no hitarika azy.Tsara raha averina any amin’ny vanimpotoana nitondran’i Kolonely Ratsimandrava ny tantara ka ho vahana aloha ny olana hanitsiana ny dia mba hiverina ny hasin’ny Firenena… Ka tsy hisy intsony ireo tsy maty manota.
Valala any an-danitra ka hoe asiako sira.Nofon-kena an-tanantsaka ka hoe avotsotra.Toa mandihy tsy afa-tavony ka hoe nody ventiny ny rano natsakaina.Dia manofisa daholo fa raha nahay tokoa io rangahy io fotoana fohy fotsiny dia vita ny crise.Kanefa tsy izany no miseho ary mbola taona maro no ipetrahan’i Rajoel eo ambony seza fiandrianany ka ekeo mba tsy aharary ny fo
Sadam aza voala teo @ seza sy ny salle de bain volamenany koa izay DJ nareo no ho inona ??????
Alao ho jerena izay manonofy antoandro. Ny reny malala sahirana, niaky ny fadisoany tany Rwanda ko inona intsony no antenainareo.
Kely sisa e !
HoAiza !
Endrey ,marina dia marina ny sento-ponao ary nira-nitempo tokoa ny fon’ny manam-panahy nandritry ny fito taona niarana niara-niaina tami-pahatokisana tokoa vIsika Rehetra..!
Tsy nofinofy izany fa tena niainana marina..!
Indrisy anefa fa nisy indro kely hoy ny mpandrafitra ary tsy tsapatsika izany raha tsy ..efa lasan’ny mpangalatra ny entana..!
Nahoana ? hoy ianao !
Tsy mailo Isika ,tsy mba nanaraka ny anatr’iIngahy RAMALINA izay nifehy hazo tokona..!
Tena faly sy variana Isika fa tna niova ny fisainana ,ny fiainan’ny Malagsy..ary tsy tonga tao an-tsaintsika fa hisy mpangalatra hamaky ny trano izay tsy nidihintsika ny varavarana.Dia norabany daholo atramin’ny Fahefana aza…!
Rano raraka tsy ho hay ho raofina ! Fa soa lava hahay hamindra ary aoka hataontsika anatr’izay niseho…ary aoka Isika hitafy hery ,kiry sy fahretana ary hijery sy hihaino ny zava-miseho isan’andro ka mba ho ailo sy hanatraka an-tsakany sy an-davany nyanatr’Ingahy RAMALINA !
Tsy maintsy arovantsika akaiky ny zava-bita ,ny asa hatao ,ny Filoha RAVALOMANANA MARC izay irintsika hitondra ny Firenena..!
TEO AMIN’NY FANOHANANA AZY AKAIKY NO NADAMOKA IREO MILAZA HO MPIARAKA SY MPANOHANA AZY..!
Nisy tokoa NAMADIKA NY FILOHARAVALOMANANA MARC TAO AMIN’NY TIM NA TETO PARIS IZANY NA TANY MADAGASIKARA..!
FANTATRA IREO NAMADIKA .NISY AZA MOS TSY MENATRA FASAHY NISHO AMPAHIMASO NAMONJY NY VALAN’NY ALIKA RAJOELINA..!
IREO SADA SY SADASADA TAO AMIN’NY TIM DIA TSY ILAINA INTSONY HO MPIKAMBANA NA DIA MIAFINA AO ANATIN’NY GTT INTERNATIONAL ARY IZY IREO..,KA MIHAMBO HO PRO-RAVALOMANANA MARC !
AMPY NY FITAKA ,AMPY NY LAINGA AMPY NY FIKA..!
NY MARINA SY NY FAHAMARINANANA NO BAIKO NY FIHETSNTSIKA..EO AMIN’NY FANOMPOANA AN’I MADAGASIKARA..!
I Ravalomanana dia tsy ho tafaverina eo intsony satria tsy manohana azy ny malagasy.Tsy manohana azy ny miaramila.Ary indrindra indrindra tsy manohana azy ny frantsay.Sady ny tenany ihany no nanala azy teo.Namono sofina.Nanompa ny malagasy sy ny fahantrany.Nanao tsindry hazo lena.Nanao an-keriny ny fanananan’olona.Teo am-pelan-tanany daholo ny hery fahefana vola ahafahany mampandroso ny firenena kanefa dia tampimaso fotsiny no vita fa tsy nandroso akory ny firenena ary tsy vitan’izany fa efa saika voavarotra tanteraka i madagasikara.
i TGV dia tsy ho lany ho president , ary tsy ho tafaverina ho président n’ny tetezamita satria ny miaramila rehetra tsy manohana azy, ny vahoaka rehetra koa tsy manohana azy. Nanompa ny malagasy ary mbola mitohy manompa ny malagasy. Tsy olona toy ireny no mampandroso ny firenena , tsy vitan’izany fa eo ampivarotana ny harenan’i madagasikara.
aiza i Miaramila tsy manohana an’ny Rajoelina aizai izahay Vahoaka tsy manohana azy?manohana azy tokoa izahay Vahoaka ary Volamena aminay Andry Rahoelina filoha hajaina fa iRasoa angaha manonofy
hoan’i SSSSHH
i TGV dia tsy ho lany ho président , ary tsy ho tafaverina ho président n’ny tetezamita eo akory satria ny miaramila rehetra tsy manohana azy intsony , ny vahoaka rehetra koa tsy manohana azy intsony, son masque est tombé. Nanompa ny malagasy ary mbola mitohy manompa ny malagasy hatramin’izao. Tsy olona toy ireny no mampandroso ny firenena , tsy vitan’izany ny harenan’i madagasikara depuis 1 an izao dia lapidéna miharihary be eo .
hoan’i SSSSHH
i TGV dia tsy ho lany ho président , ary tsy ho tafaverina ho président n’ny tetezamita eo akory satria ny miaramila rehetra tsy manohana azy intsony , ny vahoaka rehetra koa tsy manohana azy intsony, son masque est tombé. Nanompa ny malagasy ary mbola mitohy manompa ny malagasy hatramin’izao. Tsy olona toy ireny no mampandroso ny firenena , tsy vitan’izany ny harenan’i madagasikara depuis 1 an izao dia lapidéna miharihary be eo . VoilÃ
hoan’i SSSSHH
i TGV dia tsy ho lany ho président , ary tsy ho tafaverina ho président n’ny tetezamita eo akory satria ny miaramila rehetra tsy manohana azy intsony , ny vahoaka rehetra koa tsy manohana azy intsony, son masque est tombé. Nanompa ny malagasy ary mbola mitohy manompa ny malagasy hatramin’izao. Tsy olona toy ireny no mampandroso ny firenena , tsy vitan’izany ny harenan’i madagasikara depuis 1 an izao dia lapidéna miharihary be eo . Voilà voilÃ
ho avy eto ony i BI avy atsy @ mada tim hifindra ato @Mydago fa dia raisina antanandroa ianareo izay hifindra aty aminay ony mou ry Kintanao!
eny hoa ry havana isany, mahafinaritra sy mahavelombolo na dia mijery ilay titre fotsiny aza ry MyDago, misaotra fa tsara ilay tononkalo, toa efa tsinjoko sahady ilay Kanana a! olon-kendry tokoa ny filoha ary olonkendry toa azy koa ny vahoaka manaraka azy, irariana mba ho tonga olonkendry koa ireo izay minia tsy mahita sy diso lalana rehetra
an »Andriamanitra irery anie ny voninahitra, mandrakizay, AMEN
Ary ny farany tsy ahatafaverina an’i Ravalomanana dia toa izao ataonareo izao.Tsy miaiky fa nanao adisoana fa mody hoe mivavaka be dia mihevitra fa ho voafitaka ny malagasy.Efa tonga saina tsara izao ny malagasy ary fantany tsara ny antony tsy anohanany an’i Ravalomanana.Izay olona tsy tohanan’ny malagasy dia mipitika daholo.Izay tohanany kosa dia tafajanona na dia mikiry aza ny fantsay.Izay no antony nahatafakatra an’i Ravalomanana tamin’ny 2002.Na dia nikiry aza ny frantsay nitazona an’i Ratsiraka dia voatery nandefitra satria ny malagasy no tsy mila azy.Kanefa dia izao iaraha-mahita izao fa lasa mpinamana indray i Ravalomanana sy i Ratsiraka.Tena marikoriko be.Samy mpivarotra tanindrazana no tafaraka
à SSSSHH,
ça m’étonnerai si Ratsiraka et Ravalomanana partage la même valeur. Il ne faut pas comparer l’incomparable !!!!!
ils sont juste obligés de trouver une entente cordiale pour sortir Madagascar de la crise, c’est plus intelligent d’ailleurs c’est tout!
Na hoa vy na tsy ho avy Ra8, ny mpitondra mpanongana tsy maintsy mipitika eo.
Ny fisainan’ireo mpangalatra fahefana dia efa fantatra fa lomorona ary tsy hitondra azy hankaiza…raha ny tanjony ny hamotika firenena dia tratra ny tanjony.
Kanefa…efa manomboka mody ventiny ny rano natsakaina, sarotra ny mahazo azy anefa ary misaotra antsika tsy tia mangalatra fahefana etoana andray anjara mavitrika @ fanoherana izany.
Masina ny Tanindrazana
à SSSSHH,
Ratsiraka a mis Madagascar par terre avec ses régimes popov & cie ( des Km de queue dès 05H du matin pour obtenir quelques kapôka de riz et 1/2 litre d’huile par famille…etc…. Ravalomanana lui il a crée des emplois, soutenait l’agriculture, etc…etc….
ne comparez pas l’incomparable
à SSSSSHH,
TGV il a fait pire que Ratsiraka, en 1 an il a réussi à presque tout détruire !!!!!!!
en général le recours à la force précède la chute.Tgv utilise la force aujourd’hui ,mais demain , il va tomber. Que Dieu lui vienne en aide pour le ramener à la raison car par lui même il est incapable, de plus qu’il est entouré de vautours…..et en attendant le peuple souffre et persécuté par ses milices….il n’y a que les armes et les menaces qui parlent.
Rasoa
il se prend pour Dieu lui même.
C’est un désaxé total.
je ne dirais pas le sort que je souhaite que le peuple lui réserve , la « modération » du site interviendrait illico…
mais tu dois lire le fond de ma pensée…
t’inquiète GBD, je vois ce que tu veux dire!
afaka ve rasoa tonga aminy asabotsy(ariva) ny pentecote?
restaurant créole « la charette » ao Parisy
enga anie km, Baby ,lioka …sy izay namana afaka.
izaho mirava tarabe ange ê! (miasa asabotsy mantsy izaho),asa raha mba afaka mi s’arranger @ireo collègue……tsy sûr loatra!
je te tiendrai au courant
Mampihomehy koa ireto olona tsy tia an’i Rajoel sy ny frantsay ireto kanefa tsy mety afaka amin’ny teny frantsay.Samy malagasy no mifampiresaka ka inona no antony ampiasana fiteny hafa noho ny malagasy?Izay fotsiny dia ahitana fa olona tsy azo antoka ireto mpanohana an’i Ravalomanana ireto.Ankoatra izany, misy zavatra tsara azo antenaina ve avy amin’i Ratsiraka izay voalazan’ilay ramatoa ery ambony ery hoe nanimba ny firenena? Olona efa very fanahy no mino fa mitady vahaolana hampilamina sy hampandroso firenena i Ratsiraka.Noho izany dia diso be i Ravalomanana nampiditra an’i Zafy sy i Ratsiraka hikaroka vahaolana.Tokony novitain’izy sy i Rajoel io dia vita tsy nitarazoka ohatra izao.Olona efa poakaty no hino fa ny fizarana seza miaraka amin’ny mpifahavalo no fomba hialana amin’izao fahasahiranana izao.Marikoriko be ny mijery an’i Ravalomanana miaraka amin’i Ratsiraka.
Tonga ny olona dia mihivingivina be vao maika tsy te hamerina azy eo intsony.
aiza ho aiza ao Paris ao io restaurant créole » La charette » io GBD ?
à SSSSSHH,
i Ravalomanana ve hoy ianao dia andeha handany andro hiresa-dava @’ity zazakely tsy matotra mpanao bodongerina ity! zava-dehibe ny fitondram-panjakana fa tsy kilalao akory.
tsy hain’i TGV no manavaka ny hoe animation soirée sy ny fitondrana firenena ! zavatra roa samihafa ireo ! ary tsy azo lalaovina ny vahoaka !
et enfin c’est pas Ravalomanana qui a exigé la participation de Zafy et de Ratsiraka
à GBD
ilay restaurant rue Jules Chaplain io ve ? (Paris 75)j’ai cherché sur internet…..
O rasoa o
Fa iza indray moa no nampiditra azy ireo?Ny firenena hafa indray ve?Ka inona no nakanao toerana filohan’ny repoblikan’ny madagasikara raha hanatanteraka izay baikon’ny hafa fotsiny.Mibaiko ry zareo hoe tsy mahazo samborina i Rajoel dia navela nanao izay tiany.Nibaiko indray ry zareo hoe mila mifandinika miaraka amin’iretsy anti-dahy nitondra an’i madagasikara taloha tany an-kady iretsy dia manantanteraka.Izany ve no atao hoe mahay?
Dia valio ny fanontaniana raha mahasahy hoe samy omena toerana ny Ratsiraka sy ny Zafy sy ny Rajoel Sy ny Ravalomanana dia manantena vahaolana inona ianao?Tsy tahaka izany ve no miseho any cote d’ivoire ?Dia milamina tsara izany izao?
Aleo i Rajoel hitondra fa izay no safidin’ny malagasyAry mbola averiko fa i Ravalomanana ihany no nahatonga an’i Ravalomanana voadaka satria mpivavaka be loatra amin’izay lazain’ny firenena mpibaiko azy
ho avy any aho ijereko an’ny Gasy be i Kintana ary i Baby za mety tsy ho fantanareo fa tilitilo eo ianareo ary ataoko izay tsy halalanareo ahy Gasy MDR
Isabelle a dit: Miarahaba antsika rehetra @ anaran’Jesosy ny tenako ary mirary soa indrindra. ny vioalohan-teniko dia fisaorana an’Andriamanitra lehibe tafiditra eto amin’ity tranok’ala mahafinaritra ity. miarahaba ny Mydago manokana. raha namaky naharitra ny commentaire rehetra aho dia izao no azoko hamintinana azy. 1: Pdt.Marc RAVALOMANANA aleo aho hanasongadina ny tsara t@ satria ohatran’ny adino daholo ny tsara fa mazà na ny ratsy kely vita foana no misongadina; – Izy aloha dia tena ma f’aleo ndray mba avadika ny tantara.marina fa tsy misy olom-belona tanteraka izany fa samy manana ny kilemany daholo ny olona rehetra eny fa na izaho miteny aminao izao aza fa hampianatra zavatra kely antsika rehetra aho fa tsy vaha-olana ny fanopà na olona, ny fanaratsiana ny fanambaniana olona , isika na ratsy na tsara dia samy tin’Atra matoa samy velon’aina tahak’izao ary samy nomeny ny rivotra, masoandro, hazavana sy alina, samy mahalala an’Atra daholo anie fa tandremo fa avahan’Atra ny zanany dia ireo izay manao ny sitrapòny. Koa hoan-tsika izany dia raha te ho zanak’Atra dia manaova ny sitrapony. teny iray fotsiny no omeko eto dia samy hampieritreritra antsika rehetra.Vakio ny Romana 12 verset 1 à 21. io no toetra tokony hananan-tsika rehetra fa aza lany andro @ fifamaliana sy fifanenjehana.efa akaiky anie ny farany e! jereo ny manodidina antsika anie jereo ny vao2 eran-tany, mbola misy fotoana hifamaliana hany ve? ny fanahin-tsika no nde vonjena, tanterao fotsiny ny sitrapon’Atra dia avelao Izy hamaly izay tokony sahaza an-tsika. manà na fahendrena fa Malagasy hendry anie isika e! aza mety ho viravirain’ny adilahy politika, apetrao eo anatrehan’Atra fotsiny dia Izy no hamaly izay mety ahasoa antsika mianankavy e!
Isabelle a dit: Miarahaba antsika rehetra @ anaran’Jesosy ny tenako ary mirary soa indrindra. ny voalohan-teniko dia fisaorana an’Andriamanitra lehibe tafiditra eto amin’ity tranok’ala mahafinaritra ity. miarahaba ny Mydago manokana sy ny mpamaky mahafinaritra rehetra. raha namaky naharitra ny commentaire rehetra aho dia izao no azoko hamintinana azy.nahita aho fa variana mifamaly sy mifankahala isika koa tsy aleo ve ny lafitsarany indray no hojerena dia atomboko amin’i . 1: Pdt.Marc RAVALOMANANA aleo aho hanasongadina ny tsara t@ satria ohatran’ny adino daholo ny tsara fa mazà na ny ratsy kely vita foana no misongadina; – Izy aloha dia hitako fa lehilahy mahery fo, ary tena manà na vision lavitra be raha tsy hiteny aho afatsy ireo asa rehetra vitany ohatra @ izany ny fanamboarana lalana sy fampiofanana ny tantsaha ary indd ny fahadiovan’ny tanana sy ny fandrosoana efa hita ary hitako fa tena nahavita be.tena hevitra tsara ilay izy satria raha vita daholo anie rey olona ny lalana dia mihamora ny fiainana e!, ny lasantsy na ny (carburant ) no tsy azontsika sakanana satria International iny fa ny vidin-tsakafo kosa dia tena miankina lehibe @ lalana sy ny fampiofanana ny tantsaha ary satria rehefa vita daholo ny lalana dia samy afaka mivarotra ny vokatra avy ny tantsaha ka rehefa miofana ry zareo dia ahazo vokatra tsara @ vidiny sahaza azy tsy misy fanambakana. sady mitobaka be tsy lany laliana io ary afaka hanondrana sakafo any ivelany mihintsy aza. Dia mazava ho azy fa hidina ny vinin-tsakafo eto an-toerana, ho mora izany sady hiparitaka moa ny tantsaha tsy hatahotra sy tsy ho menatra intsony hiakatra sy hiserasera aty amin’ny ville hivarotra ny vokatra . 2°- rehefa vita ny lalana dia malalaka ny saina satria na ny malagasy aza dia mba ahita ny Madagasikara manontolo hatrany ambanivolo rehetra any dia tsy hisy intsony ny fanambaniana sns… izay ilay lalana sy fampiofanana tantsaha 3°- ny mpianatra amin’ilay tablier mitovy, tena tsara be satria samy tsy misy mifampijery saranga dia mazoto mianatra fa raha ny hevitro dia ao amin’ireny zaza majinika ireny no mila amboarina ny toe-tsaina ka rehefa miray hina dieny mbola kely ny ankizy dia ireny no miha-lehibe dia mazava hoazy fa tafapita ny hafatra fa tsy ho tery saina ny olona fa tena hevi-diso ilay fanaranam-po @ ny ankizy le samy manao izay akanjo tiany hanaovana satria ny olona samy manana ny farim-piainany dia mifampijery lamaody dia ao ny mahatakatra ao ny antonony ao ny tena tsy manana ,kanefa eo ihany koa ny maha-zaza azy dia mifaninana ka hoan’ny manana dia azony avokoa izay tiany ary tsy misy olana aminy ny mividy zavatra lafovidy ny antonony sy ny tsy manana indray dia lasa mivaro-tena raha mba tsara tarehy na miaraka @ olon-dehibe satria sitrany ahay mahazo vola mba te hitovy @ namana sns… farany ny resaka force one two . tena vision lavitra be satria mino aho fa raha malagasy île kely ity moa no manana avion special présidentiel, fahotà na ve izany? za tsy hijery izay fomba handoavany azy any fa ny fantratro dia ilay vision sahy mandeha lavitra mihintsy no tena hitako hoe tsara be ilay toe-tsaina, tsy manambany ny hafa aho raha miteny izany fa kosa tena toetra tokony hananana izany toetra izany,ary mba sahia isika mijery ny lafi-tsarany avy ary koa mba hanana fijery sy fisaina positif foana. farany,hafatra kely fotsin. isika raha nanao ny zavatra rehetra Atra dia ny olona no nataony farany ary tsy mba tahaka ny namoronany ny zavatra rehetra satria t@ alalan’ny Teniny no nanaovany ny zavatra rehetra ary noteneniny fa tsara izany. raha nanao ny olom-belona indray Izy dia nataony tahaka ny Endriny sy nataon’ny Tanany ary nasiany fofonaina mahavelona. Sady efa vita voatra daholo ny zavatra rehetra dia azo lazaina fa namantam-bonona isika olom-belona.ary ilay fofonain’Atra no nahatonga antsika mahay mamorona zavatra satria Atra dia Mpamorona ary isika dia raha vao miteny ihany koa ny vavan-tsika dia tokony tanteraka avokoa izay lazain’ny vavan-tsika io koa tandremo ary ny vava tenenina manomboka izao. aza variana miady hevitra sy mifankahala fa samy olona noforonin’ny tanan’Andriamanitra isika ary samy misy ny Fofonainy; koa aza avela handray anjara eo amin’ny fiainan-tsika i satana fa fahavalo efa resy izy minoa ianao fa raha samy mivavaka isika ka manaraka izay Tenenin’ny Tenin’Andriamanitra dia sambatra isika malagasy. Voninahitra hoan’Andriamanitra irery ihany Amen! mahereza daholo tompoko !mbola hitohy…
Ho tohin’izay efa noteneniko tetsy ambony dia : azafady fa somary nisavoritaka kely ilay voalohany kanefa mino aho fa azonao ny tiako hatongavana. Manaraka izay indray dia ilay resaka fivarotana tanindrazana, amiko ry Malagasy malala dia fivoarana be ireny aleo mba halalaka ny sain-tsika, aza atao mahatezitra anao fa hevitro manokana ity holazaiko ity koa asanao raha hitovy hevitra amiko ianao na tsia fa hifonako dieny mialoha .
Hiresaka indray aho ny amin’ny fivarotana tany amin’ny vahiny, raha nahita aho dia mbola vision lavitra be ihany koa ilay izy hanatsarà na ny tà nana na I madagasikara mihintsy aza. Satria raha mividy tany eto ny vahiny, na manao trano eto dia ny fantatro sy ny eritreritro manokana dia f’angaha moa ny tany na ny trano dia azon’ny vahiny entina mody any aminy ? mino aho fa tsia ny valiny, ary nga moa raha hivarotra tany @ vahiny isika dia tsy misy contrat le izy fa hamidimidy fahatany amin’izao, mino aho fa tsia avy hatrany ny valiny, isika dia miara-mahita fa raha isika no manao trano dia tsy mivoatra mihintsy na tsy manaraka toetr’andro fa samy manao izay saim-patany dia trano bidon-ville no betsaka, miala tsiny aho amin’ilay fitenenana fa izay no mahalaza azy ary hifonako avy hatrany. Satria miara-mahita isika, mety hiteny indray ianao hoe ka tsy mitovy ny fari-pananana, eny tsy mandà an’izany aho fa misy foana ny azo atao sy hevitra mahomby azo itondrana an’io ka hilaza ohatra iray aminao aho : ohatra raha misy olona anankiray manana trano na tany hamidy na azony tsy amidy ihany koa ny tranony na ny taniny fa afaka mifampiraharaha amin’ilay vahiny hividy ilay tany na trano na hanofa izany, dia mety raha manangana Agence mikarakaran’izay fotsiny ka ny frais rehetra dia atontona any amin’ilay vahiny mila ny tany na ny trano. Mifanaraka fotsiny ny 2 tonta ary atao taratasy mazava tsara ary azo dimbiasan’ny taranaka mihintsy fa arakaraka izay hifanarahana eo , ohatra toerana an-tanan-dehibe dia mety hoe hanangana trano eo ilay vahiny ka tsy hamidy ilay trano fa azony hatao ny manao trano eo dia manome vola mba azon’ilay tompon-trano na tany mba hivelomany avy eo atao ny contrat hoe pendant 30 na 35 na mihoatra arakaraka ny habe sy hatsaran’ny trano fa tsy maintsy miverina @ tompon-trano ny tany sy ny trano izay vitae o dia lasa mpanofa indray ilay vahiny rehefa vita sy lany ny contrat nifanarahana, ka eo indray dia izay hifanarahan’ny tompon-trano sy ilay vahiny mba tsy hisy ny fanararaotana eo amin’ny roa tonta. Mety hoe tsy mbola misy izany lalà na mifehy izany fa mino aho fa azo atsangana sy azo atao tsara izany. Hevitra ny ahy ary mino aho fa mitovy hevitra amiko ianao io Mba hampanana ny Malagasy rehetra indray dia tokony koa mba jeren’ny fanjakana hoan’ireo rehetra tsy manana tany na trano dia mba manao vente location ny fanjakana satria hitako fa mbola malalaka ny tany eto M/kara ary mba tokony mba hanana ireo tsy manana ary tokony ho hita ihany koa raha vao hividy tany raha efa manana ilay olona na tsia mba tsy hisian’ny hafetsifetsena izany satria mbola hita mandraka ankehitriny ny fanararaotana . ohatra misy cité kely majinika ireny atao vente location hoan’ny mpiasa fanjakana dia amidiny indray ilay izy dia karana na mpanam-bola indray no mividy ilay trano dia mampalahelo satria hoan’ireo izay tsy mivarotra ny azy dia hita fa trano kely eo fa ny an’ireo izay mividy indray dia manangana trano tsarabe sy avo-be eo anilany dia hita fa lasa tsy cité intsony fa tsy haiko. Betsaka ny tiana ho tenenina fa azonareo commenter-na tsara ny hevitro fa ahy io fa tsy ho voatery ho mety amin’ny hafa akory dia mirary soa hoantsika rehetra ny tenako fa amin’ny manaraka aho mba hiteny ireo hafa dia Atoa Andry Rajoelina , Atoa Didier Ratsiraka, Atoa Zafy Albert sns…
Samia hotahian’Andriamanitra isika rehetra . mandram-panoratra indray e !
Tsy mazava amiko ilay hoe tapi maso fotsiny no nataony Ravalomanana tamin’ny fotoana androny!!! Tapi maso ve ireny lalana vita ireny? Tapi maso ve ireny sakafo hita eran’ny tsena ireny? sady ny qualité eo ny quantité eo koa!! izany ve no atakalo ireny prodyits importés ratsy feno jabora hoy ny iray tamintsika? tapi maso ve ireny fandraisan’y Chine azy tamin’ny jeux olympiques?Inona no efa vitan’ny Rajoelina afa tsy ny nitokana ny efa natomboky Ravalo? Izy ara zao efa matahotra ny hivoaka ny trano fa ny vadiny no alefan’ny mitety an’i Madagasikara!!! menatra mintsy aho refa mieritreritra oe io kalakely tsy nakasitrahan’iza n’izaio no mbola hiarahaba indray ny reny malagasy sy ny vehivavy malagasy!!! fa inona no ataoanareo ry Fetison a! io olona iray tsy hankatovin’izao tontonolo izao, herin taona izao d mbola eo ihany!!! efa mifaha ao antrano ao nefa d mbola ao ihany!! ny vazaha manampy fa isika malagasy anie vonona ny hanampy e, raha misy hetsika tokony hatao e!!! hataovy haingana re!!! raha naheno ny tosa kevtra ra bertrabd mpisolelaka isika tamin’ny je ne sais plus quand avec RABELALAO comme invité, Rabelalao avait dit: za d niaraka tamin’ny rajoelina tami’ireny fotoana namaivay ireny nefa izao d afaka milza fa ra nisy d nisy 1 000 000 no hisan’ny malagasy teo fa taiza ny 18 000 000 ambiny? ireo majorité silencieuse que rajoelina veut faire taire avec ces elections bidons de legislatives afin de se faire elire par les grands electeurs bidons!!!! tsy misy fierté mintsy e!!! na ireo izay milaza fa mbola miaro azy aza ve tsy menatra e!!! avoir porté aux nues un nul!! ki n’et pas capable de mener a bien cette prétendue volonté du peuple a vouloir changer de republique. eisy e Rajoely e!!! fa ny tena ampalahelo ahy kosa alo ireto mouvanve telo tsy afaka manala azy eo e!!!
RAhantamalala Isabelle,
io hevitra hazavainao io no atao hoe bail emphyteotique!! on loue pour une durée déterminée genéralement 99 ans une certaine surface à des etrangers, qui l’exploitent et tout ce qu’ils construisent sur ce terrain appartiendront à l’état hote à l’issue de leur contrat!! c’est ce que les anglais ont fait à Singapour, les immeubles et tout çà sont restés car effectivement difficile d’emmener
des immeubles dans ses bagages!!!! et donner des terres aux malgaches pour leur permettre d’ameliorer leur niveau de vie c’etait l’un des objectifs de Ravalomanana avec le MCA!!! il y a eu des des milliers de paysans qui ont pu acquerir les terrains qu’ils ont cultivés et mis en valeur durant des années et des années!!!et Rajoelina s’est approprié ces idées là ! et s’il faut encore dénoncer les actes de ce putchiste!! il est arrivé à ce poste sans une idée en tête, sans objectif sauf de changer de république et en devenir le président d’où ce simulacre de cérémonie et d’ »intronisation » à Mahamasina!!! vraiment je me demande à quoi pensent les malgaches!!! je veux seulement me consoler en pensant qu’ils ont été trompés depuis le début de cette prétendue révolte de février!!! Mais même si RAvalomanana avait fait l’erreur de remettre le pouvoir aux militaires qui l’on ensuite émis a ce putchiste, pourquoi la HCC n’apas réagi et à accepter cette mascarade de Mahamasina? le titre de président de la république ne peut être donner à un citoyen que s’i a été élu au suffrage universel et un million de malgache tout au plus ne représente même pas le 10 ème de la population!!! mon dieu mon dieu dans quel guêpier nous as-tu fourré????!!!!!
Or’i SSSSSSSHH â,
dia efa hazavaina sy haverina im-polo fa dia ê ê ê! tsy mi-côpy mihintsy ianao ity ! na atao @ teny gasy na atao @ teny frantsay, dia tsy toa miditra foana , ka asa fa atao @ teny sinoa indray ve r’i SSSSSHH â? sa dia mila vanona fotsiny na dia fantatra ihany aza fa marina ny zavatra nolazaiko ireo ?
Aza mandany andro manohana bibilava hoa sao voakaikitra eo ! ny bibilava miolakolana lava tsy mahay mandroso mahitsy, satria efa nature-ny io.
Ouvre les yeux et choisis la bonne direction car il n’y a que les imbéciles qui ne changent pas !
RAtsiraka anie a avoué que c grace a lui que Rajoelina a pu detroner ravalo e!!! la jalousie maladive de cet homme quand il a eu conscience que ravalomanana sera président de l’Union Africaine. c cà qui a tout declanché. 24 ans qu’il a régné sans partage sur Madagascar et pas une seule fois il n’a été proposé pour être président de l’Union africaine. Alors quand il a vu que notre livreur de lait, comme il se plaisait à appeler le président Ravalomanana, allait le supplnater!! lui qui considère notre faiseur de yaourt comme un moins que rien et que ce producteur de lait allait le devancer, il a vu rouge et il a foncé tête baissée en faisant confiance à un petit peteux, qui a comparé ensuite son protecteur à un vieux vehicule aux pièces désormais introuvable! à l’heure qu’il est RAtsiraka doit vraiment se faire du mauvais sang parce qu’il voyait déjà son retour triomphal à Ivato , sa fille comme premier ministre!! enfin !!!! remercions le quand même d’avoir retrouvé la raison et qu’il ait accepté d’épauler les Gasy tia tanindrazana. MAis je ne sais pas trop s’il faut vraiment se fier a Ratsiraka
Rasoa
IÔOOOOOOOO , 15 rue Chaplain ,vers VAVIN / Montparnasse izy io ,
tena finaritra mihintsy aky raha mifankahita â !
aminy avril ao dia anao reservation ho any fianakavianko kely !
kristelle Nadia
ho avy ve ? MDR !
izahay tsy mena maso…
mety miharahaba koa samy gasy (tsy barbariana akory )
Rasoa
je te garderai mon dessert « blanc mangé ! «
or’i titanity â !
Ratsiraka dia voatery fotsiny nohon’ny crizy mba hoe mitady vaha olana miaraka tamin’ Zafy sy Ravalomanana, c’est tout ! mais pour l’histoire de lui faire confiance c’est une autre affaire!!!on a vu le résultat catastrophique…. Ratsiraka a dépouillé Madagascar ainsi que sa fille , alors STOP, on n’a plus besoin qu’il recommence!!!!!!!
salut GBD,
j’aimerai tant être avec vous….mais je ne suis pas sûr ! mbola @ volana Mai ny Pentecôte,et je ne peux pas te le confirmer pour l’instant.
tu me gardes un petit bout de ton dessert quand même, on ne sais jamais…..
GBD,
c’est une spécialité ve ilay dessert » blanc mangé » ? tsara be ange ny cuisine créole ê! miaraka @ piment sy rougay hummmmm!!! saucisse dann rougay boucané !!!!!!sa cé bon saaaaaaa!
Aza manao resaka tsy misy dikany ry rasoa sy ny namany fa valio ny fanontaniana fa tsy hisy olona hanohana an-jambany izany eo.
Iza no nampiditra an’i Ratsiraka sy i Zafy amin’ity resaka ity ka ho lasa tahaka ny cote d’ivoire isika izao?
Maninona ny vahoaka malagasy no tsy manohana an’i Ravalomanana raha toa ka tena mety tokoa ny nataony?
Raha toa ka mbola tafajanona i Ravalomanana tsy efa voavarotra tamin’ny kely maso ve i madagasikara?
Dia mazotoa manohana an-jambany fa ny vahoaka malagasy tsy ho voafitaka fanindroany izany fa aza manofy ianareo.Mampihomehy tsy misy avaly akory fa fanatisme be tsy misy fandinihina.
Ny fanompana ny malagasy sy ny fahantrany tamin’ny fifidianana force one fanindroany koa tsy adino ankoatra ny famarotana tany amin’ny vahiny.Dia iza hono no adala mbola hamerina olona tahaka izany sady koa hamerina an’i Ratsiraka.Veloma ianao Ratsiraka+Zafy+Ravalomanana fa efa lasan’olon-kafa izao ny laka
SSSSSSSSSsH
inona moa mba hamalihana olona tsy mahatakatra ny dikany » PUTSCH » , « FRANCAFRIQUE » ?
y a rien à voir avec toi : circule…
GBD
Izany hoe olona tsy tia francafrique kanefa mampiasa teny frantsay vao mahatafavoaka hevitra toa anao ve no tena izy?
Ry vendrasaonina tsy mbola takatry ny sainy foana fa tsy mila an’io Ravalomanana io ny malagasy na nisy fanonganam-pajakana na tsia.Tsy manohana an’io mpamarotra tanindrazana io ny malagasy.Tsy nitazona azy fa navelany nihongana ary tsy adala ka hamerina azy eo koa.
Mampijaly zaza amam-behivavy no zavatra hain’ny mpanongana !!
Izy ity anie ry zareo tsy vitan’ny mitantara izay ataon’ny hafa fa tokony izay nataonareo aloha dinihina.Nety ve ny nataon’i Ravalomanana?Raha nety naninona izy no voadaka?Ary mety ve ny hiverenany?Raha mety maninona no tsy mila azy ny malagasy?Manaova be loha sy mafy sofina fa izany fomba izany ihany no nahatonga izao olana izao.
mahafinaritra ny miady hevitra raha misy ventiny, saingy toa mifandramatra fotsiny anie nareo e!asehoy ny fahendren’ny Malagasy, dia mivavaha mafy fa tsy maintsy misy surprise eo e! isika tsy misy mahalala izay avoakan’ny ampitso, fa an’Andriamanitra irery hany izany.ny anjaran-tsika dia mivavaka, manantena, mino, ary ny tena zava-dehibe dia ny faharetana.Mino aho fa tsy maintsy misy vokany ny fahanginana koa Mahereza ry Malagasy tia Tanindrazana rehetra dia ento am-bavaka ity firenena malalan-tsika ity.
titanity
marina ny voalazanao fa ny tena mampalahelo anie dia misy olona dia tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra mihintsy e! raha tsy hiteny aho ny @ fanana’olona dia robaina dia ny hevitr’olona angalarina dia tokà nana daholo ny zava-bita na dia tsy nafafinao aza sady tsy olona nahantra no tonga teo @ fitondrà na fa olona nanana ny naha-izy azy, dia tsy tokony nikitihana ny fananan’olona. Fa kosa raha nieritreritra aho dia efa lalana hitondran’Andriamanitra an’i Filoha Ravalomanana izao zavatra miseho rehetr’izao fa ho hitan-tsika eo ny tohin’ny tantara satria raha ny itako dia raha tsy nisy daholo ireny rehetra ireny dia tsy nisy ny fifohazam-panahy eto M/kara ka mino aho f’efa soridalana tsy takatry ny saina io e! ivereno kely ny tantara ao anaty Baiboly dia miangadia ny tantaran’i Josefa
titanity
marina ny voalazanao fa ny tena mampalahelo anie dia misy olona dia tsy misy fahatahorana an’Andriamanitra mihintsy e! raha tsy hiteny aho ny @ fanana’olona dia robaina dia ny hevitr’olona angalarina dia tokà nana daholo ny zava-bita na dia tsy nafafinao aza sady tsy olona nahantra no tonga teo @ fitondrà na fa olona nanana ny naha-izy azy, dia tsy tokony nikitihana ny fananan’olona. Fa kosa raha nieritreritra aho dia efa lalana hitondran’Andriamanitra an’i Filoha Ravalomanana izao zavatra miseho rehetr’izao fa ho hitan-tsika eo ny tohin’ny tantara satria raha ny itako dia raha tsy nisy daholo ireny rehetra ireny dia tsy nisy ny fifohazam-panahy eto M/kara ka mino aho f’efa soridalana tsy takatry ny saina io e! ivereno kely ny tantara ao anaty Baiboly dia miangavy antsika hamaky ny tantaran’i Josefa hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, n’inon’inona zavatra niseho teo @ fiainany dia tsy niala t@ Andriamanitra izy dia inona no niafarany tena fandresena goavana.Tsy mora anie ireny @ maha-olom-belona e!namidin’ny rahalahinao ho babo any an-tanin’olona kanefa rehefa izay no sori-dalana dia eo foana Andriamanitra e! koa raha tin-tsika ny hivoaka ho mpandresy dia ndao re hivavaka, ento am-bavaka ny Filoha Ravalomanana mianakavy sy ny Malagasy rehetra indrindra ity tanin-tsika ity.aza mikoropaka fa lalana efa nosoritan’Andriamanitra hoan-tsika io o! mahereza ary e!
FA IZA TOKOA IREO MALAGASY TSY TIA AN-DRAVALO E?
IREO NAHAZO TOERANA AO @ HAT SY NY MANODIDINA AZY ANGAMBA? TOERANA IZAY TSY MARIM-POTOTRA.
IZAHO ALOHA NA TSY ANY ANATY ANTOKO POLITIKA AZA DIA MILAZA FA TSY NISY NAHAVITA NY VITAN-DRAVALO.
I TGV MOA DIA TOHANAM-POTSINY MBA TSY HIONGANA HO AZY. TSY MISY ZAVATRA MAZAVA HATR@ IZAO NY AN’NY HAT AFA-TSY NY HOE AHOANA NY FOMBA IPETRAHANA @ SEZA ELAELA?
TSY MBOLA NISY FITONDRANA NOTOHERIN’NY OLONA TAHAKA ITY HAT ITY SA IZA NO AFAKA HANDISO IZANY ?
izahay nangalarany Tanimbary sy nofetsifetsena e! aleo ho tapaka izay ho tapaka fa tsy mila azy miverina
fa maninona iGasu be tsy mahafehy tenindrazana?ary le Kintana?
Antso avo :
Nankaiza i Nadia re olona O
Sao dia voasazy na voasambotra fa tsy hita intsony ?
Ny zanany (Kristelle) sisa no minatsanatsana
Mahay teny gasy noho i GBD ve i Domelina ? Ary izany angaha mahafehy ny tsy ho Tia Tanindrazana toa ny Mpivarotra Tanindrazana sy Mpamadika Tanindrazana sahala amin’i TGV ?
Ny gisa mangala ketsa indray ity no manao antso avo.
Oooooory fody an’ala oo
Aza mihinana ny varim-bahoaka ianareo ooo!!!
Kristelle, nankaiza Mamanareo ?
Nadia dit christelle dit SSSSsh
mahagaga no tsy taiavinao any ravalomanana , izay mpitondra nanaja teny gasy foana…tsy mila midedaka hoatry Rajoelina , perroquet reraka mamerina ny lesona nomeny Satanié .
Andry = Zanaky SATANié , Belzeboba kely .
Tiavo i Ravalomanana réééééééééé!ry tsipoy â .
MDR