Loa-bary an-dasy II (version Hat)
Tsy vaovao fa toy ny omaly tsy miova ihany, izay raha ny kabary nataon’i Andry Rajoelina omaly alina. « Manasa ny hery politika rehetra tsy an-kanamavaka miaraka amin’ny fiaraha-monim-pirenena hanatrika ny atrik ‘asa ny 04-05 martsa ho avy izao ». Tsara aloha rehefa mahatsapa fa tsy maintsy iaraha-mitantana ny Fanjakana fa raha jerena amin’ny zavatra nataony dia tsy vonona amin’izany izy. Mbola ny « unilateralisme » foana io na inona lazainy na inona ambarany satria avy aminy samy irery ny hevitra sy ny fanapahan-kevitra, efa nanao «conférence nationale» in-droa teny Ivato. Ny vao haingana ilay nokarakarain’ny Mediatioran’ny Repoblika fa tsy nahitana ireo hery politika mpanohitra tany ary namoaka fehin-kevitra fa ny volana mey ny fifidianana. Efa nanao ny azy koa ny hafa toy ny «loa-bary an-dasy tsy manavaka» izay nanambara fa ny fampiharana ny Maputo ihany no vaha olana, tsy nisy tamingana Fat ihany koa tao, izao «teny ifampieranana» indray, toa ny anarana fotsiny no niovaova fa tsy nisy vokany teo amin’ny fiaraha-mitantana ny Firenena izany. Nanamafy hatrany Rajoelina hoe : «tsy mety ny cohabitation, tsy mety ny fiaraha-mitantana amin’ireto Kapiteny telo lahy». Ny fifanarahana efa nataony sonia teo imason’ny mpanelanelana iraisam-pirenena aza tsy noraharahiany koa mainka fa izay teny ifampierana. F’angaha moa tsy efa nifampierana daholo ireny satan’ny Maputo sy tovana Addis Abeba ireny vao natao sonia ? Tsy nisy dikany tamin’i Rajoelina no nandaka sy nivadika tamin’ny sonia nataony.
Matahotra sazy ihany Rajoelina
«Vonona hanokatra ny andrim-panjakana amin’ny hery politika rehetra aho» hoy izy. Raha io teniny io aloha dia toa fatahorana sazy avy amin’ny GIC fotsiny no nahatonga azy hiteny izany, mivadibadika lava toy ny lela may. Vao ny marainan’io izy no nanendry an’i Hyppolite ho Praiminisitra lefitra, koa hisokatra amin’ny ahoana e!
Raha tena vonona hisokatra amin’ny hery hafa marina izy maninona raha naverina tamin’ny toerana maha-Praiministra azy Mangalaza Eugène izay Praiministry ny marimaritra iraisana ? Tsara ny fisokafana fa tsy atao am-bava fotsiny. Efa fantatra ny vahaolana amin’ny fivoahana amin’ny Krizy eto Madagasikara dia ny fampiharana ny Satan’ny Maputo sy ny Tovana tany Addis Abeba. Koa aza mitady hevitra hafa intsony fa lasa « faux problème » izany. Fandrebirebena daholo ireny. Mpitari-bato vilam-bava Rajoelina ka hafa no tondroin’ny molotra, hafa no tondroin’ny tanana.
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:












Fandrebirebem-bahoaka io ! Very saina sy lalana, dia mirediredy. Izay nifanarahana tany Maputo ihany no ady eo ! Rehefa tsy hanaraka an’izany ny mpanongana, dia mitady ny sazy no dikany. Ry zareo ihany no efa nilaza koa, fa tsy matahotra an’izany sazy izany !
Hanao fivelarana hoe, ho sokafako hoe !! Ka raha tsy inona izy ity !
rajoelina est aux abois et essaie de dissimuler son désarroi !
Il brasse de l’air ;appel d’une réunon des forces vives., envoi de médiateurs par ci par là et hop !il croit ainsi pouvoir endormir ou distraire les Malgaches !
Qui sont donc ces forces vives qu’il veut rassembler ?
-les trois autres mouvances ?
-le TIM ?
-l’aréma ?
-le MFm ?
-la société civile
-le HMF ?
-lss chômeurs ?
Et où se rassemblera ce beau monde virtuel ?
rajoelina n’ a plus aucune notion des réalités..!
Il veut faire croire qu’il refute les accords de MAPUTO et ce rassemblement virtuel fera un bon contrepoids ,une bonne réplique et il pourra sortir de rassemblement la solution miracle pour résoudre tous les problèmes qu’il a créés en un an !
Tiens ,! Au fait qu’a-t-il fait pour le développement du Pays en an ?
.60 %..alors qu’en 2008 ,ce taux a été évalué à p7% au moins !
Où en est-t-il pour la démocratie qu’il a révendiquée et a constitué une des raisons de coup d’état ?
Qu’a-t-il changé dans la vie quotidienne des Malgaches avec un taux de croissance en dessous de zéro
rajoelina epsilon n’est qu’une tête claques et mérite de bons coups de pieds au cul..!
Ce qui est très intéressant c’est de bien lister les gens de lasse politique quivont à ce rassemblment des maty an-drano ka miantso vonjy !
Dans la situation où il s’est mis rajoelina est resque obligé de faoire du cinéma de s’organiser et d’orgahiser des spectables (conférence de presse , rassemblement des forces vives…)
Ses simagrees ressemblent à des appels du pied ,à un aveu de son impuissance à surmonter son échec..il attend sur le bord de la route des gestes magnanimes d’un bon samaritain , qui aurait la charité de lui donner la main : il attend ce geste..mais il ne fera pas le premier pas..!
Nous verrons !Il existe des aventures qui se terminent pas toujours glorieusement !
rajoelina et ses acolytes apprennent à leurs dépends !
i Kintana dai tsy mba mitadu marimarika iraisana fa nahoana?efa nosokafany kou inona?tiavo ny Tanindrazanao
Na misokatra tahaky ny inona aza, rehefa maloto sy masiso, dia NIET !!
Ny solution efa hita, efa nanao sonia na ny mpanongana aza ! Ka inona indray no mbola tadiavina ?
aza miala @ maro
TENA HISAORANA SY DOKAFANA IANAREO MPITOLONA AN-TOERANA.
Ianareo no tena tompon’andraikitra
ianareo no tena misikina
DIA HISAORANA TOKOA TOMPOKO
MAHEREZA
NadiaRakrisy, aza miala @ maro, manova speudo, mody mampitombo isa « virtuel » « TSY LASA » !!!
Fitondram-panjakana mioriana amin’ny conference no misy eto Madagasikara. Tena mafy rehefa vendrana, efa firy izany ny fikaonan-doha natao teto nefa inona no teo. Efa nanao fikanonan-doha teo daholo na ny miaramila na ny mpitarika posy nefa inona no vokany. Volam-bahoaka foana no lany fa ny vokatra zero. Ny mahagaga koa dia ny mahita ireo vahoakan’Antananarivo mahita izany fampiasana ny volam-bahoaka amin’ny tsy misy antony izany dia mbola mangina ihany. Matsatso loha tahaka ny vary. Lazaina fa tsy ilaian ny fifanarahana nefa nahoana no nandany volabe nandeha antsokosoko indrao miantoana tany Afrika??? Aoka mba hanana fanetren-tena ny mpanao politika ka mba hanaiky rehefa hita fa tsy vaotana intsony ny fahefana mba hahamora zavatra fa aza matikambo.
Isika dia tsy miala amin’ny satan’ny Maputo sy Addis Abbeba na inona na inona fa tsisy fotoana holaniana amin’nizany fisokafa etsy sy eroa izany e!
Ary tandremo isika sao manao « sentiment » aminy eo an ! mody mifonafona sy mampalahelohelo eo nefa ny tetika maloto dia ao foana ary tsy miala . Tsy miady tsy miady nefa ny kibay an-kelika ihany .Ka raha tena tia Tanindrazana dia tsotra ihany lazaina an-dRadomelina : Ampiharo ny satan’ny Maputo sy addis abbeba dia milamina isika !
Efa ela no fantatra fa tsy alehany io bandy io. Tsy misy vitan’io eo. Te-hiala izy io fa voafatotry ny miaramila mpihoko sy ny reniny Lafrantsa. Diso paika Lafrantsa. Raha ny marina, izany fitondrana tetezamita izany dia fitondrana efa nilaozan’ny toe-trandro(paramètre tsy izy intsony)satria mitondra avy hatrany any amin’ny fitokana-monina. Inona moa ny olana raha niandrasana ihany ny roa taonan’i RA8? Saingy tsy nety moa ny fiandrasana an’ilay roa taona noho ny faha 50 taonan’ny fahaleovantena izay hanavaozan’ny Lafrantsa indray ny fanohizany ny fanjanahantany. Raha mbola teo manko Ra8 dia vita hatreo ny an’ny Lafrantsa.
Aleo miditra amin’ny sazy fa izay no lalana tsy maintsy hizoran’izao fihetsikao izao ry ingahy kely a! Hianao miseho milay nefa tsy alehany. Aza omena vola intsony ireo miaramila ireo, dia afaka miala sasatra any ambany rangolahy ianao.
Izahay tena mpitolona isan’andro koa aloha dia tsy mila an’izany hatrik’asa hatrik’asa izany mihitsy ê!
Aminay ianao tsy misy dikany,eo hanatrehan’izao tontolo izao ianao tsy misy dikany,donc tsy ianao Rajoelina no manendry daty sy ny inona fa hiaraha-mikaon-doha ny rehetra:charte de Maputo sy acte ad. d’Addis Abeba ihany no hiaingana.
Ny an-koatra an’izay dia fandaniana andro sy fandaniam-bola amin’ny tsy misy fotony.Impiry izay naketsy nankeroa kanefa ny mazava dia tsy misy hafa tsy MAPUTO SY ADDIS ABEBA ihany fa inona loatra no tena hatahorana tsy hampihatra izay efa natao sonia.
Hiara-hitantana ny firenena miaraka amin’ny mpanongam-panjakana ?
Hiaraka hitantana ny firenena miaraka amin’ny mpanitsakitsaka,ny mampitondra fahoriana ny vahoaka ?
Hiara-hitantana ny firenena izay manao tsinontsinona ireo firenena rehetra manameloka izao fitondrana izao ?
Jinjao ny nafafy ry tsy mataho-tody !
Manala azy
MAKASITRAKA Ê !ARY HISAORANA
MAHEREZA
Baby â
GBD dia izao hiany , nifafan’dry zalahy ilay gasydedemocrate , dia nofohizako GBD , fa tsy mihafina hoatry tsipoy kely akory.
kisses
Tsy manaiky re izy fa ho verykapoaka ary ho latsaka anaty rano daholo ny projets rehetra. Ary ity renimala koa dia tena dondrona. Ny escalage efa ABOLIA koa mbola wawawa iany ! Tokony haverina hampianaina azy ny ohabolany : « Mieux vaut un mauvais arrangement qu’un beau procès » !
Sao dia hitady tombony eo ka hatombony izay vao hoe : » Si j’aurai su, je ne serais pas pas venu » sy ny hiran’ny Antillais : « SI JE S A V A I S » !
« … efa natao ny fiaraha-mitantana… » hoy Rajoelina. Taiza izany?
« … fampihorohorana ara-tsaina… » hoy Rajoelina. Fa angaha mihorohoro?
« … mila averina amin’ny vahoaka ny fahefana… » hoy ihany izy. Fa angaha nisy naka tany amin’ny vahoaka izy io fa tsy ny vahoaka indray no nanome azy io?
« … vonona izahay,… vonona izahy… » saingy hatramin’izao mbola tsy hita ihany aloha izay tena là lany.
wawawa daholo izany ry Alidera â…
ils font exprès de faire trainer les affaires , espérant faire tasser la grogne …le temps aidant.
Mais dans leur bulle j’ai l’impression qu’ils sont complètement AUTISTES DANS LEUR CUPIDITE…
HAT = JIOLAHIM-BOTO, DAHALO, FAHAVALOM-PIRENENA, MATESA TSY VANONA
Assez divaguer Monsieur le président ,vos propos ne tiennent plus debout. Ils sont ineptes et propres à faire voler les mouches .Voici déjà plus d’un an que le peuple malgache attend de vous la concrétisation de vos promesses mirobolantes tant décriées sur la « Place du 13 Mai » Que récolte-t-on maintenant ? Comme vous aviez semé du vent, la tempête « redoublera ses efforts » sur le pays déjà à feu et à sang .
Quelle horreur avez-vous donc d’entendre ces 2 noms de villes: « MAPUTO et ADDIS-ABEBA » ? Vous donnent-ils le cauchemar à vous empêcher de dormir ?
Sachez, Monsieur le président que le peuple malgache tout entier en fait sa prière .
MAPUTO / ADDIS-ABEBA / MAPUTO / ADDIS-ABEBA .
iza ry Gasy be no miafina?mawola
Fanontaniana mipetraka ho an’ny rehetra .
Rehefa vita ny fifidianana rehetra, ary tafaverina soa aman-tsara ny ARA-DALANA, misy sazy tokony homen’ny vahoaka tena VAHOAKA, ho an’ireo mpanongana ireo ve ? Sa, dia vitan’ny « bisous-bisous » fotsiny, avy eo ?
Tsy hisy izany ny fanadiadiana, mikasika an’ireo zava-dratsy rehetra, nataon’izy ireo !
Araky ny filazany mantsy, dia ny vahoaka no manome ny fahefà na, ary dia ny vahoaka koa izany no tokony HANOME NY SAZY !!
ita fa zahay vahoaka no nanome fahefana azy kou,zahay hiany kou namonotena nampitsoaka an’ny Dadanareo
Iza no miafina ? I Kristelle multi-pseudos !!
Fantatro daholo !!
Mou tsizany v ?
Ho avaoka eto indray andro any ny sarin’i nadia-kristelle !
Aza gaga !
wawawa marina tokoa blablabla izay ihany no fantatry lavanify, koa raha mahery hianao tsy nifinao alou afohezina é, amboary io alou vao miseho ouaoauaou bbbbbbbbbbbbbblaaaaaaaaaaaa
odoye, miala dé ndà na manakany am-ponja fa izay no mendrika anao
« ….Mpitari-bato vilam-bava Rajoelina ka hafa no tondroin’ny molotra, hafa no tondroin’ny tanana. »
NY OMALY TSY MIOVA ARY DIA TSY MANDROSO FA NY EO HIANY NO VELESINA : …FANDREBY REBENA NY VAHOAKA MALAGASY FOTSINY. AMIN’IZAY ILAY TGV SY NY TARINY MPNONGAN-AMPANJAKANA DIA TSY TAHOTRA TSY HENATRA DIA MBOLA SAHY MIREDIREDY HIANY !
IZANY VE NY TOETRA DIA MBOLA MINO HIANY VE FA MENDRIKAN’NY HOENOHANA NY REDY REDY ATAONY ?
NY MARINA DIA TSY ITAN’IZY IREO INTSONY NY LALANKALEHA MANKO ANKEHITRINY REHEFA FANTANTRY IZAO TONTOLO IZAO NY RATSY NATAON’I TGV SY NY TARINY ARY SATRIA TSY MAINTSY AMPIARINAN’NY SAZY MENDRIKA’AN’IREO PUTSCHISTES TSIRAY IRAY AVY.
REHEFA RESY DIA RESY !!! NY VAHOAKAN’I ANDRIAMANITRA EFA MAHAFANTATRA HOE IZA NOHO FILOHA MARINA SY NY MILZAZA FILOHA NEFA SANDOKA… REHEFA MPANONGAMPANJAKANA DIA MPANONGAMPANJAKANA !!!AMPY IZAY !
TSY MISY MPIHENO AZY SY NY TARINY AFA TSY IZAY MBOLA TIA HIARAKAN’I MPIVAROTRA TANINDRAZNA MIARAKA AMIN’I FRANCAFRIQUE !!!!
SOA HIANY FA MANTSAINA NY VAHOAKA MALAGASY NA DIA TAO ANATIN’NY KRIZY MAFY DIA MAFY NOHON’NY NATAON’I TGV SY NY FORONGONY AZA !!!
MASINAN’NY TANINDRAZANA. DERAINA ANIE NY ANARAN’I ANDRIAMANITRA MIHENO NY VAVAK’ISIKA MALAGASY TIA TANINDRAZANA. AMENA
Fantatra fa tsy hande @ laoniny ny zavatra tenenin’i Andry, c’est un perroquet, izay asaina teneniny dia averiny fotsiny miaro lainga ka tsy tokony henoina na harahina…ny tolona mitohy ihany dia ny tsy fankatoavana sy fampianjerana ny mpanongampanjakana na ireo nangalatra fahefana ankeriny sy ireo mpiray petsapetsa aminy…efa mihidy tsikelikely ny varavarana ho azy na dia mihazakazaka aza ny frantsay manome hevitra isan-karazany ho azy.
GBD> Arabaina @ilay anarana.
Mila saziana ireo nanongana, aza hadino ilay nanao an’io izay tsy Andry irery fa na i Monja mipiripirina aza dia mila saziana ho fantan’ny ainy ny nahavoa ny malagasy toa azy izao ka nahafahany nanankarena tampoka raha niainga t@ fanaovana cheque sans provision izy.
Mila haverina eto indray ireo anarana namao fady ho fantan’ny taranaka sy fara aman-dimby.
Masina ny tanindrazana
Coucou GBD, Baby, Kintana, Ony et tous les amis forumistes !
Tsara ilay diminutif GBD ! Que deviens-tu Bab’s ? Arahabaina i Kintana tafaverina soa aman-tsara efa nisy nalahelo mafy mihitsy tato !
Fa izao, na hosokafany na hakatony ny fiaraha-mitantana, tsy misy miraharaha izany intsony. Efa tongotra mby an-dakana ity tsà mimpody intsony koa. Ny fampiharana ny satan’ny Maputo sy ny tovana Addis Abeba ihany no ady eo. Rehefa tsy hanatanteraka izany, dia avelao hiharan’ny sazy any.
Avelao ho tonga izay tonga, efa any amin’ny fahantrana lalina izao noho ny didohan’ilaikely ka hampiova inona koa izay fikaonan-doha any ?
Izao ilay Hyppolite dia manoro vohana hoe : »modia Ravalomanana » nefa etsy ankilany milaza izy amin’ny Prezidà Ravalomanana hoe : « atsaharo ny lainga ». Iza no mandainga, tsy ianao milaza fa nanao « auto-putsch » Ravalomanana nefa ny vavolombelona hafa nanatri-maso ary mbola tsy maty akory na nampijaliana aza ?
Ny fanirian’ny FAT dia ny hanala ny ain’i Prezidà Ravalomanana raha vao mody eo noho ny fankahalana efa tsy hay lazaina intsony. Ratsiraka angamba avelany hody satria nanampy azy tamin’ny fanonganam-panjakana nataony. Zafy koa mety horaisiny tsara satria mankasitraka ny fampihavanam-pirenena na dia tsy nasiany sirany aza Atoa Rakotovahiny co-président raha tonga teny Iavoloha hanatrika ny fivorian’ny ministry ny FAT.Kanefa mazava ny tenin’ilaikely fa tsy mila ny kapiteny telo. Ka iza izany no afaka mandray anjara amin’ity fisokafana ? Izay no midika fa fandrebirebena ny saim-bahoaka fotsiny ity fikaonan-doha tsy alehany ity.
Misaotra ny GTT nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka ny tolona teo amin’ny sehatra avo lenta. Rehefa milamina ny tany, dia aoka ny iray amin’izy ireo no hatao ministry ny AE.
Ireto ny HERY TSY MAINTSY MIARAKA HAMAHANA NY OLANA ETO MADAGASIKARA..:
-NY VAHOAKA MALAGASY MIARA-MIENTANA ,MIDRIKINA ,AEY TSY MANAIKY NY BONDOGERONA
-NY FIRAOISAN’IZAO TONTOLO IZAO (communauté internationale )IZAY MANDAHA NY FAKANA AN-KERINY NYFITONDRAM-PANJAKANA ARY VONONA NY HANAMPY NY MALAGASY MANDRAPAHA -VAHA NY OLANA..
Ny mamatotra IREO HERY ROA IREO DIA NY ACCORDS DE MAPUTO SY NY ACTE ADDITIONNEL TANY ADDIS ABEBA..!
NY MOUVANCES EFATRA NO SOLONTENAN’NY VAHOAKA.!
AKOATR’IZAY DIA EBOEBO SY FILAN-DERA FOTSINY TOA NY GTT INTERNATIONAL IZAY SPECIALISTEN’NY FAMOHAHANA VARAVARANA EFA MIDANADANA..!
Vous joez la mouche du coche..!NY OLONA TENA MIJALY ,DIA NY MALAGASY ANY MADAGASIKARA !
IANAREO ATY AN-DAFY MISEKO MANKETSY SY MANKEROA MIHAMBO HO NANAO IZAO SY IZAO NEFA NY HAFA NO NAHEFA IZANY TALLOHAN’NY FAHGATONGAVANAREO (accord de cotonou tany BRUXELLES , ny fivoriana tany GENEVE farany teo ,ny fisehosehoana tany ADDIS ABEBA..)
Ianareo ve dia nandray anjara tamin’ireny n »gociatiuon ireny ,sa ny fisianareo dia noheverinareo fa nampitahotra ny mpivory ?
Arrêtez de faire de l’arnaque intellectuel..!
Samitady toerana araka ny tenin’i Verohanitra hoe :
« Misaotra ny GTT nitoto nahafotsy…ka rehefa milamina ny tany DIA AOLA HATAO MINISTRY NY AE ny iray amin’izy ireo ! »
Loza izay !Ny Malagasy mbola tsy tafavoaka ny aizina dia ireto dia tsy menatra mamaritra sahady ny toerana tadiaviny eo amin’ny gouvernement mbola tsy any an-kibo-dreniny !
Asa na mba fantatr’izy ireo ny atao hoe crédibilité ,izay mety afangarony amin’ny crétinisme !Fantany ve ny ato hoe éthique en politique ?..
Tsy olna lahy na vavy ,toa izany no mendrika an’ny Malagasy mifofo ,miady…!
Sa ataonareo tohatra fiakarana ny fijalian’ny Malagay ?
Mazava amiko amin’izao ny fanenjehana an’ATOA FETISON..!
Misy ao amin’ity GTT no mikendry ny toeran’i FETISON ..!
Misy tonga eny amin’ny kitron’i FETISON ve ao amin’ny GTT international ?
Mahaiza mitondra tena am-pahatsorana..fa aza milingilingy sy mati-kambo..!Sa ianareo naka tahaka an-drajoelina..?
Avec des grands yeux avides ,mais des t^tes vides
incapables de d’additionner 1+1 !
Ny politique tsy rano an-tavy ,tsy haitraitra na hambo diso toerana fa fijery ,fandalina sy fieritretena lalina izay rehetra mikasika ny fiainan’olombelona !
Ilaina daholo Isika fa tsy maintsy manana fahatsorana ary manaja ny marina sy hevitry ny Maro..!
Ankehitriny dia miandry ny vaha olona Isika Rehetra…mba hahaoan’ny Malagay maro an’isa hanome ny heviny ..
Fa tsy hisy Malagasy ho sahy hamandrika dia eny izao fa ho minsitrin’izao sy izao izy !
ho an’i kitanamanan…!
Mamaly ny fanontanianao aho izay manao hoe :
« Rehefa vita ny fifidianana…dia hisy ve sazy hianjady amin’ireo nanongam-panjakana..!
1).-Raha tafapetraka soa aman-tsara ny Tetzamita iraisana sy tsy manavaka dia hisy fifidianana ,izay hadio ..Fa alohan’izay dia izay « dispositions » ao anaty accordsn’ny MAPUTO no mifehy Antsika..dia voteny aho ny famelan-keloka ,ny tsy fananenjehana ,ny reconciliation..sns..sns
2).-Vita ny fifidianana izay NIFIDIANAN’NY MALAGASY IZAY HO FILOHA-PIRENENA DIA ..TAPITRA TEO NY ASAN’NY ACCORDS TANY MAPUTO..HIVERINA AMIN’NY LAONINY NY FITONDRANA SY NY FAHEFANA ETO M.KARA..!
-Hanangana gouvernement ny Filoha vaovao ,izay hanaraka ny dispositions misy amin’ireo » lalam-panorenana teo aloha ka mifanaraka amin’ny fiandrianam-pirenena sy ny ny fiandrianan’ny Vahoaka nifidy..
Ankehitriny dia ny article 06 ao amin’ny lalam-panorenan’ny III République no manaja io fiandrian’ny mpifidy ,dia ny Vahoaka Malagasy..
Io gouvernement voatsangana io dia hanana ministeran’ny FITSARANA..ary eo amin’ny Firenenena repobilikanina sy démocratique ( manaja ny sitrapon’ny Vahoaka ),NY FITSARANA DIA
HATAO AMIN’NY ANARAN’NY VAHOAKA..!
Hisy fitoriana mikasika ny voina nianjady tamin-dranona sy ranona ,hisy accusations maro ,hisy enquêtes maro ,hisy fanenjehana ,hisy fisamborana ,hisy fitsarana..sns ,sns..!
Hisy fifidianana solombavabahoaka ,hisy fanovana na fanitsiana ny lalam-panorenana..!
NY TENA MAIKA DIA NY FANOMEZANA NY VAHOAKA FITENENANA..ARY TSY MISY AFA-TSY NY FIFIDIANANA NY FILOHA-PIRENENA NO HAHAZOAN’NY VAHOKA MILAZA NY HEVINY !
tsy matahotra sazy a ! e! tsy matahotra sazy, ho hita eo zany, koa inona no hanokafana ilay hatrik’asa, dia mody hoe misokatra @ rehetra???, mitady namana ho sintonina any anaty lavaka dia mody mampijabaka ny 3 mouvances, dia mitetika be hoe hiaravoasazy eto satria samy tsy manaraka ny satan’i Maputo!!!, tena mieritreritra ny olona ho V mihintsy lay vendrana io, zany no alehany rehefa te hanidina tsy ampy elatra, dia mahatantesa ny sazy fa rehefa mamafy rivotra dia tsy maintsy mijinja tadio, mbola sazy ety an-tany io fa ny any an-danitra mbola tsy hay, heverinao moa Rajoelina fa vita mora reto vahoaka vonoinao an-kolaka isan’andro ireto??, tsy ho tantinao ny todiny, ary ianao miseho ho milay tsy mila ny fanampian’ny vahiny koa maninona no mbola mi tenter reconnaissances internationales ihany???, tsy misy fika intsony fa tonga dia SAZIO, SAZIO, SAZIO,SAZIO,SAZIO,SAZIO, i RAJOELINA mpanongam-panjakà na sy ny firongony