Samy mikatsaka izay hivoahan’ny Madagasikara ao anatin’izao krizy lalina izao ny rehetra mahatsiaro ho tompon’andraikitra.Vahaolana roa no nentin’ireto antoko roa mpomba ny ankolafy Ravalomanana hivoahana amin’ny Krizy :

  • Fiverenana amin’ny latabatra boribory,  fampiharana ny Satan’ny Maputo sy ny tovana tany Addis Abeba.
  • Fanatanterahana fitsapa-kevibahoaka ny amin’ny fampiharana izany tapaka tany Maputo izany. Ity ny fanambarana nataon’ireto antoko roa ireto mikasika izany. (Amin’ny teny Frantsay sy Teny Malagasy).

COMMUNIQUE CONJOINT

MADAGASIKARA FIRAISANKINA / AMF.3FM

Mardi 19 janvier 2010

1 – Contexte Général

Devant  l’état actuel de la situation politique existant à Madagascar, nous MADAGASIKARA FIRAISANKINA et AMF/3FM , partis politique légalement constitués à Madagasikara  ne peuvent pas rester sans réagir car il y va de l’avenir du pays.

Le peuple malagasy ne sait plus quelle solution les politiciens malagasy leur proposent pour remédier à leur besoin quotidien et reste perplexe devant les attitudes des protagonistes pour faire sortir le pays de ce bourbier politique.

Etant des partis politiques responsables, nous sommes obligés d’apporter nos points de vue et disposés à proposer des solutions pour que nos décideurs politiques puissent prendre leurs responsabilités devant la nation malagasy.

2 – Présentation

MADAGASIKARA FIRAISANKINA

Présidé par Serge RATOVONDRAINY, le parti MADAGASIKARA FIRAISANKINA est  né au début du mouvement populaire réclamant le retour à l’ordre constitutionnel et le respect de la vraie démocratie, malgré son statut de parti émergeant et fait partie intégrante de la mouvance RAVALOMANANA et de l’Alliance Démocratique.

L’essence même de notre parti est le retour au pouvoir sans conditions du Président Marc RAVALOMANANA car pour nous il était toujours le président élu démocratiquement destitué par des coups de force militaro-civil.

Il est le seul Président qui a pu faire reconnaitre Madagascar sur la scène internationale et redonner son blason à notre pays durant les sept ans où il était au pouvoir.

Parti politique constitué par des personnes issus de la masse populaire, ses dirigeants et membres resteront toujours avec le peuple malagasy et les appels à maintenir notre revendication et à soutenir massivement notre lutte pour que Madagasikara ne sombre pas dans le chaos total.

AMF / 3 FM

L’AMF / 3FM parti née  en 1972 n’est plus à présenter.

Etant Président National des jeunes PSD, son Président le Révérend ANDRIANALIJONH Ndriamanampy (SATROBORY)et son parti prône la Démocratie. Il roule pour l’égalité de tous les malagasy et soutien ou s’oppose au régime en place selon nos convictions politique.

Le parti AMF/3FM avait vécu tous les événements politiques se passant depuis à Madagasikara, du feu Président Tsiranana en passant par Ramanantsoa, Ratsimandrava Ratsiraka, Zafy Albert et Ravalomanana que nous avons soutenu du 1ier et son second mandat pour qu’il continu son ouvre de développement qu’il a réalisé durant ces deux mandats et que le pays en a besoin pour le 4ième république.

3 – Position

Nos deux partis maintiennent toujours leur position qu’ils ont défendus depuis le commencement de ce mouvement : le retour à l’ordre constitutionnel et le retour au pouvoir du Président Ravalomanana  et lance un appel solennel au peuple malagasy que nous resterons toujours à leur côté.

4 – Proposition

Nous sommes amenés à constater que malgré les différentes négociations nationales et internationales, les politiciens malagasy n’arrivent pas à se mettre d’accord sur les solutions adoptées et acceptées par les différentes partie prenante de cette crise.

La situation politique à Madagascar actuellement se résume en deux points opposés :

- Il y a la position de la mouvance Andry Rajoelina qui maintient son projet d’une élection législative le 20 mars 2010.

- Et les trois autres mouvances qui réclament et revendiquent l’application stricto sensu des accords de Maputo et ses actes additionnels d’Addis Abeba.

Deux point de vue se réclamant du peuple malagasy mais qui mettent la nation malagasy au bord de la faillite totale.

Nous les deux partis, signataires de ce communiqué, ne peuvent et n’accepteront que le peuple malagasy soit l’otage de la décision unilatérale d’Andry RAJOELINA.

Qu’une constitution doit être conçue à partir de la participation de toutes les forces vives de la nation, partis politique et société civiles.

Qu’un dialogue franc doit être établi entre les différentes mouvances pour le bien de la nation.

Nous proposons donc que :

* Si la proposition de Maputo III, constitue la pomme de discorde, osons l’annuler et retournons à la table de négociation,

Revoir et réviser l’Acte additionnel d’Addis Abeba.

* Mais si nos propositions ne conviennent à une ou aux autres mouvances, laissez le peuple exprimer son choix par un référendum en leur posant la question suivante :

- OUI  pour la charte de Maputo et ses actes additionnels

- NON  équivaut à l’acceptation de l’élection législative du 20 mars 2010.

Résumé

Le peuple malagasy exige de leur politiciens une solution de sortie de crise pérenne leur permettant de subvenir à leur besoin quotidien car la solution de sortie de crise est l’affaire de tous et nous sommes convaincus que les partis politique malagasy sont des partis RESPONSABLES ;

FANAMBARANA IOMBONANA

MADAGASIKARA FIRAISANKINA / AMF- 3FM

1 – Toe-draharaha Ankapobeny

Eo anatrehan’ny toe-draharaha politika misy eto Madagasikara, izahay MADAGASIKARA FIRAISANKINA / AMF-3FM, antoko politika mijoro ara-dalàna eto amin’ny firenena dia mahatsiaro fa tsy mety raha mangina sy mitazam-potsiny amin’ny ho avin’ny ny firenena.

Ankehitriny mantsy dia tsy hain’ny vahoaka malagsy intsony izay vaha olana hatolotr’ireo mpanao politika Malagasy ho fanamaivanana ny filaniz’ireo isan’andro. Valalanina tanteraka izy ireo amin’ny fihetsikin’ny mpifanandrina hamoahana ny firenenna amin’izao fifandirana ara-politika izao.

Amin’ny maha antoko pplitika tompon’andraikitra anay dia tsy afaka hijery fotsiny izahay. Raisinay ho adidy sy andraikitra ny maneho ny hevitray momba ny raharaham-pirenena ary hanolorana  vaha olana ho an’ireo mpanao politika mba handraisan’izy ireo ny andraikiny eo anatrehan’ny vahoaka sy ny firenena Malagasy.

2 – Fanolorana

MADAGASIKARA FIRAISANKINA

Ny antoko Madagasikara Firaisankina, tarihin’Atoa Serge RATOVONDRAINY dia teraka tao anatin’izao hetsim-bahoaka izao noho ny fahitana fa toa lasan-ko vavany fotsiny ny fitakian’ny vahoaka. Mitaky ny fiverenana sy fametrahana ny ara-dalàna eto amin’ny firenena ny antoko (ordre constitutionnel) ary ny fanajana ny hevitry ny maro an’isa sy ny feon’izy ireo, dia ny Demokrasia tena izy.

Na dia antoko azo lazaina ho zandriny indrindra aza izy dia mpikambana feno ao anatin’ny Ankolafy RAVALOMANANA sy ny Alliance Démocratique toy ireo antoko maro mandrafitra io ankolafin-kery io.

Ny famerenana ny filoha Marc RAVALOMANANA tsy misy fepetra eo amin’ny fitondrana no tena tsanga-kevitra novoiziny hatramin’izay satria mbola izy ihany aloha no filoha lanim-bahoaka tamin’ny fomba demokratika, dia ny fifidianana saingy noho ny fampiasan’ny antokon’olona sy miaramila hery dia voatery niala.

Ho an’ni antoko Madagasikara Firaisankina dia izy irery ihany aloha no filoha afaka nametraka ary nampahalala an’i Madagasikara teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena tao anatin’izay fito taona nitondrany izay.

Amin’ny maha antoko niainga avy tany amin’ny vahoaka ny Madagasikara Firaisankina, ireo mpitarika sy mpikambana ao aminy dia mijanona foana ary miaraka amin’ny vahoaka. Koa manao antso avo ho an’ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo ny mba hijoro hatrany amin’ny fitakiana izay nimatimatesan-tsika nandritry izao tolona izao  dia ny fiverenana amin’ny ara-dalàna sy ny fanajana ny safidim-bahoaka mba tsy hahakizo fara          an’ity Madagasikaran-tsika ity.

AMF / 3FM

Tsy hatoro antsika intsony ny antoko AMF/3FM izay teraka tamin’ny taona 1972. Filohan’ny tanora PSD tamin’izany ny filohany ary nohon’ny toe-draharaha izay nisy tamin’izany dia nanorina ny Antoko ny Rév. ANDRIANALIJONH Ndriamanampy – Satrobory.

Ny Demokrasia no filamattra hijoroany sy miady amin’ny fampitoviana ny samy Malagasy iray manontolo ny Antoko ary mijoro foana ho manohana na mpanohitra ireo fitondrana nifamdimby teto amin’ny firenena ka manaja na tsia ny foto-kevitra ijoroany.

Niaina ireo fitondrana nifamdimby teto Madagasikara ny antoko AMF/3FM fony faha Tsiranana, Ramanantsoa, Ratsimandrava, Ratsiraka, Zafy ary Ravalomanana izay notohanany nandritry ny fitondrany voalohany sy faharoa mba hanohizany hatrany ny asa fampandrosoana nataony ary mbola ilain’ny Repoblika faha efatra.

3 – Foto-kevitra

Ny antoko AMF/3FM sy ny Madagasikara Firaisankina dia mijoro hatrany amin’ny foto-kevitra nijoroana hatrany am-boalohan’izao hetsim-bahoaka izao dia ny fiverenana amin’ny ara-dalàna, dia ny fanajana ny lalàna fototra sy ny fiverenan’ny Filoha Marc RAVALOMANANA eo amin’ny fitondrana ary manamafy ho an’ny vahoaka Malagasy fa mijanona eo anivon’ny vahoaka hatrany.

4 – Soso-kevitra

Na dia toe aza ireo fifandresen-dahatra teto an-toerana sy tany ivelany, ny zava-misy dia tsy mety mifanaraka amin’izay vaha-olana naroso ka nifanekena ny mpanao politika Malagasy mba hivoahan’ny firenena amin’izao olana misy izao.

Ny zava-misy ankehitriny dia fifandroritan-kevitra roa samy hafa mifanipaka dia :

-         ny fanapahan-kevitry samirery ny ankolafy Rajoelina hanatontosa fifidianana solombavam-bahoaka amin’ny 20 martsa 2010

-         ary ny ankolafy telo izay mitaky sy mangataka ny fampiarana tsy misy dikan-teny ny fifanarahana tany MAPUTO sy ny Tovana tany Addis Abeba.

Fijery roa izay samy lazaina ho feon’ny vahoaka nefa dia hahiana hitondra ny firenena any anaty kizo.

Manoloana izany, ny antoko AMF/3FM sy ny Madagasikara Firaisankina dia tsy afaka ny hanaiky ny fanaovana ny vahoaka Malagasy ho takalon’aina amin’ny fanampahan-kevitra tsy nierana taminy, indrindra ny fanampahan-kevitr’olon-tokana.

Mahatsapa ihany koa fa ny lalam-panorenana dia tokony miainga avy amin’ny hevitra sy famolavolana ataon’ireo zanak’ity firenena ity na mpanao politika na fiaraha-miombo-pirenena.

Tokony hisy fifanakalozan-kevitra sy dinika mazava tsy miandany eo amin’ireo ankolafy misy mba ho tombontsoan’ny Firenena.

Noho izany :

-         raha ny tolon-kevitra MAPUTO III no vato misakana, sahia manafoana izany ary miverena an-databatra boribory. Jereo ary hamboary izay tsy hifanaraha amin’ny sata tovana tany Addis Abeba.

-         Nefa raha toa ka tsy hahitam-baha olana ireo fifanarahana ireo, havelao ny vahoaka hilaza ny heviny ka havereno any amin’ny ny fahefana amin’ny alalan’ny fitsapana sy fanontaniana ny heviny manao hoe :

ENY, ekeko ny satan’ny MAPUTO sy ny tovana miaraka aminy

TSIA, avelao ho tanterahina ny fifidianana solombavam-bahoaka.

Fehiny

Hiaraha-mahalala fa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ora sy rivo-doza tanteraka Madagasikara ny telo volana amin’ny fiandohan’ny taona, koa ny fanatanterahana fifidianana ao anatin’izany vanim-potoana izany dia tsy hahalavorary azy tanteraka ary tsy haneho ny tena hevitry ny maro an’isa.

Ny vahoaka malagsy koa dia mitaky amin’ireo mpanao politika vaha-olana maharitra mba hivoahana amin’izao krizy misy izao.

Ny famahana izao krizy izao dia andraikitry ny olom-pirenena rehetra koa dia mino izahay fa tompon’andraikitra matotra sy mitady ny tombotsoan’ny vahoaka sy ny firenena ny mpanao politika Malagasy.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Tsy ny FAT no vaha-olana
  2. Françafrique ihany no faly amin’izao
  3. Ravalomanana irery ihany no tsy nivadi-dela
  4. Sorona any Maputo ary sazy hoan ny zaza Malagasy
  5. Aiza i Madagasikara ? Maputo 3

12 Comments

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ce qui se passe à Madagascar s’apparente de plus en plus à l’affaire rwandaise de 1994 !
    La différence on le sait, réside dans le fait que ce ne sont pas deux ethnies qui s’opposent, mais qu’une « poignée » de revanchards, d’aigris, de renégats, soutenue par des mutins armés jusqu’aux dents, est en train de prendre toute la population malgache en otage !!
    Parce que les malgaches abhorrent les tueries ( mais il y en avait eu du temps des TTS de Ratsiraka ), aussi les putschistes essayent d’en abuser !
    Quel est le rôle, le DEVOIR de la Communauté internationale, notamment un pays que je n’ai même pas besoin de citer, dans tout ça ?
    Médiation ? Cela va faire bientôt un an, que ladite Communauté internationale avait reconnu l’existence d’un putsch ; d’ailleurs des sanctions sont déjà tombées, et d’autres sont en attente. Mais pourquoi prendre des demi-mesures, aussi inéfficaces qu’iniques ? Le peuple est touché dans sa chair, est affamé, alors que les putschistes s’en mettent plein les poches, sans vergognes ?
    Protection ? Le peuple n’a jamais souffert, aussi bien physiquement que moralement ! Que dire de ces assassinats dont la liste ne fait que s’allonger, chaque jour que le bon Dieu fait ? Les attaques, vols à main armée, rapts, et escroqueries ? Le nombre de tout ce qui est crime, pénalement parlant, est en train d’exploser ! Aussi, peut-on sérieusement parler de protection de la population, de la défense de ses intérêts ?
    Ou alors, de quels intérêts cette Communauté internationale est-elle, l’ardent soutien ?
    Ce n’est pas un secret, les membres de ces médiateurs sont grassement payés, alors, je n’irai pas jusqu’à dire que la non résolution de cette est du pain béni pour eux !
    Communauté internationale, c’est un PUTSCH donc un CRIME !!!
    APPLIQUEZ LES SANCTIONS QUI S’IMPOSENT ! NE RESTEZ PAS LES BRAS CROISES, A COMPTABILISER LES VICTIMES, TOUT COMME VOUS L’AVEZ FAIT A KIGALI !!

  • nadia grondier dit :

    Madagascar tsy Afrique ry bandy e! aza ampitoviana amin’ny Maizina ny olona any @ Tanana na dia izany aza ny fanirianareo dia ho zary noy fotsiny

  • KintanaMananDrambo dit :

    ERROR : Le peuple n’a jamais autant souffert

  • KintanaMananDrambo dit :

    Nareo zany ny penina na koa maintin’i gamara ?

  • nadia grondier dit :

    mmmmmmmmmmmmmmmawola

  • KintanaMananDrambo dit :

    Fffffooooooozzzzaaaaaaa kkkkkeeeeelllllyyyyyyko !!

  • Alidera A.R. dit :

    Cela fait 50 ans que l’on cherche la démocratie, mais comment peut-on chercher quelque chose que l’on ne sait même pas? quelque chose que l’on ne comprend même pas? Toutes les solutions proposées et appliquées jusqu’ici, depuis le début de la crise, n’ont rien de démocratiques, et encore moins républicaines.
    Et, l’avenir se profile encore plus sombre au vu de la prestation de Rafanomezantsoa Jules Roger quand il a étalé ses points de vue et des jeunes Mouvance Zafy.
    C’est triste!!! que c’est triste!!!

  • KintanaMananDrambo dit :

    Mais réjouissons-nous Alidera !!
    Nous sommes actuellement les spectateurs privilégiés, d’un grand numéro de mazi, effectué par de grands maziciens, et illustres prestidigitateurs !!
    En effet ce sont des pros, les seuls capables au monde , de transformer des bêtes féroces et sanguinaires, en adorables agneaux inoffensifs !!
    Spectateurs endormis, ébahis ou abasourdis devant tant de prouesses !
    Qui peut trouver mieux ??

  • Alidera A.R. dit :

    kintana,

    kivy ambony ihany ny tena satria efa ela (1998) no nanentanana ireto avara-pi manodidina ny tena ireto fa sarotra ny miara-miasa rehefa be angaha ny fahalalàna?
    moa tsy fihomehezana sy valy boribory no azo tamin’ny nilaza ny tena hoe mila mitandrina fa hisy hanongana ilay rangahy iny?
    moa ny hoe ataovy ary jerena aloha ny ataoanareo e? fa rehefa mandeha io dia ho avy izahay hiravaka ny vanginy?

    Mampalahelo!

  • tonhy dit :

    tsy maintsy misy ny rà latsaka raha te hiala eo ambanin’ny fanandevozan’ny frantsay ny malagasy.
    kanefa, i M:kara tsy mandohalika de tsy handroso mihitsy raha mbola miaraka @ frantsay sy ny gasy mpisolelaka vazaha taratasy.
    MBA MANDINIHA RY GASY F’AZA MANAIKY LALAOVIN’NY RAJOELINA, JEREO NY FIRENENAO SY NY HOAVIN’NY TARANAKAO AFAKA 20 TAONA .

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ny toe-tsain’ny malagasy mihintsy ry zareo no tokony miova a ! Averiko eto foana, fa ny fitondran’i Ratsiraka no nanimba ny fisainan’ny vahoaka ; io fanonganana io dia tsy hanatsara ny toe-javatra ! Maloto saina daholo na avara-pi aza !!
    Izaho manokana, dia efa ela no kivy ry Alidera â !
    Inona no tokony atao ?
    Nisy koa ohatra fiantsoana ny diaspora, mba hanoharana an’izao zava-misy izao, dia misy sahy milaza hoe : Izahay « netra » ka tsy ho any !!
    Mba olona misaina ve izany olona izany ???

  • Maevanilla dit :

    Noho ny fanjanahana nanjaka loatra ao anatintsika malagasy dia lasa tsy mino intsony isika hoe ny gasy anie ka mba mahay, ary mety mba tafavoaka, mila ny avy any ivelany foana vao mieriteritra fa hoe ho tafavoaka. Tsy miteny anareo nianatra any ivelany aho eto fa mba mijery ny toetsaina ananan’ny gasy eto antoerana sy ny toetran’ny gasy mipetraka any andafy. Raisiko ohatra : Inona moa ohatra ny fahaizana manokana ananan’i Ping raha mitaha amin’i Xgasy tia ny fireneny, iza no tena mahafantatra ny contexte socio culturelle eto madagasikara aminizy roa ireo. Ny gasy dia tsy maintsy hirona amin’ilay vahiny satria io mahay.Izaho eto dia sahy milaza fa i PING io dia ho PING PONG fotsiny fa tsy hisy zavatra mazava hivoaka eo, vola lany fotsiny. Izaho dia maka ny hevitry ny USA sy SADC ary foanako any io CI io ary Madagasikara tokony hiditra amin’ny Commonwealth amizay ary ialana any io Francophonie io.
    Ny toetsainan’ny gasy milaza ho neutre dia katahotra fa izay iray na oui na non ary io dia mbola ny fanjanahan’ny frantsay ao anatin’ny tsirairay foana.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site