Lotoin’i Andry Rajoelina ny Tanana !
Miaina ao anaty loto tanteraka Antananarivo, araka ny fantatra dia faha dimy amin’ireo tanana « voretra » eran-tany izy. Sanatria tsy fitiavana te hanakiana fotsiny fa tsy vaindohan-draharahan’ny fitondrana Fat loatra izany. Mamono afo isan’andro no laharam-pahamehana ho azy, ny mpivarotra amoron-dalana aloha no atao izay hampangina azy sao hihitatra zavatra hafa eo, avy eo mitady hevitra izay hampanginana ireo very asa noho ny AGOA, rahampitso indray mitady vahaolana hafa hamahana ny olan’ny « dokotera marary », nanambara mihitsy moa ny Minisitra Fat fa miisa 19 000 ireo olona mitady asa ka hosoloina izay mitokona eo. Ny afak’ampitso ny « prime » hoan’ny miaramila sy ny tafika sao hivadika eo ka ho loza ny hanjo, dia toy izay hatrany.
Mipingampinga manongam-panjakana hany ka izao ny vokany : « lotoin’ny Andry Rajoelina ny Tanana e! »
monopole ?
Tsy manana vinan’asa mazava hitondrana firenena, na fohy ezaka io na lavitr’ezaka.
Tadidio ange e! Vao nanomboka nitondra ry zareo dia nenjehina mafy ny orinasa Tiko hoe nangoron-karena, taty aorindriana dia hoe mahazo misokatra indray satria vola be be ihany ny hetra tokony hiditra amin’ny fanjakana sy ny fikaikaikan’ny tantsaha tany Antsirabe, manginy fotsiny ny tsy fisian’ny vokatra. Jereo ny vokatra vahiny indray no manao « monopole » eto amin’ny tanana. Avy eo indray sahy niteny mihitsy Rajoelina hoe « tsy ny fitondrana Fat no mila asa amin’ny AGOA fa ny vahoaka ». F’angaha moa tsy anjaran’ny mpitondra no miahy ny vahoaka ? Dia nandeha teny ihany ny tantara, nilaza indray ry zareo fa tsy mila famantsiam-bola mahazatra amin’ny vahiny, aty aoriana dia mivadika indray ny rasa. Dia toy izany hatrany. Mihevitra ny vahoaka ho bado sy nandra e !
20 martsa
Tsaroantsika ihany koa ny hoe hanao fifidianana alohan’ny faran’ny taona 2009 ny Fat fa izany no hiverenan’ny fahatokisan’ny vahiny, aiza izany? « potsiro ny voamasoko » hoy ny Ntaolo raha mba hisy fifidianana ho vitan’ireo izany eo amin’ny 20 martsa. Mody hitady ala-sirika indray i Manorohanta, toy ilay karam-panondro biometrika ihany e ! Fandrebirebena sy filalaovana ny andro sy ora sy fotoana fotsiny mba hafahana mibobo toerana fotsiny.
Tsy manana teknisianina sy mpanolon-tsaina mahay ve Rajoelina ? No mahatonga azy mijabaka toy izany hatrany, tsy mino izany aho. Efa manomboka tapi-dalan-kaleha ry zareo, toa tsy mety daholo izay hatao, « ny patsa iray aza tsy omby vava » hoy ny Ntaolo, be loatra ny tsiny sy tody ary ny ozona mihantra amin’i Andry Rajoelina sy ny forongony ka mihisatra ny TGV.
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:

Patsa ê, Patsa ! Tsy ary mitovy daholo !!
Sendran’ny kamarô, izany i sankalité ! Ho sarotra ihany ny hitelina an’io amin’izao, na dia zatra deep t aza !!
MDR !!
Any aminareo angamba no sarotra atelina ny kamarô fa aty aminay ireny sakafo milay e!
Ary le olona mirediredy hoe ampiaraho ny fifidianana filoha sy ny AN anga heverinareo hoe tsy efa kendan’ny pirina sy ny tsiboboka
Mba dia tiako ho hita laotra ianareo, mahavita mitelina kamarô iray tsy tsakona izany !!
bonjour
dia voa mafy tokoa ny Malagasy dia tena mbola misy masahy miteny ve hoe milay ilay bandy DJ io na mbola misy manohina ihany ????
ny fianakaviany ary toa mety hisitrika fa menatra ny vahoaka
efa dia tsy ho ela loatra dia hoavy amin’ny ny atao hoe tay tsy omby vody oooooo!!!!!
hoany mpamaky rehetra ity
ka ny kamaron-dry caricature angamba tsisy akorany na taolany na izy mihintsy no tsy olona fa alika mahatsako taolana sy karapasy. ho ho ho
Tena manao masona mpanamoly mihitsy ity president ny foza ity marina
Ary tsy mandainga mihitsy ny sary .
Dia izao ve dia mbola hekena ihany ny fipetrahany eo
A QUI PROFITE SA TOXICOMANIE
Izao no atao hoe : » Mitsambikina nefa mikipy »
Te-hanezaka mafy hatramin’izay fa izao vao mahatsapa fa kely ny « oza-pe » aza manody ny manjo azy .Tsy lasa lavitra ê!
Te-hilingilingy ka lasa avo vao tora-kovitra
Angaha izy ity vitan’ny mampandihy olona iray trano ? Izao ny firenena malagasy iray manontolo no fanina sy mitsirepirepy tsy mahita harapaka ;ka tsy aleo ve miala moramora raha tsy mahavita azy ê!
I lery anie efa ela no nolazaina hoe, aza mitsabatsabaka any amin’ny zavatra tsy hay, tsy voafehy ê ! Be kirina, sy be zesta ; ry be fialonana iray-trano koa moa namporisika sy nampanantena vola !
Tsy trano fampandihizana i Madagasikara, ka hoe izay hira tiako alefa dia bian daholo, ary tsy maintsy mandihy ny gasy !
Fiainam-pirenena tsy tsapiky, na kilalaka,…,ka solosoloina foana eo ny dihy !
Ny vahoaka tsy i Mialy, ka hoe handao fa zany ny fandihizana Tiakotoam’nika
Ny saka sy alika aza toa mba mahalala menatra ihany!!
Ny saka ,ny alika anie Ramatoa mba misy fofon’aina ê !fa ity anie saribakoly sankalite
tanteraka ê .Tsy mana-tsafidy fa miandry baiko fotsiny :ailik’ats,ailik’aroa dia izay. Herintaona izay no lasa,voka-dratsy mibaribary no hita,firenena potika no mameno ny tany.
olona alika mihitsy ilay andry rajoelina ,tsy misy ilaina azy tsy mamokatra miala no tokony hataony olon-dratsy mpanongam-panjakana be fialonana any president RAVALOMANANA ny anay dia i RAVALOMANANA ihany tsy mila any tgv sy ny vadiny sy ny forongony mifatesa nareo ry tgv ny tody rehetra ho avy aminareo olona tsy mendrika ny hitondra any MADAGASCAR maimbo ny forindreo voriambitsiky rehefa maimbo dia miala fa mandoto tanana , hoy ny teneko malagasy tia ny tanindrazako miala nareo ry tgv fa maimbo be ny volomporintene lava be sy tsy misasa hoy ny tantaran’ny sipanao taloha sady misy hao no mantsy fory nareo tgv sy mialy miala teo fa tsy mendrika.
Ary tena izao mitsy lé tonga @fitenindry zalah hoe « Ironie du sort » ! : Gambas mavety be ! Mampilendalenda ny pihinana kanjo kay izy ity ka tena lé crustacés efa lo aby ny atiny ! Ary dé tena patsa iray tsy omby vava marina fa tandremo rey olona fa ratsy be ny intoxication alimentaire ! Aza manaiky hapilendalendandry lerony fa ra tsy urticaires matsiravina ny hanjo izay mitsaingoka eo dé mety ho daidra avy hatrany mitsy a! Mba kôzy e!!
Ka inona ary leretsy no hagaga ra maloto sy maimbo koa ny tanà na, taiza no mbola nisy olona maloto ka madio aby zay lalovany e? Ny fiatsarambelatsihy asehon’ny tsy manana kalité dé mitovy tateraka @ gambas vôlazako io e! Refa maloto saina dé toy izany daholy zay asa atao retra !
Azafady ry BANDY fa tsy mbola nanalika anao ny tenako fa raha tsy tantinao ny fanehoan-kevitra eto dia mahazo miala ianao. Hita mantsy ny nhamaivanan-dohanao @ zavatra asehonao eto. Mora enti-po sa mahatsiaro tena ho vokitika anga ianao.
Tena hita taratra fa olona ambany saina sy mirefarefa @ tany. Angamba mba manana internet de tsy maintsy manoratra mba ho hitan’ny olona fa raha ny fomba fisainanana dia zerô pointé
ireo anie anarany nianatra fa ny fotopisainana dia tsy Gasy e!tsy tia Fihavanana ,tia tena any ka ny sakafon’ny Gasy indrindra ny tovolahy hampatanjaka aza dia tsy fantatr’ilay Kintana akory,itan’ise fa tsy Gasy ise fa efa ny xxxxxxxxxxilay botabe ny ao anatin’ny se hi hi hi MDR aza tezitra vao maraina a!
Ny Camaron an’dry « Caricature » ange ka FozaOrana e! ateliny fotsiny iny rehefa masaka tsara miloko orange! sady efa voabaikon’i Didy Jadona (DJ) tsy hanaingoka ilay V maranitra iny lol!!!
IER ANNIVERSAIRE 26 JANVIER 2009 – 2010
Mba hisy ve hetsika lehibe ho fahatsiarovana ny datin’ny 26 janvier 2009?Erin-taona tokoa, rahampitso, mantsy, ny fanapotehana fananam-bahoaka goavana nentin’ i TGV, Roindefo, Ratsiraka sy ny sisa nandroba ny fahefana.
Mba hanao jery todidika ( an – tsary, feo, fakana am-bava ny « victimes » …)ve ny mpanaogazety malagasy indrindra ny MATV sy ny mpanohitra sa dia ny fifidianana, nyOIF-Françafrique izay vonona no hanampy amin’ny fifidianana, sy ny dian’i Rajean Ping sy ny hetsika nataon’i Roindefo tamin’ny asabotsy teo no mbola ho vohizin’ ny mpampiely vaovao?Tsy mahagaga raha ny ao amin’ny VIVA no tsy hanao izany. Raha tsy hoe hialabala TGV sy ny FAT fa ny » vahoaka leony » ( nefa ny baomanga novidiana ) no natao an’ ireny
Fampatsiarovana ary koa filazana ny zava -nitranga tao aorian’ ireny zava-doza ireny :tsy olona tsy anasa, ny orinasa nikatona,ny PPN importer-na fa nopotehina sy natao varoboban’ny an’i TIKO sy Magro. Mba aiza amin’izao ny nanaovana vola hazo tamin’izany. Any amin’ny Service des Impôts tokoa ve sao any am – paosind – ryzalahy? Ny TVM sy ny RNM ve hiresaka an’ izany amin’izao filazan’ i Nathalie Rabe izao fa malalaka dia malalaka ny hainamanjery mpanjakana nefa tsy fantatr’izy ireo akory ny zavatra nitranga marina
Raha ny momban’ Antananarivo indray dia ny nifidiana an’ TGV, dia ben’ny tanana. Ka izy sy Edgar no tomponraikitra amin’izao loto, kototana, tsy fandriampaemana misy hatramin’ izao.Antananarivo aza ity tsy vitany ka inona no ataony amin’ ity Président HAT ity. Mba antanio azy re ry mpanaogazety malaza e. Ataovy direct eo amin’ny plateaux -ny tele rehetra fa efa mahatofoka ny zava misy.
rehefa tofoka rakotoson dia mandehana milevim-belona! tsy ampahafirin’ny niainan’ny malagasy nandritry ny 8 taona nitondran-dravalonandra izao! halatra, fanaovana tsinontsinona, fanaovana bontolo fananam-pirenena, halatra vadin’olona, fametavetana pilipitram-pivavahana, ny ratsy rehetra tao aminareo sy ry ravalonandra daholo! mandehana milevim-belona fa aleon’ny gasy miaina ao anatin’ny loto ao anatin’ny fotoana fohy fa manantena masoandro mihiratra toy izay miaina ao anatin’ny fisehoana manao zavatra kely nefa mijaly an’eritreritra sy ara-tsakafo sy vola! ianareo no zatra niaina teo ambony tsikoko fa ny malagasy efa nampizakainareo an’izany nandritry ny taona maro fa nafenina tao anaty akanjo fripperie-ndravalonandra! mandehana milevim-belon a na mandehana manaraka ny dadanareo any afrika atsimo!
Mbà jereo ao amin’ny top mada fa nisy nalefako ao tamin’ny alatsinainy: ny sisy hataony izao dia manalava ny tetezamita hahazoan’ny frantsay mipetra sy maéka izayho azo.
SILENCE RADIO ……..
que se passe t il du coté de Razafimbahiny et Fetison ?
Muselés ? ou anéantis ? ou complaisance discrète ?
TSY MBOLA NISY PREZ VENDRANA HOATRAN’IO RAJOELINA IO TETO AMBONIN’NY ITY TANY GASY ITY HATRAMIN’IZAY,
AOKA HAZAVA NY RESAKA