Mety hitranga eto Gasikara ve izao?

Vinaky tao amin’ny http://news.yahoo.com/

“The months of protests have given rise to impromptu heroes like 75-year-old Dionicia Diaz, affectionately known as « Granny Number One, » who marches with a megaphone in hand. Shouting slogans and instructions, Granny Number One is considered a leader, in part because soldiers and police are thought to be less likely to confront her.

« We’ve been in the streets for 91 days, and nobody is going to stop us, » she said

Dikany amin’ny teny Malagasy.

“Ireo volana maro nitolomana dia nampipoitra “olomanga-tsy-nahy” toa an’i Neny  Dionica Diaz, 75 taona, izay antsoina amin’ny angolan’anarana hoe “Kapiteny Mamabe”, izay mandeha milahatra ombana “megaphone” ary hiantso hanomezana torolalana . Eken’ny mpitolona ho “mpitarika” izy satria indrindra heverin’ny maro fa angamba tsy dia ho sahy “handaroka” azy ny miaramila sy ny polisy.’

‘Efa 91 andro nitolomana tety an-dalambe izahay izao, ary tsy misy afaka hanakana anay,’ hoy izy.”

Mety hitranga eto Gasikara ve izao?

Ny fisian’ny “Kapiteny Mamabe” aloha ekeko fa tsy maintsy efa misy e! Fa hoe ny miaramila sy ny polisy tsy ho sahy “handaroka azy”…misalasala aho! Sa ahoana?

Traduction en français.

Lu dans http://news.yahoo.com/,

“Les mois de protestation ont fait surgir des “héros de circonstance” telle Dionica Diaz, âgée de 75 ans, affectueusement surnommée “Cheftaine-Mémé” qui conduit les marches un mégaphone à la main duquel elle lance les mots d’ordre et instructions. Sa réputation de “meneur” vient en partie de l’hypothèse qu’elle risque moins d’êter molestée par les militaires et les hommes de la police.

‘Cela fait 91 jours que nous sommes dans la rue, et personne ne pourra nous arrêter,

‘ dit-elle.”

Cela peut-il arriver à Madagascar ?

Qu’il y ait des “Cheftaines-Mémé”   Numéro Un”, je n’en ai pas le mondre doute, mais “qu’elles risquen moins d’être molestée par les militaires et les policiers”, je n’en suis pas aussi sûr.” Qu’en pensez-vous?



Zarazarao e ! - Partagez !

PS : Tadidinao koa ve ity lahatsoratra nivoaka tato amin'i MyDago ity ?
PS : Vous souvenez vous aussi de cet article sorti sur MyDago ?

Related posts:

  1. Madagascar, au fond
  2. Poignant temoignage de Madagascar
  3. Predication du Pasteur A.Joly pour Madagascar
  4. Grande manifestation reprimee a Madagascar
  5. Requete aux emissaires de l’UA, OIF et ONU a Madagascar

5 Comments

  • barak dit :

    Mety hisy eto Madagascar ve izao ?

    Ho valin’ny fanontanianao dia efa nisy tokoa fa tsy norarahian’i fatin’alika Charles sy ry lilison fa dia nodarohany soamantsara

    adinonareo sahady ve ny cas Manandafy e (efa olondehibe anie ireny e)

  • ramndinika dit :

    Tout est possible avec ls brutes en uniforme que nous avons à Madagascar.
    On a habitué les soldats malgaches à exécuter des tâches de gendarmes et de policiers.
    Faut-il s’étonner s’ils trouvent normal de retourner leurs armes contre leurs compatriotes?
    Nous n’avons ni armée nationale, ni armée populaire mais une troupe d’occupation.
    Quand le calme sera revenu il faudra reconsidérer l’existence de cette armée inutile qui compte plus de gradés que de simples soldats.

  • Verohanitra dit :

    Ny miaramila Malagasy Tompoko dia tsy miraharaha na vavy, na lahy, na antitra, na tanora, na ankizikely, dia rarafany daholo, tsy misy ankanavaka.
    Fa ireo angaha mba natera-behivavy e ? Ireo koa angaha manana anabavy ? Ireo koa tsy manan-dray na rahalahy na zanaka.
    Andry Rajoelina sy Monja Roindefo no tanindrazana tompoiny miaraka amin’ny volabe lolohaviny an-tampon’ny loha. Ka na anti-bavy efa 75 taona aza tsy hahamenatra an’ireo mihitsy no hitifitra azy. Asio toaka sy jamala fotsiny, dia njola ny masony ka tsy mahita izay hotifiriny intsony fa romotra.

  • piso dit :

    saika mba hametraka valin’ny fanontaniana aho, kay efa voavalinareo namana,
    izaho koa tao anatin’ireny sakoroka nisy rehatra nanomboka tamin’ny 18mars teo dia mba ni-style oe aleo izahay vehivavy eny aloha fa mba naterabehivavy ireo ka tsy ho sahiny ny hidaroka anay vehivavy, nety ihany le fika ny roa erinandro voalohany,
    jusqu’à ce que : nisy namana vehivavy iray, mampiaraka amin’ny sipany (tsy anisan’ny mpitolona akory zareo), sendra ireo mpitana basy tsy matahotody ireo, nodarohiny tsy nananany antra izy roa kely satria zareo no sendra anle tsy vanona teo de reo no nanalany ny môly laniny…
    niova fijery sy raisonnement izaho nanomboka teo…

  • zany an! dit :

    Andriamanitra tsy andrin’ireo satana rehetra ireo andrintsika fa misy farany dhl ny zavatra rehetra na dia marina fa mafy loatra ny mahazo antsika sy ela loatra hoy isika ny faharetan’ny tolona.
    Aza kivy fa homba antsika Andriamanitra fa aza rereka na kivy ny mivavaka fa ao anaty indray mipi-maso fotsiny no andavony sy andravany ireo tsy matahotra tody rehetra ireo.
    mahereza dhl fa aza misy kivy zany fa homba antsika lalandava ny Tompo

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

*

Switch to our mobile site