Tapi-maso e !
Vonjy tavan’andro daholo ny fandraisan’andraikitry ny Fivondronana CUA. Hitantsika eto amin’ity sary indray mipika ity ny fiasan’ny fitondrana Fat. Lokoin’izy roalahy miakanjo « orange » tsy misy hantra eto ity dokambarotry ny orinasan-tserasera iray. Nisy soratra nanaratsy ny fitondrana teo mantsy ka tsy maintsy tapenana haingana « tapi-maso e ! ». Mipetraka ny fanontaniana hoe : f’angaha tsy mandoha hetra ara-dalana itony dokam-barotra itony no dia hatao toy izao ? Etsy an-kilany anefa ny mpifaninana amin’ity orinasa ity migalabona soamantsara. Sa mpanohana sy mpamatsy vola ny Fitondrana Fat io orinasa io dia tapenana ny mpifaninana aminy ? Ahiahy ny anay fa ny zavatra hita dia tsy misy antoka mazava ny fampiasam-bola eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ny orinasan’i Filoha Ravalomanana no tena nizaka ny mafy tamin’izany, na dia iaraha-mahalala aza fa talohan’ny naha Ben’ny Tanana azy no nahazoany ireny dia atao antsojay ankehitriny.
Ampihimamba vahiny
Nisy ihany koa orinasa mpamokatra labiera saika hisokatra ary efa nihodina sy nanao dokambarotra manerana ny Nosy mihitsy saingy toa tsy hita anjavony izany, mipetraka indray ny ahiahy hoe sao dia hifaninana amin’ny orinasa lehibe mpanohana ny Fitondrana izany ka hizara eo ny mpanjifa, ny « Classiko sy Olympiko » efa norobaina sy nodorana. Moa tsy izao mitranga izao no tena atao hoe « Monopole ». Nodradradraina fatratra mantsy fa hoe ny Filoha Ravalomanana no manao ampihimamba na « monopole » teto Madagasikara koa maninona no mitranga izany amin’izao fitondrana izao ? tsy aleo ve ny mpandraharaha Malagasy, tanana Malagasy, tantsaha Malagasy no mba mahazo tombotsoa toy izay ireo vazaha lava sofina no hanao ampihimamba ny fananantsika ? Sokafy ny maso rehefa mba mandeha eny an-dalana fa dokambarotra vahiny no ankabetsahany hitanao, « monopole vahiny » izany no tiana hajoro eto. «Ny vava no tsy hatao be ny mamerina azy no sarotra».
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:


Fa inona moa no orinasa mahazo vahana ankehitriny eto amintsika ? Tsy ny orinasa frantsay, karana, sy ny an’ireo mpitondra FAT ihany moa ? Ny an’ny sasany aza lokoina hatramin’ny seza vato ipetrahana an-jaridaina anaovana dokam-barotra.
Izay orinasa rehetra an’i Prezidà Ravalomanana dia rindrina efatra no hany sisa mijoro ary efa mitresaka ny rindrina. Nahoana loatra re no dia manana toe-tsaina mirefarefa amin’ny tany toy izao e ? Fa hitondra mankaiza hono izato fireharehana sy toe-tsaina ory hava-manana ?
Mitondra lalina any amin’ny fahaverezana ny toetra fialonana!.
Ahoana moa no mbola hinoana fa hitondra soa ho an’ny malagasy izao mpitondra sandoka izao raha mahazo fahefana? Manginy fotsiny ny fampisaraham-bazana ataony, raha mikasa ny hitondra firenena izany, dia ny mampiray hina no voalohan’adidy. Sa inona marina no tena tadiavina hatao? Mandra-pilamin’ny toe-draharaha aloha, dia aza reraka isika manazava sy manentana fa tsy maintsy ho tonga ny fotoana hifanazavà na (fifidianana io)na ho ela na ho haingana. Mankahery antsika rehetra!
Vokatry ny fialonana daholo io ry zareo a, io izany Toe tsaina no tena mitondra azy e, fa raha mbola fialonana no enin’ny malagasy miaina di hifamingana eto foana isika ary na hiova republuque isan-taona ary tsa mamely io. Tsaroako foana ny tenin’ny Filoha Ravalomanana hoe: » NY toe tsaina aloha no mila miova vao afaka mandroso e »
Fa raha ireto mpitondra ankehitriny ireto dia menatra be za ny ho malagasy fa kely saina loatra
Tsy vita ny fialonana ry Randria
Il s’agit de réelle reprise en main de toute l’économie malgache par les Français évincés par le gouvernement Ravalomanana.
En clair une autre forme de lutte pour COLONISER
C’est l’impérialisme français qui revient au galop.
Rajoelina est » le fils de pute » dont ils ont besoin
comme disait le président américain TRUMANN ( pourtant démocrate !)concernat le dictateur BATISTA de Cuba , avant Fidel Castro…
io na karana na sinoa dia mampandroso daholo fa mialatsiny kosa tompoko fa raha ny Gasy aza manana orinasa ka tsy misy fiovana aminy fiainana andavanandro dia tsy maintsy hesorina
« Sokafy ny maso rehefa mba mandeha eny an-dalana fa dokambarotra vahiny no ankabetsahany hitanao, « monopole vahiny » izany no tiana hajoro eto. »
==> Saotra, fa dia j’y prêterai mon attention tokoa manomboka eto!
Pas mal comme sujet de conversation entre amis (légalistes, de même qu’aux 1% tgvistes)!
Fialonan’ny frantsay, ny frncafrique sy ireo mpiray petsapetsa an’ny MERINA (ataoko soratra lehibe) sy i Madagasikara izao miseho izao. MERINA hoy aho satria io foko io no afaka nifampitana aminy @ rehetra ka tsy tiany sy nenjehiny hatramin’izay ka hatramin’izao. Nataon’ny Frantay fitaovana ireo foko hafa nohon’ny MARINA eto Madagasikara hanapotehana ity firenena ity…nahita olona iray amin’izao fotoana izao (i Andry TGV) izay olona tsy nianatra ary mora ambakaina hanambotriana ny Malagasy ka izao no vokany azontsika dia fidinan’ny harinkarena, fitsitotongan’ny vola malagasy, ny tsy fahatokisan’ny mpamatsy vola, ny fikatonanan’ny orin’asa maro, ny fiakaran’ny olona tsy manana asa, ny fahapotehan’ny infrastructure efa nanana teo…
Monopole @ endriny vaovao no miseho eto fa tsy mampitombo ny harinkarena malagasy na manome asa ho an’ny Malagasy fa mampitombo ny vola ampaosin’i ANDRY (ny fisian’ny Groupe TIKO dia mifanohitra amin’izany)…ny Societen’i TGV moa dia efa ela no tsy nandoha hetra ka ampiriminy @ kaonty francafrique iray eto izany…nohon’ny fitiava-tena, tsy fahaizana miampy fahajolahimbotiana fotsiny izao.
Ireo TGVistes ireo dia mila manova toetsaina aloha fa tsy misy afatsy opportuniste ireo ary tsy manana vision, efa hianjera anefa ka ny vahoaka no hanala azy miampy ireo olon’ny TGV izay nanohana azy satria voafafy lainga…
Afaka 10 taona indray isika vao mahita fandrosoana raha hisy ary raha tsy miala eo io TGViste sy ny taranany sy namany, ka olona manana poigne mitovy @ Ra8 izay sarotra ny mahita izany. Tsy ny profil mpandainga sy mpamitaka ohatran’ny Andry DJ sy La Frantsa aloha e.
bonne nuit daholo ry reto a! tahin’Andriamanitra a!
Marian mihintsy fa ny fanaovana politika eto amintsiak dia izay mitady hisondrotra dia sintonina hidina,vao mahazo pouvoir dia alentika ny adversaire
Inona ihnay ary no andrasana ry vahoaka fa tena leo leo izahay an!andao hihetsika e!aleo maritiora ho an’ny tanindrazana fa efa tsy las aintsony ityFAT ity
Ny an’ny orinasa vahiny efa fomba fanaony ny mifaninanana, ary mazana lasa tombotsoa ho an’ny mpanjifa aza izany fifaninanana izany.
Ny tena loza dia ny ataon’ny mpila ranondranony rehetra, misolelaka amin’ireny orinasa ireny mba hamatsiana ny filan-dratsiny. Tsy maintsy misy ny kopaka hisasahana ka rehefa azo ny fitondrana dia tonga amin’izay ny mpitaky trosa rehetra.
Ny teo ihany no teo fa resaka ka atao. Asakasak’izay mbola te hamela izao gaboraraka sy fitondrana tsy refesi-mandidy izao hitohy hatrany.
Misaotra anareo rehetra izay namaly ity « article » ity ary misaotra an’ny MyDago koa.
Ny mampalahelo anie ry rahalahy sy anabavy dia ny tsy fisian’ny « réaction » avy aty amintsika e! Ny « réaction » tiako tenenina dia ny firaisankinantsika: raha niantso izao ny mpitarika antsika hoe « ndao ho eny Anosy! » dia tena vitsy mihitsy isika no mankany, hany ka mora velezin’ny EMMOREG fotsiny.
Ny tolona dia mizara roa; ao ny tolona fampisehoana hery (ao antin’ny filaminana) eny an-kalamanjana, ny iray kosa dia serasera toy izao ataontsika izao. Ka ny tena tsara dia MIARA-ATAO IZY ROA.
Koa andao re rey olona, isika izay eto Mada, atambaro ny HERY dia ANDAO HO ENY ANOSY E! Ny tena mahazendana dia nony tonga namana isika mpomba ny Filoha RAVALOMANANA dia lasa toy ny ranon’iKopa ka lasa « mavomavo » indray.
HAMAFISO NY HERY! ANDAO HIFANOTRONA HO ENY ANOSY! HOMBA ANTSIKA ANIE ANDRIAMANITRA
Izay mihitsy Ziry O a, mila mifanotrona isika, ny fanehoana anakiray tokony tao dia ny hery, betsaka lavitra isika manohitra ny tsy rariny legaliste fa nahavita nampiseho hery intsony tato ho ato na dia miady mafy aza izay tokony eo ambony latabatra.
Fantatra fa jolahimboto, tsy manatsaina ny DJ Andry sy ny namany…olona tsy manatsiny eny @ bas kartie no nentiny nanantateraka ny filandratsiny miampy ireto Frantay ireto.
Mila maneho hery isika, aleo mamaly ny antso @ zaikabe ny 4 – 5 frbroary izao…
Efa tsy izy ity FATy ity e, mila manana hery vaovao indray…mafy ilay izy fa tsy maintsy miray hina ho an’ny taranaka…aleo tsy ho simba Antananarivo sy i Madagasikara, satria miditra @ fanapotehina ataon’ny Frantay sy TGV isika izao (araka ny tenin’i Ziry O) mba ahafahandry zareo manjakazaka.
mba lahady androany ajanony kely aloha ilay politika fa samia mivavaka ho an’io tanindrazantsika io na inona firehana misy anao dia tsy adiankevitra alou samy Tia Tanindrazana daholo isika
Inona marina moa io toe-tsaina tokony ovaina io?
Efa ela dia ela mihitsy no nahenoako io resaka io. Mbola zazakely vao hiditra nianatra aho no efa henoko izany. Isika malagasy mihitsy ve izany no tena « vendrana » satria na ny zavatra heverintsika ho fototry ny zavatra tokony atao aza tsy vitantsika?
Manaraka izany dia na misy aza ny herim-pamoretana izay ataon’ny FAT/HAT, misy kosa fomba fiady hafa sy mazava azo atao. Tanisao daholo ireo orinasa rehetra niara-niasa ny nanohana ny TGV/Arema/UNDD/AKFM/Leader/… Rehefa vita izany dia aza misy mividy na mampiasa akory ny zava-bokarin’izy ireo. Nefa iza anio no tsy misotro THB/Coca/produits STAR (Henri Fraise)? iza no tsy mampiasa téléphone Orange (izay nanome plate-forme de communication gratuite ho an’ny opposition tamin’izany andro ary notarihin-dry Ramaroson, SEFAFI, CONECS, AKFM…)? iza anio no tsy mbola maka lasantsy any @ TOTAL? Iza no tsy mametraka ny volany any amin’ny BNI-CA/BMOI/BFV-SG izay samy nandalovana vola nikarakarana an’iny resaka iny ary indrindra anisan’ny mampitohana ny fandrosoana marina? Iza anio no tsy mbola mividy entana avy any amin’ny karana? na sinoa?
Izany rehetra izany zavatra azo atao avokoa ary izany aza no hitako kokoa hoe lojika indrindra na hitolona eny an-dà lam-be na tsia.
Nadia grondier, alahady ny andro, ka mandehana ianao mikarakara sakafo, ho an’ny vadinao sy ny zanakao !
Avelao ny olona hiresaka eto, izao no mba ahafahin’ny be sy ny maro mitafa ! Raha katôlika ianao, ka tsy lavitr’i Paris, dia mba mandehana miangona androany après-midi, fa misy lamesa fahatsiarovana sy fanomezam-boninahitra ho an’ny kardinaly Razafindratandra androany.
Eglizy St dominique ao amin’ny 14e no hanaovana an’io !
Ary aza mifanorisory vao maraina, fa efa nilaza aho hoe, gasy ny vadiko, fa rehefa tian’ise ho vazaha, dia vazaha ; ho sinoa, dia sinoa ; ho afrikana, tsy olana !
Izay akia â !
MDR !!
Mao
ikona inaindry inaoza no havotana fa zola tsihimy. ngotava mirevina tia domy inaindra.
vian’ikila.
nadia grondier Mao
anotsy inaiza e!
KM + Nadia,
Aferanareo ny anareo, fa mba ataovy any anelakela-trano any ny vazivazy sy fifanarahana moa e ! Tsar ny mapme raha tsy mitarazoka otranio, fa efa olava ka mifakatiava, mifanarà ,ataovy izay madevolana anareo fa rà zà aloha de efa tsy mapme tsony le kaozinareo. Tsy fatatra tsony na misy zavatra leibe ho lazainareo natsia fa dia votery mamaky ihany, ay resaka tsy makaiza .
Tena azafady an ?!Misaotra e !
Odile,
Vaovao amin’ny tanà na ianao, na koa, olona niova pseudo ; fa raha nanaraka tsara ianao tao amin’ny Topmada, sy atramin’ny nifindran’ny ankamaroan’ny mpisera tao, ho ato amin’ny MyDago, dia tokony mahafantatra hoe : Iza i nadia, ary koa inona no antony hiseraserany eto ?
Ka aza dia taitra ê ! Tolona daholo no atao eto, fa tsy fandanian’andro !!
andray kosa!
andray kosa! tsy misy andany andro ka andany vola vola anie miresaka eto e!
andray kosa! tsy fandaniana andro velively no eto fa fitiavana Tanindrazana
Marina tokoa fa raha Ra8 no teo dia efa any amponja daholo ireo mpivarotra sy publicité tsy manara-dalana ireo; ny olona mi-s’exciter amin’ny tranokala dia efa mangovitra fa ho tratra, ARY NY TENA MARINA DIA : izao fahafahana ankehitriny, miteny, mamompa ny fitondrana, mandaha ny aradalà na, légal sy règlementaire izao : ny tsena, ny serment d’hyppocrate,…, miady amin’ny marary mitaraina ny dokotera grévistes fa tsy misy mijery, bref raha ra8 sy ny clique-ny no teo dia efa foana daholo izany, nandeha ny remise à l’ordre koa na voaroaka na affecté na en prison daholo ireo olona ireo! Aiza re Ra8 e!
Salut daholo
Odile â io grondin io ange dia pro tgv nefa na io aza ny sainy dia tsy fantany ny antony.Olona atao hoe:tsisy dikany io olona io fa mi parasité ny forum eto fotsiny.KM â efa nolazaiko fa hoe zapeo io fa mitapitapy sy mpanopa fotsiny no hainy.Dés que les discutions deviennent sérieuses dia tsy azon’ny sainy intsony dia elle dit n’importe quoi.
Maro be ry akama isany ny zavatra miandry antsika.Efa fantatrizao tontolo izao ny fijalian’i Madagasikara, nefa tsy maintsy miertreritra tsara izay tsy hamoizan-tena aloha no atao masina satria ny etsy am-pita (miaramila sns…)dia miandry antsika hietsika fotsiny dia hitifitra satria io no zavatra hainy.Ny azo atao dia mitady stratégies tsy ao an-tsain’ireo mihintsy dia atao.Sa ahoana?Tsy ny fombany no averin@ satria tsy hisy anao jiolahim-boto hoar’azy.Yza aloha no mba hevitro hoe:soyons plus intelligents qu’eux pour les battre, mais ne pas être ou faire comme eux.
schizo anga ty nadia ty ka.