Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana

Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana

.
.
.
.
.
.
.

Ity misy taratasy iray voarainay avy amin’na Kristiana iray, mba entinay ho vakian-tsika be sy maro. Ampitao ny hafatra e !

Ry Ray aman-dreny hajaina,

Tena herin’ Andriamanitra tsy takatry ny saina ny nanome anareo fahasahiana nanoratra ary nilaza fa ny Frantsay dia niditra tamin’ity raharaha maloto nataon’i Andry Rajoelina ity. Mino izahay Kristiana rehetra fa nivavaka ianareo raha nanoratra izany. Ary na ho inona na ho inona vokatra dia mipetraka eo amin’ny tantaran’i Madagasikara sy izao tontolo izao ny taratasy nosoratanareo. Mipetraka ho zava-dehibe ho an’ny taranaka any aoriana. Ary tena nanome hery ny tolom-panafahana ny hetsika nataonareo ka mihorohoro ny devoly.

Nanaitra anefa ny filazanareo tamin’ny fampielezam-peo rehefa avy niresaka tamin’i Chataigner fa tsy misy idiran’ny frantsay mihintsy indray ilay raharaha. Tsy vitan’ny hoe nanaitra fa nampalahelo mihintsy aza.

« Ianareo no Fanasin’ny tany koa raha ny Fanasina no tonga matsatso. Inona indray no hahasira azy ? Ianareo no Fahazan’izao tontolo izao. « Na hogadraina ianareo. Na hovonoina ianareo. Sahia ry Ray aman-dreny hajaina fa mbola eto izahay handray ny faneva raha sanatria ka tonga amin’izany.

Izay efa vita dia vita ry Ray aman-drey hajaina lolohavina an-tampon’ny loha fa tena miangavy anareo kosa izahay : « Aza miresaka amin’ny menarana fa izay no nahatonga an’i Eva voafitaka ka nihinana ilay voankazo voarara. Ary dia nandresy lahatra an’i Adama fa tsara ilay voankazo ary ny vokatra dia ny fahafatesana ».
Menarana i châtaigner matoa Afrika rehetra no mikorontana tato anati’ny herintaona . Aza manaiky hanatona fakam-panahy re tompoko o ! Fa efa fantatra tsara fa hitam-poko hita-pirenena fa ny frantsay no ao ary tsy tahotra tsy henatra.
Koa sahia ianareo miteny hoe : « Ahy Jeso ampy izay « !

Ny zavatra mety hitranga mantsy dia manomana taratasy izy ary hasainy hosoniavinareo izay mifanohitra amin’izay nosoratanareo. Na tetika hafa tsy ampoizinareo akory. Matoky anareo izahay ka dia mirary soa indrindra tompoko.

Kristiana iray.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Aiza i Madagasikara ? Maputo 3
  2. Aiza mifandrebireby Ra-TGV an !
  3. Mba mangataka Tompoko ô !
  4. Fonctionnaires Sans qualité ?
  5. Aiza foana e ?

25 Comments

  • Jijy dit :

    Tandremo sao voavidin’ny vola tompoko!
    Ny marina marina ihany, ary io tsy mba maty.
    Izaho tompoko dia katolika hiringiriny, anefa tsy manaiky hatramin’ny farany iny fanonganam-panjakana iny, dia ianareo indray ve no ambanin’izany?
    Ataovy fantatr’izao tontolo izao, fa io firenena io, no tena rangory fototry ny afo, nampisara-bazana sy nampahantra antsika Malagasy hatramin’izay ka hatramin’izao. Mazava angamba izay.
    Matoky tanteraka anareo izahay.

  • Verohanitra dit :

    Mitety an’i Afrika i Atoa Sarkozy amin’izao fotoana izao. Mazava ankehitriny ny nahavoafidy indray an’i Ali Bongo hisolo ny rainy izay efa saribakolin’ny Lafrantsa hatramin’izay. Satria hametraka toby miaramila (base militaire) any Gabon hono ny Frantsay.
    Mitaky ny valin’ny nanampiany an’ingahy Ali Bongo ho tafakatra amin’ny fitondrana ny frantsay ankehitriny ary tsy ho ela dia hitaky amin’i Andry Rajoelina ny sarany ihany koa. Adinonareo angaha fa ny devoly no rain’ny lainga ?
    Mahavariana ireto Afrikana sy Malagasy mivarotra tanindrazana ireto ! Izany ve Satanie no milaza fa tsy ao ambadiky ny fanonganam-panjakana. Aoka tsy ho tsotra hoatra ny borosy ianareo mpitondra fivavahana ka amidin’ny olona amin’ny kely foana rehefa avy nanaovany lainga tsara lahatra. Tsy izay miteny rehetra akory dia milaza ny marina daholo. Hanjary handiso fanantenana ny vahoaka ny fanekenareo izay voalazan-drangahy io izay efa hita fa miaro ny tombotsoan’ny lafrantsa.

  • vololona dit :

    miombokevitra tanteraka @izay nanoratra ny taratasy koa ny tenako, aleo misoroka izay azo sorohina e! tsy maha-diso antsika akory izany, fa Andriamanitra ao ambony ao mahita, efa be loatra ny devoly mihaolohaolo ka aleo mitandrina, izay ilay hoe : harahan’asa izay vavaka atao

  • Malagasy dit :

    Tena marina tokoa .

    Izaho koa aza nihevitra fa tsy tokony nandeha tany amin’ny biraony mihitsy rizareo fa raha te-hiresaka aminareo izy dia IZY NO MANANTONA ANY AMIN’NY FOIBE MISY ANAREO .

    Mahay mandangolango manko ny frantsay amin’ny fomba firesaka

    Misaotra tompoko

  • NIKSON dit :

    Ny alika jamban’ny taolana, ny olona jamban’ny vola. Enga anie ka tsy ho voavidin’ny frantsay ireto mpitondra fivavahana ireto. Mora milofika manako isika malagasy raha vao mandre maribola ka dia io nahatonga an’i La Frantsa nihazakaza nitondra volabe tahaka izao. Hitanareo fa nomeny koa ny FJKM.Dia sanatria ve dia ho voavidim-bola tahaka ny miaramila koa ny mpitandrina.
    Hitako fa hanao fifampiarahabana eny Andakana hony ny atoko tim ka dia hoy aho aminareo hoe mba jereo miaraka izay tokony hatao amin’ny fanohizana ny tolona. 7 taona maninjitra ianareo nigalambona ery nomen-dRavalo ny toerana ambony ka nahona no mikonetaka rehefa tonga ny fotoana izay ilaina ny fanampianareo. Ny toerana sy ny vola nomena anareo dia tsy hanikanim-pona fa hanin’ny mpanao raharaha hoy ny fiteny ka aoka mba tsy hanao voky dia matory. Mbola matoky ny filoha Ravalomanana ny vahoaka malagasy fa anjaranareo ny manentana azy. Fa mba te hanotany koa aho eto hoe mba nakaiza i Fetison?

  • kristelle dit :

    mba mahatokisa raymandreny mpiangonana ianareo io tsy mahatoky olona io hiany no mahavoa anareo

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    Tsy dia tiako loatra ity fanendrikendrehana ity..
    Raha toa tsy misy porofo an-tanana dia tokony hangina fa tsy hamorona na hangana afo handorana ireny tsy manan-tsiny..!
    Toa izao no fijerin’ny mpamorona atsana -tsy aman’orana :iry misy olona mianjera avy ery ain’ny rihana faha-dimy :dia hoy ilay mpilaza masaka hoe : »Oay voan’ny diabète iny olona iny ! ».
    Ahoana moa no hahafantarana fa voan’ny diabète ilay olona nianjera avy ery ambony ery ?

    Toa izany ny fisainan’ny mpamorona.., mahahita volana alohan’ny biby !

    Ny zava-misy dia maro ary lehiobe ny fahasahiranana.!
    Tsy hitako ny antony hanosora-potaka ny mpitondra fivavahana..!
    Sa te ho deraina ianareo miseho mahay mamaky ny any am-po tsy mivaky..?
    Jereo kely fa mbola tenenina sy tadiavina Atoa FETISON ..!

    Atoa FETISON dia co-président miaraka amin’i rRAKOTOVAHINY..Nahoana no tsy mba tadiavina i RAKOTOVAHINY ?

    Vao afak’omaly sy maly ny Filoha RAVALOMANANA MARC no nanome baiko ireo co-présidents sy praimistra mba hiasa dia eny izao hijery ny zavatra maika tsy maintsy hatao rehefa tafatsangana ny tetezamita iraisana tsy manavak !
    Sa tsy Atoa FETISON y Atoa RAKOTOVAHINY no co-présidents nomen’i Filoha RAVALOMANANA MARC baiko ?

    Mba mitadiava foto-kevitra avoavo ,mahasoa sy mahaliana haroso eto fa tsy ny resaka « concierges  » no entina andrebirebena ny mpamaky..!
    Asondroty ny ny reska sy ny adi-hevitra..!

  • NIKSON dit :

    Maninona moa raha manangana fikambanana mihintsy isika mpitolona eto amin’ny internet eto e. Amin’izay dia mba ho lasa fikambanana maharitr fa tsy handalo fotsiny. Fa ahona ny vahoaka ao amin’ny Magro no mihena andro aman’alina. Tokony mba hoentina eto koa ny sary isan’andro e.

  • kristelle dit :

    ny crise efa ho vita koa fikambanana aho fikambanana
    erintao izay mitata tsy misy vokany eto hianareo
    repobilika faha 4 efa hijoro @ Novembre

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    Atoa RAKOTONIRIANA FETISON no nendrikendrehana fa » mamadika « -tsy misy porofo izany..
    Izao dia ny mpitondra fivavahana indray no hosora-potaka..
    Dia iza indray ny manaraka ho haratsiana ?

    Tena tsy mitombona ny sain’ny sasany eto ary miseho mahita ny ratsy mitsimoka etsy sy eroa izy ireo !
    Ny ahiahy tsy hiavanana raha tena mitombona ny ahiahy..
    Fa ny ahiahy koa mamosavy raha ka lasa fomba fisainana izany..

    Tsy misy fahafana mihintsy izany fa vao mihetsika ,na vao miteny ianao dia mpamadika ,dia nanao izao sy izao..!
    Izy ireo ,ireo mpilazamasakaireo izany no tena olona azo antoka ,sy marina sy tsy mandainga ,azo hitokisana ?
    Raha marina izany dia tokony tsy hiafina ,na hanao masika ,na manonona ny tena anarana izy ireny !

    IZAY MANENDRIKENDRIKA TSY MITONONA NY TENA ANARANY DIA AZO HINOANA SY HARAHINA VE ?

    Raha toa izany no fisainana entina miady hevitra na eto na aiza dia tena mbola lavitry ny afo…ny kitay !
    Ary tsy mahagaga raha maro ireo mpihatsaraivelan’ny tsihy izay msy menatra ,tsy matahotra mamadika ,satria miovaova pseudo ,ary miovaova fihetsika ary miafina !
    Manao masika sy miakanjo burqa na lehilahy aza..!
    Fahavalo ireny…ary fosika ,mpanohitra ny fandrosoana ny firenena sy ny fivoaran ‘ny saina a ary ny fahamarinana eo amin’ny faraha-monina !

  • fandresena tena izy dit :

    Tsy voatery ho tia sehoseho ny olona e! ao no tia miseho ; ao ny tsy tia misehoseho .
    Ary mba jereo kosa aloha ry Dr Céléstin a! ny inona amin’ireo voalaza ireo moa izany no manendrikendrika ? Ny hanongontsongoana ny maty dia tahotry ny handevi-belona ka izany no mahatonga ny olona hampitandrina satria ny hendry ihany tokoa anie no anarina e! Iza no hananatra ny olona adala ?

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    Tsy araky ny fijerinareo fa misy Malagasy manan-tsaina ,misaina ary hendry noho ianareo ao Madagasikra..!
    Koa aza dia misekoseko hoy hendry ihany no aharina !
    Fa iza ianareo no handeha hananatra ? ny anaranareo aza tsy sahinareo tononina ,koa iza ni hihaino anareo..!
    Hitory olon-dratsy eny amin’ny commissariat ianareo ,manao masika ,tsy manana kara-panondro ,tsy milaza ny anaranareoi..
    Dia inona no ho fihetsiky ny agents de police mandray anareo ?
    Ianareo no samboriny !
    Sinao tsara izany sary izany !

    Hoy ny mpamaky anareo : »Iza koa itony mianan-kendry tsy mitpnona anarana itony !
    Mba hajao ny Malagasy mamaky anareo ,fa na mitombona azy nyfilaanareo ,dia tsy hisy hiraharaha satria tsy misy sonia marina..

  • Hamas dit :

    Fa zah aloha aty andafy fa tena hitako hoe vendranabe le olona ao Madagasikara ao. Indrindra moa ry zareo ao Antananarivo ao. Eto aho dia mba te hiteny hoe fa henoko fa taranak’andriana zany hono le ipolita io..Raha resaka izany dia aoka hajanona fa efa teo ireo no tsy nahavoa. Zah amin’izao dia mihevitra fa ny zanak’i Vakina no tokony homena ny fitondrana fa ireo no tena henjana sy mahay. Une fois vitako ny fianarako dia tsy maintsy miverina eto Dago zah ary hanao politika…ary na dia efa any ambanin’ny tany aza ireo mpanongampanjakana ireo dia mbola hofongarina ho tsaraina ka raha meloka dia havalana ny rano ny fatiny raha mbola velona moa dia arahaba soa arahaba tsara fa dia hifakahita.

  • fandresena tena izy dit :

    Izay tsy mahavita ny mampiseho ny hatsaràn’ny heviny dia lasa manompa sy miteny ratsy sisa !

  • Dr CELESTIN Robin dit :

    y hevitra avy ny sain’olona na olona misaina..ary izany olona misaina izany dia mitafy akanjo ary manana anarana…!
    Tsy fisehosehoana ny mitonona anarana fa fanekena an-tsitrapo ny andraikitrao amin’izay lazainao (responsabilité endossée par la personne qui s’exprime ).
    Tsy itako izay maharatsy izany…Ary tsy haiko ny antony iafenana raha mijoro amin’ny heviny ,ka sahy milaza izany am-pahibemaso !
    Ao amin’ny serasera « tafatafa  » dia ny anarana sy ny sarin’ny mpisera no aseho..)..!

  • Mankasitraka dit :

    Miray hevitra aminao aho, ny vahoaka Malagasy ao anatin’izao fahoriana mianjady aminy izao dia mila fanohanana ara-tsaina mafy avy aminareo Ray aman-dReny, izany hoe fijoroana hatramin’ny farany amin’ny fahamarinana. Raha ianareo Mpitondra fivavahana indray no tsy hijoro hilaza ny marina dia tena very ny vahoaka Malagasy.

  • Rafransoa Malagasy dit :

    Ny fanampin ‘anarako dia misy hoe Marie Séraphin ,ohatrany hoe Marie Noel PDS ny Antananarivo, izahay izany dia tena katolika ary mahay tsara ny Arahaba ry Maria feno hasoavana ny Tompo ao aminao…kanefa hatrami’ny ilay seho nampalahelo tao amin’ny Episcopat iny dia ohatra ny tsy ao intsony ilay Finoana,ary mbola manampy trotraka an’izany ny fihetsik’ireo Eveka indrindra ny Arseveka Odon Marie.Dia hiverina ho zanatany indray ve i Madagasikara ê? soa ihany fambola misy ireo Mpitondra fivavahana Protestanta zanak’i Pasititera Ravelojaona izay mbola mijoro ho lehilahy.MISOTRA ANAREO TOMPOKO

  • zora dit :

    Ry Mpitondra Fivavahana malala isany,
    raha misy izany vola izany, maninona raha atao retour à l’envoyeur ? dia hor esy be ve isika raha tsy mandray an’izany?
    Ataonay be be kokoa ny rakitra e ;-)

  • fandresena tena izy dit :

    Isika kosa mbola tsy afaka milaza mihintsy anie fa nandray izany vola izany izy ireo e!
    Tsy afaka milaza izany mihintsy isika fa ny tsy maintsy ampitaintsika kosa dia ny fampitandremana hoe aza atao iry fa sao mampidi-doza antsika ka .Tsy hoe mampitandrina mampitahotra akory fa mampitandrina am-panajana sy am-pitiavana satria antsika rehetra ny tolona e!

  • vololona dit :

    marina ny filazan’i Fandresena tena izy, ary mampalahelo ahy ny fomba filazan’i Dr Celestin satria ohatrany mametraka ny toe-tsaina malagasy ho ambany ianao, indrindra fa ny eto mada hoy ianao, ianao ihany aza d’efa efa mitsara ny ao ampo ny tsirairay nefa miezeka manazava ny tsy fetezany lazainy olona eto,  » raha ny zanakao ohatra miaraka @ olona maditra, de tsy ananatra azy ianao hisorohana izay mety hiseho fa jerenao fotsiny izy?  » aza tonga de ho entina @izany ilay izy fa matoa io navoakan’i MyDago teto de anjarantsika no mieritreritra

  • fandresena tena izy dit :

    Misaotra Vololona a! Antsika rehetra ny tolona e! fa na izany aza namatsika foana i Dr Céléstin e! sa ahoana Dokotera a! Aleo atambatra ny hery fa mbola lavitra sady ho mazana ny lalana e! Adi-hevitra ny antsika fa ny tanjona dia iray ihany : Madagasikara afaka tsy hanjakazakan’ny mpanjana-tany .

  • Babyfoot dit :

    O ry Nadia Ra krisy a ! Efa herintaona ianareo no nilaza fa mpitondra fanjakana. Aiza anefa ny RECONNAISSANCE E !
    Ianareo no tokony hametrahana fanontaniana fa tsy ny Legalistes eto ka lasa ny mamo indray no miantso police. Ravalomanana mbola PRESIDENT ihany hatram’izao. Mitotototo etsy sy eroa ianareo mianakavy fa EHE !!! TSY TAFAVOAKA !
    Ny kiraro ho lany sy ny depenses @ fivezivezena eo ho eo iany fa ny torimaso tsy hita + adi-tsaina = EPILEPSIE + DEPRESSION = HOSPITALISATION X PSYCHIATRIE

  • fandresena tena izy dit :

    Misaotra ny Hmf isika fa namaly antsika izy ireo e! hoy ny tompon’andraikitra : » tsy mifampiraharaha velively amin’ny frantsay ny Hmf  » ary « tsy baikoin’n frantsay velively ny Hmf » . Misaotra an’ Andriamanitra lehibe isika fa mafy ny dina ifanaovana ka dia alao hery rey olona a! Alao hery andro aman’alina ity tolona ity fa mazava ny lalana e!

  • vololona dit :

    misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa tody ny antso

    Mahereza daholo ry namana isany

  • rakotoson dit :

    HYPOLITHE OU …HYPOCRITE ?!

    Ce n’ est pas à la Communauté Internationale ( CI ) que Hypolithe va apprendre ce qu’est un coup d’ état; que le Président Marc Ravalomanana s’ est « auto-putché » c’est lui qui le dit .J’ ai cherché en vain dans Larousse et le Robert. C’ est du Hypolithe tout craché à moins que ce mot existe dans un quelconque dictionnaire de la Françafrique! Ses déclarations jusqu’ à présent n’ ont rien d’ un diplomate!

    Cet Amiral d’eau douce ne veut pas reconnaitre que c’ est un coup d’état alors que les 15 et 16 mars 2009 , des militaires par camions entiers et véhicules 4X4 équipés d’ armes lourdes: blindés BRDM, des lances -roquettes, des bazzokaas, des kalack ….ont attaqué les deux Palais présidentiels ( Ambohitsorihitra et Iavoloha ).Non ,d’après Hypolithe et d’ autres personnes de la même veine toujours prestes à défendre ses fonctions et le pouvoir qui va avec, ce n’ est ni un putsch , ni un coup d’état! Peut – être en trouvera-t-on aussi la définition dans un dictionnaire « Françafrique »?!

    Avant et après ces deux journées, les bruits de bottes règnaient dans la capitale.Il y a eu des morts et des bléssés.Le 26 janvier 2009, si les pillages et les incendies étaient aussi nombreux c’ est que le maire de la ville alias TGV n’ a pas autorisé les pompiers de Tsaralalana. C’ est la réponse reçue par toute personnne qui avait appelé, ce jour-là, les sapeurs pompiers. En fait, le coup d’état avait donc commencé lors de ce « black monday » ( 26 janvier 2009!

    Mal lui en prit! Marc Ravalomanana croyant pouvoir faire confiance en Hypolithe lui a confié ainsi qu’à trois autres officiers généraux la mission de mettre en place un Directoire Militaire.

    C’ est clair, Hypolithe a trahi le Président.Monnaies sonnantes et trébuchantes en poche ou … En tout cas, Hypolithe a eu depuis de nouvelles hautes fonctions pour arriver à être aujourd’hui ministre des A.E.

    Comme on est loin de la droiture d’un certain colonel Ratsimandrava au moment où le Genéral Gabriel Ramanantsoa avait demandé, en 1974, à ce dernier, de former un Directoire Militaire. Le fameux » Tsy hiamboa adidy aho Mon Général » revient immédiatement à l’ esprit de tout un chacun. Oui, mais, à l’ époque l’ Armée n’ était pas aussi pourrie qu’ aujourd’hui. C’est bien vrai hélas!

    Depuis la tuerie du 7 février 2009, une trentaine de morts, la CI n’ est pas dupe puisque le Gal Dolin, le sergent chef Alain Ramaroson, Monja Roindefo, Roland Ratsiraka ont emmené leurs partisans à l’ abattoir . Immagine, en France, le PS, le PC, le Front national … commandités l’ assaut de l’ Elysée par les mécontents et des frustrés de la « méthode Sarko » ??!

    Allons Hypolithe et les autres personnes de votre espèce , Alain Ramaroson, Désiré Ramakavelo …cessez de prendre le peuple pour des canards sauvages!

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site