Fitiavan-tanindrazana

11 février 2010

.

11 febroary 1975 – 11 febroary 2010 : 35 taona lasa izay no namonoan’ny tsy valahara an’i Kolonely Ratsimandrava Richard. Mifono mistery ny nahafaty azy, « tsy hiamboho adidy aho mon Général » anisany teny nampalaza azy manoloana ny fanomezana andraikatra azy izany.

11 febroary 1990 – 11 febroary 2010 : feno 20 taona anio ihany koa ny nivoahan’ny Nelson Mandela ny fonja rehefa nigadra nandritra ny 27 taona ho fikatsahana sy ady amin’ny fanava-kavaham-bolon-koditra. Niady hoan’ny fahafahana, ary lasa nalaza eran-tany ho mariky ny « fampihavanam-pirenena » mihitsy  » .Il est devenu le symbole de la politique de réconciliation. »

11 febroary 2010 : mitady olona tia tanindrazana tahaka azy mirahalahy ireo ny firenena Malagasy, olona mahafoy ny fitiavam-bola, fitiavam-boninahitra, fitiavan-tena, mahafoy ny ainy mihitsy aza raha izay no ilaina.

Fitiavan-tanindrazana

Manjaka loatra eto Madagasikara ny politika maloto,  « politika foza orana » tsy hita taratra hatreto izany hoe : « fitiavan-tanindrazana » marina.
Mila mijoro tahaka ireo zoky teo aloha isika mba hampiseho amin’ny firenentsika izany hasina sy soatoavina lehiben’ny « Fitiavan-tanindrazana » izany. Aoka tsy ho teny filamatra fotsiny ny hoe « hoan’ny Tanindrazana », fa mba hirakitra ao am-po tokoa, ka arahina asa .Izay rehetra mampiseho izany « fitiavan-tanindrazana » izany mantsy dia enjehin’ireo fahavalom-pirenena, diniho ny tantara ! ny Filoha Ravalomanana  no ohatra akaiky indrindra, raha vao mampiakatra izany ambom-po maha-Malagasy izany  dia vava-basy no miandry. Mila Mandela sy Ratsimandrava ary Ravalomanana ny Firenena Malagasy amin’izao fotoana izao, « mifohaza ry mpiray Tanindrazana…hoan’ny Tanindrazana ».



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. F.I.S.aonan-pirenena
  2. Mihoson-dra ny fitondrana FAT
  3. Une autre voie ?
  4. Rajoelina sy ny tafika no tompon’antoka
  5. Kilalaon-tsaina

21 Comments

  • fandresena tena izy dit :

    Ny atao hoe Fitiavantanindrazana = Fitiavana ny mpiray tanindrazana izay aina noforonin’ Andriamanitra + Fitiavana ny Tany navelan’ny razana +Fanomezana hasiny ny tenindrazana . Ireo no toko telo mahamasanahandro . Koa isika Malagasy aty an-dafy mandrapahoviana no hitazona ny fomba fiteny hoe : miarahabarahaba tahaka ny gasy vao tonga . Tsy fantatro mety ho diso ny fijeriko fa rehefa nandinika lalina aho dia ny Malagasy eto frantsa mihintsy no manimba an’i Madagasaikara . Porofo : tsy afaka niray hina nanao action akory nandritra ny fandalovan’ilaykely teto . tetika efa voalamina mialoha ve sa naninona ? sa mahathotra ? ary raha matahotra dia matahotra inona ? kanefa ny mpiray Tanindrazana amin’ny tena isan’andro dia basy no atrehina kanefa tsy mety milavo lefona fa mikiry mitolona hatrany . Zara fa mihina-kanina fa sahy . Fa isika eto frantsa mba ahoana ? Efa miharihary ny ataon’ny frantsay fa tsy miafina intsony ; ka inona no atao ? aiza ny Fitiavantanindrazana ? matahotra ny vary iray vilia anio sy rahampitso ve ka tsy afaka hibanjina ny 100 taona manaraka sy ny taranaka arivo mandimby ? dia ho zakan’ny saina sy ny eritreritra ve hoe reha tafajanona eo andry dia ny frantsay no ho sefo etsy sy eroa fa ny Malagasy dia adjoint na ny ambanimbany noho izany kanefa dia diplaoma mitovy ihany ? Ny dibera sy ny fromage dia ny an’ny frantsay no tsy maintsy vidiana fa ny an’ny Tiko nopotehina sy izay hafa koa ? Koa sahia andeha hiara-dia
    Aza kanosa fa avia … Fa matoa manan-karena ny firenenan’ny olona nisy olona sahy tao ary vonona . Atambaro ny hery ! Momba antsika Andriamanitra

  • nadiagrondier dit :

    mbola hisy ve olona toy Tompokolahy Ratsimandrava?manahy aho fa tsy hahita intsony isika

  • gasybe democrate dit :

    Madame Ratsimandrava,
    je partage à votre peine , en ce jour de souvenir de l’ASSASSINAT de votre mari…
    Oui un ASSASSINAT , dont on subodore le responsable:
    à qui profite le crime ?
    En tout cas , madame, votre époux fut un grand homme en qui beaucoup avait placé un peu d’espoir pour notre pays sans cesse malmené depuis la colonisation…
    Je vous adresse encore mes hommages les plus respectueux .

  • gasybe democrate dit :

    rectif: je partage votre peine (sorry)

  • gadas dit :

    madagascar satria malagasy tsy fankatia sady
    tiavola toy izay tanindrazana anefa ny pays europeen
    mandroaka ny malagasy aotra aboa

  • gadas dit :

    madagascar ny malagasy tsy fankatia sady
    tiavola toy izay tanindrazana anefa ny pays europeen
    mandroaka ny malagasy aotra alika satria pauvre!
    malagasy naive reveur tsy mala ny sarobidiany ny
    ny tanindrazany sy firenenany ny president dia miady ny seza hoany honneur seza fa tsy honneur hoany peuple malagasy !

  • KintanaMananDrambo dit :

    Mba efa nisy firy aza, izay pseudo-n’i nadia izay ry GBD ? Hono koa ry VTVkely ?

  • Verohanitra dit :

    Indrisy mantsy ! Satry tokoa ny mba hanana mpitondra vonona handray andraikitra, tsy miamboho adidy, mamy hoditra tamin’ny fokonolona sy ny firenena toa ny Kolonely Ratsimandrava. Satry tokoa ny mba hanana olona mangetaheta fahafahana toan-dry Nelson Mandela ary tsy nanaiky raha tsy tonga amin’ny tanjona niriany.
    Satry tokoa ny mba hanana olomanga, tena niezaka hampandroso ny firenena toa an’i Prezidà Ravalomanana.
    Kanefa dia toa zary nofy daholo izany. Ny ratsy mahazo vahana lalandava, ela velona, be vola. Izay miezaka hanao ny tsara, vonoina, gadraina, ravàna fananana, aratsiana isan’andro vaky. Tsy natao ho an’ny olo-marina va re ny fitondrana firenena sy ny fanaovana politika fa ho an’ny malama vava sy ny mpandainga ary ny mangetaheta voninahitra sy vola ihany ?

  • Alidera A.R. dit :

    Les 35 années qui viennent de s’écouler montre tois choses : les malagasy ne sont pas persévérants et menteurs, ils ne sont pas avides de vérités tant que ça, ils n’existent que pour leur ventre.
    Peut-on laisser passer comme ça le meurtre d’un Président au nom de l’unité nationale? où en est cette unité aujourd’hui? unité dans le mensonge? unité dans la médiocrité? l’unité dans la division?
    Pire, ce meurtre non élucidé est l’origine de toutes les déviations dans ce pays au même titre que la trahison des membres du PADESM en son temps.
    Pour finir, le seul point commun de ces trois hommes est leur détermination et leur volonté de développer leur pays respectif.
    Toujours est-il que tout le monde sache et comprenne ce qu’est « développer » et ce qu’est le « développement ».

  • Alidera A.R. dit :

    Dia misaotra an’i maydago aloha nanisy fahatsiarovana kely an’iny vanim-potoana iny.

  • Verohanitra dit :

    GBD !
    Efa maty efa ela ny vadin’i Kolonely Ratsimandrava.

  • Fred dit :

    Miray fo st saina amin’ny rehera aho amin’ny fahatsiarovana an’iItompokolahy Ratsimandrava, izay tsymba nisy fampahatsiarovana na indray mandeha fotsiny aza tamin’ny Tomponandraikitra Ratsiraka.

    Isan’ireo matimaty foana tsy mba nahazo ny voninahitra mendrika azy ny Colonel Ratsimandrava noho ilay Fitondràna nipoitra tamin-KERY tao aorian’ny Nahafatesany. Aoka hazava ny resaka. Fa na izany aza, tsapa fa namela ratra tsy hay vonina amin’ny fon’ny malagasy Tia Tanindrazana ny fahalasanany.
    Mba aiza amin’ireny ny voninahitra sy haja misy amin’ny Gendarmerie amin’izao fotoana re e ?

  • nadiagrondier dit :

    angaha?toa mbola velona ny vadin’ny Tompokolahy Ratsimandrava 2004 nialako an’ny Madagascar mety efa roa taona lasa ve no nahafaty azy?

  • ony dit :

    ENY TOMPOKO MILA OLONA TOA IZY TELO LAHY IREO ISIKA MALAGASY TENA TIA DIA TIA MARINA TOKOA AN’I MADAGASIKARA TANINDRAZANA MALALA ANTSIKA IZAY TSY TIA NY FANAON’IREO MPAMADIKA SY MPANONGANA FANJAKANA … MASINA NY TANINDRAZANA ! HO ELA VELONA ANIE I MARC RAVALOMANANA ! MIANDRY AZY NY FIRENENA.

    MIONDRIKA AMPANETREHANTENA NY TENANAY MAHATSIARO NY NAHAFATESANA NY FAHATSIAROVANA NY FITIAVAN’I TOMPOKOLAHY RATSIMANDRAVA AN’NY FIRENENA MALAGASY!

  • mamandy dit :

    mila Mandela sy Ratsimandrava!! eny fa raha oe mila ravalo aleo tsy misy. tsy mila ravalo na rajoelina i MADAGASIKARA fa mila « leader » tia tanindrazana sy « homme de parol » fa tsy mpanao kabary ambony vavahady toa an-dravalo (miala tsiny @’lay fomba fiteny), manan-karena i Madagasikara fa ny olana dia tsy misy ho an’ny MALAGASY izany na ny kely aza fa lasa any @ paosin’ny ‘politicien soit disons « malgache » (fa tsy MALAGASY). TSY MILA RATSIRAKA KOA). Satria samy efa nitondra teo ireo fa tsy nisy nampandroso na ny iray akory aza fa vao maika nampiletika (« mandroso mankany aorina i DAGO »)

  • nadiagrondier dit :

    Bravo mamandy

  • Arivolahy Tsy Maty Indray Andro dit :

    Mamandy:

    Afaka mba omenao ve olona ohatran’ny ahoana ny « leader » tia tanindrazana sy « homme de parol » aminao mba ho fantatray?

    Inona no atao hoe fandrosoana aminao? Ny lavaka natao ny 1896 ka hatramin’ny 1960 ve voatsentsina ao anatin’ny 7 taona? Ny lavaka natao ny 1975 ka hatramin’ny 1992 ve ho voatototra ao anatin’nt 7 taona? nY LEADER HERITRERETINAO IO VE METY ahavita izany?

    Bon Dimanche

  • nadiagrondier dit :

    andramo alou ny manontany Kristianina va ianao?

  • KintanaMananDrambo dit :

    Moi, « homme de parol » ! OK ve, ry Nadia-mavandy ?
    MDR !!!

  • gasybe democrate dit :

    « parol » « parol » ???
    sao dia « fan » , « groupie » i itompovavy Dalida izy io ?

  • gasybe democrate dit :

    Miala tsiny indrindra…
    haoka tafita any aminy taranany ny fahantsiarovana sy ny halahelo.(hommages)

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site