Erin-taona toy izao no nandorana ny haino aman-jerin’ i Filoha Ravalomanana teny Anosipatrana, ny télévision sy Radio MBS (Malagasy Broadcasting System) sy ireo gazety mpiseho isan’andro « Le Quotidien » sy« Ny Vaovaontsika », efa andro maromaro talohan’ny nandorana azy no efa nilan’ny Commune vaniny, izay mbola Andry Rajoelina no ben’ny tanana tamin’izany, tamin’ny alalan’ny Nirhy Lanto Andriamahazo fa ilain’ny Commune ny tany. Namaly izany ny tompon’andraikitra ary nampiseho mazava ny « atontan-taratasy » ( bail ) ny maha ara-dalana ny MBS. Sotasota daholo ireny, andro vitsivitsy taty aoriana, nodorana norobaina natao an-keriny ilay fanana tsy an’ny tena, izany no demokrasia notakian’ny Rajoelina.
Ny tena loza, ny fanimbana ny trano vaovao ny TVM izay anisany raitra dia raitra tokoa manerana ny Afrika, ny rakitry ny ela tao amin’ny RNM, tantara sisa ireny.
Iza no tompon’antoka nibaiko tamin’izany ? Hatramin’izao aloha tsy nisy fanenjehina teo amin’ny fitsarana.
Notakian’i Andry TGV tamin’izany ny fanalalahana ny fahazoan’ny rehetra maneho hevitra amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Erin-taona aty aoriana, afaka maneho hevitra malalaka ao amin’ny TVM sy RNM ve ny rehetra ? Tao aorian’ireny fitakiana sy fanimban-javatra ireny ? TSIA ny valiny, ny TGV sy ny HAT sy ny forongony ihany no mahazo miteny ao. Ny fomba fanao nanakianana ny Filoha Ravalomanana, vao maika aza nitombo avo folo heny no ataon’i Andry Rajoelina amin’izao fotoana izao.
Ny tena loza aza, 10 volana nitondran’ny FAT, telo ireo mpanao gazety nogadrainy. Lôlô Ratsimba sy Didier Ravoahangiarison tao amin’ny Radio Fahazavana ny janoary 2010 ary Evariste Ramanantsoavina mpanao gazetin’ny Radio Mada ny volana Mai 2009. Misy mihitsy ny onjam-peo rahavavy mihantsy sy manao fandranitana tsy misy na dia kely aza sazy nomena azy. Be no manontany hoe hatraiza ny fiafaran’ny tantara ? Tantara izay toa resy hatrany ny marina sy rariny. « ny marina anefa tsy mba maty » ary « ny tody tsy misy fa ny atao no miverina ».
Zarazarao e ! - Partagez !
PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?
Related posts:

Na ny teny Anosipatrana, na Ankorondrano, na teny Anosy TVM sy RNM, na Analakely dia ireny ny asa devolin’i Radomelina. Hivaly aminy ny ratsy nataony. Raha tsy aminy dia amin’ny taranany. Ratsy natao tamin’ny Firenena ireny fa tsy tamin’i Ra8 ihany akory. Izay ataony sy izay hataony dia tsy hanjary avokoa. Ho very any amin’ny afobe izy, miaraka amin’i Ratsy rahonana sy Ramaro Son mpivavaka amin-na fanahy ratsy.
Ny zanany aloha dia hizaka e, na dia tsy tompon’antoka aza ! Fa ny ray aman-dreniny dia efa fantatra fa tena nandray anjara mafy !!
Indrisy, indrisy, Andriamanitra tsy andrin’ny sasany andrinay ihany….Endrey zany manaraka sy mijery ny fahitalavitra MBS fahiny. Zao nofy sisa izany…tsy mitanondrika isika fa mitraka vonona hanarina indray izay nopotehin’ny jiolahy.
Inona marina no tokony hatao e, dia hanaiky resy ve isika ry mpitolona.
Efa hidabok’io ato ato, fa mila fanohanana na dia izany aza. Handefaso msg, mini dossier daholo izay olona, indrindra vazaha, fantatrareo ! Izay manohana ny ara-dalà na dia namana ; izay tsy manohana dia naman’ny fahavalo !
Erin-taona izao no nijaly ny gasy ! Mbola tsy ampy ve izay ? Ny zavatra haterak’io mbola tsy fantatra ihany koa ! Mbola ho enjana koa ny fanarenana ny firenena !
Salut daholo,
Nikson â tsy misy manaiky ho resy izany raha ny manana fisainana tsara.Ny marina anie tsy maintsy mivoaka foana ê.Marina mihintsy io lazain’i KMD io satria hatrany @ zanak’amanjafiny no hietatra io zavatra ataon’ireo io.Izay ange ilay hoe:ny tody tsy misy fa ny atao no miverina.Na aiza na aiza andehanan’ireo sy ny tarà nany dia misy mahalala ny nataony foana.L’avenir nous le dira il faut le croire.
KMD
step by step hoy ny anglisy ka ny ankehitriny aloha dia izay manendaka an’ireo hat ireo no tadiavina, avy eo dia ny manerana ny firenena indray ary maro isika hanao an’izany.
tadidinareo ve ilay jeneraly….nanao tenue civile teny Ambotsirohatra tamin’ny fevrier 2009 tamin’ilay masakra , fa inona ny rôle n’izy io tamin’iny ê ??? ary aiza izy io izao @’izao fotoana izao ??? efa betsaka ihany ve izao ny olona idantifie ?
Mila tehirizina tsara atao arsiva fa ilaina daholo ireny atsy ho atsy , ny filma , ny sary , dvd reportazy, sns….ary soa ihany koa fa nisy ireo mpanao gazety vazaha naka sary sy nanao filma . Tantaran’i Madagasikara daholo ireo!
Izao no poroo itan’ny maso sy azo tsapain-tanana fa ny fialonana ,ny fiutsiriritana ,ny tsy fitiavana dia ahavitan-doza..!
Na tsy misy fitadiavana izay nahavita izao dia mora ny manonina ny tompn’andraikitra ,ny lohan’ny nanao izao !
Izany anisan’ny antony anaovan’izy ireo bodongerona mifikitra eo amin’ny fitondrana nalainy an-keriny é!
Satria raha votsitra io fitondrana entiny io dia fantany tsara fa miandry azy ny Fitsarana…!!
Koa Isika no tokony ho mailo mba hanakana azy tsy handositra !
Rasoa à !
Dolin ny anarany ary raha vao niverina avy taty frantsa rajoely dia iny dolin iny no notendreny ho directeur de cabinet tao amin’ny commune..cemgam taloha izy iny tamin’ny fitondran-dratsiraka..!
Ataoko fa tsy ho hafa maina iny olona iny amin’izao fahasimbana sy fahapotehana izao..
Misy sary nalain’ny studio SOLO mampiseho tsara io olona io tena Ambohitsirohitra ,Lobaka fotsy no nanaovany ary kasikety fotsiny koa no nistroany !
Ataoko fa tonga ny fotoana tokony ijoroantsika sy ifanomenzantsika toky..!
Aza matahotra na mangovitra fa be ireo famantatra fa efa kely sisa dia ho rava , dia hifarana ny revi-gadran’ireto jiolahy nanapotika ny Firenena..!
Jereo ireo manomboka mandositra aty ivelany fa hoe handeha hitsabo-tena..
Araho-maso tsara ny fihetsiky ny Tafika !
Isaho ireto olona samborina tsy amin’nyantony !
Fampitahorana ny Vahoaka izao fisamborana izao mba halalan’ny Vahoaka fa na ngetroka aza sahin’izy ireo samborina..!
Ho avy ny maraina hirongatra daholo ny MPONINA REHETRA !
Ny zavatra marina dia izao, raha tadidinareo dia nosamborina i HAT RANJ….. izay Mpampianatra fanta-daza eny @ Université, izany hoe Mpanabe ny zana-bahoaka,misy olona manana film, ny fivoriana natao niaraka tamin’ireo totakely mpandroba avy eny ambanitanà na ka io olona io no nitarika izany ary isan’ny nametraka ny MBS TVM RNM ho cible t@ 26 janvier 2009, izany no asan’ingahy Mpampianatra. Nosamborina izy ary nogadraina teny TSIAFAHY, ny mampahagaga ahy fotsiny, na asa nohon’ny fanadihadiana mbola tsy vita tsara dia tsy sahy namoaka izany ny Mpitondra teo aloha, hany ka lasa navadiky ny teny @ 13 mai fa nogadraina nohon’ny antony politika io olo-malaza io.
Maro ny zavatra hoatran’izany, ny mampametram-ponontaniana ahy amin’izao fotoana izao dia ny hoe, aiza ANTANANARIVO izay tsy mahatanty mangirifiry fa tena mafy anie ny fiainana eh, ny mpandroba, ny mpamaky trano, vono olona etsy sy eroa, ny kidnapping, hala-jaza, tao anatin’ny fotoana fohy dia niova ny fomba fisainana Malagasy ary tena lasa ratsy dia ratsy tokoa.
Mampalahelo fa ny Firenena MAlagasy izay modely taty Afrika tamin’ny fandriampahalemana izao dia lasa tsy hay intsony izay misy azy.
Ianareo izay mahalala olona na anaran’olona dia tonga dia lazao mivantana fa efa ho avy ny farany ary tsy bmisy izay nafenina tsy hitranga amin’izao fiainana izao.
Itony ilay mpanao vain-drahalahy tsy marary. Rehefa ny azy, dia ilay radio VIVA no nakatona dia lava lela ery nefa tsy nisy nanimba fa rehefa fananam-pirenena TVM/RNM sy ny fananan’i Prezidà Marc Ravalomanana no nodorana sy nopotehina, dia tsy mampaninona ary dia efa fananan’izy mianakavy ny TVM/RNM.
Amin’ny fomba ahoana no handohalihana lalandava eo anatrehan’izao jadona iainantsika izao. Omaly ny fahatsiarovana ny fanapotehana vitan-dry zareo TGV ny 26/01/2010. Tsy nisy fitenanana nataon-dRajolena na indraim-bava aza fa ny fomba hanasesefana ity fifidianana solombavambahoaka efa tsy ankasitrahan’ny rehetra no mbola tatataina ao amin’ny TVM. Mba ho fanajà na ny safidim-bahoaka hono. Mahavariana !
A qui profite le crime? A TGV et sa clique bien sûr! Or, grande fut ma surprise en regardant, ce soir, sur TVM, la brève rétrospective que ses journalistes ont fait de cet historique « Black Monday ».
Les destructions, les pillages, les incendies, les morts, les blessés … de cette funeste journée, ils ont mis sur le dos de ceux qui se proclament aujourd’hui comme des légalistes, ceux-la même qui sont là pour bloquer la marche vers des élections « législatives » ( N.A:non consensuelles et non inclusives et pourtant disent-ils démocratiques, libres et transparentes ) Bref,le monde à l’ envers.
Ce sont ceux – là ( lire les pro – Ravalomanana; donc, pour eux, pas les » Baomanga » des bas – quartiers de la capitale que d’aucuns avaient remarqué au cours de cette journée et des journées d’après ) qui auraient détruit et incendié la TVM et autres bâtiments publics et privés. Organès n’ a pas non plus fracturé, sous les caméras des chaînes de télévision, avec une barre à pinces la porte métallique du ministère de l’ Intérieur, celui-ci a reçu de TGV la récompense suprême en le nommant – ô paradoxe! – ministre de la Sécurité publique!La TVM qui quelques mois auparavant avait été récemment remis à neuf par le régime Marc Ravalomanana avec ascenseur et matos ultra – modernes ( je ne voudrais pas parler du gouvernement Charles Rabemananjara vu que c’ est le traître de la première heure ); TGV et sa horde sauvage l’ont incendiée car pour eux la TV la RNM représentent la « Voix de son Maître » ( Marc Ravalomanana.)
Bis répetita.C’est, pourtant, ce que font , depuis le 26 janvier 2009, TGV,la Hat, l’Armée, leurs partisans. Ce soir, 26 janvier 2010, TGV a profité de ce triste anniversaire pour afficher son autosatisfaction (sic) devant la presse et les téléspectateurs à travers tout Madagascar,pour « toutes »les réalisations « accomplies » pendant la Transition.
A propos de télévision, beaucoup accorderont comme moi la palme à TV PLUS pour avoir diffusé, ce soir, une longue rétrospective et débats de ces tristes événements suivis de bien d’autres.Très peu ,sur Matv , comme toujours, toujours aussi preste à accorder ses plateaux à ses adversaires virtuels (HAT ) alors que Mamy Rakotoarivelo est du … TIM et jusqu’à preuve du contraire il est de la maison. Aucune ligne éditoriale digne de ce nom! Manger à tous les râteliers! Quand verra-t-on Télé et Radio Viva accorder aux pro Ravalomanana, Zafy et Ratsiraka leurs antennes ?
Mais, le plus regrettable c’ est l’absence de rassemblement même pacifique, ce 26 janvier 2010, de la part des trois mouvances, dans le cadre de la commémoration de ce triste anniversaire.Beaucoup espéraient qu’il fallait marquer le coup ce jour – là . Leurs leaders auraient fait le plein . Dommage, car très souvent on dirait qu’ils sont blasés.Disons qu’ils ne perdront pas grand chose par rapport au reste de la population. Une idée d’ éditorial à exploiter par M. Ndimby puisque nos journalistes traditionnels ne comprendront pas.
ireny rehetra ireny dia i alain ramaroson no tena nikotrika ireny
jereo ao andoharanofotsy fa feno fiara nangalarina
Miarahaba ny rehetra,
Tsy dia hanam-potoana firy androany fa dia izao :
- Nisy namaoka soson-kevitra hoe, tokony angonona daholo ny oronan-tsary mikasika an’izay zavatra nitranga, ka dia eto aho dia mampahafantatra an’izay mbola izay mbola tsy nahita, fa i Rahery ao amin’ny Gasy.net, dia efa nanomboka nanao an’izany. Azo hisaorana izy noho izany ! Ny hafa koa, tsara raha mba manao tahak’azy !! Hevitra atsipy izany ry MyDago !!
-Momban’ny voasoratrao ry Rakotoson. Amiko dia tsy mahagaga ny fihetsika ataon-dry TGV. Ny ataon’ny 3 mouvances no tokony hampieritra marina. Inona no antony ? Efa misy ny valiny azo homena, fa asa, mbola tsy fotoanany angamba izao ; na dia izany aza, mampieritreritra rahatoa ka ny hoavin’ny Firenena no banjinina !! Tokana marina ve ny lalana, hizoran’izy ireo ?
ie mazoto e! fa izao alou raha tena tia Tanindrzana ianareo dia aza tezitra fa nalain’ny Fanjakana i Magro ivarotanolona ka hevitra tsara e?mirary anao Kintana avitrika amin’ny adidy miandry e! mahereza amin’ny FitiavantanindrazanaMDR
Mitohy foana angaha ny adalanareo ry gamara ? Mangalatra ampahibe-maso ! Efa nilaza izahay, fa : Rira bien, qui rira le dernier ! Aza mikoraka, raha voasambotra koa i gamara kely afaka fotoana fohy ! Hiantsoantso hoe : Mba vonjeo izaho ry kintana !!!!
MDR !!
Rakotoson,
Mais les légalistes n’ont fait leur apparition qu’après le 17/03/2009, suite au départ précipité du Président Ravalomanana. Ce mouvement est né suite à la peine lancinante de ses partisans après son éviction. Comment ont-ils pu faire ce dont on les accuse ?
Vous le FAT, vous êtes des êtres mensongers qui ont toujours rejeté la responsabilité de vos forfaitures sur les autres. Vous êtes des bêtes malfaisantes qui ne méritez pas de voir le soleil mais de rester dans les ténèbres les plus noirs de l’enfer.
Asa tsy tokony hadinoina koa ny baiboly nodorana tao amin’ny blue print tetsy behoririka, izay nodoran’i AR sy ny forongony ary tena tsy nisy niangana intsony mihintsy fa fototra sisa, tena mampitomany mitsy.
Fohy loatra ny fisainan’ialahy mihevitra ve ialahy fa hitoetra foana eo; aoka ny vahoaka no hitsara, izay fitondrana mijoro eo; jereo tsara fa hanenjika an’ialahy, ary @ izay ho tsapan’ialahy fa diso lalana ialahy: inty ahy eto fa tsy tafaverina eto Mada mandra-pahafatin’ialahy ialahy, ary mbola ho tratran’ny mandat d’arret internationnale: jereo tsara anie e!
Aterikalao no ady eo e!Radomelina ndray no aongana.Alohan’izany dia tokony hanao tournée mada-raid ny 3 mouvances hisensibiliser-na ny oul,aoka tsy ajanona eto TANA ny tolona fahadisoana io!!ka ampiakarina eto daolo ny mpomba ny 3 mouvances ampiana ireo bas quartier mercenaires de tafa io!!!
io nadia io dia tena olona mifanakaiky ny trano-tainy sy ny atidohany, ka izay no mahatonga azy tahaka izao, ianao io dia olona voakarama, jereo ny fahorian’ireo vaohaka maro be tsy manana asa intsony, jereo ny fitolokon’ireo zaza madinika sao hanenenanao io ataonao io, jereo ry alain ramaroson sy ny ekipany olona efa nitrosa tery izao miliara no lalaovina
mba saino kely ihany
Tsy mahay manan-javatra tsara e!
Izao kosa anie isika mba azon’ny olona hitserana hoe mampalahelo ry zareo e! io mantsy mahafinaritra antsika malagasy mihitsy…
tsy haiko na mety manokatra sujaet vaovao fa dia tohizako eto, raha mety dia mba atoroy azafady.
Tokony t@ 10h30 teo dia OLO-TSOTRA 1 camion avy @ CUA , 2 camions miaramila, 1 4X4 police, ary OLO-TSOTRA eo @ 30 eo ho eo mihazakazaka manenjika mpivarotra amoron-dalana nandalo tety Anosy, ilay olona efa mitsaoka mbola enjehindry zareo @ iny LMA iny.
Za ry zareo dia manaiky ny fandaminana fa kosa mba tokony jerena ny contexte misy @ izao, cas social daholo ny olona @ izao, voaroaka @ asany izy @ volakely dia ho aiza ny vahaolana akaiky indrindra fa tsy ivarotra!!! rehefa tapitra ny crise ampiharo ny lalà na momba an’izay , firifiry ny tsy manara-dalà na eto tsy amoahana milice sy miaramila hoatran’ireny ????
belts,
Tsy maninona anie izy mampihatra ny lalà na raha ohatra ka olona ara-dalà na afaka manao izany e!
Ny olana manaraka koa dia ny hoe ny mpangalatra sy tontakely tsy misy azony fa ny olon-tsotra no hanamparany hery.
izay ilay ataoko hoe arakaky ny contexte io satria androany izy no voaroaka rahampitso tsy maintsy mitady izay mba ampitomboana ny volakely eo an-tanana, raha betsaka 100.000 Ar
zao ray olona a! aza mijanona mivavaka mba hahazo hery raha mitranga ny loza, tsika anie zao efa voasazy fa afenindry zareo ao @ HAT fotsiny e!! jereo fa efa tena lasa tsikelikely ny bailleurs rehetra, isika tsy hitsahatra ny hitolona kanefa mila mailo foana,… raha mbola manambola ianao zao, provisions hatao fa aza laniana @ tsy misy dikany ny volanao, satria dia ho tampoka be amintsika ny hilatsahan’ny embargo eto, iray minitra eo dia hiakatra be daholo ny vidin’entana ,ny mpivarotra hikatona daholo satria ny olona rahateo tsy manam-bola intsony, toy ireny tany miady ireny e!!tsika anie meritreritra hoe mandrebireby fotsiny ny gic, fa za sure fa après 15 jours eo , hisy zavatra eto raha miziriziry @ loham-botony ireto hat ireto,koa alao hery , raha tokony hividy vernis 2500fmg isika renim-pianakaviana dia aleo mividy sira dia tahirizina, sady rehefa tena raikitra ny fahasahiranana dia isika vehivavy mitaiza kely sy mampinono no tena mijaly,dia ataovy ambony foana ny moral na dia sahirana sy ampijaliana aza isika mitady ny rariny, zay maharitra ihany mantsy hono no ho vonjena, ary matoa hatr@ zao ry zareo tsy mety mahazo reconnaissance dia nandaitra zany ny tolona sy ny vavaka nataontsika tsirairay avy , koa mahareta @ fivavahana fa tsy maintsy mandresy ny tolona e, marina fa malahelo ny fo nohon’ny fandrobà na sy ny fahapotehina nisy teto @ firenena kanefa hoy ny tompo hoe » misy ny andro hitadiavana ary misy ny andro haverezana », tsy maintsy mandresy ny tolona , ary dia hiaraka isika hanarina indray an’i Madagasikara, zao aloa dia ny fahavelomantsika mianakavy no tena primordiale, tsy solution ny mandeha mamono tena ho tifirin’ny miaramila fa ny vahoakan-drajoelina aza tsy fidiny novonoiny teny Ambohitsirohitra, reo miaramila manao an’Andriamanitra ho tsy misy ireo, hitany kely ny hahazo azy… ? Mahereza daholo fa momba antsika mandrakariva Andriamanitra e!
hitako koa t@ topmada ny ao amin’ny ministère de l’amenagement du territoire ao, ary mba nanotany namana tao fa tena mangalatra no ataon’io minisitra io sy ilay ct moby izany ary ilay prmp tokony atao re-tany re-danitra izany fa tena mijaly hono ny mpiasa ao no sady hanaovana taim-bava foana
ireo fivondronana ireo koa mba tokony misaina alamino mifanaraka amin’ny zava-misy ny tanana, tsara ny fandaminana, fa mba alefaso lavitra ny fisainana, ireo bandy miasa ao ireo anie no mpikaraman’adin’i tgv t@izany e
Fa mba ohatrinona hono ny contrat de bail nanofan’ny MBS Vaovaontsika le quotidien io teny Anosipatrana io e? araka ny fantatro mantsy dia toa tsy nihoatran’ny Ariary 10 mandritry ny taona marobe! zany ve no atao hoe fitiavan-tanindrazana? Raha fialonana indray dia marina izany! mialona ny gasy tamin’ny nandorana ny teny anosipatrana satria ny ankamaroany tsy mahita ho anina sy hipetrahana nefa ny mpitondra tamin’izany fotoana izany manao ampihimamba ny fananany! toerana tokony ho nanaovana oeuvre social foyer ho an’ny mahantra ve ofaina ariary folo! ny tanimbary totofana teny andohotapenaka! tsy maintsy misy fialonana ao amin’ny gasy satria tombotsoan’olom-bitsy no nampiharina tamin’izany!
ny foza raha hannao désinformation !!sady faly manaratsy fotsiny .Herintaona anefa no teo tsy hita izay vita fa mamotika firenena fotsiny.mampanatena ny tsy misy ny vahoaka fotsiny.ny loto,ny lalana, ny vindimpiainana,sns… tsy ho voatanisa eto fa na haraina aza ny andro tsy ho vita.ny zavatra tsotra ho lazaina anareo dia izao .AZA BE FIALONANA FA RAHA MANANA AO ANATY » PATALOHA » DIA MBA MISIKINA MIFOHAZA VAO MARAINA DIA MANAOVA TOA ANDRAVALOMANANA RAHA MAHAVITA!!fa tsy mitsiriritra ny any ampaosin’ny sasany fotsiny.angaha inareo mihevitra fa tsy nisasarana ireo fa tongatonga ho azy fotsiny!! tena olona maty eritreritra itony.MANAFINTOHINA MANAO SAIN’a…
SANS QUALITE RY COLERE A !!!!!!!!!
Y A RIEN DE BON !! FAUT LES ECRASER SOUS UN ROULEAU COMPRESSEUR, CAR NUISIBLES A L’ENVIRONNEMENT !
tsy hita , tsy re hintsony ve izany co- prézida izany ???
tena lasa resaka ambony vavahady…
cartel de medelin wah !
plus d’Etat !
efa tapimbava sahady angamba ireo ry gasybe â !
teoria be fotsiny ny co-prézida fa ny @ pratika hatramin’izao dia toa tsy mahita mangirana ?
efa herintaona izao i Madagasikara no toy ny zaza kamboty tsy misy mpikarakara. Lasa manao izay tiany hatao daholo ny rehetra. Ao ireo mpanao trafika ny bois de rose, ao ireo mpanararaotra mangalatra ,mampiasa mandà sandoka hangalarana ireo partikoliea manamanana, ao ny mpangorohoro vahoaka @ tsy antony ;…sns…sns! izany ilay atao hoe tena pagay be sisa, tena mampalahelo be!
ao ireo mody manao hoe mpitandrina ny filaminana kanefa ny tanjona dia hangalatra ny entan’ireto mpivarotra kely eny amoron-dalana izay mi survivre fa tsy manakohanina, satria matin’ny hanohanana ny ankizy. Avy eo dia zaraindrizareo entre eux fotsiny ny entan’ny olona , izany anefa milaza fa mpitandron’ny filaminana, inona koa… hay tena mpangalatra daholo! ( nohon’ny tsy fandraisan-karama koa angamba io….. dia lasa manao self service eny @’izay aleha rehetra eny ) lasa jungle be sisa i Dago!!Tsy mendrika antsika izany fa aoka re ny malagasy mba hiverina @ maha malagasy azy ê! tsy toe-tsain-tsika mihintsy izany !ohatran’ny voatsindron’ny mouche TseTse izany ny vahoaka dia matory daholo. AMPY IZAY FA MIFOHAZA DAHOLO @’IZAY !!!