Forgeron

Forgeron

Nihemotra Rajoelina

Efa tenenina foana fa e e e!! Anarina foana fa an an an ! Impiry impiry no efa tenenina fa tsy hisy hankato izany fifidianana ataon’ny ankolafy tokana izany eo, mbola mikiry biby manala-bara-tena ihany. «Ahemotra ny fifidianana» hoy Rajoelina omaly, tsy atao eo imasony aloha fa mba menatra ihany ny tena. Natao ny “fihaonam-bempirenena” tamin’ny taon-dasa namoaka fehin-kevitra ny hanaovana fifidianana alohan’ny faran’ny taona ary nomarihany talohan’ny handehanany hoany Bruxelle ny 06 jolay 2009 lasa izany, nilitility indray Rtoa Blanche Richard nanao toy izany, jereo ny vokany fa tsy lany na dia Sojabe teny amin’ny anjery manontolo akory aza izy. Nanao kabary indray Rajoelina izay nilaza ren-tany ren-danitra fa “hanana filohan’ny Repoblika vaovao isika alohan’ny 26 jona”, fifidianana solombavambahoaka indray no mahamaika. Nanendry daty 20 martsa 2009 indray Manorohanta Cécile fa aiza izay eo ? mitranga-miemotra toy ny lelon-jaza fotsiny. Lalaovin’i Rajoelina fotsiny ianareo ireo, “zaza tsy matotra” no iaraha-miasa ka mivadibadi-dela lava izao. « Mametraha fialana indray e ! »

Ambodia mitafy hodi-janak’ondry e !

Fifidianana madio sy malalaka no kendrena hoy ny filohan’ny Fat, ahoana no inoana izany ? Raha izay teny mamy notenen’ingahy Rajoelina izay aloha dia efa paradisa kely Madagasikara, fa sao mba “ambodia mitafy hodi-janak’ondry e!”, fomba hambaboana ny fon’ny olona fotsiny ireny teny malefaka be « fitiavana » ireny.

Tsy fifidianana solombavambahoaka no mahamaika eto amintsika, midofotra foana io raha izany satria tsy maha vaha olana izany, aiza izay lalam-panorenana ifotoran’izany eo? Tsy ny « referendum » na ny filoham-pirenena ve no tokony hatao? Alohan’izany anefa tokony fanjakana tetezamita iarahan’ny be sy ny maro, na eto an-toerana na ny any ivelany no hajoro.

Tsy misy mandà ny fifidianana izany raha tena mpanao politika mieritreritra ho tiam-bahoaka, fa ny fomba entina manatanteraka izany no olana. Eto an-dRenivohitra aza fampihorohoroana amin’ny alalan’ny basy aman-tafondro no mitranga koa mainka fa any amin’ny tany lavitr’andriana ? Tsy hanao ramatahora indray ry Charles sy Lylson sy ny capsat? Iza no sahy hiantoka fa tsy hanao izany ireo ?

Fiovana lehibe ?

“Hisy fiovana lehibe ataon’ny tetezamita ” hoy Rajoelina alina. Marina kosa aloha izany e! Be ny fiovana na teo amin’ny fomba fanao na ny fiovan’ny toe-tsaina nentin’ny fitondrana TGV, fa ny indro kely dia “fiovana mankany amin’ny ratsy no betsaka”. Raha tena mikendry filaminana sy hahasoa ny vahoaka marina i Rajoelina tsy hanao “takalon’aina ny Malagasy”. Mikoroso fahana ny toe-karena, manjaka ny tsy fandriam-pahalemana, mitombo isa ny tsy an’asa, mahantra ny vahoaka fa miha-manana ny mpitondra, very ny famatsiam-bola isan-karazany, miseho lany ny ady an-trano, mahazo vahana indray ny mpanjana-tany (Frantsay) .

Izany no vokatry ny tolona nataon’i Andry Rajoelina. Kanefa raha mba nanaiky ny fampiharana ny « satan’ny Maputo » izy mba nihena ireo, tsy nofoanan’ny Amerikana ny AGOA, azontsika ny 630 tapitr’isa Dolar , sns… Rajoelina no fositra tsy nahazoana izany.

Ilay « Bulletin Unique »

Raha hiresaka momba ity “Bulletin unique” ity indray, tsy hoe tsy te handroso amin’ny fanaon’ny tandrefana akory fa mba diniho kely ange ! 85 % ny Malagasy dia tantsaha hoy ny atontan’isa, ny 5% ihany raha misy no nandalo ny ambaratonga fototra tamin’ny fanovozana fahalalana , azo eritreretina amin’izany ny fanambakana mety hitranga.

Fa ny tena ao ambadik’io “Bulletin unique” io dia ny fahafantaran’ny Andry TGV fa mbola ny Filoha Ravalomanana no handresy amin’izay fifidianana rehetra eo, indrindra any ambanivohitra, koa dia verezina ireo tambanivohitra mahantra sy tsy mahay mamaky teny izay maro an’isa.

Vahaolana tokana ihany !

Vahaolana tokana hivoahana ao antin’izao krizy mafy be mahazo antsika izao ny fampiharana ny « fiaraha-mitantana » ihany. Efa vita sonia ny lalam-panorenana “vonjimaika” na ny “Satan’ny Maputo” izay hany eken’ny fianakaviam-be iraisam-pirenana.

Koa raha tena mikatsaka ny tombotsoa ambonin’ny firenena marina ianareo ireo dia tambatambazo zandry kely, hanaovy hevitra am-pitaka izy ry mpahay lalàna Ratsirahonana raha dia mafy loha loatra mba hanaiky hampiantra izany. Tsy ho afa-bela eto Madagasikara anie ianareo mpanohana mpanara-drenirano ireo e! Zandry kely mety ataon’ny renimalala ao ambany elany fa ianareo mba ho aiza? « Velezo ny vy dia ny mafana » efa niemotra iny Rajoelina, fa « ny valala tsy indroa mandry am-bavady »



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Ny valala tsy mandry indroa ambavahady
  2. Françafrique ihany no faly amin’izao
  3. Taranaky Gallieni Vaovao, FATy sa TSARA ?
  4. Miarahaba tratry ny taona e !
  5. Nandefitra ny Filoha Ravalomanana

31 Comments

  • Fred dit :

    Vive la Cote d’Ivoire !!!
    satria mba ho alain’ny malagasy tahaka hanalàna an’i Domelina.

    Aman’alin-kisa izy ireo omaly mitondra soratra fa mahafa.baraka azy ny Filohany Mbagbo tarihinï Francafrique.
    Tonga ho azy an’eritreritra ny mikasika antsika malagasy . Mba rahoviana ihany no mba hilahatra aman’alin-kisa, hanalàna ny FAT.
    Mba manonofy hiteny hoe : Vive Madagasikara tsy misy vozongo e ! Madagasikara an’i Malagasy.

  • Alidera A.R. dit :

    karakarao dieny mbola mafana tsara fa rehefa avy eo tsy irrigué intsony dia vita indray ve?

    asio hevitra matotra ry e!

  • KintanaMananDrambo dit :

    Tsy ampy rebireben’i domelina ny ANKOLAFY TELO !!
    RY VAHOAKA MALAGASY, RAISO NY ANDRAIKITRAO FA RAHA IZAO NO MITOHY, AMIN’NY FARAN’NY TAONA ISIKA MBOLA IZAO FOANA NO HIAINANA ! DIA MBOLA HIADY HEVITRA ETO IHANY !!!
    LASA NY SAIKO ! TENA TONGA SAINA VE NY ANKAMAROAN’NY MALAGASY, SA DIA RAHA MATY AHO MATESA RAHAVANA ???

  • belts dit :

    izany ny olona mieritreritry ny tenany ho « homme d’Etat », dia izany dia mbola misy olona manohana ihany koa….
    Inona ary ny zavtra mba positif vitan’i Radomelina hatr@ izay??? izy Maire, sy izy @ izao (za jamais tsy hiteny azy ho Filoha mihitsy)

  • KintanaMananDrambo dit :

    Filohan’ny dahalo io ry belts â !!
    Bandy tsy alehany !!!
    Un HOMME a des principes, des VALEURS, des QUALITES, il a rien ! SANKALITE !!
    Etat ? Il ne sait même pas ce que cela signifie !

  • vololona dit :

    marina ny anao ry Kintana, fa ny olona anefa ange efa betsaka ny tonga saina fa ilay tsy mahatanteraka azy no tena mahatalanjona e!!

  • Anti-Ra8 dit :

    Ndrôôôôô! r’eto zaza mitomany! zaza kamboty nilaozan-dray aman-dreniny! sady manonofy no mitomany tsy misy mpanmpangina! ny ariary zato am-pandriana sisa atao! hi!hi!hi!hi!hi!

  • Fred dit :

    Efa rava ihany ny 20 mars,
    ka maninona moa raha amin’io andro io no mba manao Filaharam-be miaraka ?
    Ny sasany avy any Ambohijatovo,
    ny sasany avy any Tsaralalana,
    ny sasany avy any Behoririka,
    ny sasany avy any Ankorondrano,
    avy any Mahamasina-
    ny sasany Ambohijanahary. Amin’izay tsy araky ny lohakelin’Fat izay atao.
    Antsika malagasy no manantanteraka e !
    Raha misy mitady hisambotra dia atao angaredona toy ilay bodega voapala tany amin’ny bar.

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ny dian’i Jean PING farany teo, dia « dernier avertissement » ho an’i lery ! Amin’ny fahavendranany dia mbola « be taim-bava » !
    Ny zavatra tsy azon’ilay domelina, dia tsy ho voatery ho statique foanaie ny situation ê !
    Betsaka ny zavatra hiova, alohan’io 6 février io !! « Avertissement-Fiarovana » an’i domelina iny hoe : Miovà, fa izahay dia tsy afaka hiaro an’ialahy foana !!

  • belts dit :

    Tolona no ataonay ry Anti-Ra8, ekenay fa mafy ny tolona fa ianareo izao no hazo amoron-tevana, miaramila omena vola sisa mampijoro, ny vola tompoko dia aharitra ela , fa raha lazainao fa mitomany tsy misy mampangina fa nareo atsy ho atsy ho any @ fikotrohanify, mitomany zahay noho ny anaovan’ny Radomelina sy ny Frantsay ny firenenay fa ianareo faly fa nitsingerina ny namotehanareo ny TVM sy RNM , raha tsy hiteny ankoatran’ireo…

  • Anti-Ra8 dit :

    efa lany sahady angaha ny volabe naorin’i dadanareo tao amin’ny firenenay tao ry belts? ny volan’i dadanareo daolo ange no nanao ireny habibiana nandoro sy namotika zavatra tao dago ireny e! amin’izay dia lazaina fa hoe i andry rajoelina no nanao ireny! raha resa-bola ange tsy manana noho ny dadanareo i rajoelina sy ny mpitondra amin’izao e! saingy mijoro na be mpanozona aza satria tena fitiavan-tanindrazana no atao fa tsy kobaka am-bava mba hangoronan-karena!
    mampme le fred! ndao ono hizara hanao filaharam-be! ny kianjan’i magro aza toa tsy fenonareo akory ka vao maika isaraka hanao filaharambe? hi!hi!hi! tapaka ny tsinaiko! tsy lazain’ny ol fa tanora tsy misy atao mandede eran’ny tanana ireny!

  • belts dit :

    Tsy tongatonga foana ny anarana ry zareo fa mba tandremo ihany

    rehefa mampiasa ny teny hoe « gasy » dia entina ilazana biby izay, ohatra hoe akoho gasy, alika gasy, trondro gasy…Tanora Gasy Vonona izany dia azonareo tsara

    mba andramo indray ty soraty : A,B,C,D,…….Z dia atao A ny 1, B ny 2, C ny 3 et ansi de suite izany hoe tokony ahazo ianao ny Z mi-correspondre @ 26, dia atao fois 6 daholo, soraty ny hoe « andrytgv » , izany hoe AX1X6,NX14X6,DX4X6,RX18X6…. dia atambaro fa manome 666 chiffre ny devoly io…
    mbola ho tadiaviko ilay iray nalefan’ny namana izay fa misy an’i « Marc Ravalomanana » dia mamoaka chiffre masina no valiny

  • belts dit :

    aleo tsy mamaly an’io te ho Frantsy diso namana io ry zareo fa aleo samy isika no mifampahery sy miresaka!!!! olona borné tsy mahalala afatsy ny eo ambony orony ireny ry zareo, firy % kay ny TGV eto???? aleo omeko 2% fa tsy maninona, vao naheno ny valim-pifidianana tany Antsirabe avy dia hoe aleo ahemotra fa tsy lasa sady mbola mieritreritry ny hanangona vola sandoka indray

    Izany mihitsy no mamparivo salosana ny TGViste, tsy tia an-dRavalomanana dia tsy maintsy hoe Radomelina….inona no efa vitan’iny afatsy ny nandetika an’i Dago ????? tsy misy zavatra mbola nadresy lahatra anahako aloha ny nataony e!!!! ny nosoniaviny ary moa laviny !!!!!! ahona no fomba anarahako an’izany????

  • Mik dit :

    Hoy ny namana iray etsy ambony hoe/ Amin’ny fahavendranany dia mbola « be taim-bava » ! Ka izay ange sisa no hery hananan’ireo putschistes ireo ê! Ô ry belts ah! Tena miharihary fa raha tokony haharesy lahatra amin’ny asa vita ny olona tsy ho be taim-bava ê! Ary ise koa mba tsara fanahy mbola manazava mafy ny zavatra tsy mety ho takatry ny sainy mihitsy eto ! Hoy ny mpampianatra hoe: « Ny atidoha samy manana fa ny fiasan’ny neurones tsy mitovy » fa ireto kosa aloha ry belts dia ny matière grise mihitsy no tsy ao ka !

  • m dit :

    Misy ohatra ratsy maro nanamarina fa nampisotroin’ny sasany ny rano malotony boay kely ka manaraka izay tian-dry zalahy mpanolotsaina atao azy.Ny isaorana ny any ambony anefa dia ny mbola tsy hampisotroany ny malotony ny mpanelanelana rehetra fa izay momba an’i lafrantsa ihany.Soa fa tsy tendan-kanina toy ry le maizina afrikana ny sasany ka mandà ny fanasan-dratsirahonana. Mba menatra ê ! olona efa manomboka milalao roka ka mibetroka boay kely toy ny fiarahan’ny sahona sy sahobakaka(radaka)

  • mivoy dit :

    Haninona any lafrantsa indray ny bitro ? Raha mba manomana ny asile -ny moa haninona fa raha nohon’ny tsy fananany ati-doha sy fanolorana hatrany ny fiandrianam-pirenen’i Dago @ lafrantsa no maika loza.
    Mivavaha mafy fa lany ny matière grise-ny izay miafara iny amin’ny maha jiolahy azy iny; efa tsy ho tantiny fa kely sisa. Maka drogue kely @ lafrantsa indray izy iny fa mino aho.Raha iny no tsy matin’ny ataony dia ho gaga aho,vita alohan’ny hanokananana azy mpiandry mba ho naman’i lehiben’ny satana(O.s izay) iny

  • nadia grondier dit :

    angaha tsy efa nirodana i Rajoelina hoy Kintana?afaka 10 andro mangidy ny vavako

  • Mao dit :

    Tapi-dalankaleha ny Bitro ry zareo a, andeha hiantso vonjy any @ Frantsay izy iny fa kely saina loatra mantsy, sao mba misy azo hatao mantsy fa afaka 10 andro ilay sanction, dia efa mitady trano hifindrana koa leri io, any France mantsy sisa no azo aleha sady mba mora ny hofan-trano.
    olona tsy misy hazon-damosina hoatra ireny tsy azo atokisana, sady tsy dia avara-pianarana loatra ka maha menatra raha ireny no hitondra.

  • Mik dit :

    Ary raha iny leity no mitsaoka any Frantsa dia mba inona hono no hataon’ilay bandy iny any? ka ireto frantsay ireto ange tsy hanome toerana an’ilay iny mihitsy ê! Jereo fa ny dokotera aty amintsika ange ka ataon’ireo assistants fotsiny rehefa miasa any ê! Ny ingénieurs omendry zalahy toerana hampianatra informatique ets..ets.. Inona no tena statut an’ilay bandy io fa raha dj no tena talentany dia voatery hivarotra kapila eny amin’ny brôkanty eny sisa no ho azony hatao !

  • KintanaMananDrambo dit :

    Io lazain’i Mao io ny valiny ry ‘ty â !! Hay ve i gamara, tsy mahay manisa koa ê ? Fa ahoana ?
    Eo, avereno ! ain plisy ain egala, de !
    Rahampitso ny ambiny, sao dia tsy tafiditra daholot ! Tsara raha ampidirina tsikelikely, sao dia tsy zakan’i gamara kely eo !!

  • KintanaMananDrambo dit :

    TOUT LE MONDE SUR LE BLOG D’ALAIN JOYANDET !
    QUESTIONNE A L’ASSEMBLEE NATIONALE, IL Y A 5 MINUTES QUANT AU SORT D’UN JOURNALISTE TUNISIEN, EMPRISONNE PAR LE REGIME EN PLACE DANS CE PAYS, IL SE DIT OUTRE, SCANDALISE !!!!
    IL AVAIT REAFFIRME QUE S’IL Y A UNE CHOSE QUI POURRAIT REUNIR TOUS DEPUTES FRANCAIS, CELA NE PEUT ETRE QUE LA DEFENSE DES DROITS DE L’HOMME !
    QUID DES JOURNALISTES MALGACHES ? SERAIENT-ILS QUE DES SOUS HOMMES ? ET LES DROITS DU PEUPLE MALGACHE ? QU’EST-CE QU’IL EN FAIT ?

  • nadia grondier dit :

    oviana vao tapitra ilay 1o andro? efa fantako mbola tsy tapitra fa oviana mou zany no tapitra

  • KintanaMananDrambo dit :

    Tsy hamaly intsony, olona miova pseudo lava izao aho !

  • Rotsaky dit :

    Zà oa efa mba nikôzy fa ataovy liste ny anti-Ra8 rehetra fa tsy maintsy omena ny valin’asany daholo. Kapao fa manimba ny tany. ‘Zany ry zalah!!. Kôzio daholo ny fianakamsa any amin’ny fokontany rehetra.

  • anja dit :

    Salut daholo,
    Anti-Ra8 â
    Mamaky ny rediredinareo aho dia mahatsiaro ny lazain’ny mamanay hoe: »Matoa ange ny lela tsy nasian’Andriamanita taolana dia ahafahan’ny olona miteniteny foana ». Dia ity koa ny anak’iray: »Ny tsy mampitovy ny olona sy ny biby, dia ny olona nomen’Andriamanitra saina ».
    Mba eritrereto ireo teny ireo aloha voa mitabataba.

  • jopopolita dit :

    raha io foza tay io aloa dia tsy misaina sain-jaza loatra sady hita hoe olona tsy nianatra fa revy no betsaka, mba misaina ihany ry malagasy fa ny taranaka ho avy no tena potehin’io boay kely maivandoha io

  • tess dit :

    ho an’i antira8 foza, tia tanindrazana radomelina lava nify nao koa ny mamotika firenena???, na inona na inona teneninao eto dia i radomelina benify sy tgvistes no nandroba sy nandoro fananan’olona teto, iza no nitsodrano ny foza orana rehetra hoe » tsofiko rano nareo ho any @ mbs, fa zaho tsofy rano hody??? », iza no mody nitarika foza ho any @ tribonaly dia nandoro ny RNM/TVM fananam-pajakàna???averiko aminao fa sao hodianao fanina: i Andry rajoelina , iza no nanongam-panjakàna ka nanalabaràka an’i Madagasikara sy ny Malagasy erak’izao tontolo zao????, iza lay nahatonga ny fivorian’ny OUA tsy natao teto Madagasikara???, mbola averiko ndray fa i ANDRY RAJOELINA,aza hailikilika aty @ filoha Ravalomanana mihintsy ny habibiana sy asan-devoly nataonareo ndrematoa, mba maneke, ary mba menatra fa ny foza kely nambakainy t@ vary 500 ariary aza tsy fidiny , jereo fotsiny fa firy ny internautes eto no manao forum dia firy no mba karazan’olona toa andr’i anti ra 8 sy Nadia foza tony no manoratra eto???, adala zany zao tontolo zao aminao tsy mankasitra ny fitondràn’io bandy kely be rongony io???!!!, zao dia lasa mandositra any frantsa any fa hiverina ny GIC dans 10 jours, miantso vonjy @ reny malalany, isika légalistes aza mitsahatra ny mivavaka fa tsy tsy mankaiza eo reo, io f’efa saika nirotaka ndray ny miaramila fa nihena ny karamany,mbola aiza no hahazo an’ialahy e, inona no hatao any lafrantsa any fa maninona raha miatrika eto??? kanosa tss!! reny ve no mba ho filoham-pirenena ??, mbay tany , filohan’ny GANGSTER angaha ka tsy laviko, iny zao efa tsy mahita tory tsony @ alina fa na ny miaramila miambina azy ao aza hatahorany hitifitra azy, ny sanction hilatsaka manginy fotsiny,mivavaha mafy ry légalistes namako fa tsy maintsy miala teo beljeboba!!!

  • nadia grondier dit :

    teny tsotra no lazain’ny Anti ravalo nefa zato ianareo misavoamboana toy ny tay entindriaka daholo

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ny foza no tena misavilvôla, tsy misy ati-doha !
    Mandeha an-jambany sy mitsingevana toan’io lazainao io ! Rohitin’i domelina amin’ny volon-javany, na lahy na vavy, dia faly ery ! Asa efa azo hikopahan-dalitra mihintsy angamba izy izao !!Venant, tsssssssssssssssss !!!

  • nadia grondier dit :

    ariva ny andro eeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeee

  • nadia grondier dit :

    mba mampimeha ahy ireto gasy manambady vazah bota reto,fa maninona kay ianareo rehefa ariva miferinaina??mora tezitra

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site