Président Fetison

Président Fetison

Tsy manan-kery !

« Tsy manan-kery ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’iny filan-kevitry ny ministra iny » hoy ny filoha mpiara mitantana Fetison Rakoto Andrianirinana. Tsy nanatrika ny filan-kevitry ny ministra tsy ara-potoana nampanantsoin’i Andry Rajoelina, omaly, iny aho hoy izy, satria tsy nifampierana teo anivon’ny filan-kevitry ny fiadidian’ny tetezamita, sy tsy mifanaraka amin’ny satan’ny Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis-Abeba izay mitovy lenta amin’ny lalam-panorenanan’ny tetezamita.Bontolo toy ny mahazatra azy no nataon’i Andry Rajoelina sy ny forongony.

Tsy malala fomba !

Etsy andaninin’izany, nanatrika izany ihany kosa ny filoha mpiara-mitantana Atoa Emmanuel Rakotovahiny izay nanambara tamin’ny mpanao gazety fa : « tsy mahalala fomba ireo ministra Fat » , « tsy mba nitrangana akory raha niditra ny efitrano aho na dia amin’ny maha zoky olona fotsiny ahy aza ».
Na inona na inona fanazavan’i Andry Rajoelina, dia tsy nanara-dalana iny filan-kevitry ny ministra iny, na dia ny tsy naha teo ny praiministra Mangalaza sy ny tsy fifampierana teo anivon’ny filan-kevitry filoha mpiara-mitantana ny tetezamita fotsiny aza.



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Ry Filoha manan-pahefana o !
  2. Hafaliana tany Arivonimamo
  3. Sezarenina
  4. Tsy milamina ny eto Madagasikara
  5. Nandefitra ny Filoha Ravalomanana

15 Comments

  • KintanaMananDrambo dit :

    Ny sefon-dry zareo efa nahazo an’io hoe « tsy mahalala fomba io » tany Addis-Abeba, ka ry zareo ve dia mba mahafantatra an’izany !!
    Mila fisainana mahitsy sy fahendrena anie izany ê ! Manongam-panjakàna aza ataony !!

    Ingahy Emmanuel koa efa zoky olona, tokony tsy nitonantonana toy ny vinanto tsy mahare fosa !!Hivory, haninona miaraka amin’ny potsista ??

  • Nadia dit :

    mawola mawola mawola

  • Verohanitra dit :

    Tsara ny fanapaha-kevitrao tsy nandeha tany ry Atoa Fetison. Mbola ny FAT(y) ihany anie io e ! Inona moa no hitonatonanana any amin’ny fivorian’ny mpanongam-panjakana ?

  • ravelojaona fidy dit :

    Na dia tsy mpanao politika aza ange dia mahafantatra fa tsy manan-kery io conseil des ministres io e! fa ny tiana ho fantatra dia inona no ataon’i Fetison sy Rakotovahiny? hidradradradra isanandro hoe tsy manan-kery nefa tsy hanao n’inoninona!!!

    Milona loatra ry zalahy a! sa mbola PACIFIQUE foana hatrany ny ady eo? hiomehezan’i domelina fotsiny,ary ohatry ny hitako hatr’aty ny latsany hoe:andraso eo pol!!!!

  • ralezoka dit :

    Efa betsaka anie izay porofo : »Tsy mahalala fomba »
    nataon’ireo izay ê! Tereny anefa isika hiantso azy hoe:
     » monsieur le président  » dia io izy miseho ho président io foana .

    Mendrik’haja amam-boninahitra anie izany Premier Ministre izany rehefa miditra ao an-trano hivoriana ê! Nefa tsy hasian-dry zalahy vidiny akory. Izany ve no olona hitondra firenena ?

  • Tatsinanana dit :

    Efa azon’i rajoelina ny toerana notadiaviny, efa + ou – reconnu @ zay izy izao, ho avy @ zay izy hanao forcing. Tsy manan-draharaha izany accords izany izy na tany Maputo na tany Addis-Abeba ary jereo tsara fa tsy hihetsika ao M/car intsony leiry, ny miaramila teren’i jeneraly andré hanohana an-drajoelina. Ka ahoana? hiaritra trèfle ve isika sa hihetsika? Ary tsy la farine intsony no hatoraka fa zavatra hafa.

  • Tsitàna dit :

    Tokony hihetsika fa saingy toa tsy ho resy lahatra amin’izany ireto izy. Ohatry ny avy aty amin’ny légalistes ilay kôzy hoe « andraso eo paoly » raha ny fahitàko azy.

    Dia miaritra eto ve izany no ataontsika rey olona ô !
    Rahoviana ihany kay vao valala be mifoha é !
    sareraka aza efa natory !

  • Aïcha dit :

    na ara-potoana na tsy ara-potoana i Rajoelina sy ny forongony dia aleo tsy hivakiana loha izany ê ! ireo olona izay olona tsy dia mahalala n’ny valeur-na république ireo ê!
    on fait sans eux, basta.logiquement déjà le putchiste ne doit en aucun cas participer à un gouvernement de transition! quel scénario!!!!!!!!

  • Haja dit :

    I Rakotovahiny no te handeha amin’io, ka noporofoin’izy ireo fa tsy misy ilana azy akory. Olona tsy mba tonga tonga saina ilay filoha mpiara-mitantana iray iny fa tia seza sy tia deradera fotsiny. Efa ampijalian’ny olona @ birao hiasana mbola mitonatonana toa ny vinanto tsy mahare fosa ihany mitsolatsolana any. Asa nahazo vola kely angaha, ireny mantsy antandroy tsy mahay mahita vola ka azo viraviraina.

  • HoAiza dit :

    Ho an’i ‘HAJA a dit’ ceci :
     » … mitonatonana toa ny vinanto tsy mahare fosa ihany mitsolatsolana any. »
    ==> aza mba miteniteny foana toa io rangahy enao, mettez-y si l’on veut l’hypocrisie et non cette comparaison qui vous vient la première dans la bouche car bien inadéquate à la situation / contexte. MITSOLANTSOLAM-PITENY sy tsy misy ati-doha TOA NY HAT…

    >> Ary inona no dikan’io ambony notanterin’i Président Fétison io aminao:
    « Tsy nanatrika ny filan-kevitry ny ministra tsy ara-potoana NAMPANATSOIN’I PUSCHISTE Andry Rajoelina, omaly, iny aho hoy izy? … »

    >> Ny nandehanan’i Président Emmanuel tany koa dia itony:
    « while Dr. Emmanuel Rakotovahiny went there with the aim to « tell his hurting truths to TGV. » The co-president had harsh words towards the self-proclaimed president of the Hat and his « ministers. » « I’m here because I respect dialogue, but I still claim that I recognize neither the legality nor the authority of his ministers. They must also resign, but I see that they remain where they are. »

    Ary ny tena favy dia ity (Emmanuel Rakotovahiny)
    >>“Let them enjoy the little time they have if it helps them to eat, »

    De ahona ko ny manaraka!
    Alefa ary ko, mitady enareo dia omena… Fa rehafa mivadika ho adala na hitondra hikororosy / handrorona dia: ANDRASO EO PÔLY…

  • rakoto dit :

    Efa fantatra daholo izany, ka « action maintenant ».
    inona no solution haingana raha tsy mitsangana ny governemanta satria d mbola taritina lava ohatran’ny siligôma eo reo fat reo fa tsy hiala akory!

  • ravelojaona fidy dit :

    Solution iray ihany no azontsika hianteherana:ny fahatongavan-tsain’ny FONCTIONNAIRES; na hiodin-kavia isika na hiodin-kavanana dia ny eo ihany no eo;raha tsy ireo olona izay azo lazaina fa tsy very inona amin’izao kirizy izao ireo no tonga saina dia averiko eto foana fa ANDRASO EO PAUL.

  • Balita dit :

    Hirotsaka an-dalambe amin’izay fa ampy izay, efa zatra ny manongana ny eo isika ka dia andao ary hatomboka amin’izay, miandry mpitarika….

  • TNT dit :

    Tokony hijery Baolina indray i Rajoela kely hanamparan’ny vahoaka ny fahatezerany

  • KintanaMananDrambo dit :

    Tsy tafatsangana amin’ity erin’andro ity indray ny gouvernement ê ! Tsy ho any Maputo hono lery !
    Tohizo ny adalàna, fa mbola tsy mijaly ny vahoaka e !
    Ny vahoaka koa tsy miraharaha an’izay gouvernemanta any ! Hanao fety izy izao, fa efa akaiky ny Noely sy ny taom-baovao ! Izay mihinana vorontsiloza dia mihinana, ary ny tsy mahatakatra an’izany, dia mihinana Takatra !

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site