
Plus de balles ?
Tapitra anio hariva ny «ultimatum» 48 ora nomen’ny mpiasan’ny fahasalamana ho an’ny fanjakana Fat hamahana ny olan’ny fitsaboana eto Madagasikara.
Mampitandrina ihany koa ny eny amin’ny oniversiten’Antananarivo ny amin’ny fanomezana azy ireo ny vatsim-pianarana haingana. Miakatra izay tsy izy ihany koa ny vidin’ny solika eny amin’ny mpaninjara solika, raha ny lasantsy SP 95 : 2930 Ar teo aloha dia lasa 3140Ar, ny lasantsy tsotra 2910 Ar lasa niakatra 3120 Ar ary ny gazoil 2400 Ar lasa 2600 Ar. Santionan’ny olana sosialy eto Dago fotsiny izany.Mivoaka sempotra ny Fat.
Ingahy Vital Camille mivezivezy toy ny firaka atakalo mankatsy Maputo, Addis Abeba, tsy ré tsaika fa manao toy ny dian’aloka, hirahan’ny Andry Rajoelina mitondra teny amin’ny maha tsy eo ny lehiben’ny diplomasia Malagasy.
Tsaroana etoana ny nitranga tamin’ny dinika saika natao tamin’ny Maputo III, hoy Ingahy Rajoelina hoe : «tsy hoany Maputo aho fa mandany volam-panjakana fotsiny ny makany», ankehitriny mivezivezy impiry makany Frantsa, Addis Abeba, Maputo, Lybie sns…dia averiko aminy indray ilay teniny hoe : «angaha tsy mandany vola indray izany ?»
Lany vola sy fotoana fotsiny isika vahoaka Malagasy miandry, nohon’ny tsy fahamatoran’ny Fat. Rehefa mitatao eo ambony lohan-dRy zareo ny sazy vao mikoropaka atsy sy eroa, rahampitso tokoa mantsy no hamoaka ny fehin-kevitra sy fanampahan-kevitra ny Gic amin’izay hivoahan’ny Madagasikara amin’ny krizy.
Raha tena manana risi-po «bonne volonté» amin’ny hivoahana amin’ny krizy ny Fat tsy izao no nitranga. Efa ela no nivaha ny olana, saingy variana «mitsambiki-mikipy» lava izao, natao ny fihaonam-bem-pirenena tamin’ny fotoan’androny fa tsy nisy vokany, nalefa resaka fifidianana solombavambahoaka fa tsy «tafa e !, izao indray arangaranaga ny réferendum, ilazany hoe averina amin’ny vahoaka ny fahefana. Naninona moa raha nieritreritra izany fitsapan-kevi-bahoaka izany no tsy nekena ilay tolok’hevitra naroson’ny Filoha Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny no izao ianareo vao mirediredy izany ? Tsy misy «fika» intsony io e ! Ny fampiharana ny satan’ny Maputo sy tovana Addis Abeba ihany no lalan-tokana hivoahana amin’ny krizy.
Lany bala i Andry Rajoelina ka mitady hiala-bala indray anio hariva hampiesona ny vahoaka, hanao valan-dresaka amin’ny mpanao gazety mantsy izy anio hariva. Ho henontsika indray izay mba «hevi-dravina» arosony sy ireo mpanolotsainy. Fotoana izao hanaovany toy ny nataon’ny filoha Ravalomanana, « mifona » amin’izay tsy nety be dia be
nataony, tsy madio tanana ireo mpitondra mampidikizo ny firenena :  «Ny heloka hibabohana anie mody rariny fa ny rariny hitopoana mody heloka e !»
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:

Nifona tokoa Ravalo kanefa tsy nahazo famelan-keloka fa fandrahonana ho faty no natao . Hifona ve andry ??? handohalika angamba ka hilaza ny tsiambaratelon’ny frantsay rehetra ho fanta-poko fanta-pirenena ; hamerina ny volam-bahoaka nangalarina rehetra ;hamelona ireo kamboty tamin’ny 26 janvier ; 6 février sns.. rehetra ??? Matahotra aho hilaza aminareo fa tena tsy hanonona ny vavako hilaza hoe mamela satria be loatra … tafahoatra ary tsy tahotra tsy henatra . Na i Ny Hasina aza tsy afa-bela fa mpangalatra ny volam-panjakana .Asa ny fotoana angamba no hangatahina amin’ Andriamanitra mba hanadiovany ny fon’ny tena satria tena tafahoatra e!
Hifona ahoana izy kanefa ianareo no nametraka azy teo hisolo an’i Ravalo?Adala ve ianareo sa mbola ankizy ka tsy afaka mitazona hatramin’ny farany ny safidy?Omeo manda roa 10 taona aloha i Andry mba ho tsapanareo tsara ny zava-bitany fa tsy vao manomboka dia mitabataba mikonaina.
Mba niandry aho hoe fametraham-pialà na no holazain’ny filohan’ny FAT tao amin’ny TVM. Hay fanizingizinana fa na ino-kidona na ino-kihatra dia tsy maintsy hatao amin’ny volana Mey ho avy izao ny fifidianana solombavam-bahoaka. Izay hono no vahaolana nentin’ingahy praiministra any Addis Abeba ka antenaina valiny mahafa-po satria ny vahoaka iray manontolo no efa mangataka sy manaiky io fifidianana io ary tsy azo atao takalon’aina. Milaza ianao fa tamin’ny fifidianana rehetra taloha dia novidiana vola 5.000 ariary ny vahoaka hifidy ny kandidà . Izany angaha no kasainao hatao ? Tsy novidiana ny safidinay nifidy ny Prezidà Ravalomanana fa tamin’ny fo feno fahatokisana azy tanteraka no nanaovanay izany.
Hono ho aho ndrematoa kely, fa iza tamin’ireto lazainao vahoaka moa no nitomany hanao ny fifidianana nolazainao ? Ny tenako aloha na tokana aza, dia tsy nangataka fifidianana parlementera mihitsy. Izaho angaha nangataka ny handravana azy ka no izaho indray no hitomany hoe hifidy ? Koa maninona raha haverina fotsiny izay efa teo ? Sa tsy zakanao fa ny mpomba ny Filoha Ravalomanana no maro an’isa tao ?
Iza no manao takalon’aina ny vahoaka izao tsy ianao miziriziry hifikitra amin’io seza nangalarinao io ka tsy manaiky ny soso-kevitra ny vahoaka iray manontolo, ny fikambanam-be iraisam-pirenena ny hampiharana ny satan’i Maputo sy ny tovana tany Addis Abeba ? Tsy ahoanao ndrematoa kely na ho potika ary ny fiainanay vahoaka Malagasy amin’ny fahantrana vokatry ny hadalanao. Satria ianao dia mila antsoina hoe « son excellence monsieur le président ».
Izao indray ny ministra nalefanao any Geneva dia mamafy lainga fa tena nahomby ny natao rehetra. Fahanana lainga foana ve ny vahoaka e ?
Ny fantatray dia : miala hatramin’ny fakany ny aviavin’i Betania, manaroka nefa tsy misy voany.
IL Y A ELECTIONS ET …ELECTIONS!
D’ accord, sur les dernières cartouches, de Andry Rajoelina.Mais, pas plus tard encore que ce soir, devant la presse, celui-ci a enfoncé la porte en insistant que » … et le vahoaka et la Communauté Internationale veulent des élections ( pour lui les législatives en mai ) ». C’ était au cours d’une conférence dite de presse; mais, où les journalistes n’ ont pas été autorisés à poser des questions. Bref, une conférence dite de presse mais pour tout le monde encore une fois « unilatérale ». Si j’ étais journaliste, j’ aurais posé la question de savoir s’il s’ agit « d’ élections consensuelles et inclusives ».D’ ailleurs, les journalistes ont souvent tendances à oublier cet aspect important de la question. Pourquoi insister sur des élections « unilatérales » que personne ne reconnaitra à la sortie; surtout, au sein de la Communauté Internationale.Dès lors, c’ est clair pour, TGV et tout ceux qui reprennent la voix de son maître, ce sera encore une occasion de dilapider davantage en détournant les deniers publics et ceux provenant de leurs financeurs. Par ailleurs, on assiste impuissant devant la déclaration de Miss Christine, à Genève, qu’il existe à Madagascar une » réelle liberté de presse pour preuve en 2009 , il y a eu une une dizaine de nouveaux titres de journaux en parution. « Mais, Madame la ministre de la Justice , 10 nouveaux journaux avec un tirage de à peine 40.000 exemplaires pour un pays de 20 millions d’ habitants ?!! Même un lycéen de la classe de 5ème trouvera votre argument de « aberrant » ; et quand la même Christine dit du haut de cette honorable tribune des Nations-Unies de Genève qu’il n’ y a que « trois journalistes qui ont été emprisonnés au cours de la Transition mais …pour des délits de droit commun ». Tiens, Madame, on ne savait pas que Didier , Lolot ( radio Fahazavana ) étaient jetés en prison pendant plus d’ un mois, pour un cambriolage, des vols de boeufs, des accidents de la circulation où ils étaient fautifs… Tout le monde sait que le motif de leur emprisonnement sans procès a trait à leur métier de journaliste. Pour Madame Christine, cela doit être une première nouvelle! Pauvre cloche! Allons, ce genre de désinformation la HAT en a commis à la pelle en un peu plus d’un an qu’ est ce que cela sera à la fin de la Transition?!
tsy mifona zany olona tsy namono olona
Rakotoson>>>
On est Bien d’accord !
Le hic c’est qu’il n’est plus necessaire de prouver que la HAT-Rajoelina a tort ou a raison, car de toute maniere, ils ne feront qu’à la tete de leurs maitres à penser, a qui, ils doivent OBEISSANCE, et surtout envers qui ils se sont engagés. : le Couple FRANCO RATSIRAKIEN
Le probleme est maintenant de trouver, QUI va appliquer les sanctions? et comment mettre hors d’etat de nuire, la HAT par les propositions du Parlement Europeen ?
La France ne lachera pas sa part ! quitte a donner une image positive a travers les discours de son President en Haiti, pour faire bonne figure devant la CI.
La France n’hesitera pas a se mettre en travers toutes interventions etrangeres autre que la sienne, l’Afrique etant une chasse gardée.
Et alors, ou elle poussera un autre poulain, ou alors, elle accusera Toute Nation qui interviendrait d’Ingerance aux affaires Africaines.L’incendiaire qui se fait passer en pompier.
Que TGV se permette de se rebiffer contre le Parlement Europeen, signifie qu’il y a derriere, une mesentente entre l’UE et le Parlement Europeen, d’un coté, et de l’autre, la France et le meme Parlement Europeen, l’UE etant sous influence francaise, et le Parlement europeen sous controle de l’ONU.
Alex Boulos>> misaora ialahy an’Andriamanitra fa sisa paty tany Ambohitsirohotra t@ 7 Fevrier nitondran iDOmelina ny dondrona rehetra tany.
Aleo aloha hanao betise eo DOmelina dia ho hitantsika eo izany Fifidianana hataony izany e. rehefa tonga indray ny volana May dia hanao conference de presse i Domelina fa ahemotra @ fotoana maha mety azy ny Fifidianana.
Miandry ny vokatry ny fivorian’ny GIC isika aby e, dia mba hita eo indray izay hapoakan’ny FAT.
Izao aloha hita fa manao tsipaky ny mila aina.
Ay tapakevitra ny hiverina an-tanindrazana ihany ny DJ dia nanao fausse animation teny Ivato izany…dia inona indray ny lainga marivo tototra natolotra na ny bitsibitsiky ny frantay ka tokony haverina ohatrin’ny boloky teny Ivato?
Ampiharo ny resolution ‘i UE, dia ho hita eo, fa lohan’ny fositra ve ny katolika ohatran’i DJ Andry sy OMAR? (miala tsiny amin’izay Katolika)ary jamba sy marenina ve ka tsy mahatsapa sy mahita ny fahoriam-bahoaka (ianao TGV sy foza io ao anatin’ny vahoaka mangirifiry?)
Efa lany bala, lany animation i DJ Andry ka mitady hanipy kapila izay efa loaka.
Ny zavatra asehony dia tsy mampino ahy ary tsy atokisako fa mifono lainga daholo na hifona aza.
salut!
fa iza ary no namono olona ?, iza no nitarika ny olona( foza ) nandromba t@ 26 janvier ireny ? iza no nitarika ny foza t@ 07 fevrier reny fantatra fa zone rouge ambotsirohitra ?
mba misainà kely alou fa aza dia miteniteny foana , ka miteny hoe tsy namono olona i andry , tompon’andraikitra BE DIA BE I ANDRY fa tsy afam-bela t@ io raharaha io na ho aiza na ho aiza !
i ANDRY NIRINA RAJOELINA NO TOMPONANDRAIKITRA AN’IZAO RARA ZAO E!
be mokony mitsy lery a! tena hita mitsy hoe: jiolahyboto DJ iany no mety aminy e?
tsy aleo ve mampadihy iany ry bady kely a ? zany no sahaza ho anao , mapirevy any @ boite iany
Asa na izaho no tara fa toa tsy hita intsony koa ilay nadia sy anti-ra8.Hita mihintsy hoe mpiasakelin’i lavanify,tsy hitondra vahaolana fa hanakorontana fotsiny
MAHEREZA DAHOLO FA TSIMAINTSY MISY FARANY NY ZAVA-DREHETRA E!
Kely sisa de vita i FAT e,efa mandrovi-tsihy ka mihapanapana ohatry ny jamba voa…..Tsy misy sôsy intsony ny kitapom-bolam-panjakana.Raha za inao Rajo mijanona eo @io toerana io ihany hinananao ny ……nao fa ny kil ane^ts’adala ary mbo matsiaro nôna e
hitanao ry Mao : i domelina angé fetsy be nga izy teny ambotsirohotra t@ iny fa le foza ( ilay lazainy fa vahoaka maro an’isa hihihihihi) no dondrona niakatra teny matimaty ( mampalaelo )teny fotsiny, izy ngé cocobe e!
toa mbola manizingizina hanao fifidianana iany ngé i bitro @ moi de mai e?tsy matahotra sazy hono izy
fa inona mitsy no tadiaviny e?
olona anakiray no miteny dia anaovanizy mianakavy tambabe ,aza matahotra fa mbola ho avy izahay mianadahy,azo faritana ve hoe oviana izany kely sisa izany,hatraminy taona lasa kely sisa tapitra hiany 2009 dia izao kely sisatapitra kou 2010 izany ve no kely sisa?
piasakelin’i bogosy izahay, fa ianareo iza no mankarama anareo eto?
zaay tsy misy manankarama fa fitiavanay ny tanindrazanay no manosika anay ato ô!
Slt tout le monde,
Hafatra kely fotsiny ity ho an’ireo mbola jamba sy minia manohana io FATIFATIN-JAVATRA io. Mba sokafy ny vômaso ry zareo an, aza menatra mihintsy ianareo ny hi-reconnaître oe efa tsy mety io FAT io, ny heloka hibabohana aza anie mody rariny eh,
Ianareo mantsy taloha kely teo, tene niseho milay mihintsy, tsy azo hiadiana hevitra, fa tonga de vavam-poza be, manoatra no mifamaly @’le olona mpiady an-tsena inreny. fa zao kosa dia tampona ny vavanareo satria efa tonga any am-bilanin’nareo mihintsy ny crise.
Dia mbola sahy manohana io fitondrana io ihany ve ianareo? nefa tsy nahazo n’inon’inona tany akory fa ny teo amp-pelatà nanareo aza nalainy?
Ilay mpiarra-miasa aminay ato aza tena olona alaiky io fitondrana io mihintsy fa tena niaiky ihany izy efa ho 1 semaina zao, oe aleo le dadanareo ihany fa tena tsy misy hilavana azy ty luck luck, lava nify, mahia, kaozatina ity.
Teny fampieritreretrana izay tsy mbola tonga saina ireny
Mazotoa daholo de Mampirisika antsika zanal’i Dada Ra8 rehetra, hazoto hatrany, ary tsy hilefitra amin’izao efa kely sisa tsy andrin’ny hafa izao!
Homba antsika anie Andriamanitra!
Atolotro manonkana ho an’ilay manao SSSSSSSSSHHHHH ary ambony ary ty taratasy ity!
za lesy menatra ra ohatra ka milahatra amin’ireny akaman’lisany ireny. refa misy fivorian’lisany (foza) zany, de tsy haiko aloa ela io na dia le ohatra ny 4mis ireny na de le madiodio, fa raha ny fahitako azy aloa de mba le isan’ny madiodio, matoa mahatakatra mandefa mail ato amin’ity firesahana ity!
de tsy mahakivy an’la ve ny hataon’ny olona hoe »FOZA ORANA ELA »? tsy aleo mba hantsoin’ny olona hoe »IRENY NY ZANAL’I DADA AN »
Aveha hitondra a oe! havela hitindra!
Koa ratsy ity CD ity firenena ka ahodikodin’la ato anaty maizina (boîte de nuit) lava izao,
Ampy lesy izy 1 an nitondrany izay an,
Inona zao ny zava-bitany?
-Niakatra ny retraretra
-Noana ny mponina
-Namidy @ Frantsay ny Tany Malagasy
- Ny mpangalatra mitobo isan’andro
-Ny mpiasan’ny Zone Franc lasa mi-kill eny amoron’dalana ( mba mandehana moa arivariva, côté 67 ha est, analakely, tsaralalana, Anosibé,sns)
- sns ……………….
Eny fa na dia le soratra hoe « ANTANANARIVO » ery ambony ery (Ampahamarinana) aza dia efa tsy hita intsony ny nanjavonany.
Tena mampalahelo!
za alou tsy hiobva hevitra izany e! raha tsy hoe lova izy ity kou
Nadia
ma petite cucurbitacée…
On t’a dit et répété moult fois que personne ne nous paie pour intervenir sur ce site…
Vao anikeo maraina aho no niresaka tamin’ny foza iringiriny hatramizay fa tena nivadika lery kle.
Aiza ve ozy ka là lana auto zao ka hanaovana tsena, ny zavatra efa hita zao fa tsy mety mbola hisisihana iany, ny sanctions efa alefan’ny CI mbola tsy rarahina iany le fiainan’ny gasy kely, hatramin’ny baolina tsy hitan’lery nahatezitra azy. Izaho ndray no tsy nahateny fa nihaino fotsiny ny atezeran’lery.
Ozy aho hoe zay fa miverina tsikelikely ny sain’ny foza donto taloha. Niverina fa mbola tsy tafaverina tsara e.
Mba mieritrereta amizay ze foza fa saina tsy tonga amizao tena tsy tonga ntsony ary tsy ho hotafaverina amin’ny laoniny ntsony koa
tena lany bala mihintsy sady tsy hita tsony zay aleha ka dia hatao forcing sisany e!milaza rajoelina fa tsy matahotra raha milatsaka ny sazy, avy eo ndray anefa dia tady hitomany fa hoe,misy mihintsy ny mangataka ny mba hilatsahan’ny sazy nohon’ny fankahalà na olona iray(tsy iza fa lery io akahalain’ny olonaio),zaho aloa tsy mankahala azy fa raha mbola misy dégré ambonimbony kokoa mihoatra ny teny hoe mankahala dia toa izany mihintsy zaho, na ny mijery ny sariny aza mampivoaka ny tandimeriko; dia mba mody hoe tsy tokony ny vahoaka no hatao otages kanefa dia izy zao mihintsy no manao otages ny vahoaka @ ty fiziriziriny @ heviny zay efa tsy ankasitrahan’izao tontolo zao ity, lay antidahy RATSIRAHONANA devoly be iny amizany mitokikikiky maharikoriko na ny mijery azy aza, tena hita mihintsy hoe tarehin-devoly, dia aleo hanao ny tsy fanao eo dia ho hitany kely zany , zao vahoaka vahoaka zao foana, vahoaka taiza?? , tsy zahay mihintsy aloa zany vahoaka lazainao mitady fifidianana zany, ny an’ny vahoaka dia tokana ihany ny hetahetam-pony dia ny fialà n’ny FAT sy ny forongony mba hiverenan’i Madagasikara ho tany tandalà na fa tsy hanjakà n’ny faikam-boto mpanongam-panjakà na, koa dia ho hita eo zany ianao mahazaka sazy zany andriamatoa rajoelina, indrindra fa ny sazy avy amin’andriamanitra, ianao sy i Jodasy mpamadika no mitovy ary hiafara toa an’i Jodasy koa ianao Rajoelina, ho an’ny zanak’i DADA rehetra aza mitsahatra ny mitolona fa isika tsy maintsy mandresy e!
lanjou>>>
Tsy mahagaga intsony izany r’i lanjou a ! Maro anie no efa nivadika niala t@ Rajoelina e! Fa tsy mahasahy miteny.
Ny titre ho entiny dia hoe Legalistes daholo izy izao, fa kosa mahasahy miteny hoe AntiRa8.
Izany hoe AntiRa8 izy sady antiTGV, fa legalistes hono : ny fototr’izany dia mamorina hevitra vaovao hazoany tombo-tsoa.
Maro amin’ny manoratra eto no toy izany ry havana isany. Tsy hilaza mihitsy hoe manohana an’i Ra8 ny legaliste, fa milaza ho legaliste fotsiny…mba tsy ho fantatra hoe TGViste taloha.
Gasy be! ahy fantanao izany izahay kou tsy misy mandoha fa hevitray sy ny fitiavanay Tanindrazana no manosika anay hamoaka hevitray
lasa any Madagascar angamba i Kintana ve ry Gasy be?
tsy mino aho hoe bedabe ny niova ny ahy fantako dia ny olomarina tsy mivadibadika toy ny Tanala ka miovaova loko
SLT RY AKAMA A!tena hitako daholo ny hevitry ny zanak’i DADA R8. FA TENA TSARA KA IZAO E:ANDEHA VORIO NY HERINTSIKA REHETRA HANOHITRA IREO MPANDROBA IREO ( NY FOZA) hararaoty @IZAO FA LANY BALA AZA AVELA HAKA INTSONY FA SAO DIA ELA FITERY RONONO ETO ISIKA KA HIFOTERAN’NY RAMBONY, (OHABOLANA NATAMBATRO IREO IZAY EFA HAINAREO TANTERAKA DAHOLO NY TOHINY )ISIKA TSY NIFIDY OLONA TSIAMPY TAONA SADY TSY MAHA-FEHY NO TSY MAHAY MITANTANA ARY TSY NAMPIDITRA NY OLONA MBOLA TSY NIKATONA LOHA-MALEMY TOA NDRY BOAYKELY DJ.MIVONONA FA HIETSIKA ISIKA ZANAK’I DADA E! MAHEREZA FA NY TOMPO JESOA HOMBA ANTSIKA REHETRA
Io Nadia G io, isan’ireny TGViste be nafanafo ireny, fa mijanona antiRa8, satria tsy navita azy, na izy na ny avany.Sur mitsy fa mbola misy hafa.
Lanjou
any misy havako izay tgvista nafana…mitomany aminy izao fotoana izao…
Izaho kaloha dia : NANDATSA é !
Ataoko fa nahazo ny manjo azy ireny,
ny vahoaka tsy nitady loza ………
Tsy tantiko mahatsiaro fa ny « fahamahivan-doha »n’ irey olona ireny no nitarika ny tanindrazana an -davaka !
Salut !
ho an’i nadia G ty a!
ay aza tonga saina iany e,
mba mieritreretà fa zany ve no atao hoe: fitiava-tanindrazana ?ny fampinjaliana ny vahoaka , sy ny fahantrana mitombo ve no atao fitiavana tanindrazana mampalaelo ana enao io !MARINA E!
i Bitro ngé zavatra misy devoly e!
ka rariny ra manao ohatra an’io e! tena tandroka sisa no tsy misy e
ho entin’ny fanahy ratsiny izy dia manao an’io ataony io fa andalan’izay mbola manaraka an’azy ,
MIVAVAHA mafy ianareo raha tsy izany dia tonga aminareo kou ny devoliny