
Le feu !
Milalao afo ka ho main’ny afo natsangany Rajoelina
Misy karazany maro araka ny asany ny afo :
- Ny afo-mololo : mora mirehitra, miredareda fa tsy mateza.
- Ny afon-jozoro : mora mirehitra, midonaka maharitra tsy mahamasak’hanina.
- Ny afon’apombo : misoko miadana, mirehitra tsy ankiato, mahery vaika, tsy mety maty.
Ny afo ihany koa sady mamelona no mamono.
Raha jerena teto amin’ny firenena dia fitaovam-panonganam-panjakana ny afo, mamono sy mamotika zavatra maro.
Kila sy hotohoto ny lapan’ny Tanàna ny alin’ny 13 mey 1972 no ho ny fihatsiketseham-bahoaka nandrodana ny saritsarim-pahaleovan-tena, nirodana ny fanjakan’i Tsiranana.
Nodoran’ny tsy valahara ny Rovan’ny Manjakamiadana, rava sy potika ny vakoka iraisam-pirenena ; hatramin’izao tsy hita sy tsy fantatra izay nandoro azy, very an-javony ny fanadihadiana mahakasika izany. Araka ny filazan’ny mpanao gazety Fidel Razanapiera, araka ny resaka nataony tao amin’ny radio Viva, dia nolazainy fa Serge Razafimahova no nandoro ny Rova (sic!).
Ny 26 janoary 2009, nandoro sy namono olona maro indray ny afo :
- Potika tanteraka ny RNM sy ny TVM, may ireo tahirim-peo sy sary nirakitra ny tantaram-pirenena, manginy fotsiny ny fahapotehan’ny fitaovana.
- Nodorana sy norobaina ihany koa ny orinasa maro toy ny TIKO, an’hetsiny ny tsy an’asa, an-tapitsisany ny vola very vokatry ny “afo-mololon-dRajoelina”, miredareda, mora mirehitra kanefa tsy maharitra. Ampolony ihany koa ny main’ny kilalaon’afon’ny Tgv tao amin’ny “Trading center”.
Afon’apombo
Nisoko mangina toy ny ron-gisa, toy ny afon’apombo ny sazy arangarangan’ny F ianakaviambe iraisam-pirenena ; raha tsy miverin-dalana an-databatra boribory alohan’ny 16 martsa Rajoelina dia ho kilan’ny afo-mololony eo.
Manao toy ny afon’apombo ihany koa ny fananganana ny Komity Miaro ny Satan’ny Maputo isam-pokontany araka ny kabary nataon-dRakotovazaha Olivier omaly teny amin’ny Magro, efa maro hoy izy ny fokontany nahatafajoro ny azy ka hanao andrimasom-pokonolona, hijery isam-pokontany ireo anaran’olona nanongam-panjakana halefa any amin’ny
GIC.
Manao toy ny afon’apombo ihany koa ny fitokonana etsy sy eroa. Taorian’ny fizarana volabe sy tambin-karama naton’ny Fat ny miaramila, nitokona ny Mpitsabo nangataka ny hampiakarana ny karamany sy ny tombontsoany : voavahan’ny Fat izany, mitokona lavareny indray ny “paramedicaux”, avy eo hitokona ihany koa ny mpampianatra sy ny mpampianatra mpikaroka, mpianatry ny Oniversite sns…dia toy izany hatrany ka ho sempotra ny afo-mololony eo Rajoelina.
Mivaivay toy ny afon’apombo, mety hahamasaka biriky ihany koa ny resaka volabe 500 tapitrisa ariary, ilay volabe nomen’ny Filoha Ravalomanana ny Tafika Malagasy. Vaky bantsilana omaly teny amin’ny Magro raha niditra mivantana an-telefonina ny Filoha fa nanome vola ireo Polisy, Zandary, Miaramila izy ary ny nanaitra dia ny Minisitra tamin’ny fotoan’androny : Manorohanta Cécile mihitsy no nandray izany vola izany.Inoana fa hanokatra adihevitra lehibe io resaka io indrindra eo anivon’ny FIGN.
Tsy sanatria kilalaon’afo ny fiainam-pirenena fa izao adalana ataon’ny mpanongam-panjakana izao dia ho lasa herim-po sy herin-tsaina hampirehitra ny afom-pitiavan-tanindrazana ao anatin’ny tsirairay.
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:

Raha raisina ho primes ireo vola nomena ny tafika sy ny zandary ary ny polisy ireo dia azo atao hoe rariny ihany.
Raha tsy izany koasa dia mazava fa olona voakolikoly avokoa na ny tafika na ny miaramila na ny polisy satria raha vola adala tompo marina tahaka ny filazan’i genaraly Zafera tokoa izany vola izany dia tsy tokony ho noraisiny akory, ary na norraisiny aza dia tokony nomeny ny manam-pahefana ary ireo no tokony nanapaka ny momba izany vola izany.
Raha ny resaka renay tamin’ny havana na naman’ireo voakasika ny momba an’iny korontana tamin’ny 2009 iny dia ny hoe nisy tokoa io vola « nomen »-Dravalomanana io na primes na tsy primes no niantsoana azy. Saingy nilaza ihany koa ireo olona ireo fa avo roa heny no io kosa no nomen-Drajoelina ary izay no nahatonga ny tafika nivadika.
karaman’ny Miaramila nandroaka azy ve ireo vola ireo?tsy azoko azavao ange ry Kintana Manandrambo fa soa hiany i se fa tonga fa tsy takatrin’ny saiko e!
Enjana izany a! izao tra’nenina satria tsy afa-miverina @ Ara-dalana intsony fa manao Fanjakana Mutin sisa! raha hiverina hifoteran’ny Rambony! handroso anefa hita fa efa mihapotika ny fanjakana, na ry zalahy tompon’antoka aza efa tena mahatsapa fa tsy ho ela fa izay taraiky eo! manefa!
Mpamosavy mandeha @ alina aza misy mahita ka…
Ny nandoro ny Rovan’Ambohimiadana, raha ny henonay siosio dia anaran’olona tsy misy idiran’ny Hova raha samy fototeny Zafy daholo ihany!
Ny famotehina tamin’ny alalan’ny doro iny taona lasa iny, dia meteza mamerina mamaky izay voalaza ao anatin’itony:
_http://www.madatimes.com/index.php?option=com_content&task=view&id=239&Itemid=4
- Tsipihina tsara fa épargnés t@ ireo nodorana ny orin’asa mety ho fananan’ny teratany Frantsay.
Mikasika ny vola nomen’i filoha Ra8 ireo miaramila tamin’izany fotoana: tsy aleo anontaniana i Manorohanta fa izy no responsable ny fitsinjaràna azy tamin’ireny satria efa nalefa tany am-pelatanan’ny tompon’andraikitra dia tsy ny minisitry ny fiarovam-pirenena ve ê!
ci-dessus, lire Rovan’ny Manjakamiadana (au lieu de Ambohimiadana).
Rasesily sy Rabemananjara, no mahafantatra ny fandehan’io vola io ! Rasesily moa dia nilaza fa tsy nahita an’izany, sady amin’izay mivindavinda lava izao, toy ny fanaony !
ka naninona no efa herintaona aty aoriana vao asiana resaka ilay Vola?iza no tena nividy Miramila?azavao tompoko
Ny Prezidà Ravalomanana dia olona sahy mandray andraikitra fa tsy manilika lava amin’ny hafa toy ny fanaon’ny mpitondra FAT ankehitriny. Rehefa nanome vola izy dia mijoro amin’izay nataony. Nihevitra izy angamba fa ny nanomezany ny vola no hampilamina ny tany sy ny fanjakana. Hay sendra izay olona tia vola gaigy lahy. Fa ny mahavariana dia hoe nankaiza ary ilay vola ? Sao dia lasa setroka tao anaty afo mijoalajoalan’ny fanonganam-panjakana ?
Na izany na tsy izany, dia mbola mitohy hatrany ny fitiavanay ny Prezidà Ravalomanana ary tsy mitsahatra ny mitsetra izahay hoe : raha teo mantsy isy dia ho voavaha izao olana mihatra amin’ny firenena izao. Izao na dia ny yaourt nature hanamboarana yaourt vita any an-trano aza, tsy hahitàna. Mitomany ny ankizy fa noana, ny fifikirana amin’ny seza ihany no mahamay ny FAT hoatran’ny doran’ny afo !
Le conseil de paix et de sécurité de l’Union africaine (UA) a adressé vendredi 19 février un nouvel ultimatum à l’actuel homme fort de Madagascar, Andry Rajoelina, lui donnant jusqu’au 16 mars pour respecter les accords de sortie de crise sous peine de sanctions. « Nous avons appelé les autorités de fait à respecter les accords », a déclaré au cours d’une conférence de presse le président du conseil de paix et de sécurité de l’UA, l’ambassadeur d’Ouganda, Mull Sebujja Katende.
Nous imposerons des sanctions ciblées sur les autorités de fait qui sont la cause du non-retour à l’ordre constitutionnel », a-t-il ajouté, à l’issue d’une réunion à Addis Abeba. Pour le commissaire à la paix et la sécurité de l’UA, Ramtane Lamamra, « ces sanctions prendront effet dès le 17 mars sauf si avant le 16 mars, une totale coopération est démontrée avec le médiateur (l’ancien président du Mozambique, Joaquim Chissano) dans l’application des accords de Maputo et Addis Abeba ».
Les sanctions prévues par l’UA, récemment appliquées à la Guinée, prévoient des interdictions de voyages, des gels d’avoirs financiers, « et l’isolement diplomatique des autorités de fait : nous allons demander aux organisations internationales comme l’ONU de les suspendre également », a précisé M. Lamamra.
L’accord de Maputo signé en août 2009 et son prolongement d’Addis Abeba en novembre 2009 prévoient un partage du pouvoir entre les quatre principales mouvances politiques malgaches dans le cadre d’une transition politique chargée d’organiser des élections générales d’ici la fin de l’année.
M. Rajoelina est sorti de ce cadre en décembre en limogeant le premier ministre de consensus et en annonçant unilatéralement la tenue d’élections législatives, qu’il compte à présent organiser en mai.
L’époux du leader des Femmes Légalistes (Mme RAVOAHANGIARISON) se porte mal.
Il suit des soins au sein d’un centre hospitalier de la capitale. Appréhendé violemment par la FIS le 27 avril 2009, le colonel Ralitera et non moins directeur de sécurité de la HCC, attend comme tous les autres détenus politiques l’application des Chartes de Maputo qui devaient autoriser leur sortie, depuis plusieurs mois. Mais en tant que citoyen de la France, sa famille attend impatiemment un « petit signe de reconnaissance » de l’Etat français.