Naneho ny heviny sy nanao tatitra ny diany tany Génève i Razanamahasoa Christine, Minisitry ny Fitsarana Fat, omaly. Nanadio tena mahakasika ilay fanambarana nataony tany Génève izy fa ny Zandarimaria no tompon’antoka tamin’ireo tsy fanajana ny zon’olombelona nitranga teto Madagasikara tamin’ity krizy 2009-2010 ity. Maro tamin’ireo Zandary no tsy faly naheno izany fiampangana azy ireo izany ka tsy maintsy manao”démenti” toy ireny ity minisitra ity.
Tsy tany tan-dalàna no eto
Raha tafaresaka tamin’ny mpahay lalàna izahay dia nilaza mazava ity mpahay lalàna ity fa tsy mihatra eto Madagasikara izany hoe : “tany tan-dalàna izany” na “Etat de droit”, n’iza n’iza tokony hanaja ny lalàna, ambany lalàna daholo.
Ny fifanekena iraisam-pirenena toy ireny satan’ny Maputo ireny no lasa lalàna iraisam-pirenena ambonin’ny lalampanorenana eo amin’ny firenena iray ka tsy ny “ordonance” mihitsy no hahafoana izany, noho izany mifototra amin’inona ny lalàna eto Madagasikara hoy ity mpahay lalàna ity? Mifototra amin’ny lalampanorenan’ny Repoblika fahatelo izay efa nohitsakitsahina nanomboka ny 17 martsa 2009 ve? Sa ny satan’ny Maputo izay noravana tamin’ny “ordonance” ?
Miahiahy ny Fitsarana ny vahoaka Malagasy
Lasa miahiahy ny Fitsarana ny vahoaka Malagasy satria mitranga matetika ny tsy fanarahan-dalana ataon’ny mpitondra eto amin’ny firenena.
Ohatra iray amin’izany ny mitranga any Faritry Alaotra mangoro any Ambatondrazaka/Amparafaravola izay mahakasika ady tany, efa navoakan’ny Fitsarana, nahazoana taratasy mazava ny maha tompon-tany ny Tantsaha maromaro kanefa tato anatin’izao Tetezamita izao dia natsangana ny « Task Force » ary io indray no mandrava ny didy navoakan’ny Fitsarana, ka manao ampihimamba ny tanin’ny Tantsaha, mbola mihatra eto ve izany tany tan-dalàna na Etat de droit e!
Ohatra faharoa, tsy mbola meloka ny olona iray raha tsy misy didim-panjakana manameloka azy io ilay antsoina hoe : “présomption d’innocence”.
Raha mbola tsy nandalo Fitsarana , ka namoahana didy, dia tsy azo lazaina ho meloka ny olona iray.Ny fahitantsika an-davan’andro amin’ny fampahalalam-baovao dia ireny olona eritreretina ho meloka ireny kanefa tapenana amin’ny taratasy ny masony.
Maro maro no tranga azo resahana mahakasika izay :
- Ny raharaha toy ny fisamborana ireo Parlemantera efatra voafidy tany Vakinakaratra, izay nalam-baraka sy naseho miharihary nampizogaina ny sarin’ny Filoha Ravalomanana, mbola manana ilay “zo”tsy azo samborina na ny “unanimité Parlemantaire” amin’ny maha solombavambahoaka amperin’asa azy ireo tamin’izany .Kanefa dia nofonjaina sy nampiharana herisetra ireto Parlemantera ireto
- ny 16-17 Jolay indray, nitanisan’i Organes Rakotomihantarizaka anarana olona dimy ho tompon’antoka tamin’ny resaka baomba, olona akaiky ny Filoha Ravalomanana dia : Mejamirado Razafimihary, Raharinaivo Andrianatoandro, Henri Rabesahala , Razakariasy, Andry Ralijaona. Tsy mbola nandalo fitsarana, tsy nisy didim-pitsarana nivoaka nanameloka azy ireo fa tonga dia naparitaka tamin’ny haino amanjery fa ireto no tompon’antoka, tsy voahaja ny Lalàna sy ny zon’ny voapanga.
- Vao tsy ela ihany koa no namoahan’ny Fitondrana Fat ny anaran’ireo izay lazaina ho nitifitra tamin’ny raharaha 07 fabroary, ary dia nanaovana “wanted” mihitsy, izany hoe fanambazana vola izay mahita azy ireo.Asa na noho ny fanakianana mivaivay nataon’ireo havan’ny naratra sy namoy ny ainy, amin’ny maha eo amin’ny Fitondrana an-dRajoelina kanefa tsy nihetsika mihitsy ny raharaha nahafatesana olona maro teny Ambohitsirohitra ireny, dia navoaka vonjy maika, vonjy tavan’andro ireo anarana ireo.Iza anefa no nitarika ny olona hovonoina teny? Mbola tsy voahaja ihany koa ilay antsoina hoe : “présomption d’innocence”, aiza ihany koa ny fanajana ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana?
- Ary farany, vao ny zoma lasa teo, nolazain’i Zandarimaria sy ry Kolonely Lylison fa nisy olona tratra sy voatifitra teo amin’ny tongony, raindahany amin’ny fanaovana kidnaping, rehefa tonga hijery azy anefa ny havany dia nolazaina fa efa maty ilay rangahy ary dia diam-bala eo amin’ny faritry ny tratra mihitsy no nahafaty azy.Inona no tena marina? Sao mba nanaovana fampijaliana “torture” teo ampanaovana fanadihadiana ity olona ity no nahafaty azy? Aiza ny fanajana ny lalana sy ny zon’olombelona amin’izany?
Izany rehetra izany no ilazana fa tany tsy tan-dalana no eto, mampiahiahy ny olona ny ataon’ny mpitondra ka mahatonga azy tsy hahatoky ny Fitsarana.Zava-doza no haterak’izany satria dia tsy hisy aro-fanina intsony fa dia samy hanao izay tiany hatao ny tsirairay. Dia Fanjakan’ny Baroa e!
Présomption d’innocence (Wikipédia)
La présomption d’innocence est le principe selon lequel toute personne qui se voit reprocher une infraction est réputée innocente tant que sa culpabilité n’a pas été légalement et définitivement établie.
La plupart des pays de l’Europe démocratique reconnaissent le principe de la présomption d’innocence.
Sommaire
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:




Merci pour l’article. Il y a lieu de publier ces lignes portant matière de juriprudence, de temps en temps.
Un autre exemple est celui du fils d’un pasteur, renversé et mort qques instants après, par un excès de vitesse (voiture en train de faire la course avec une autre, et en plein centre ville) du chauffeur d’un ministre de la HAT.
Il s’en est sorti en déboursant SEULEMENT 1M° de fmg (au lieu de du 135M° d’AR demandé par les plaignants)?!
- Ratsirahonana, n’est ce pas une forme de despotisme que vous avez érigé?
Le Sankalité se veut président, mais c’est vous qui êtes sous cape.
On connaît des termes, des concepts,… mais n ne connais jamais à quoi ils servent exactement? comment s’en servir? et surtout, on ne connaît pas les principes qui les régissent.
Un de ces concepts malmaîtrisés et qui a mis en danger à maintes reprises et qui tue ce pays est la Démocratie.
Eto aloa dia fanjakàn’ny baroa @ zao e!!, koa aiza koa ny olona mitonon-tena ho filoham-panjakàna mihintsy no jiolahy, manao bodongerona fotsiny hoe filoha hono kanefa tsy nandalo fifidianana akory, manongam-panjakàna dia terena @ basy daholo ny vahoaka hanaiky azy ho filoha, normal be raha fanjakàn’ny baroa no eto, vao avy nanoratena toa voatango dia iny fa namoaka gadra criminels, ilay gadra @ zany vao tafavoaka dia mifanalabaràka mangalabary no hatao raharaha, ry i pety moa dia miferotr’aina daholo ny vahoakan’ny fianarantsoa vao tafavoaka ny gadra izy,ny fomba nangalaram-panjakàna @ io dia norobaina daholo ny fananan’olona, ny troup FIS @ zany mamaky banky dia tratra t@ caméra, dia tsy quoi fa satria FIS, ny vola sandoka miparitaka satria rehefa tsy misy ny financements faute de reconnaissances intenationales dia manao vola sandoka ny FATY, dia tsy maninona fa satria eto efa fanjakàn’ny baroa, ny miaramila moa rehefa tsy mahazo vola dia mahazo manao opération mandroba, dia tsy quoi koa e! eto aloa dia tena bordel de merde mihintsy nanaovan’ny V sy ny TGVistes azy e!, dia ny vahoaka tsy afamihetsika fa tonga dia basy be no harangaranga, eto tena tany tsy misy lalàna zany,manao zay tiany hatao ny faty ka rehefa tay ny afera fa tratra ny fikany dia mody mitady olon-kafa izy hanilihany an’ilay fika malotony, zaho zany tena tsy andriko zay hilatsahan’ny sazy @ reo tsy vanona reo , tena fatin’alika , tena putain de merde à volonté mihintsy eto @ tanàna hatr@ zay nanonganan’ireo fanjakàna zay
Alidera
avis partagé
Fahasalamanareo rehetra ?
Tonga eto indray ! Mitselika kely fotsiny fa mbola hiverina eo !
Fa efa eto ihany ; mba misy afaka milaza ve hoe, nataon-dry sarla aiza, ny tarobia 30 000 km ?
Navadika ho vilany eny Ambatolampy ve ? Satria ny « aluminium » hono no tena hitadiavan’ny olona an’ireo tarobia « spécial » ireo ; fanazavàna nataon’ny lehiben’ny Communication-n’ny Jirama io. Soson-kevitra avy any amin’iza ? sarla sy haja ?
Tarobia tsy latsaky ny 30 000 km ( halavan’ny morontsirak’i Madagasikara, 5000 km ), ary dia very vola 396 millions ariary hono ilay orin’asa !
i lilison dia efa lehiben’ny réseau dahalo hatrany ihorombe;
i christine na t@ fotoana mbola tsy naha ministra azy aza dia efa tsy nahay izay asa nampanaovina azy;
i organes izay nanao sonia ny resultat concours police farany teo rehefa avy nifamahan-dalitra t@ SG sy ny directeurs mpiara-miasa aminy satria tsy nanaja akory ny convention de partenariat nifanaovana t@ Bianco momba ny fahadiovan’ny concours administratif;
toa izany koa ilay ministra ny asa panjakana izay nikasa ny hampiditra t@ fomba tsy ara-dalana ireo olona mpiray fihaviana aminy tao @ ENAM ka nahatonga ireo candidats admissible hanao hetsika
Santionany @ fisian’ny fanjakan’i Baroa ireo ary tompon’andraikitra t@ fahatongavan’ireo teo @ fitondrana ireo olona nifidy an’i TGV teo @ toeran’ny ben’ny tanana tao Antananarivo t@ izany andro izany Aty ivelan’i Madagasikara izahay izao mahatsapa ny fahorian’ny olona any sy ny fivoaran’ny toe-draharaha dia mahita fa mendrika ny atao « Au poteau » na « chaise electrique » tsirairay ireo olona milaza azy ho mpitondra ankehitriny rehetra ireo « FATE »
Efa mitorona daholo izao, raha tsy ny vody no mandeha aloha rehefa mandeha ianareo, tsy ho hainareo ny fomba fisainan’ny FAT!
driiiiiiiiiiii! zany foza zany anie tsy hazo lalaovina fa miketoka e!
bonne titre
hay ve misy izany « présomption d’innocence » izany e? heveriko tsy misy intsony izany NANOMBOKA TAMIN NY 2002, mahatantesa valin-kitsaka ry zanak’i Dada isany e. ny tena mahagaga ny tenanay de ireto mpomba an-dry LEZAFY sy DEBA ireto, satria ry zareo ireo mihintsy no niharan’ny tsy fisian’io « présomption d’innocence » io nanomboka tamin’ny 2002 fa tsy ny tarika TGV.
ne vous inquiétez pas les zanak’i dada, on va continuer à jouer aux « POLICES ET VOLEURS, LES BONS ET LES MÉCHANTS », nous sommes les polices, vous êtes les voleurs et nous sommes les bons, vous êtes les méchants. Naturellement les voleurs et méchants vont en prison wwoouaahahahahahahahahaaa….